Kabaran'i Neny
1. locl
(
06/06/2009 21:15)
KABARIN’DRAMATOA LALAO RAVALOMANANA
FANKALAZANA NY FETIN’NY RENY
07 JONA 2009
Misaotra an’Andriamanitra lehibe ny voalohan-teny amin’ity Alahady 07 Jona fankalazana ny Fetin’ny Reny ity.
Miarahaba manokana ny Reny Malagasy aho.
Ary faly miarahaba ny Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy. Miarahaba ihany koa ireo Malagasy mielipatrana eran’izao tontolo izao.
Raisiko izao vanim-potoana fankalazana ny Fetin’ny Reny izao, hilazako aminareo ny tena ato am-poko, ary hizarako hafatra mitondra fanantenana, na dia aty lavitra aty aza no misy ahy.
Tonga eo amin’ny kihon-dalana iankinan’ny hoavin’ity Tanindrazana malalantsika ity isika ankehitriny. Tsy mbola afaka amin’ny krizy izay mampijaly sy mampangirifiry ny Vahoaka Malagasy isika.
Vanim-potoana iray manokana eo amin’ny tantaran’ny Firenentsika izao. Ny safidy ataontsika tsirairay avy no mamaritra ny hoavintsika sy ny hoavin’ny taranaka mifandimby.
Tohina ny foko, ary tena malahelo aho amin’ny maha vady, reny, rahavavy, zanaka, ary Renin’ny Vahoaka Malagasy ahy. Tena feno ny foko, ka tsy hitako izay teny mahalaza ny fanaintainana sy ny fangirifirin’ny Vahoaka Malagasy, vokatr’iny fanonganam-panjakana iny.
Nitondra faisana avokoa ny rehetra - na lahy na vavy, na antitra na tanora, na mpianatra na mpiasa, na manana na tsy manana.
Feno ny foko mahare ny zava-manjo ny Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana amiko. Tao ireo maty, vokatry ny hetraketraka sy ny herisetra tsy am-peheverana. Miara miory amin’ny fianakavian’izy ireo aho.
Maro ireo renim-pianakaviana nitaraina tamiko fa miaina ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro, ary mandry an-driran’antsy lava izao. Marobe toy izany ihany koa ny reny nilaza tamiko fa manahy mafy momba ny hoavin-janany, izay zara raha mianatra, vokatry ny ahiahy sy ny tebitebin-tsaina, ary ny tsy fahaloavana ny saram-pianarana. Mafy, tena mafy tokoa ny manjo azy ireo.
Reko ary tsapako ny fangirifirinareo sy ny fitarainanareo. Ren’izao tontolo izao koa izany. Nefa mahereza fa misy ny fanantenana.
Misy ny fanantenana, satria tsy manaiky lembenana isika, fa sahy mijoro miaro ny ara-dalàna, na eo aza ny ramatahora ataon’ny herim-pamoretana. Voaporofo izany tamin’ny herimpo nasehon’ny mpianatra sy ny vehivavy. Nanao fihetsiketsehana am-pilaminana izy ireo, nanohitra ny tsy maha ara-dalàna ny fitondrana najoron’ireo mpanongam-panjakana, na dia teo aza ireo miaramila mirongo basy nampiasa herisetra taminy.
Tao koa ireo mpitari-tolona mahery fo. Tsy natahotra ny fandrahonana, ny fisamborana, ary ny fanagadrana tsy ara-dalàna izy ireo, fa nanentana ny tolona hatrany. Tao ireo mpiasam-panjakana nitokona, ho fanoherana ny fitondrana tsy ara-dalàna.
Ireny fihetsika mitory herimpo, fahaiza-mitarika, ary soatoavina mendrika ireny no antoky ny fanantenana. Ireny no afahana mampiroborobo ny demokrasia, ary manamafy ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana rahampitso.
Vahoaka hendry, tia filaminana ary tia fandrosoana ny Vahoaka Malagasy. Hoy ny fitenindrazantsika hoe: «Ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara».
Ambony anefa ny Fihavanana sy ny tombontsoam-pirenena. Koa mahatoky aho fa hahay hampitony ny hambompo ny tsirairay, ka hifanaja sy hanaja ny hasin’ny maha olona ny samy Malagasy. Izay no isan’ny lalana ivoahantsika amin’izao fahoriana mafy izao.
Vahoaka afaka ny Vahoaka Malagasy. Manana ny nofinofiny sy ny hetahetany, ary ny safidiny izy. Mendrika ny hiaina am-pilaminana. Mendrika ny handroso, toy ny any amin’ny firenen-kafa izy. Adidy sy andraikintsika ny mikatsaka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ary ny rariny sy ny hitsiny.
Entanin’ny fanantenana sy ny fitiavan-tanindrazana isika, indrindra amin’izao an-katoky ny fankalazana ny Fetin’ny ny Fahaleovantena izao. Sahia mijoro hiara-mientana, hiray hina hamerina ny ara-dalàna. Ny fahombiazantsika amin’izany no miantoka ny fanatanterahana ny fikasantsika hampandroso ny Firenena, hanatsarana ny farim-piainantsika sy ny farim-piainan’ny taranaka mifamdimby.
Ary ambonin’ireo efa voalaza rehetra ireo, dia mivavaha, ka aza mitsahatra fa ilay Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy, ka ny vavaka no manova zavatra.
Mahereza ry Vahoaka Malagasy fa momba sy tia antsika Andriamanitra!

