VALINTENY HO AN'IREO MPITSIKERA

1. naritsimba ( 02/06/2009 10:21)
Miarahaba antsika rehetra indray!
Maro tokoa ireo mitsikera ahy @ ireo resaka izay ataoko atsy ambadika atsy, indro hitondra fanazavana aho satria misy ireo sahy manakiana fa tsy miaraka ny fanakianana sy ny zavatra lazaiko rehefa milaza ny anaran'Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny tenako.
Vao avy nankalaza ny Pentekosta isika izay fotoana nandraisan'ireo Apostoly 10 lahy ny Fanahy Masina.
Toy izao no voasaoratra ao @
JAONA 20:21-23
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.


Mazava angamba io fa Jesoa mihitsy no nilaza tamin'ny mpianatra rehefa avy nandray ny Fanahy Masina ny Apostoly 10 lahy, dia nilazan'Andriamanitra fa na helok'iza na helok'iza no avelanareo dia voavela izany, ary rehefa tsy avelanareo dia tsy voavela, mazava tsara io voasoratra ao @ andininy faha 23 io, na Jesoa aza izany dia nahatsapa fa misy heloka izay tsy azo avela fa miankina amin'ireo Apostoly ny famelana na tsia ny heloka iray.
Amiko izay nanao ratsy ho an'ity Firenena Malagasy ity dia tsy mendrika famelan-keloka na iza na iza, dia mbola hisy indray ny hilaza fa tsy mifanaraka @ Finoana Kristiana izay arahiko indray ny zavatra lazaiko.
Am-bava homana am-po mieritra.
répondu par laimiday le 06/11/2011 09:21
2. xxx ( 02/06/2009 10:30)
zay vao tena mitombona fa misy voa kely ny sain'ito naritsimba ito!!
dia midika ve fa raha mamoaka tenin'andriamanitra eo ianao dia hino hanao ny olona!
ianao hoy aho ilay mpivavaka alahady ,mpangalatr'akoha alatsinainy
tsy menatra ve ianao mapiasa teny soratra masina nefa ny sainao mifandripaka be amizany? sa io mody famohahana teny soratra masina io no hanakonana ny toetra tsy mendrika?
3. naritsimba ( 02/06/2009 10:41)
xxx> angaha ianao efa nanaovako toetra tsy mendrika sa efa hitanao nanao an'zany aho. Ny hitako dia mandainga sy mamorona ny ankamaroan'ireo mpanohana an'i dada(rabeosy). Raha tena nivavaka t@ Andriamanitra marina Ravalomanana dia tsy tafala teo, saingy indrisy fa Andriamanitra tsy izy no nivavahana sy nantsointsoina netina nanafenana ny ratsy natao.
4. Noue ( 02/06/2009 10:43)
dia aza hafangaro oa ny resaka politika sy ny fivavahana fa ianao ihany aza anie ry Naritsimba dia manana fo feno fankalahana an'olona eee ! tena manahirana raha ity mitsimpona anaty baiboly ity no atao argument mba tsy ahafahan'ny sasany maneho ny heviny eee ! Mihevitra angamba i Naritsimba fa raha mandefa lava ny voalaza anaty baiboly ao dia tsy hamaly anao ny mpisera zay tena heviny ?? hélas ozy aho eee ! samy manana ny heviny ny tsirairay fa kosa raha tena naharaka ny dinika eto ianao dia tsy dia ireo voalaza anaty bailboly ny eto fa any ankafa any eee ! politika ny eto eeee
Ianao koa aza manoratra ny anaty baiboly eto , atao inona ? nefa na ianao aza hita @ famaliana fa tsisy fanarahana zay voalaza anaty baiboly akory, eny anao zany fa kosa aza hafangaro ny politika sy ny baiboly eee ! chaque chose a sa place et chaque chose a son temps :^) :^) :^)
5. essera ( 02/06/2009 10:44)
Ravalo r zalah no tena nanao an'ilay "mpivavaka alahady ,mpangalatr'akoha alatsinainy". Jereo tsara ange fa izy no filoha lefitry ny fiangonana xxx nefa d iz no navita nangalatra degany b teto am tanana ary nanosihosy ny mpiara-monina mihitsy.
Nifangaro ny fitondrana = fivavahana = fitantanana ny Gpe TIKO.

