Odrryy ! Inona re ity e,nataoko ny tsy hihomehy
1. niryna
(
30/06/2009 14:38)
Tapaka foana ny tsinaiko rehefa nieritreritra ity tantara nolazain'ny namako ahy ity.Sendra teny ambonin'ny fiara izy ary nandalo fiangonana iray.............
Avy niangona aho hoy izy ary somary nijanona ela kely teo alohan'ny fiangonana ny fiarako no nahatazan-davitra olona roa miady aho ,nierika aho ary nahatazana lehilahy iray manao akanjo lavabe mitondra Baiboly ary vehivavy iray no tazako miady aminy ary manifikifika tanana toa hila hamono mihitsy ilay rangahy.Vao avy nirava ny fiangonana hoy izy no fijeriko azy satria mbola feno olona teo ambavahadin'ilay fiangonana.
Nanara-tsisiny aho dia najanoko ny fiarako ary nanatona ilay rangahy miankanjo lavabe aho .Tsy fantatro hoy izy mantsy an'ilay rangahy izay adinareo fa ny fantatro aminao fotsiny dia hianao mitondra baiboly sy manao akanjo lavabe.Mijery anao daholo ny olona fa tsy misy miafina izany ary hianao no fitaratra ka maninona no manalabaraka tena miady eo anoloan'ny fiangonana( fa aiza izy no tokony hiady,hoy aho anankampo no sady maty ny fihomehezana).
Notohizany ihany ny tantara dia hoy izy hoe inona hoy indry no nitranga,nesorin'ilay rangahy ny akanjony ary dia vao maika izy nivazavaza.
Odrrry!Inona re ity e? nataoko ny tsy hihomehy .:roll: =)) =))
Indraindray isika dia manao fihetsika toa io ary rehefa avy eo dia mety ho manenina
Inona no zavatra nataonao ka sady mampihomehy no nahamenatra ny tenanao na fihetsika izany na fiteny ary dia toa manenina hianao fa toa tsy noeritreretinao hoe hisy vidiny ilay izy na anala-baraka ny tenanao ?
(l) niryna

répondu par niryna le 20/07/2009 23:20
2. rzakarivola
(
30/06/2009 15:04)
Ny mampihomehy ka nampanenina ny ahy tsy tsaroako loatra hoe nisy, fa ny nampirehareha anaty taloha kanefa nampanenina taty aoriana betsaka, azo tantaraina eto koa ve izany?
3. gasynamana
(
02/07/2009 10:17)
Raha ho ahy manokana dia tsy mba mampihomehy ahy ny zavatra tantarainao eto ry niryna. Ny zavatra mampalahelo ahy aza dia ianao avy dia nihomehy fa tsy nahatsiaro am-bavaka, na nitrotro am-bavaka an'ilay olona akory.
Misy fomba fitenenena malagasy hoe: "Ny adalan'ny hafa himohezana, fa ny adalan'ny tena tafin-damba", ka raha mahatsiaro tena fa kristiana ihany, ahoana re no dia mihomehy ny zavatra mahamenatra sahala amin'izany ? Amiko dia tsy mba zavatra mahamenatra fotsiny io notantarainao io, fa tena contre temoignage mihitsy, noho izany tsy mijanona ho raharahan'ilay olona nanantateraka azy fotsiny, fa mahakasika ny kristiana manontolo.
Ekeko fa tsy iray fiangonana aminao ilay olona, saingy samy kristiana, samy mpitondra fivavahana koa angamba, ary samy miezaka mivelona ny Tenin'Andriamanitra.
Tsy misy ny lavorary eto an-tany, ka tsy tsara loatra ny mifanary, na mihomehy ny hadalan'ny hafa e! Ialaina ny fifanohanana sy fifanampiana ary ny fifamenoana eo amin'ny fiainana. Raha i Jesoa re no notantarainao io tantara io, inona no mety nolazaina? Nihomehy sahala aminao koa ve? Ianao tokoa aloha tsy Jesoa e, saingy mpanara-dia azy, ary mandray azy ho modely amin'ny zavatra rehetra, noho izany mialohan'ny hanaovana zavatra iray, na hilazana zavatra iray, dia banjino ihany aloha ilay modelim-piainanao, ilay arahanao dia, tsy iza izany fa Jesoa.
Ataoko fa tsy hahasorena anao ny zavatra voalazako.

