arahabaina ny katolika
21. ravatorano
(
10/06/2009 07:26)
http://www.flickr.com/photos/39241816@N03/sets/72157619478649616/
azo jerena eto sarin'ny lamesa nentina nisaorana an'Andriamanitra tao Antsonjombe ny alahady 07 jiona 2009 lasa teo !

22. coopsal
(
10/06/2009 07:26)
Zah koa tsy mahafantatra loatra ny fiainany, fa rehefa miteny ny maro hoe nahavita zavatra maro fanasoavana ny mpiara-belona izy dia ekeko na tsy hitako aza.
Ny fanontaniako dia hoe : mety hahafoana ny fahotana vitany ve ireny asa soa nataony be dia be ireny rehefa mby tonga eo anatrehan' Andriamanitra sy ny rehetra izy ?
Satria izany masina izany raha ny fahalalako azy dia hoe "madio", "tsy misy pentina", izany hoe tsy misy pentin'ny fahotana.

23. tywa68
(
10/06/2009 07:32)
Coopsal > Efa voalazan'i Ika sy Soanja eo ambony reo fa alaina tahaka ny fitondra-tenany satria hita taratra teo @ mpiara-belona ny fanompoany an'ilay Tompo tia. Alaina atao modely zany : mety tsy hahavita ampahany firy akory isika, koa maika hitady ho masina tsy misy pentina ohatran'iza ? :lol:
24. ravatorano
(
10/06/2009 10:00)
Ho anareo izay mbola tsy mahalala ny momba ny Olontsambatra Raphaël Louis RAFIRINGA dia azo : http://rafiringa.net/tantaram-piainany
mazotoa mamaky sy mijery ary e !
:D
:wink:
^:^
mazotoa mamaky sy mijery ary e !
:D
:wink:
^:^
25. ari.malala
(
11/06/2009 06:56)
coopsal:
Ny fanontaniako dia hoe : mety hahafoana ny fahotana vitany ve ireny asa soa nataony be dia be ireny rehefa mby tonga eo anatrehan' Andriamanitra sy ny rehetra izy ?
Satria izany masina izany raha ny fahalalako azy dia hoe "madio", "tsy misy pentina", izany hoe tsy misy pentin'ny fahotana.
tsy azoko aloha hoe inona no antony hi insistévana @ le fahotana nataon'ilay olona fahavelony... Azy sy Atra izany, ary matoa tanteraka ny fananganana azy ho olon-tsambatra d efa sitrak'Andriamanitra izany.
Fanontaniana hoan'i coopsal, fa aminao refa @ fotoana in vao tonga eo anatrehan'Atra ny oul 1 tsaraina? tadidio tsara fa na ny Zanaka aza tsy mahalal izay andro izay, k aoka ianao tsy hitsaratsara foana!
26. Koditra
(
11/06/2009 18:41)
Finoana io rizalah a, eo koa ny fahaizana mandray lesona, avelao ny lafiratsiny tazomy sy enaro izay tsara.
Isanandro ao @ RDB dia misy tantara fohy momba ny tantaran’olomasina mifanindry @daty isanandro andehanany, izay midika fa misy antony sy fepetra ny nananganana ho olomasina ireny olona ireny. Jereo fa tsy dia mifanalavitra t@ zavabitan’ny frera Louis Rafiringa ny ankabetsahany.
Tsy katolika aho akory fa mba miezaka mahazo resaka fotsiny.

27. ikaretsaka
(
11/06/2009 23:46)
Izay...fantaro tabula rasa aloha de mampitahaha izay vao mitsikera...fa mampihomehy be le tsy hay akory ny procedures maha olomasina ny olona 1 de ny wawawa no atao bobaka
Hozy le namana 1 izay hoe kristianitianim-poana...na ny momba azy aza tsy fantany

