Ho an'ny efa Manambady!!

1. Djhamhal ( 22/05/2009 07:04)
Moa ve le olona tena nirinao teo amin'ny fiainanao mihintsy ny olona zay vadianao amin'izao fotoana izao ? ary ny bikany sy ny volokodiny sy izay mombamomba azy ve dia ilay noeritreretinao tamin'ny ianao mbola mpitovo ??
Raha tsy izay kosa ary! nahoana no nanambady azy ianao ; ary mifankatia tsara ve ianareo ???
répondu par volana1 le 09/08/2011 12:14
2. TWING ( 22/05/2009 07:23)
afa enarana koa anie ny mitia e
fa tsy maintsy hoe misy hitiavana azy na dia kely fotsiny aza e.
fa rehefa tsy mety aloha dia tsy mety e, na dia efa mpivady aza
3. xxx ( 22/05/2009 08:11)
Moa ve le olona tena nirinao teo amin'ny fiainanao mihintsy ny olona zay vadianao amin'izao fotoana izao ? ary ny bikany sy ny volokodiny sy izay mombamomba azy ve dia ilay noeritreretinao tamin'ny ianao mbola mpitovo ??
Raha tsy izay kosa ary! nahoana no nanambady azy ianao ; ary mifankatia tsara ve ianareo ???

Afaka mamaly anao aho hoe eny, ary afaka milaza koa hoe tsia.
T@ zaho mbola mpitovo dia naniry mafy mihitsy ny mba hanana olon-tiana mahay mitendry zava-maneno fa tsy tanteraka io. Fa kosa ny faniriako mba hanana olona tsy misotro sy tsy mifoka dia tena azoko. Mety hisy hiteny angamba hoe inona koa izany olona lehilahy tsy misotro sy tsy mifoka izany (satria efa nahazo io teny io aho) :)
4. xxx ( 22/05/2009 08:15)
Zah aloha efa manambady ary efa manan- janaka , vintsina ny olona nanamabady izany atao hoe " grand amour " izany "le prince charmant "tsy mi existe raha tsy any @ireny tantara ireny , ny fanambadiana amiko dia lahatra na koa anjara rehefa iny no sahaza sy anjaranao dia mifalia amin' izay, nanambady azy ianao ohatra nahatsiaro ho efa nahazoazo taona na te hananjanaka na tsara tarehy ilay olona ka nahataitra anao tsy hay intsony dia nivady ianareo nefa ilay fitiavana miredareda tsy ao intsony ary ilay hoe " je t' aime je t' aime lasa tsianjery fotsiny , na ny lahy na ny vavy eo no resahiko,ary izay angamba no mahatonga ilay fampirafesana satria mbola mitady ilay notiavina fahiny nefa izy tsy hita intsony, ka dia samy tahin' Andriamanitra daholo e! , ka indro kely ny amour perdu indraindray voasolo any ambadika any ka izay ilay olana lasa tianao be indray ilay vaovao dia ny tohiny " point d' interrogation" :?: :?: :?: :?:
5. soanja ( 22/05/2009 14:32)
Djhamhal:

Moa ve le olona tena nirinao teo amin'ny fiainanao mihintsy ny olona zay vadianao amin'izao fotoana izao ? ary ny bikany sy ny volokodiny sy izay mombamomba azy ve dia ilay noeritreretinao tamin'ny ianao mbola mpitovo ??
Raha tsy izay kosa ary! nahoana no nanambady azy ianao ; ary mifankatia tsara ve ianareo ???

Yes!
Yes!
Yes!

:D :D :D :D
6. Tazana ( 23/05/2009 03:33)
Mahazo miditra kely ve za Dhjam manontany atambatra aminao hoe za mahita fa zay vao mivady rehetra toa mieritreritra hoe haharitra sy ho tsara ilay fanambadiana fa aty aoriana zay vao tena hita ny tena izy hoe tena maharitra sa tsia...Ka ny tiako hanontaniana: firy ny olona nanambady dia azony antoka 100% tsy nisy ahihahy hoe tena ity no tiako hiaraha miaina mandrapafaty? Firy kosa no nahay zao hoe tsy dia tena mety amiko ity nefa dia novadiana ihany sy naniry ampo hoe hety ilay izy dia aty aoriana nefa mipoitra lehibe kokoa ilay hoe tsy mety nefa ny tena efa nifatotra ... dia avy eo te hivaoka?
Za tsy manambady fa mitazana dia mitsikaritra zava misy....Atao fianarana!
Ilay hoe firy no nanambady olona nefa misy salasala any am po no mba mahavariana ahy io zao....

