Ny antony hitiavana olona iray ka hanambadiana azy.

1. soanja ( 28/04/2009 19:48)
Betsaka miverimberina eto tokoa io resaka vola sa fitiavana io ary ny mahagaga dia tezitra be tokoa ny ankamaroantsika olombelona raha vao mahalala hoe vola no itiavana ny olona iray fa tsy hoe ny toetrany na ny bikany na ny momba azy tsy ara-materialy sns maro.

Mba manontany tena fotsiny aho raha fantatrao ny itiavanao ny olona iray dia tsy tokony efa hampanontena ve izany hoe tena fitiavana ve sa? Nefa isika rehetra dia hitia satria misy antony avokoa ny itiavana io olona iray io fa tsy hoe tia jambena amzao ka hoe azon'ody.
Ao tokoa mantsy ny miaraka sy mifankatia satria mitovy razana, ao ny hoe satria taranaka olona ambony ireny dia tsara vadiana dia lasa tiana, ao ny hoe tiako ny lokon-tavany sy ny malama ny hodiny, ao ny hoe mahay be sady kranina tsy misy ohatr'izany, ao ny hoe tsotra sady tsara fanahy sns... Misy dikany aby e. Fa raha vao hoe tiako iny satria be vola dia tonga dia badenin'ny tabataba ny sofin'ilay olona.... Fa nahoana loatra re no dia ratsy ny fahitantsika ny vola sy ny fifandraisana aminy? Ary raha toa ka iny vola ananan'iny olona iny no lasa hanasoavanao ny hafa izay tsy manana dia mbola tsy mety tokoa ve izany?

Aza dia masiaka loatra rehefa momba io fitiavana io!!!
:-*
répondu par ilalaina le 21/07/2009 13:23
2. ndenn ( 28/04/2009 21:54)
Ny vola soanja dia fialàna andraikitry ny olombelona eo anoloan' ny adidy sy fahefana mianjady @ tsy fahazahoana ny fisehoan- javatra eo @ fiaraha- monina ,ary efa fantatry ny ankamaroan' ny olona eran' izao ntontolo izao izany hatramin' ny andron' i cesar ! vanim- potoana nanontana ny borivola voalohany teto an - tany ( industriellement) fa raha avadika resaka ambadika io resa- bola io dia tsy hisy ho vanona ny resaka hifanaovana aoriana , satria dia hifanisa sy hitanisa tarehy marika aman' aliny sy aman- tapitrisany sy tsy hitaisa fotsiny angamba isika eto .Ny @ fitiavana ,dia sora-jadiana sy hanitry ny sefo ka samia sahaza ny anjara lahatra , ary tsy hisy ho very anjara rehefa mandiha ity tany ity ,!
:?:
3. soanja ( 28/04/2009 22:54)
ndenn:

Raha noforonina ny vola dia satria nisy antony tokoa ary ny fifantohana amin'ny hampiasana azy ara-drariny sy ny hitadiavana azy ara-drariny sy hitsiny izay tafiditra ao ny fahamarinana angamba no tena zava-dehibe.
Koa amiko raha nanintona olona iray ny volaben'olona iray ka lasa tia izy dia tsy mahita olana aho fa ny hoe ahoana no ampiasaina azy hanimbany ny tenany ve ary indrindra hanararaotany ny hafa no azoko hametrahako fanontaniana ny hatsarany sy haratsiny.

Raha toa moa ka hanasoavana ny hafa ny fananana ny vola dia vao maika aza tsara izany, ka raha ny iray no nahay nihary ny iray nahay nampiasa dia arahaba tokoa ny fifandrasaidry zareo fa dia hanoka ny manodidina.

Fandanjalanjana ny zavamisy ihany sy ny fampiharana izany eo amin'ny fiainana no hitako mahasoa ny rehetra ary ny zavatra tsapantsika any anaty mifandraika amin'izany dia azo ferana raha haintsika no manao izany saingy matetika dia ny fahaizana mametra azy no tsy ananana.