D avéo nasirasira be.



6. bozyboleta ( 02/06/2009 10:49)
Voalohany: ary ambadika ary ny dinika fivavahana fa diso adiresy ianao
Faharoa: tsy tsimpontsimponina @ izay tianao hanamarinana ny tenanao ny tenin'Andriamanitra
Fahatelo: raha mitsimpona tenin'Andriamanitra ihany, asehoy izay tenin'Andriamanitra ataonao fitaovana io afaka entinao hanamarinana ny OZONA tsianjery lavabe nataonao teto iny ka niantsoanao fahafatesana ny olona heverinao ho fahavalonao sy ny taranany ary mbola nilazanao ampahibemaso ny hanimbazimbanao ny fasany.
Farany: ianao ihany dia efa mahatsapa fa tsy mifanaraka @ Finoana Kristiana arahinao ny zavatra lazainao.

Am-bava homana am-po mieritra.
Fa mbola ampiako hoe fo madio no afaka mieritreritra fa tsy ny efa feno maloto.
7. xxx ( 02/06/2009 11:04)
zay aho vao mba mitovy hevitra amin'ny bozyboleta, io mintsy no hevitra tiko avoaka! olona mpvavaka ohatr'izao ve dia mahavita ireny teny nataony ireny!
io naritsimba io ilay olona mpandevin-tay antsalaka!
8. naritsimba ( 02/06/2009 11:22)
bozyboleta> mahagaga ahy ihany fa hay ve ireto olona ireto ka tsy mahazaka ny fahamarinana e, tsy manafangaro ny politika sy fivavahana aho, fa ny tenin'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, tsy misy diso ao anaty Baiboly, fa ianareo no tsy mahazaka azy satria inoako fa toetra fanaonareo dia tsy tantinareo. Firy moa ny mpitondra fanjakana voalaza ao anatin'ny Baiboly? ary tsy ny avy @ Firenena Israely ihany fa ny tany Egypta, sy ireo firenena izay voalaza fa Jentilisa.
Andriamanitra mihitsy no manendry ny mpitondra fanjakana fa tsy hoe izay tianao no tonga eo, ary ny fomba fitantanana ny firenena sy ny fitondrana ny vahoaka ao aminy dia tena voalaza ao anaty Baiboly. Tsy mitsimpona tenin'Andriamanitra akory aho fa ny tenin'ny Soratra Masina dia manana ny heviny sy ny dikany daholo matoa nasiana Toko sy andininy.
Tsy mpanao Politika Andriamanitra fa manoro ny toetra tokony hananan'ny mpitondra fanjakana.
9. Mirananirina ( 02/06/2009 11:23)
matoa nalefa anie dia misy foana ny tsikera e,aza marary amin'izany fa normal be izany.
10. bozyboleta ( 02/06/2009 11:31)
Andriamanitra mihitsy no manendry ny mpitondra fanjakana fa tsy hoe izay tianao no tonga eo, ary ny fomba fitantanana ny firenena sy ny fitondrana ny vahoaka ao aminy dia tena voalaza ao anaty Baiboly.


