arahabaina ny katolika
1. sitlo
(
07/06/2009 04:05)
Arahabaina ny malagasy fa natsangana ho olo-masina androany ny frera Luis Rafiringa.
répondu par xxx le 05/07/2009 06:42
2. aivetinakely
(
07/06/2009 18:38)
Misaotra an'i Sitlo , farafaharatsiny mba miova ny zavatra tenenina eto fa tsy de ho pôlitika ihany. Mahentska lie !!!
Hitahy antsika anie Raphaël Rafiringa fa niaritra ny mafy koa izy vao tonga amin'io toerana io
Hitahy antsika anie Raphaël Rafiringa fa niaritra ny mafy koa izy vao tonga amin'io toerana io
3. dapiste
(
08/06/2009 09:52)
:D :) de misaotra an'Andriamanitra isika mianakavy e! de hiezaka ny haka tahaka an'i Frera Rafiringa Olon-tsambatra daholo eo amin'izay hatoao rehetra indrindra eo amin'ny fiainana. Ary farany hivavaka mafy mba ho tanteraka ilay nolazain'i Mgr Rabemahafaly tamin'ny teny farany nataony hihaona eny an-Tsonjombe indray isika rehetra miaraka hanandratra an'i Victoire Rasoamanarivo ho olo-masina ( sady mety ho avy aty zao ny Papa amin'izany an) VONINAHITRA ANIE HO AN'ANDRIAMANITRA.......... (l) (l) (l)
de amin'ny herintaona indray e
de amin'ny herintaona indray e
4. popotame
(
08/06/2009 11:48)
tsy mety rireto zany manangana olona efa maty atao olomasina zany a!sady ny efa maty tsy mitahy fa Andriamanitra ihany no mitahy.
5. xxx
(
08/06/2009 14:38)
Raha araka ny voalazan'ny soratra masina ahoana ny famaritana ny atao hoe olona masina mba halalana fa olona masina marina i ngahy Firinaga
6. piste
(
08/06/2009 17:30)
tsy mety rireto zany manangana olona efa maty atao olomasina zany a!sady ny efa maty tsy mitahy fa Andriamanitra ihany no mitahy.
Dia inona no mahasamy hafa anao @ tsy mpino raha tsy mino, raha tsy mahay manangana ny olona ho velona Andriamanitra.
Raha araka ny voalazan'ny soratra masina ahoana ny famaritana ny atao hoe olona masina mba halalana fa olona masina marina i ngahy Firinaga
Ny asany sy ny finoana nananany ihany no hitsarana azy.

7. coopsal
(
09/06/2009 07:51)
aivetinakely:
Hitahy antsika anie Raphaël Rafiringa ...
==> Ny fahalalako azy, Andriamanitra (Zanahary) ihany no mitahy, ny olom-belona kosa manome tso-drano, ny tso-drano dia fitahian' Andriamanitra ambaran'ny olona manana ny fahefana hanao izany.
... Sao dia nasandratra ho Zanahary anie izao Olona hangatahanareo fitahiana izao ... fa tsy nasandratra ho olo-masina ?
aivetinakely:
fa niaritra ny mafy koa izy vao tonga amin'io toerana io
==> Tena niaritra ny mafy tokoa izy angamba, dia izao no azony : efa maty vao atao olo-masina ary olombelona no manandratra azy ho olo-masina.
Maro kosa ary misy eto, nasandratr' Andriamanitra ho olona masina noho ny mafy niaretan'i Kristy.
8. ravakamalala
(
09/06/2009 09:15)
sady ny efa maty tsy mitahy fa Andriamanitra ihany no mitahy.
tsy hoe mitahy anie ny olomasina fa ny olo masina dia azonao angatahina mba hampita ny vavakao any amin Andriamanitra e ts haiko tsara ny milaza ny teny hoe "intercession" amin' ny teny gasy, fa io no anjara asan ny olomasina.
Rehefa miantso ny olomasina ianao rehefa mivavaka dia manao foana hoe " saint ...., priez pour nous". Fa tsy hoe ny olo masina akory no ivavahanao.
Raha araka ny voalazan'ny soratra masina
tsy izay voalazan ny soratra masina ihany ry piste no atao fotom-pinoana.
9. coopsal
(
09/06/2009 11:19)
xxx:
Raha araka ny voalazan'ny soratra masina ahoana ny famaritana ny atao hoe olona masina
==> "Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana."[Joany 17:17]
10. coopsal
(
09/06/2009 11:44)
ravakamalala:
tsy hoe mitahy anie ny olomasina fa ny olo masina dia azonao angatahina mba hampita ny vavakao any amin Andriamanitra e
==> Dia ahoana izany ilay voasoratra ao @ [Hebreo 1:1, 2] ?
ravakamalala:
ts haiko tsara ny milaza ny teny hoe "intercession" amin' ny teny gasy, fa io no anjara asan ny olomasina.
==> Fitondrana am-bavaka raha sy diso aho. Tena ilaina mihitsy ny fifampitondran'ny olona masina am-bavaka, isan'ny "fiombonan'ny olona masina" araka izay voalaza ao amin'ny fanekem-pinoana Apostolika izany.
ravakamalala:
tsy izay voalazan ny soratra masina ihany ry piste no atao fotom-pinoana.
==> Izaho tsy katolika sady tsy mpivavaka amin'ny katolika ary tsy mahafantatra ny foto-pinoan'ny katolika.
Isan' ny foto-pinoan'ny protestant Calviniste ny "Sola Scriputra" (izay voasoratra ihany).
Ny fototry ny finoana mahavonjy dia Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokan' Andriamanitra tonga tety ambonin'ny tany hitady sy hamonjy ny very, ary niverina ho any amin'ny Ray rehefa nahavita ny nanirahan'ny Ray Azy. Tsy afaka vonjena izay tsy mino Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
Tompo aloha, dia avy eo Mpamonjy
11. ikaretsaka
(
09/06/2009 12:27)
Coopsal..dia ahoana kay ny tantaran'i elia sy ny sisa t@ jesoa niova tarehy..
Na ilay tantaran'ilay mpanakarena sy I lazara boka le hoe niresaka t@ abrahama. Coopsal..dia isaory ireo rehetra nampita sy nindramin'Atra hanome anao ny "voasoratra ihany" fa tsy hoe azo razezo de veloma ny reniny na azzo ny fampianarany de veloma ze nampianatra izany...