28. ari.malala
(
12/06/2009 06:18)
Ny mahavaka d ts mahalala in'in akory, mihevitra fa tena OK tsara ara-pinoana, nefa ilay tenin'i Jesoa hoe "Esory aloha ny andry eo @ masonao vao mihevitra ny hanala ny sombin'ahitra eo @ mason'ny namanao" aza ts voaaraka!... ho inonao moa izay fahotana vitany tany! Andriamanitra irery no tompom-panapahan-kevitra farany momba ny olona 1 fa ts enao no ndeha hiseho milay hiditra @ afera entre an'Atra sy ny zanany 1!!!
29. methode
(
04/07/2009 16:06)
Fantatro fa za le andrasan'i cutie ao fa tsy Pôly!....
Ny olomasina na olontsambatra dia ny fiainany fahavelony sy ny fahasoavan'Andriamanitra inoan"ny olona fa azo tamin'ny alalan'ny fivavany no ahafahana milaza izany. Teny nampiasain'ny Kristianina ilazana azy ireo ao amin'ny Testamenta vaovao ny hoe olomasina. Ilazana fotsiny io fa mendrika ny hifadray amin'Andriamanitra satria miezaka araka izay tratra hanao ny sitrapony.
Ny fananganana olontsambatra dia fanambarana ampahibemaso fotsiny fa olona niezaka hiaina izay sitrapon'Andriamanitra io olona io ka modely azo alain-tahaka amin'ny fiainana kristianina. Naniry ho olomasina tokoa Rafiringa araka ny tenin'ny tamin'ny lehibeny voasoratra, saingy tsy ho fireherehany fa mba hoan'ny Malagasy rehetra. Vao 16 taona izy dia efa nanana io faniriany io. Rehefa lehibe izy dia niezaka hanampy ny olona, eny fa na dia aorian'ny fahafatesany aza hoy izy. Finoany io ary inoan'ny maro fa tanterahiny ankehitriny. Ampolony maro isan'andro ireo fisaorana aterin'ny olona eny amin'ny fasany. Maro be koa ireo olona tonga milaza ny fahasoavana azony ao Soavimbahoaka miaraka amin'ireo fanamarinana ara-pahasalamana rehetra manamarina fa efa lany haiky ny dokotera (ohatra fotsiny io), nefa avy eo sitrana tampoka ary voaporofo ara-tsiansa koa.
Misy tenin'i Jesoa milaza hoe:" Izay mino dia hanao ny asako, ary hahavita zavatra be noho izaho aza izy" sy ny hoe "Tsy i Nahamana irery no Boka tao amin'israely fa natao ny fanasitranana mba ho voninahitr'Andrimanitra". Ka na ny nataon'i Rafiringa na ny fahasoavana azon'ny olona avy aminy na ny fananganana azy ho olontsambatra dia tsy misy antony afatsy ny hampibaribary ny voninahitr'Andriamanitra sy hitarika ny olona ho any amin'Andriamanitra.
Amin'ny manaraka aho milaza ny antony hananganana olontsambatra sy hanandratana olomasina, ankoatra ireo voalaza ireo.
Marihina fa tsy voatery hino ireny fahagagana ireny ny olona eny fa na dia ny katolika aza.

31. xxx
(
05/07/2009 06:42)
coopsal:
Zah koa tsy mahafantatra loatra ny fiainany, fa rehefa miteny ny maro hoe nahavita zavatra maro fanasoavana ny mpiara-belona izy dia ekeko na tsy hitako aza.
Ny fanontaniako dia hoe : mety hahafoana ny fahotana vitany ve ireny asa soa nataony be dia be ireny rehefa mby tonga eo anatrehan' Andriamanitra sy ny rehetra izy ?
Satria izany masina izany raha ny fahalalako azy dia hoe "madio", "tsy misy pentina", izany hoe tsy misy pentin'ny fahotana.
Mba mamaky baiboly ihany ve itony olona itony e? Ary mba mino ny zavatra voasoratra ao ihany sa miwawawawa fotsiny?
Hoy ny ao amin'ny Izaia: "Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon'ondry". (Iz 1, 18 )
Ity koa misy tantara iray hafa: 38 Teo ambonin'ny lohany koa dia nisy soratra tamin'ny teny greka sy latina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JODY. 39 Ary ny anankiray tamin'ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva azy nanao hoe: Raha hianao no Kristy, vonjeo ny tenanao sy izahay. 40 Fa nanarin'ilay anankiray izy, nataony hoe: Ialahy koa ve tsy matahotra an'Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? 41 Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika; fa ny azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona izy. 42 Dia hoy izy tamin'i Jeso: Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin'ny fanjakanao hianao. 43 Ka hoy ny navalin'i Jeso azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao. (Lc 23, 38-42).
Mbola misy hafa fa ampy handinihanao ireo.