7. Mirananirina ( 24/05/2009 09:05)
Djhamhal;tena tsy ilay noheritreretiko mihitsy aloha raha ny ahy e.
Ny ahy izao dia hoe gasy ny hovadiko,tamin'ny mbola kely,nefa tsy izay akory amin'izao.
Raha tsy izay kosa ary! nahoana no nanambady azy ianao ; ary mifankatia tsara ve ianareo ???

Ilay hoe mifankatia,matoa nivady dia mifankatia izay.(afatsy ireo no forcéna kosa aloha e)
Nanambady azy aho satria tiako izy dia izay,sady efa tonga aminy fotoana tokony hanambadiana tamin'izay.
8. Koditra ( 24/05/2009 10:18)
Moa ve le olona tena nirinao teo amin'ny fiainanao mihintsy ny olona zay vadianao amin'izao fotoana izao ? ary ny bikany sy ny volokodiny sy izay mombamomba azy ve dia ilay noeritreretinao tamin'ny ianao mbola mpitovo ??
Raha tsy izay kosa ary! nahoana no nanambady azy ianao ; ary mifankatia tsara ve ianareo ???
Za RaDjhamhal mba naniry vehivavy petakorona fa sahirana be foana isakizay mande zao fa tsy maintsy mifandona foana io orona io. Tsy nety naazo mihitsy dia mionona @lay farany maranitra orona ao eh!
9. xxx ( 24/05/2009 19:00)
Ny vady hono , araka ny ohabolana dia "an-tsapaka ,ka misy tojo ny lohany , misy tojo ny trafony". Ampy handinihantsika ny hevitra fonosiny izany.Ny ahy aloha ny tena tiako sy niriko hiara-dalana amiko de tsy azoko é , satria nikajy loatra ny hampakarina madio tahaka ny voalazan'ny tantarandry Bina sy Ikemba irony aho , kô kay tsy naharitra akory ilay tovolahy fa nahita ny naka fanahy azy tany , notereny hampakatra azy ka foana tery ny fikasanay. Nataoko izay fomba rehetra hitiavako ny anjarako , fa vitsy izany hoe "tena TIA sy TIAVINA "izany no tafaray.
De izao koa hoy izay mpanoratra malagasy iray izay." Raha hanambady ihany aho de aleoko manambady olona tsy tiako!!!!! tsy fantatro ny fahamarinany fa izao no volazany ao amin'ny lahatsorany:
"Tsara tarehy maro mpahalala ianao ka izay mifanena aminao miherika daholo
Maranin-tsaina sy fanta-daza ianao ka izay birao idiranao mahalala anao avokoa.
Tsara fanahy mahasintona ny maro ianao, ka izay alehanao toa efa miandry anao avokoa, ka raha tsy maintsy hanambady ihany aho dia aleoko manambady olona tsy tiako" !!!! laha-teny hafahafa , fa ny azoko ambara dia izao" amboleo ny fitiavaka ary koloy raha mbola an-tokatranon'olona ianao" Aza maniry ny hafa fa io anao io no anao . Mitadiava fotoana handrindràna ny olana raha misy fa ny "FAHASAMBARANA " io dia ianao, ianareo mivady ihany no afaka miara-mitady azy .
Mahereza fa tsy irery ianao manana olana ara-panambadiana !!!
10. soanja ( 27/05/2009 04:57)
xxx:

HS kely o!

Tadidiko tokoa ny tantaran'i Bina sy Kemba.
Tamin'iny tantara iny moa ilay misy anle dokotera tany anaty alabe nitady ny fanafody famonoana ny fitiavana mamparary fo sy manimba ny mahaolona sy ny fiarahamonina. Nahita tokoa izy saingy fahafatesana hono ny fanafodiny! Ntsooohhh raha mba fantany mantsy misy teknika isan-karazany tokoa azo atao tsy ahafahan'ny ny vatanao ; ny fonao sy ny sainao handrakotra ny momba anao!

