Tsy hay tsony

1. xxx ( 19/06/2009 04:42)
Mahavariana, asa dia nahoana loatra fa ny tiana, tsy tia. Ny tsy tiana indray no tia. Ny nandrasana, tsy tonga fa nandao. Ny laozana nefa tamy foana. Ny efa adino mipoitra lava, fa ny halahelovana tsy foy, tsy hita mihitsy.
Zany ve ilay fitiavana sa mba mifamaly mifandanja ihany?!
répondu par xxx le 20/06/2009 14:57
2. xxx ( 19/06/2009 06:23)
misy daoly zan rehetra zan nefa misy koa ireo tena tsara chance ka sady tia no tiana ka izay no mahatonga anle oe refa mba sendran'izany enao de araraoty e!
3. ari.malala ( 19/06/2009 06:30)
d ianaro mitia ilay tia anao ko! azo atao anie zany :)
4. fahamarinana ( 19/06/2009 06:44)
:arrow: ari : ahoana izany ianarana mitia zany ilay tia anao ? Tsy lasa fitiavana amboarina ve sa possible ? Ho an'ny tokam-po toa tsy tafa fa na tia na tsy tia ,tsy azo ianarana sy amboarina !
Zay angamba no mahatonga ny divorse hita ankehitriny ,tsy afapo intsony dia lasa mitady hafa nefa koa possible ny eo ihany no eo ! na mahita hafa mahafapo koa ,fa mbola tsy hay izay ampotsaky ny ampitso koa :) (l)
5. tslem ( 19/06/2009 06:54)
zany angamba ilay hoe mbola tsy anjara ry xxx a! fa rehefa tena ilay anjara tanteraka foana ilay oe "sady tia no tiana"

tena sarotra be marina ilay mianatra mitia an' Ari koh! :-P
6. fahamarinana ( 19/06/2009 07:24)
:arrow: tslem :mila mianatra angaha njy ? :-D :-P :-* (l)
7. tslem ( 19/06/2009 08:27)
fahama >>> ka efa io oe sarotra be io koh, efa nianatranatra ihany saingy sarotra be d tsy tafa mintsy e :-D :-D :-D
8. ni81 ( 19/06/2009 09:04)
Karakarao izay eo am-pela-tanana e!
9. xxx ( 19/06/2009 10:36)
Ka ilay eo am-pelatànana tsy misy no ho ireo antony eo ambony ireo anie e!
Efa natao lay nitia na dia tsy tiana aza tamin'ny voalo fa angaha tsy may: izy indray no lasa avy eo.
Fa toa tsy hamerina zany tsony kosa ka zay no mahatonga hoe tsy miditra amin'ny efa adino sy ny karazany intsony zany. Ho hita eo zay entin'ny apitso angamba? Firy no tena mahita zany tia sy tiana izany?
10. Mirananirina ( 19/06/2009 10:57)
xxx an,izaho koa dia mitovy hevitra aminao,fa matetika dia io lazainao io foana no mitranga.ary betsaka mihitsy ny manambady olona tsy dia tiana loatra ohatra.nefa misy 1 tena tianao be
11. soanja ( 19/06/2009 15:50)
xxx:

Mahavariana, asa dia nahoana loatra fa ny tiana, tsy tia. Ny tsy tiana indray no tia. Ny nandrasana, tsy tonga fa nandao. Ny laozana nefa tamy foana. Ny efa adino mipoitra lava, fa ny halahelovana tsy foy, tsy hita mihitsy.
Zany ve ilay fitiavana sa mba mifamaly mifandanja ihany?!

Ny fitiavana dia sady misy mahasambatra nefa koa tena misy mampijaly tokoa. Izay mihitsy ilay fiainana. Ka ny hivavahana ho amin'izany fitiavana izany dia ny mba ho tonga eo aminao ny riziky tsara na ilay hoe momentum! na toa vorona sy hazo! Manantena lalandava fa izay no mba takian'ny fiainana hahafantsika mandroso lalindalina kokoa amin'ny ho avy!

12. soanja ( 19/06/2009 15:55)
Mirananirina:

xxx an,izaho koa dia mitovy hevitra aminao,fa matetika dia io lazainao io foana no mitranga.ary betsaka mihitsy ny manambady olona tsy dia tiana loatra ohatra.nefa misy 1 tena tianao be

Mifanintona ny zava-drehetra ka. + sy - no mifandray. Matoa ilay tiana be tsy eo dia izy tsy nahatsapa ilay sintona. Izay le antsoin'ny gasy hoe tsy anjara! Mihanaka ny enerjiam-pitiavana eo amin'ny tontolo. Misy tafita ny onjany any aminao, misy very an-dalana satria efa misy hafa efa mi-capte azy de mamilana ny nalefanao! Akory atao.