Indrisy!!! Fa raha izao izany dia tsisy Andriamanitra mihitsy any @ ireo firenena maro ahitana fandrombaham-pahefana sy ady fanjakana.
Raha izany koa dia tsy ilaina ny fifidianana fa mivavabavaka eo daholo ny bodo sy adala dia fofofo mazia, io ny mpitondra fanjakanareo hozy le andriamanitra dia izay.
Aza mapme marina e!
11. reeves ( 02/06/2009 11:32)
Tokony hahatanty tsikera ianao ry Naritsimba fa satria tsy misy olona tsy manao diso anie eto ambonin`ny tany e ! Andriamanitra ihany no tsy manao diso . Ary ny olona mivoatra dia ny olona mahatsapa ny fahadisoany ka manova izay tsy mety avy eo . Tokony hitandrina ihany amin`ny fampiasana teny ao amin`ny baiboly entina hanamarinana zavatra mitranga ankehitriny satria mety tsy hisy ifandraisany amin`ny zava-misy tamin`izany fotoana izany ilay tranga miseho dia manjary Hors-sujet ianao .
12. 08051972 ( 02/06/2009 11:40)
naritsimba:

bozyboleta> mahagaga ahy ihany fa hay ve ireto olona ireto ka tsy mahazaka ny fahamarinana e, tsy manafangaro ny politika sy fivavahana aho, fa ny tenin'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, tsy misy diso ao anaty Baiboly, fa ianareo no tsy mahazaka azy satria inoako fa toetra fanaonareo dia tsy tantinareo. Firy moa ny mpitondra fanjakana voalaza ao anatin'ny Baiboly? ary tsy ny avy @ Firenena Israely ihany fa ny tany Egypta, sy ireo firenena izay voalaza fa Jentilisa.
message
(l) (l) (l) (l)
Andriamanitra mihitsy no manendry ny mpitondra fanjakana fa tsy hoe izay tianao no tonga eo, ary ny fomba fitantanana ny firenena sy ny fitondrana ny vahoaka ao aminy dia tena voalaza ao anaty Baiboly. Tsy mitsimpona tenin'Andriamanitra akory aho fa ny tenin'ny Soratra Masina dia manana ny heviny sy ny dikany daholo matoa nasiana Toko sy andininy.
Tsy mpanao Politika Andriamanitra fa manoro ny toetra tokony hananan'ny mpitondra fanjakana.


Tsy ekeko io tenineao io ry naritsimba! Tsy A/tra no mandrotsaka ny vote ao anaty urne fa ny mpifidy! Manjary lasa mametraka fanontaniana sarobalina aminao aho eo :Rà marina fa ATra no mametraka izay tiany hitondra fanjakana; naôna no navelany hisy teo @ firenena Afrikana ny fanjanahantany ? Naôna isika no miady mafy ho an'ny firenentsika fa tsy tokony Izy ve zany no hanendry filoha ho antsika? Manjary manome tsiny an'Andriamanitr'enao fa tandremo! Mieritrereta @ fo sy saina tony aloha vao miantso ny anaran'A/tra sao manao Blasfem no iafaranao!
13. naritsimba ( 02/06/2009 11:44)
Izaho ange mahatanty tsikera fa ireo milaza ho mpanohana ny ara-dalàna sy GTT no tsy nahazaka rehefa niala teo ilay filoha tena mpisoloky ny anaran'Andriamanitra e!
ny GTT, raha tena tia tanindrazana inona no iaretana any, milaza fa Frantsay no ao ambadiky Andry TGV nefa tsy menatra misitrika ao frantsa ihany na dia tsy manana taratasy aza, mampalahelo ilay toe-tsaina.
Tsy tiana ny frantsay nefa manao izya ahazoana zom-pirenena frabntsay, izany tokoa ilay zatra ny tamin'ny andro fahiny
esy ao e!
Tsiky dia ampy oà :D
14. essera ( 02/06/2009 11:48)
Mety tsy tadidin'i Naritsimba ity nolazaiko efa ela2 hoe endrikendrehan'ny tim daolo ange ny retra2 oe ao ambadiky ny hat.
- Ratsiraka
- Pierrot
- Frantsay
- etc etc...
Voa mafy loatra ry zareo mantsy ka tena fanina be d kely sisa d ny arbitre no raisiny tena adversera