Soranjadiana tokoa ny fitiavana ary tsy ary hifanomezantsiny ny niantombohany fa ny hiafarany angamba eo amin'ny fiarahamonina sy ny manodidina no azontsika hakantsika lesona.

Mandia tokoa anefa isika mianakavy ka tsy maintsy solafaka ary miloloha lanitra ka tsy maintsy ho lena. Fianarana ny fiainana.

4. sitlo ( 29/04/2009 06:02)
Mpivaro-tena izay ry Soanja a! Na ny hiray fandrina aminy aza hafahafa. Manirikiry ny mieritreritra hoe tsy ianao akory no tiany fa ilay vola.
5. soanja ( 29/04/2009 06:29)
sitlo:

Mpivaro-tena izay ry Soanja a! Na ny hiray fandrina aminy aza hafahafa. Manirikiry ny mieritreritra hoe tsy ianao akory no tiany fa ilay vola.

Fa tsy manirikiry anao kosa ny mahalala hoe ny fahaizanao no hanambadian'olona anao fa tsy ny toetranao sy ny mahaizy anao??? Ndeha hoteneniko hoe ny tarehinao sy ny bikanao?

Raha fantatrao ve fa vola no iarahan'olona anankiray aminao dia niditra ianao dia hihevitra izany olona izany ho mivaro-tena ve ianao nefa izy nalainao vady/ sipa mihitsy. Ny olona mahita no hihevitra izany amiko fa matoa ny olona iray naka fanapahan-kevitra hiaraka amin'ny iray dia samy manana ny tanjona tiany tratrarina avy ka raha mifandray ireo dia izay angamba no izy?

Tsy miresaka fivarotan'entana eran'io akory aho fa iny dia mazava hoe ny tenany no amidiny dia iny izy mifindra amin'ny hafa indray hivarotra dia toy izany hatrany. Fanimbana ny tena izany no sady fanararaotana ny hafa izay voalazako etsy ambony. Aretina sy fahalemena io.

Ny tiako resahina eto dia ny fananganan'olona fitiavana ao anaty fitiavam-bola. Ao ny manangam-pitiavana ao anaty fitiavana voninahitra sy sns... ireo tsy dia ahitan'olona fahasarotana loatra anefa.

6. xxx ( 29/04/2009 14:00)
Soanja angaha nanambady noho ny vola no toa miaro be ny vola ?

Raha lany ny volan'ilay olona dia tsy tianao intsony ve izany ilay olona ? Na hoe isarahanao satria moa ilay vola izany no tena tianao

Ny fahaizana valeur mipetraka, ny vola mety ho lany, izay angamba no antony ananaran'ny ray aman-dreny ny zanany , mba hanorina fiainana @ zavatra mipetraka
7. soanja ( 29/04/2009 19:45)
xxx:

Tsy ny vola no ratsy fa ny tsy fahaizanao mandamina ny fiainanao manoloana zavatra iray no mety ho olana ka na vola io na fahaizana na firazanana n'inona n'inona dia ilaina ny fahafatarana hoe ahoana ny hanampiako ny tenako sady hampivoarako ny hafa ary ny fifandraisana eo anelanelan'io no zavadehibe.

Raha tsy azon'i xxx io dia tsy voatery hanohy resaka isika. Matoa ianao miasa dia mitady vola ary matoa tadiavina ny vola dia ilaina. Noho izany tsy ny vola no ratsy.

Inona no olan'i xxx amin'izany na vola na vatana na firenena n'inona no nanambadiako anefa.

Hilaza aminao aho fa ny vola no ananan'olona iray manana ny mahaizy azy sy manampanahy dia tsy ho lany izany vola izany fa atao hoe miasa amin'ny zavamanan-danja. Eo angamba ny tsy hampitovy antsika sy ianao satria ny anao mety lanin'ny rendrarendra sy ny tsy fahaizana ny vola. Azo avadika zavatra mivainga mitoetra mandrakizay koa ny vola ary afaka hanapotehana firenena iray/ maro ny vola.