13. simplex ( 19/06/2009 17:25)

http://www.dailymotion.com/video/x17rjg_pascal-obispo-limportant-cest-daime_music

mahereza,

:-*:-*
14. xxx ( 19/06/2009 18:01)
Ka ilay eo am-pelatànana tsy misy no ho ireo antony eo ambony ireo anie e!
Efa natao lay nitia na dia tsy tiana aza tamin'ny voalo fa angaha tsy may: izy indray no lasa avy eo.
Fa toa tsy hamerina zany tsony kosa ka zay no mahatonga hoe tsy miditra amin'ny efa adino sy ny karazany intsony zany. Ho hita eo zay entin'ny apitso angamba? Firy no tena mahita zany tia sy tiana izany?
ka tsy mbola izay izany no fotoana mety e!
Niaraka t@ olona iray izay aho taloha. Mpianatra ho dokotera izy t@ zany fotoana izany. Nasainy niara-nipetraka t@ reniny aho fa tsy maintsy tafasara-toerana izahay noho ny asako. Dia izaho daholo no nasainy nanao sy nikarakara ny bokiny rehetra momba ny hanaovany Thèse. Vitako an-tsakany sy andavany izany rehetra izany...
Nony tafavoaka soaman-tsara izy dia nilaza tamiko fa miandry kely ny hanaovana ny mariazinay fa aleo aloha izy ahazo poste. Nandalo ny volana sy ny taona dia nanjary niova izy ...(tsy ho tantaraiko fa vao maika lava loatra), ary nilaza fa aleo hifarana ny aminay. Dia nanontany aho hoe: fa inona no antony? Dia hoy izy hoe: tsy mety intsony hono ny fiarahanay... :( Fa maninona hoy aho. Inona no zavatra tsy mety nataoko anao:roll:
Fa ny afak'ampitson'iny sendra nandeha nivoaka tampoka aho dia indro izy hitako teny @ Hopitaly Befelatanana mifampitantana @ tovovay iray...
Kepoka aho teo ary tsy nahita ambara, tsy sahy nanatona azy ireo fa izaho indray no niafina aza. Nony tonga tany an-trano dia noteneniko izy hoe: HITAKO IANAO SY INY TOVOVAVY INY. Dia teo izy vao nanazava fa marariny iny tovovavy iny ary miaraka ry zareo.
Dia nisaraka izahay, fa rehefa tato aoriana dia faly aho tafasaraka taminy. T@ iny fotoana nahitako azy ireo iny aho narary fo, ary naharitra volana vitsivitsy mihitsy, fa rehefa tato aoriana dia nisaotra an'Atra aho fa afa-doza tsy nanambady azy fa tena mijaly ilay vadiny fa mbola mitohy ny toetra fanaony mampirafy.
15. cherifa ( 19/06/2009 18:34)
tslem:

zany angamba ilay hoe mbola tsy anjara ry xxx a! fa rehefa tena ilay anjara tanteraka foana ilay oe "sady tia no tiana"

marina izany
16. xxx ( 19/06/2009 19:12)
simplex:

http://www.dailymotion.com/video/x17rjg_pascal-obispo-limportant-cest-daime_music
mahereza,
:-*:-*

Marina zany fa aleo tokoa avoir aimé et perdu toy izay tsy nitia mihitsy!
Fa mba toy ny fanirin'ny rehetra ihany, ilay fitia mifamaly mbola mba tena hafa angamba ka dia hita eo!

i xxx: tena tsy mba mahavita olona an'izany aho hoe ataoko miandry ve nefa avy eo hivadihako?! Zany no handehanako rehefa tsy tena tia - tsy mamela fotoana be handeha zany aho satria efa fay ilay voalohany hoe nianatra tia ''quand méme'' an 'ilay olona, nefa tsy nety. Dia inona hono ianao zany niandry teo foana?!?! Tsy misy fanajana ny fiainanao izy ka toy ny eto hoe efa tsy izy koa zany! Fa asasakasaky ny hafa fa za aloha tsy mahavita an'io mianatra mitia io tsony fa toa marina ilay hoe aleo irery toy izay gadra émotionnellement zany, eny fa na samy mafy aza.

17. xxx ( 19/06/2009 20:10)

ka izy ange t@ izany fotoana rehetra izany nilaza fa TIA e! dia teo ny vendrana no tara. Rehefa misy événement ao fianakaviany na ny ahy dia présent eny foana izahay roa :)
Fa soa fa nisaraka taminy aho ka! Izao aho, tsy milaza akory hoe tsy misy toa ahy eto an-tany, fa mba azoko lazaina fa mba nahazo ny anjara masoandroko aho @ lafiny maro. Tsy ho fireharehana no hilazako an'io fa ny tsara mba azo koa dia mba mba tokony ambara na dia teo aza ny mafy nihatra.
18. tess ( 20/06/2009 07:25)
ari.malala:

d ianaro mitia ilay tia anao ko! azo atao anie zany :)

KA REHEFA TSY hi tomber amoureuse kosa tena tsy mety ilay hitia ilay olona na dia tia anao aza izy

:-P
19. tess ( 20/06/2009 07:27)
xxx:

misy daoly zan rehetra zan nefa misy koa ireo tena tsara chance ka sady tia no tiana ka izay no mahatonga anle oe refa mba sendran'izany enao de araraoty e!

hummmm marina izany

20. maeva74 ( 20/06/2009 07:38)
xxx:

Mahavariana, asa dia nahoana loatra fa ny tiana, tsy tia. Ny tsy tiana indray no tia. Ny nandrasana, tsy tonga fa nandao. Ny laozana nefa tamy foana. Ny efa adino mipoitra lava, fa ny halahelovana tsy foy, tsy hita mihitsy.
Zany ve ilay fitiavana sa mba mifamaly mifandanja ihany?!

Ny Fitiavana saro- baliana tsy fantatra ny marina, saingy izay tiana sy tia no mitonbo tarehy e! mety misy koa tena mifankatia be nefa misy obstacle manasaraka an' izy roa " FITIA VOARARA", ny tamin' ny andron' i cendrillon, tsy misy intsony (l) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4974