11. xxx ( 27/05/2009 08:26)
Iza no efa nahita ilay documentaire "L'Odyssée de l'amour" , nandeha t@ chaine taty Frantsa omaly halina. Toa misy ifandraisany @ hoe ilay tena nirinao ve ny vadinao ? Misy fanazavàna siantifika momba ny attirance entre 2 étres
12. Djhamhal ( 27/05/2009 15:28)
Misaotra betsaka é! kanefa diniho ihany ho an'ireo izay hiditra fa lamban'akoho ny vady ka aina no fetra ary izay no faniriako ho antsika rehetra ! ary sanatria tsy ho nenina no hiainana ao antokatrano !! mirary soa ary @ manaraka indray ô!
13. endrika01 ( 04/06/2009 07:55)
Hay ve hoatran izany,refa manambady e, :P ,izay tsy tina zany no vadina! Gravy njay zany kle :wink:
14. endrika01 ( 04/06/2009 07:55)
Hay ve hoatran izany,refa manambady e, :P ,izay tsy tina zany no vadina! Gravy njay zany kle :wink:
15. endrika01 ( 04/06/2009 08:05)
Hay ve hoatran izany,refa manambady e, :P ,izay tsy tina zany no vadina! Gravy njay zany kle :wink:
16. tiou ( 10/06/2009 09:25)
manao ahoana daholo isika rehetra!!
izaho miresaka eto dia efa manambady ary lazaiko kely eto ny mombamomba ny nanambadiako. T@ izaho mpitovo dia naniry mafy ny hanambady lehilahy be taona noho izaho, tanteraka izany( 10 taona ny elanelanay , tiko io satria @ zay ilay bandy mba efa nahita fiainana farafaharatsiny , expérience sns...), bandy tsy mifoka ( izy nefa mpifoka sigara be mihitsy kanefa rehefa nivady elaela zay dia niala ho azy izany), ..,mbola bdb ny critère t@ zany fa tsy ho voatanisako eto akory, ny tiko lazaina de izao, mahafinaritra be le manana fanirina ny hanana ny vady idealy , fa io de tsy hisy e!! Hoy ny vadiko hoe: ny vady idealy dia nareo roa ao antokatrano ihany no mamorona azy , tsy hoe idealy @olona rehetra fa mila idealy @ nareo roa na dia tsy hita ety ivelany aza izany; rehefa afa po nareo de izay no zava dehibe. ianareo roa no mamorona izany, zany hoe mety toetra mbola tsy tao aminao zany le izy( le sigara zao ohatra). tsy haiko raha mazava ny zavatra noteneniko.
17. Papoose ( 10/06/2009 16:32)
sambatra!
18. volana1 ( 09/08/2011 12:13)
Sendrasendra no nahatafidirako tamin'ity hevitra miseho ity ary tena variana be aho. Amin'ny olona rehetra niditra teto izany dia tena tsy misy mihitsy ny hoe mpivady tena mifankatia ? Ny antony dia satria ny ankabeazany dia mahita ivelany ny olana miseho eo amin'ny fanambadiana manodidina azy. Ary ny ankabeazany dia mamorona sary ao an-tsainy mialoha ny olona ho tiaviny, tsy izany anefa ny fitiavana, fa izy dia mamely anao amin'ny tsy ampoizinao, ary rehefa tena tia ianao ka sendra ny tia anao dia na inona na inona toetra ananan'ny tsirairay dia maharitra io fanambadiana io, satria moramora kokoa ny mifandefitra rehefa tena tia, ary arakaraky ny androsoan'ny taona no vao miha mifankatia.

Betsaka ny mpivady sambatra fa tsy hoe nanambady tsy sazoka daholo akory ny mpivady rehetra. Ny irariana dia enga anie ianareo mitaintaina mbola tsy manambady mba ahita ny toa izany. Raha nampisafidianana aho hoe hiverina any amin'ny faharoapolo taonako, dia mbola ny vadiko izao io ihany no tiako hanambady ahy ! mahafono zavatra betsaka izany !
19. volana1 ( 09/08/2011 12:14)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0657