4. niryna
(
03/07/2009 18:52)
rzakarivola:
Ny mampihomehy ka nampanenina ny ahy tsy tsaroako loatra hoe nisy, fa ny nampirehareha anaty taloha kanefa nampanenina taty aoriana betsaka, azo tantaraina eto koa ve izany?
tantarao hoe zaka?
ny ahy indray dia izao: falifaly lava aho ary tsy dia mba tezitra izany.Indray andro aho nanontany zavatra tamin'ny ankizy tao am-piasananay dia hoy ilay rangahy iray izay hoe miasa ato hianao ka tsy mahalala izany ?
hello hoy aho,raha fantatro tsy anontany aho.Inona no nitranga hoy nareo,sendra nivorivory izahay rehetra tamin'io ary dia niaraka nijery ahy daholo izy rehetra.Izaho anefa amin'io mahafantatra fa tsy avo akory ny feoko a.ha,ha menatra be aho ary dia hoy aho hoe fa izaho angaha tsy mba heverinareo fa tsy ho tezitra mihitsy.
Kely ilay izy saingy zavatra tsy fanaoko ary heverin'ny olona fa tsy mba ho tezitra mihitsy ny tena fa ho faly lalandava ka raha misy zavatra kely dia mahavariana azy.
:D :D nataoko ny tsy hihomehy
5. niryna
(
03/07/2009 19:02)
gasynamana:tsy aiko izay andraisanao azy aloha e,nampihomehy ahy ilay izy satria olona no nitantara ahy,nampihomehy ahy ilay izy satria mba niteny ilay olona hoe eto ambaravaram-piangonana hianao miaraka ny baiboly dia mivazavaza manao izay ahamenatra ny tenanao,ny nampihomehy ahy dia izy nanala ilay akanjo ary dia vao maiky nivazavaza indray.Taolana ny nify dia tsy maintsy mihomeny ka
Raha ho ahy manokana dia tsy mba mampihomehy ahy ny zavatra tantarainao eto ry niryna. Ny zavatra mampalahelo ahy aza dia ianao avy dia nihomehy fa tsy nahatsiaro am-bavaka, na nitrotro am-bavaka an'ilay olona akory.
satria amin'ny olona rehefa hoe kristiana dia toa eritreretiny ho miaiana toy ny rehetra ,manana ny kilemany,mampihomehy ahy ilay izy hoe aho aminao rehefa mieritreritra ilay fihetsika nanala akanjo aho dia niady indray izy
Misy fomba fitenenena malagasy hoe: "Ny adalan'ny hafa himohezana, fa ny adalan'ny tena tafin-damba", ka raha mahatsiaro tena fa kristiana ihany, ahoana re no dia mihomehy ny zavatra mahamenatra sahala amin'izany ?
Amiko dia tsy mba zavatra mahamenatra fotsiny io notantarainao io, fa tena contre temoignage mihitsy, noho izany tsy mijanona ho raharahan'ilay olona nanantateraka azy fotsiny, fa mahakasika ny kristiana manontolo.dia izay no antony mahasaropady ny kristiana rehetra ,mila mitandrina ary mila mampiseho ny maha kristiana azy ,eo ambaravaram-piangonana ve no sady manao akanjo no mbola mitondra baiboly,mila mitandrina isika ka,mampalahelo ny zavatra mitranga toa izany ka izay no antony hiarahana mahalala hoe mila mitandrina
dia anatra ho antsika rehetra ilay izy fa mizara ny zava-misy fotsiny aho
Ekeko fa tsy iray fiangonana aminao ilay olona, saingy samy kristiana, samy mpitondra fivavahana koa angamba, ary samy miezaka mivelona ny Tenin'Andriamanitra.
dia mandainga izany hianao raha tsy mbola nahita zavatra mampihomehy anao na inona na inona,ny ao aoriana no hoe hafa izay
Tsy misy ny lavorary eto an-tany, ka tsy tsara loatra ny mifanary, na mihomehy ny hadalan'ny hafa e! Ialaina ny fifanohanana sy fifanampiana ary ny fifamenoana eo amin'ny fiainana.
Raha i Jesoa re no notantarainao io tantara io, inona no mety nolazaina? Nihomehy sahala aminao koa ve? Ianao tokoa aloha tsy Jesoa e, saingy mpanara-dia azy, ary mandray azy ho modely amin'ny zavatra rehetra, noho izany mialohan'ny hanaovana zavatra iray, na hilazana zavatra iray, dia banjino ihany aloha ilay modelim-piainanao, ilay arahanao dia, tsy iza izany fa Jesoa.tsy misy mahasorena ahy na kely akory aza ka sady faly koa aho fa niverina indray hianao
Ataoko fa tsy hahasorena anao ny zavatra voalazako.
:D :D
6. gasynamana
(
04/07/2009 08:29)
Niryna: Izaho tsy nilaza hoe tsy mba mihomehy aho, fa diso hevitra ianao. Misy tokoa ny zavatra mampihomehy ahy, ohatra iray ity: http://dailymotion.virgilio.it/relevance/search/coca+pretra/video/xk79q_coca-cola-light-lime_ads
Fa hanampiako izay efa voalazako dia izao: Moa mahavita mihomehy ve i niryna rehefa mamaky, na tantarain’ny olona izay nataon’i Jesoa tao an-tempoly rehefa nandroaka ny mpivarotra tao izy (Jn 2, 13 – 21) ?
Ilay lehilahy nanao akanjo lavabe nolazainao dia teny ivelan’ny Trano Fiangonana no nitabataba tamin’ilay olona nifamaly taminy, fa i Jesoa kosa dia tao an-tempoly mihitsy no nitabataba tamin’ireo olona nifamaly taminy (mpivarotra, mpanakalo vola, mpanora-dalana, sns…) .
Manaraka an’izay, ilay rahangahy nanao akanjo lavabe dia nanifika ny tanan’ilay olona nifamaly taminy, fa tsy nikasi-tanana azy… fa i Jesoa kosa dia «nanao kotopia kofehy ka nandroaka ny rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra (Jn 2, 15).
Farany ilay Rangahy nanao akanjo lava be dia nivimbina Baiboly, fa i Jesoa kosa dia ilay Tenin’Andriamanitra velona sy hita maso mihitsy…
Mampihomehy anao ve izay nataon’i Jesoa eto ? Hatreo ihany aloha…