13. soanja
(
09/06/2009 20:32)
popotame:
tsy mety rireto zany manangana olona efa maty atao olomasina zany a!sady ny efa maty tsy mitahy fa Andriamanitra ihany no mitahy.
Mila jerena foana hoe inona moa no ijoroan'ilay fotoan-dehibe?
Tsy inona akory fa ny fiangonana. Inona moa no fiangonana fa tsy ny vahoaka ao anatiny. Isika rehetra mifandray no atao hoe fiangonana. Ny fiangonana no manao ny fananganana azy ho olo-masina.
Natsangana ho olo-masina izy satria nahavita be tokoa teo amin'ny fiainam-piainan'ny vahoaka sy ny fiangonana. Nisy ezaka mihoatra ny vitan'ny olona andavanandro ny vitany ary nahitana tokoa fahatsarana teo amin'ny taranaka ny zavatsoa napetrany. Azo atao aza raha dinihina lalina dia mety nahavita fahagagana izy saingy mila fandalinana akaiky izany amin'ny nandalovany teto an-tany.
Efa masina eo anatrehan'Andriamanitra izy fa ny fahamasinana eo iamson'olombelona no entin'ny fiangonana ho rehareha sy avoitra mba hanarahantsika ny diany sy ifandrasaintsika amin'ireo soa navelany.
Masina ny zava-drehetra rehefa ome-danja ary ahitana fahatsarana ao anatiny.
14. ikaretsaka
(
09/06/2009 22:48)
Izay..natao ho antsika mba hanasoavana atsika @ fakana ohatra sy lesona ny zavatra na ny olona masina fa tsy ho an'Atra.
Ny baiboly ohatra tsy hoe natao ho an'Atra ange fa ho an'ny olona..hianarana sy hanasoavana ary hakana lesona..
Ny sary masina...tsy natao ho an'Atra ireny fa na natao ho an'ny olona ho fampatsiarovana ny oha piainana nentiny...

16. soanja
(
09/06/2009 23:48)
cutie:
de mba niriny ve hoy nareo zao fananganana azy ho olo-tsambatra zao.
Rehefa misy ny faniriana dia efa tsy mahasambatra izay!
Ny hafa no mahatsapa ny fahasambarana nahenikao! Ny hafa no mandavorary.
18. soanja
(
10/06/2009 01:19)
cutie:
hay ve e
zay zany no dikan'le we natsangana ho olon-tsambatra
An an zah aloha tsy mahalala ny hoe inona ny dikan'ilay hoe natsangana ho olon-tsambatra fa ny fantatro kosa dia be tsy tambo isaina ny fahasambarana nahenik'io lehilahy iray io tamin'ny taranaka. Isan'izany dia ny tenako, izay manjohy tokoa ampilaminana ny lalana namboarina sy novelariny ho fanehoana ny mahaolona sy ny mahaolom-pirenena mikajy ny fitiavan-tanindrazana.
Midera azy ny tenako ary manohana tokoa ny ezaky ny fiangonana mampivoitra ny nisiany/ napetrany teto an-tany izay lovan'ny taranaka amam-para!
19. cutie
(
10/06/2009 01:30)
Za alou tsy mahalala an'zany oul zany fa tiako ho fantatra we in ny dikan'zany we atsangana ho olon-tsambatra , efa nanontany an;zay namako any Dago za y za fa izy ngamba mbola ocp @ io fety be io de tsy nahavaly :-D
20. soanja
(
10/06/2009 01:54)
Ok dia miandry azy zany isika! Fety be da fety be zany ny any!
Soa fa misy hankalazaina tokoa any Mada satria manampy tokoa amin'ny fialana amin'ny sorintsorintsaina isan-karazany ary indrindra ny rezatry amin'ny resaka politika ny fisian'ny toy izao satria manampy ny olona tsirairay ny hitsidika ny momba azy/ ny tenany manokana fisian'ny toy izao eo amin'ny samy mpino! Hevitro manokana anefa io araky ny voalazan'ny namana Fahamarinana izay tiako indramina androany ary isaorako azy manokana! :-* :-*