Ordinatera sy internet (tombontsoa sy fatiantoka)

1. ni81 ( 25/06/2009 06:54)
Saika efa mahafantatra ity atao hoe ordinatera sy internet angamba izao ny ankabeazan'ny olona. Eny fa na dia hatr@ ankizikely 2 taona aza dia efa mikitikitika sahady. Ny zanaky ny namana iray zay aza moa dia saika tsy hita daholo hono ny courriels tao fa nikitika ilay bandy kely ary efa teo @ ilay hoe: à supprimer vao hitan-dreniny :-D :-D
Inona no tena tombon-tsoa azonao @ izy io?
Izaho aloha dia t@ ilay mbola machine be (IBM) ireny no nanombohako efa niasa taminy. Dia niova miandalana araka ny fandrosoana avy eo.
T@ zany tsy nisy internet fa dia ny asa no tena nikatrohana mafy tao.
Ny tombony azo amin'izao fotoana izao dia ahafahana mahita zavatra maro tsy mbola fantatra ary indrindra ahazoana mifandray @ havana aman-tsakaiza .
Mba tantarao indray ny anareo.
répondu par aivetinakely le 29/06/2009 13:52
2. tess ( 25/06/2009 09:31)
Ny tombony azo amin'izao fotoana izao dia ahafahana mahita zavatra maro tsy mbola fantatra ary indrindra ahazoana mifandray @ havana aman-tsakaiza .

efa voavalindry ny fantanina....
NY maharatsy azy dia lasa drogue de mamizana
ao kou no betsaka ny misara-panambadina noho ny net io no tena gravy :-P
3. ni81 ( 25/06/2009 09:56)
ao kou no betsaka ny misara-panambadina noho ny net io no tena gravy
ny momba an'io indray aloha dia arakaraka ny tsirairay angamba, satria zavatra maro no azo isafidianana ao fa tsy hoe akory resaka fitiavana ihany! ireo nisaraka zany angamba efa te hiova fa nahita ilay olom-baovao teo @ net :^) :{
4. tess ( 25/06/2009 10:33)
tratran'ny tentation.......de lay ankilany no sorena de mangataka fisarahana, na kou le fait hoe eo foana tsy mahalala limite de mahasorena ny ankilany farany misaraka, de otrzay hatrany raha tsy mametra ilay net net io :{
5. tess ( 25/06/2009 10:37)
misy namako taloha zay aky! tratrany niditra login site aziatik lay vadiny de iny izy ni naminavina sahady ny hoe hisaraka , tôt ou tard satria allergik na aziatik na typik aziatik lay sipa hahahahah :^) kestion de jalousie, anefa ny maso fotsiny no mijery asa anefa..... :�) :-P
6. fahamarinana ( 25/06/2009 10:54)
:arrow: ny ahy manokana indray dia azo lazaina hoe vao haingana aho vao nampiasa azy ,tsy dia hitako ny nilana azy taloha fa niha-nisondrotra kilasy ny ankizy dia tapa-kevitra fa tsy maintsy hampidirina ity raha ity !
Ny tombon-tsoa dia araka ny voalaza teo ,nihitara ny fifandraisana tamin'ny havana aloha dia nahitako hevitra maro koa ,mety mahasoa ,mety tsy mahasoa !
Ny fatiantoka dia misy koa ,lasa tavela eto foana ,azo lazaina hoe lasa aretina satria vao maraina dia io no sokafako,saingy hihenoko hira fontsiny ihany !Mbola hendry aho zany o ! :-P (l)
7. LibrePenseur ( 26/06/2009 21:02)
Ny ahy indray aloha dia azahoako vola mihitsy ny internet e! izao no ataoko:
1- Misoratra anarana amin'ny site vitsivitsy
2- Mijery dokam-barotra 30 segondra monja
3- Mahazo vola avy eo
4- Mitarika namana

http://www.neobux.com/?r=ferox
https://www.palmbux.com/register.php/feroxman.html
http://www.freebirdbux.com/?ref=ferox
http://neatbux.com/?r=ferox
http://nessbux.com/register.php?r=ferox

Mi-clic @ ireo site ireo isan'andro aho dia mitambatambatra ao dia mahazo vola, io izao no tena hitako fa tombotsoa @ internet, afaka misoratra anarana amin'ireo lien ireo izay liana
8. tess ( 27/06/2009 06:11)
HAFA NDRAY ZANY;;;;
9. niryna ( 27/06/2009 18:31)
fahamarinana:

:arrow: ny ahy manokana indray dia azo lazaina hoe vao haingana aho vao nampiasa azy ,tsy dia hitako ny nilana azy taloha fa niha-nisondrotra kilasy ny ankizy dia tapa-kevitra fa tsy maintsy hampidirina ity raha ity !
Ny tombon-tsoa dia araka ny voalaza teo ,nihitara ny fifandraisana tamin'ny havana aloha dia nahitako hevitra maro koa ,mety mahasoa ,mety tsy mahasoa !
Ny fatiantoka dia misy koa ,lasa tavela eto foana ,azo lazaina hoe lasa aretina satria vao maraina dia io no sokafako,saingy hihenoko hira fontsiny ihany !Mbola hendry aho zany o ! :-P (l)



:D :D mitovy amin'io tenenindry io koa ny ahy.Ny mahasosotra azy koa dia miova foana ilay izy dia tavela eo ny tena rehefa somary antitra iny dia voatery manaraka ny toetrandro foana dia lasa ariana fotsiny indray.
10. niryna ( 27/06/2009 19:02)
LibrePenseur:

Ny ahy indray aloha dia azahoako vola mihitsy ny internet e! izao no ataoko:
1- Misoratra anarana amin'ny site vitsivitsy
2- Mijery dokam-barotra 30 segondra monja
3- Mahazo vola avy eo
4- Mitarika namana

http://www.neobux.com/?r=ferox
https://www.palmbux.com/register.php/feroxman.html
http://www.freebirdbux.com/?ref=ferox
http://neatbux.com/?r=ferox
http://nessbux.com/register.php?r=ferox

Mi-clic @ ireo site ireo isan'andro aho dia mitambatambatra ao dia mahazo vola, io izao no tena hitako fa tombotsoa @ internet, afaka misoratra anarana amin'ireo lien ireo izay liana


na mahazo vola hianao izany na manaraka hatramin'ny any am-paosy satria fantany hatramin'ny kaontim-bolanao any amin'ny banky raha misy any
:D :D
11. LibrePenseur ( 28/06/2009 18:39)
Tsia, tsy fantany ny kaontim-bolanao kah! ireo site 5 ireo ilay manakarama hi-clic fotsiny fa hafa indray ilay banque en ligne...izay vola azo amin'ireo no miditra any amin'ny kaonty banky.
12. sakaizakely ( 29/06/2009 08:07)
ny mahafinaritra @ ordinatera
* azo iverenana, azo ahitsy antenantenany ny zavatra soratana, tsy voatery mandika azy rehetra imbetsaka mandrapahita ny tena lahakevitra
* afaka mitahiry zavatra betsaka, indrindra ny sary
* internet mahamora ny fifandraisandavitra, indrindra ho an'ny kamo manoratra taratasy toa anay, afaka mandefa cartes sy sary bobaka be ho an'ny fianakams any antanana, tsy atahorana ho verin'ny any @ paositra intsony ny valopinao :-D :-D :-D
* tsy tapidalankaleha, na labotika, na rendrarendra, na zavamahasoa hafa, manokatra ny saina @ lafinjavatra bobaka be

ny fatiantoka @ internet amiko tsy dia izay loatra no teny ho ampiasaiko fa aleo tsorina hoe ny vokadratsiny

* satria malalaka loatra ny fifamoivozana ao afaka miditra etsy sy erokatra, dia mila fitandremana tanteraka ho an'ny ankizy. Ankehitriny manko na miditra pejy tsotra ara dia tsy maintsy ahitana dokambarotra @ lafiny marobe, "fihaonana malalaka", porno
ny ankizy tsy mahafantatra @ mbola kely iny mi klik klik eny de mahita zavatra tampoka, lasa mahita ny tsy fahita mbola diso kely loatra, ka ilàna fanarahamaso à 100%. tokony mailo ny RAD tsy mamela ny zanany hilalao an'io raha tsy eo imasondreo ihany.

* mahadomelina (Tess ;-)) fa ny ahy efa manomboka lefy tsikelikely ny effets :-D :-D :-D
mila cibler-na tsara ny aleha sy ny atao, manome fetra ny fotoana andehanana eo, fa raha tsy izay tsy lasa

* resaka mpivady koa dia marina io, raha tsy mahay mametra tena ny andaniny sy ny ankilany.
ny mahavoa manko matetika dia somary misintaka kely ny birao ny an'ny sasany, misy aza manana efitra manokana mits, dia ao mihiboka ao sady tsy mahafehy tena intsony.
tokony apetraka @ toerana hitan'ny besinimaro ny ordinatera, am zay tsy voasarika handendeha @ tsy tokony aleha satria hitan'ny rehetra
ilay manana ordi maro koa toa tsy mety ihany satria dia samy miliba irery tsirairay dia tsy mifampiresaka intsony ny mpianakavy, ny mety ohatra dia ordi 1 an'ny lehibe, 1 an'ny ankizy, dia mifandimby eo.

tahaky ny tele, tsy azo atao any @ efitra fatoriana fa iarahan'ny besinimaro, fa raha samy manana tsirairay dia tsy hisy fifandraisana intsony

izay raha ny fijeriko @ toerako aloha
13. sakaizakely ( 29/06/2009 08:09)
hadinoko

ny fatiantoka goavana be, rehefa simba ny ordi dia very aby ze zavatra notehirizinao tao :{ :{ :{ :{ :{ :{ :{
14. xxx ( 29/06/2009 09:57)
Ny ahy izao ity no hamelomam-bady aman-janaka !!!

15. ari.malala ( 29/06/2009 12:44)
Saika efa voalaza daolo! Vokatsoa iray koa ilay afaka manao asa mihoatra ny 1 (afaka manao rédaction à domicile raha manana talenta @ fanoratana) hay, nahaizako zavatra 1 kay (zà iany nampiana-tena teto fa mbola mikaviavia iany na izany aza hihihi :-P)
16. aivetinakely ( 29/06/2009 13:52)
Efa saika voalaza daholo
Ny anamafisako azy de ny hoe: mampisy rindrina sy hantsana lalina no mampisaraka ny mpifanakaiky ,na mpiara-monina satria variana eo, ary mahatonga ny tena ho varimbarianan'ny lavitra fa tsy mahita ny ambany maso.

Tombontsoany indray de ny tanora any amin'ny tany mahantra afaka manaraka fiofanana à distance satria afaka mandefa par internet ny asany.Tsy atahorana ho very andalana.
Manimba fahasalamàna ihany koa satria na ho ela na ho haingana de mihasimba eo ny maso.
Lasa aretina , satria rehefa tonga eo ianao de tsy hitahita de lany ny ora maro ary ny tena loza de tsy te-hiala eo.
Fa mba mahafan-kanina rehefa lavitry ny tanindrazana fa afaka mihaino hirahirra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1995