7. tywa68
(
04/07/2009 09:20)
ny ahy lay resaka eto no mampmé ahy :-D :-D sa tsy zany ry niryna ? :D
8. gasynamana
(
04/07/2009 10:07)
Mihomehy ianao satria mahatsapa tena fa tsy mahakasika anao ilay zava-misy, fa raha mahakasika anao kosa dia tsy ho sahy hihomehy mihitsy ianao.
Mahatsiaro tena koa ianao fa tsy iray amianao ilay olona nanantateraka ilay zavatra hafahafa tsy araka ny mahazatra anao. Fa raha nahatsiaro tena ianao fa tena hiray aminy dia tsy nahavoaka hehy na dia indraim-bava akory aza. Ny adalan'ny hafa mantsy no imohezana fa ny an'ny tena tafin-damba.
Ary matoa ianao mbola tapa-tsinay dia satria tsy misy fahavononana hiray amin'izany olona izany ao aminao. Jereo ny nataon'ny Jody: ireo nihomehy sy naneso an'i Jesoa dia nisy ny nibebaka ka tsy nihomehy azy intsony, fa mbola nisy kosa ireo tsy nibebaka ka nanohy ny fihomehezany sy ny esony hatrany.
hatreo ihany!

9. rijadolly
(
06/07/2009 17:59)
gasynamana a! misy zavatra ts azon'se kely angamba fa ilay rangahy anie ka te hifamaly an'le ol e! dia inona ny ataony ?manembatsembana azy ilay akanjo lavabe fa mamehy azy ts hifamaly dia nasoriny.Eny fa nadia azony natao koa aza angamba ny nanipy,oh mahery lotra angamba izany hoe manipy fa aleo atao hoe nomeny ol kafa aloha ilay Baiboly dia nataony.Satria ny Kristianina fitaratra fa ts...;
Ny an'Jesoa indray dia ts nanipy maha Kristy Azy Izy fa nasehony mihitsy ny maha IZY azy fa TOMPONY(Tempoly) Izy satria zanak'Andriamanitra. :-*

10. niryna
(
20/07/2009 23:20)
rijadolly:

izay mihitsy no tiako tenenina fa misaotra rija a.Tsy mahazo mihomehy izany isika rehefa misy zavatra mitranga fa hafenina daholo e hi,hi