VALINTENY HO AN'IREO MPITSIKERA

21. Noue ( 02/06/2009 12:59)
"naritsimba":
Esory aloha ny vatan-kazo eo @ masonao vao manala ny andry eny @ hafa.

"naritsimba":
Andriamanitra mihitsy no manendry ny mpitondra fanjakana fa tsy hoe izay tianao no tonga eo,
dia ozy zany ny Andriamanitr'i naritsimba oe mandehana ry tgvendrana hitondray tank eny Ambotsirohitra dia ahongano io fanjakana io ??? dia ataovy sorona ny olona dia ento eny Ambotsirohitra handingana ny zone rouge ??? Dia asaivo doran'ny jiolahimbotonao daholo ireo oronasa sy trano sns , dia mandroba koa , dia nony vita zany rehetra zany dia iny eny tgvendrana fa VOATENDRY HITONDRA NY FANJAKANA eee
"naritsimba":
Raha miverina iny dia mamono tena, saingy indrisy fa aleoko dieny izao dia manangona fonosana Marna Gold hamonosana ny fatiny, dia boatin'yaourt no atao famangiana, ary asiana lohan'osy eo ambonin'ny fasana ilevenany.
"naritsimba":
Ny zavatra tsy tianao atao @ tenanao dia aza atao aman'olona.

"naritsimba":
Mahavariana ihany ilay fisainana, tsy izany ve ilay atao hoe mpihatsaravelatsihy?
tena variana aho mamakyny zavatra lazain'i Naritsimba fa toa tsisy mandeha @ zay hozany ????
22. xxx ( 02/06/2009 13:49)
vakio kely etsy ambany amin dinikao etsy noue , an'i Mirananirina ny manaraka ,
23. sapele ( 02/06/2009 17:04)
Samy manana ny marina aminy avokoa isika tsirairay ka samy mitana ny marinany daholo,de lasa resaka lavabe le izy,amiko de ny zavatra rehetra miseho de avy @ Atra ka na inona na inona tenenitsika eto de zao aloha no lalana tsy maintsy hizoran-tsika (crise)na mafy aza izany de efa voasoratra ho tantaran'ny malagasy.ka na ratsy io na tsara io de zay no izy.misaotra an'Atra no tokony hatao de mangataka famelan-keloka mba hahatsaratsar kokoa ny fiainan'ny tsirairay.
24. xxx ( 02/06/2009 17:48)
ho anareo mpino izany fa izahay tsy mpino kosa dia asan-jiolahimboto no nampiasainy TGV nanonganana andra8 ireny, ka raha manana moyen koa ny tenanay de mety afaka mahavita ohatrireny aminy TGV, izany hoe fanonganampanjakana no nisy teto iarahanahita, fa aza ahodikodina :-D :-D
25. Noue ( 02/06/2009 19:25)
xxx:

ho anareo mpino izany fa izahay tsy mpino kosa dia asan-jiolahimboto no nampiasainy TGV nanonganana andra8 ireny, ka raha manana moyen koa ny tenanay de mety afaka mahavita ohatrireny aminy TGV, izany hoe fanonganampanjakana no nisy teto iarahanahita, fa aza ahodikodina :-D :-D
ny mahagaga anie dia Andriamanitra hono no nametraka an'tgv hitondra ny fanjakana ! mba mahita lazaina mahintsiny aloha Naritsimba ee

26. fijo ( 02/06/2009 21:11)
hoy naritsimba:" tsy manafangaro ny politika sy fivavahana aho,"

nefa dia teny tsimponina avy ao anaty baiboly no nahohanany ny heviny,ka asa fa toa toa izay koa no fomba nampiasain'i levalo taloha?????de nolazaina fa nanafangaro ny politika sy finoana izy????
io wa le vokabulary tgv sy hat.rehefa ny hafa no manao dia devoly,fa rah aizy no manao toa izay dia manitra.izany no atao heo jadona raha vokabolary tsotra
27. xxxy ( 02/06/2009 22:07)
diso fandika koa lery zany ssady diso forum

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
28. xxx ( 02/06/2009 23:38)
naritsimba:

Izaho ange mahatanty tsikera fa ireo milaza ho mpanohana ny ara-dalàna sy GTT no tsy nahazaka rehefa niala teo ilay filoha tena mpisoloky ny anaran'Andriamanitra e!
ny GTT, raha tena tia tanindrazana inona no iaretana any, milaza fa Frantsay no ao ambadiky Andry TGV nefa tsy menatra misitrika ao frantsa ihany na dia tsy manana taratasy aza, mampalahelo ilay toe-tsaina.
Tsy tiana ny frantsay nefa manao izya ahazoana zom-pirenena frabntsay, izany tokoa ilay zatra ny tamin'ny andro fahiny
esy ao e!
Tsiky dia ampy oà :D

ialahy io no tena mpisoloky fa manonotonompoana anrana'andriamanitra! raha tena pivavaka ialahy tsy nahavita ireny teny navoakan'ialahy teto ireny!
ny olona madio saina sy mpivavaka izany koa tsy manohana mpanomga_panjakana!
te hampiseho mafy ialahy eto oe olona mpivavaka sy manatsaina nefa jereo fa matoa mitsikera an'ialahy ny betsaka eto dia mazava izany fa ambany toetsaina ialahy ary koa tsy dia ampy fisainana lotra sa ve hafenina amin'ny soratra amin'ny falalana soratra masina izany toetsaina tsy mamokatra izany.?

29. naritsimba ( 03/06/2009 05:09)
hoy sapele:
Samy manana ny marina aminy avokoa isika tsirairay ka samy mitana ny marinany daholo,de lasa resaka lavabe le izy,amiko de ny zavatra rehetra miseho de avy @ Atra ka na inona na inona tenenitsika eto de zao aloha no lalana tsy maintsy hizoran-tsika (crise)na mafy aza izany de efa voasoratra ho tantaran'ny malagasy.ka na ratsy io na tsara io de zay no izy.misaotra an'Atra no tokony hatao de mangataka famelan-keloka mba hahatsaratsar kokoa ny fiainan'ny tsirairay.

Marina mihitsy izany saingy izaho akory tsy very fihinanana fa kosa tsy manaiky ny tsy rariny.

hoy xxx:
ho anareo mpino izany fa izahay tsy mpino kosa dia asan-jiolahimboto no nampiasainy TGV nanonganana andra8 ireny, ka raha manana moyen koa ny tenanay de mety afaka mahavita ohatrireny aminy TGV, izany hoe fanonganampanjakana no nisy teto iarahanahita, fa aza ahodikodina

Mitariha olona raha mahatarika, inona moa no olana. Matoa ny olona iray sahy mitarika olona dia tsapan'ireo olona taritiny izany izany fa resy lahatra @ ataony ireo olona taritiny. Dikan'izany matoa izahay nanohana an'i Andry Rajoelina dia satria resy lahatra fa tsy mety ny nataon'ny Ra8. Ary sahaza azy ny nametra-pialana tsy ho filoha dia avy eo lasa nandositra, raha olona manao ny tsara izany tsy tokony handositra na inona antony na inona.
Izay ilay atao hoe nitono angaha no mahana sa nahandro no kaody!
Tsiky dia ampy foana ho anareo mpanohana an'ilay nandositra e!
30. ravonjison ( 03/06/2009 06:39)
Aza afangaro lehiretsy ny fivavahana sy politika a . Ny fifanangaroana ireo dia midika zavatra roa: 1- fahabadoana
2- fandemen-tsaina
Izy roa ireo dia samy ratsy daholo.
31. endrika01 ( 03/06/2009 07:10)
Tsy voatery hoe tahotra no nandosirany filoha Marc Ravalomanana.Raha nihizingizina tsy hiala teo izy,zay azony natao tokoa satria tsy mbola tapitra ny mandat .Dia mino marimarina aho fa ra mandrika sy ady civil tsita pesipesenina,no nataonireo contre azy. Ny filoha ny HAT amzao fotoana ihany koa mety efa nifono lambamena( maty)raha tsy tafakatra teo.Ka aza dia ny lafyratsy foana no atao masaka an-doha fa jereo koa ny lafitsara e.Mbola samy hanaraka ny tohiny tantara eo avokoa .Tsiky de ampy :D
32. endrika01 ( 03/06/2009 07:10)

33. laimiday ( 06/11/2011 09:21)
Mahagaga ny fandraisanao ny Soratra Masina sy ny fampiasanao azy ry Naritsimba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1181