Ny olona mitantana azy no resaka eo sy ny fahalalana ananany ary ny fanahy hiodinany.

8. cutie ( 29/04/2009 20:14)
refa fitiavam-bola moa no antony hanambadian'ny oul iray, de efa fitiavana ihany zany satria zay aza ny safidiny ka in ndray. Matetika le mpitazana ety ivelany foana miakatra @ tsisy dikany :-D
Moramora kokoa manko ny mitsara ety ivelany nefa tsy misy fihasamihafana @ antony hafa rehetra mahatonga ny oul manambady ihany io. Fa refa we vola de blablabla :-D
9. sympa ( 29/04/2009 23:35)
Ny aty avaratra aloha de ny hoe aleho ny lehilahy misy vola no tokony hiaraka amin-dry zareo fa raha tsy izany dia aleho hipetraka.
Ny @ fandiniako azy aloha de, ny vehivavy tsy tiany atao ambany zavatra fa mila eo anilany foana rehefa anao zavatra ihanao; raha toa ka misy zavatra ikasanao de mila fifanarahana avy @ ka tsy afaka manapaka ihanao raha tsy eo izy :roll:
10. fasaly ( 30/04/2009 05:10)
xxx:

Soanja angaha nanambady noho ny vola no toa miaro be ny vola ?

Raha lany ny volan'ilay olona dia tsy tianao intsony ve izany ilay olona ? Na hoe isarahanao satria moa ilay vola izany no tena tianao

Ny fahaizana valeur mipetraka, ny vola mety ho lany, izay angamba no antony ananaran'ny ray aman-dreny ny zanany , mba hanorina fiainana @ zavatra mipetraka

marina kosa alou io volazan'i xxx io! mateti-pitranga io hoe raha ny vola no hitiavana ilay olona, ka rehefa tsy misy ny vola, ohatran'ny tratran'ny crise dia miapa ilay olona ka io asakasak'izay olona hivarotra ny fitiavany amin'ny alaln'ny vola ihany.....

11. xxx ( 30/04/2009 14:08)
soanja:

Tsy ny vola no ratsy fa ny tsy fahaizanao mandamina ny fiainanao manoloana zavatra iray no mety ho olana ka na vola io na fahaizana na firazanana n'inona n'inona dia ilaina ny fahafatarana hoe ahoana ny hanampiako ny tenako sady hampivoarako ny hafa ary ny fifandraisana eo anelanelan'io no zavadehibe.

Raha tsy azon'i xxx io dia tsy voatery hanohy resaka isika. Matoa ianao miasa dia mitady vola ary matoa tadiavina ny vola dia ilaina. Noho izany tsy ny vola no ratsy.

Inona no olan'i xxx amin'izany na vola na vatana na firenena n'inona no nanambadiako anefa.

Hilaza aminao aho fa ny vola no ananan'olona iray manana ny mahaizy azy sy manampanahy dia tsy ho lany izany vola izany fa atao hoe miasa amin'ny zavamanan-danja. Eo angamba ny tsy hampitovy antsika sy ianao satria ny anao mety lanin'ny rendrarendra sy ny tsy fahaizana ny vola. Azo avadika zavatra mivainga mitoetra mandrakizay koa ny vola ary afaka hanapotehana firenena iray/ maro ny vola.

Ny olona mitantana azy no resaka eo sy ny fahalalana ananany ary ny fanahy hiodinany.

Ka maninona raha olona tiana @ lafiny hoe misy feeling iraisana no iarahana manorina tokatrano, dia miaraka mitady vola rehefa avy eo fa tsy avy dia olona efa misy vola no arahina ?