15. Noue ( 02/06/2009 12:00)
bozyboleta:

Voalohany: ary ambadika ary ny dinika fivavahana fa diso adiresy ianao
Faharoa: tsy tsimpontsimponina @ izay tianao hanamarinana ny tenanao ny tenin'Andriamanitra
Fahatelo: raha mitsimpona tenin'Andriamanitra ihany, asehoy izay tenin'Andriamanitra ataonao fitaovana io afaka entinao hanamarinana ny OZONA tsianjery lavabe nataonao teto iny ka niantsoanao fahafatesana ny olona heverinao ho fahavalonao sy ny taranany ary mbola nilazanao ampahibemaso ny hanimbazimbanao ny fasany.
Farany: ianao ihany dia efa mahatsapa fa tsy mifanaraka @ Finoana Kristiana arahinao ny zavatra lazainao.

Am-bava homana am-po mieritra.
Fa mbola ampiako hoe fo madio no afaka mieritreritra fa tsy ny efa feno maloto.
tena voalazanao ny marina rehetra ee ! enganie ka mba hisaina i Naritsimba fa ny baiboly no entina tsy aiko oe atao inona eto nefa ny fony aza dia feno haratsiana, hatramy ny fasan'olona lotohiny !!!!


16. naritsimba ( 02/06/2009 12:07)
essera> ny dadan-drizareo no tena mpampiasa tenin\'Andriamanitra ary mpitoriteny nefa toa tsy mahazaka r\'izareo rehefa io no ampiasaiko.
Tamin\'ny dada(rabeosy) mitoriteny toa tsy nahitana tsikera mihitsy ireto mpanohana azy, saingy rehefa ampiasaiko amin\'ny tena izy dia tsy mahazaka ireto zanany. Iza no nampiasa ny hoe Aza matahotra minoa fotsiny ihany, ary natao SLOGAN mihitsy, nisy koa ny hoe fahamarinana sy fahamasinana fa toa tsy mahazaka rehefa mba ny hafa no mampiasa. Nefa ireny no tena notsimponina handrebirebena saim-bahoaka, ny ahy anefa tsy mba mitsimpona fa voadinika tsara vao mampiasa.
Mahavariana ihany ilay fisainana, tsy izany ve ilay atao hoe mpihatsaravelatsihy?
Ny zavatra tsy tianao atao @ tenanao dia aza atao aman\'olona.
17. Noue ( 02/06/2009 12:11)
ianao no resaka eto zao ry naritsimba aaa !! aza ahodina ny resaka fa mandreraka ee :^) :^) :^)
18. Noue ( 02/06/2009 12:12)
dia aza be taraina koa oe valintenin'ny mpisera aa oeee tsy mety nefa miankina @ zavatra lazainao ihany no hamaliana anao eto eee!
19. naritsimba ( 02/06/2009 12:14)
Noue> ny niatombohan'ny resaka dia mikasika an'i dadanareo, izay no nahatonga ahy nanao ireny resaka rehetra ireny, tsy manodina resaka aho fa ianareo no manodinkodina resaka rehefa niogana i dadanareo.
20. bozyboleta ( 02/06/2009 12:41)
Mahavariana ihany ilay fisainana, tsy izany ve ilay atao hoe mpihatsaravelatsihy?
Ny zavatra tsy tianao atao @ tenanao dia aza atao aman'olona.

Sao dia mba ho anao no nanaovanao io teny io e?
Zao ary e! Raha mpino kristiana marina ianao ka tsy mihatsaravelatsihy toa io lazainao io dia...
AZA MANOZONA, AZA MIANTSO TODY

Raha mahita teny tsimponina entinao hanamarinana io fihetsikao "manozona" sy "miantso tody" io ianao dia hanaiky aho.
Fa mandra-pa aloha dia... mba hitsimpona kely aho hoe:
Tezera fa aza manota. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3905