répondu par xxx le 07/06/2009 17:58
2. ndaty
(
06/06/2009 21:42)
Toujours le Blawa blawa blawa blawatatata,
Izahay no manana ny marina, fa ny hafa notena demony.
Si t"était vraiment RENY , t'aurais du avoir un discours comme suit:
Nisy ny fifandirana, fa dia miaiky fa tsy tompon'ny marina samy irery izahay, no sady tsy diso irery koa, andao hifandinika isika iaby, manasa ny rehtra ho aty afrika atsimo, na any @ firenena neutre mba hirehadrehake tika iaby fa samy mpilongo
Mais là tu fais ta langue de pute ma chère lalao, izahay avao ro marina, mpangalatse sy mpanimba ny hafa.
mavandivandy avao....

7. bazylou
(
06/06/2009 22:09)
nenin'ialahy isany aza efa injato notofirin'ny swaziland sy rsa tao kle!!!! :-D :-D :-D , reny hafa kely ee! reny any amin'ny 1000000 km!!! :-D :-D :-D
10. maryline
(
07/06/2009 04:33)
Misaotra an' ny Neny nahatsiaro ireto zanany dia manantena ny fiverenanao tsy ho ela :-* :-* :-*
11. bazylou
(
07/06/2009 07:55)
:-D :-D :-D :-D olona tsy hiverina mandrakzay ve no antenaina!!!;lool :-D :-D , Aleo Mialy toa izay i kala lalaomoche be iny!!!
13. xxx
(
07/06/2009 10:48)
faut faire un bon vilain kdo a votre mere en exil qu elle peut plus revenir
14. milamm
(
07/06/2009 12:35)
izay no maha RAR azy ara symbolic ny reny malagasy,makahery sy manohana ireo tratrany tsy azo anoharana ohatrany tenany.Tsy manala ny fahadisoany akory izany fa toy ny soa lavo hahay mamindra ihany iny, betsaka ireo famoretana any ivelany na ara-diplaomatika na ara-toekarena na sosialy(fanampiana sns...),ao ny AGOA,Millenuim Account ny IMF,WB izay nampihantona famatsiam-bola ao koa ny ziriziriny frantsay tsy hiverenan-dRavalomanana,mbola tsy manangasanga ilay
16. bazylou
(
07/06/2009 14:21)
hita be olona rmiste mpivelona amin'ny aide esty sy eroa ry milamm and co!! very fihinanana izany an!! ntssoo, aza manam be!!! :-D :-D
17. milamm
(
07/06/2009 14:44)
ny zv tsy hainy bazily indray no resahiny eto nefa @ maha tsy matotra azy dia ampahalalaina azy ny marina :�)
i milamm dia karazan'olona tia filaminana ka mahafinaritra azy ny ara-dalana,tsy nihinana avy atsy na eroa izy fa ny hatsembohany dia mahavelona azy tsara ananany amby aty @ misy azy ary tsy mivelona ao frantsa mandrakizay nefa tsy tiany kosa izany hevitry ny andian-jiolahy politika manao ankerisetra fanjakana sy firenena 1 manontolo efa ho antsakaky ny taonjato 1,satria simba ilay nosy,mazava @ bazily @ izay ngamba

18. bazylou
(
07/06/2009 15:45)
oui , ratsy tarehy sy be lafarinina le reninareo mpitsoaka iny!! reny ve dia hitsoaka ny zanany ?? hafa kely raha ireny ny RARnareo ry tim!!! dai manodiava azy ny nataony e!! :-D :-D
19. Noue
(
07/06/2009 16:26)
bazylou:iza zany ry bazylou ??? iza no be lafarina ??? ary ity ??
oui , ratsy tarehy sy be lafarinina le reninareo mpitsoaka iny!! reny ve dia hitsoaka ny zanany ?? hafa kely raha ireny ny RARnareo ry tim!!! dai manodiava azy ny nataony e!! :-D :-D
[URL=http://img195.imageshack.us/my.php?image=fozamialy.jpg][IMG]http://img195.imageshack.us/img195/7722/fozamialy.jpg[/IMG][/URL]
20. ravalotgv
(
07/06/2009 16:35)
ary sao de mba fotsy kosa ny volony fa tsy farine izany io ee sao de mba mody hanesonareo an i mialy fotsiny io fa mety fotsy volo ela nihetezana izy
sniff
tcrouff
sa le zavatra mampanidina itriny io
8O 8O 8O 8O 8O 8O :@ :@ :@ :@ :@
sniff
tcrouff
sa le zavatra mampanidina itriny io
8O 8O 8O 8O 8O 8O :@ :@ :@ :@ :@