Takelaka vaovao
1. raozigasy
(
26/05/2009 22:54)
Miarahaba antsika rehetra tia ny kanto malagasy,
Nomena endrika vaovao ny takelaka vetso tononkalo, ka dia manasa anao hitsidika sy hanome ny hevitrao enti-manatsara hatrany ny takelaka
Isika mpanoratra rehetra ihany koa dia iangaviana hifandray amin'iRaozigasy fa misy tetik'asa tiana hifampizarana.
Mankahery hatrany antsika e
Raozigasy

répondu par fahamarinana le 27/05/2009 16:12
2. fahamarinana
(
27/05/2009 05:54)
:arrow: tsara be ilay fanovana fa izao ,nisy olana kely nony nametraka coms tao amin'ilay pejy misy ny momba anao sa angamba za irery no nahita izay !
Misaotra amin'ny ezaka ataonareo ! Zahay moa mpamaky sy mpanohana hatrany e ! :-* (l)

3. fahamarinana
(
27/05/2009 06:10)
:arrow: azafady ndraika Raozigasy fa nandeha tampoka ndray ilay com an fa raha azonao fafana fa lasa double be zao any ! Misaotra e! :wink: (l)
4. tslem
(
27/05/2009 09:07)
Mahafinaritra foana kah! tsy tadidiko intsony hoe ahoana moa ny taloha? ary angaha tsy misy ilay hoe "tohano ny tononkalo" moa izy izay raha tsy diso aho??? toa tsy hitako intsony iny.
5. fahamarinana
(
27/05/2009 12:03)
:arrow: tslem : ilay tohanana omena isa ve ? mbola ao kouh,vao avy nanohana any Raozigasy za tamin'ny maraina fa nety ! :-P sa tsy mitovy ny resahantsika roa ?
Misy ho tohanako koa ve ny any tslem ao ? :-P :-* :-* (l)

6. hery
(
27/05/2009 13:09)
Nesorina ilay resaka hoe tohanana satria tsy be mpampiasa akory.
Fa ilay hoe omena isa mbola ao ka. Nosoloina fotsiny hoe Fidio, dia tsindriana ny kintana kely .
Ny mahatsara azy koa dia afaka miverina @ isa nomenao ianao... izany hoe azonao ovaina ilay isa rehefa any aoriana any

7. fahamarinana
(
27/05/2009 13:33)
:arrow: sefo o !: fa ny tsy azoko nge dia izao e ! Misy tononkalo efa nahazo isa 5 ohatra dia nampiko isa 5 ndray dia tokony ho 10 zany no hitako !! sa ahoana ! (l)
8. raozigasy
(
27/05/2009 15:37)
Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty
Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria
Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka
Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy
Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina
Raozigasy 27/05/09

9. fahamarinana
(
27/05/2009 16:12)
:arrow: ny ahy hatreto aloha dia ny fisaorana sy bravo no azoko zaraina aminareo mpanoratra ! tokoa moa ! Soa misy mahay sy manana Aingam-panahy tahaka izao e ! :D (l)