Azo avadika ho inona hitoetra mandrakizay ny vola ? Apetraka any @ banque dia faillite ny banque ? Anaovana trano dia raha tonga ny catastrophes samihafa dia rava ...

Dia mba ahoana hoy ilay olona iarahanao noho ny volany ? Voafitakao izy izany raha tsy hoe notsorinao taminy fa ilay volany no mi intéresser anao

Izaho mitady vola fa mahalala onony, satria tsy ny vola no priorité eo fiainako. Raha manakana ny fivelaran'ny priorité ko ny vola dia mijanona aloha.

Izaho koa mitady vola fa @ herim-poko fa tsy maka ny efa vonona fotsiny aho

12. marindra ( 30/04/2009 15:37)
mitovy @ we hatsaram-bika na tarehy ihnay io resaka vola io. Raha sanatria ka voan'ny accident zany le vadinao ka nitarika halemena na kilema le izy de tsy ho tinao tsony zany io vadinao io satria vita hatreo ny antony nanambadianao azy???
13. fahamarinana ( 30/04/2009 16:20)
:arrow: lasa nivadika kosa ilay fandraisanareo ny resaka vola lazain'ny Soanja kouh !
Amiko manokana aloha ,ndeha atao hoe resaka vola no nahatonga ilay fanambadiana niorina :angamba tsy misy ketrina na ilay lahy na ilay vavy fa samy en connaissance de cause daholo ary matoa tafita ilay tanjona hanao mariage (hiray trano sns satria mitovy ny dikany amiko manokana ) dia satria fanirin'ny tsi11 na atao hoe interets samihafa aza fa samy nekena ! Arak'izany dia tsy misy resaka fivarotan-tena na dia kely aza ! Fivarotan-tena dia vatana atakalo vola sy amidy ! Eto anefa tsy natakalo vola satria efa vady ihany koa ary nekena sy ankasitrahana !
Angamba atao hoe samy mitondra ny fiainany amin'ny hitiavany azy daholo fa rehefa afaka miaina malalaka ao anatiny sy mifankatia sy maharitra ao dia tsy dia hitako izay olana !Na resa-bola na resa-toetra na resa-bika sy tarehy na resa-piaviana sns sns ....
cutie:
Moramora kokoa manko ny mitsara ety ivelany nefa tsy misy fihasamihafana @ antony hafa rehetra mahatonga ny oul manambady ihany io. Fa refa we vola de blablabla

:arrow: Marina tanteraka !tahaka ny antony rehetra ihany sady an'ilay miaina ao koa anie izany e ! (l)
14. ikaretsaka ( 30/04/2009 16:28)
miombonkevitra @ faha
15. soanja ( 30/04/2009 19:33)
xxx:

soanja:

Tsy ny vola no ratsy fa ny tsy fahaizanao mandamina ny fiainanao manoloana zavatra iray no mety ho olana ka na vola io na fahaizana na firazanana n'inona n'inona dia ilaina ny fahafatarana hoe ahoana ny hanampiako ny tenako sady hampivoarako ny hafa ary ny fifandraisana eo anelanelan'io no zavadehibe.

Raha tsy azon'i xxx io dia tsy voatery hanohy resaka isika. Matoa ianao miasa dia mitady vola ary matoa tadiavina ny vola dia ilaina. Noho izany tsy ny vola no ratsy.

Inona no olan'i xxx amin'izany na vola na vatana na firenena n'inona no nanambadiako anefa.

Hilaza aminao aho fa ny vola no ananan'olona iray manana ny mahaizy azy sy manampanahy dia tsy ho lany izany vola izany fa atao hoe miasa amin'ny zavamanan-danja. Eo angamba ny tsy hampitovy antsika sy ianao satria ny anao mety lanin'ny rendrarendra sy ny tsy fahaizana ny vola. Azo avadika zavatra mivainga mitoetra mandrakizay koa ny vola ary afaka hanapotehana firenena iray/ maro ny vola.

Ny olona mitantana azy no resaka eo sy ny fahalalana ananany ary ny fanahy hiodinany.

Ka maninona raha olona tiana @ lafiny hoe misy feeling iraisana no iarahana manorina tokatrano, dia miaraka mitady vola rehefa avy eo fa tsy avy dia olona efa misy vola no arahina ?

Azo avadika ho inona hitoetra mandrakizay ny vola ? Apetraka any @ banque dia faillite ny banque ? Anaovana trano dia raha tonga ny catastrophes samihafa dia rava ...

Dia mba ahoana hoy ilay olona iarahanao noho ny volany ? Voafitakao izy izany raha tsy hoe notsorinao taminy fa ilay volany no mi intéresser anao

Izaho mitady vola fa mahalala onony, satria tsy ny vola no priorité eo fiainako. Raha manakana ny fivelaran'ny priorité ko ny vola dia mijanona aloha.

Izaho koa mitady vola fa @ herim-poko fa tsy maka ny efa vonona fotsiny aho

Aleo hazavaiko tsara ary ny tiako tenenina mba hahatsotra azy: isika rehetra dia samy tsy misy mahalala ny olombelona tsirairay toy ny paosiny ka hanan-kevitra mihoatra noho ireo izay miaraka amin'ireo olona ireo ary manao ny ainy tsy ho zavatra hanatsarany izany fifandraisana izany.

Ohatra sady nisy:
Raha nahantra tokoa ny zazavavy avy any ambanivohitra iray nefa tsara tarehy izy, mety hoe tsy tia velively izay hovadiany tamin'ny voalohany ary nanambady an'ilay rangahy ratsy tarehy nefa dia nazahoana tarakana sady ampy ara-bola no milamina ny tokatranony dia inontsika moa izany fa dia ny fitsanganan'ilay taranaka mitohy enga anie ka ho mandrakizay no irariantsika. Noho io tokatrano io dia lasa nisy hopitaly ny tanana, lasa nitsangana ny sekoly ary mivoatra ilay ambanivohitra izay saika maty momoky ny fahantrana. Iza moa isika no hilaza fa ratsy ny vola amin'izany!

Isika olombelona dia manana ny lanja manokana hanatsara avy ny fiainantsika. Io no tiako tsindriana. Raha somary mirefarefa ny fiatombohany ohatra ny fahitany azy sy ny mety fahitan'olona azy dia afaka mitombo izany sy lanja miakatra izany fiainany izany. Manana potansialy ny olombelona tsirairay, omeo toerana izany hahafahantsika mijery ny tantara fahatsarana. Afaka midina koa enfa izany fahafahana izany.

Tsy misy mahalala izay any ambadiky ny ho avy fa raha fantatrao fa mandondona eo ambaravaranao ny tsilompim-panantenana dia aza misalasala. Aleo ny hafa lany fotoana hijery ny famirapiratanao raha izay no mahaliana sy mahafinaritra azy!

Tsy voasoratra mainty sy fotsy ny fitiavana fa isan-karazany ny fisehony ka raha haintsika ny mandalina sy manatsara izany dia izay no tapitrohatra.

16. xxx ( 02/05/2009 07:34)
Mandiso fanantenana ahy ianao ry Soanja, anisan'ny mpisera be morale be eto ianao kanefa ny valeur tompoinao aza kay ny vola .

Io i sitlo niteny, lehilahy izy ka dia mba eritrereto ny fisainan'ny lehilahymanoloana ny vehivavy tia vola

Mpivaro-tena izay ry Soanja a! Na ny hiray fandrina aminy aza hafahafa. Manirikiry ny mieritreritra hoe tsy ianao akory no tiany fa ilay vola.

17. soanja ( 02/05/2009 10:15)
xxx:

Mandiso fanantenana ahy ianao ry Soanja, anisan'ny mpisera be morale be eto ianao kanefa ny valeur tompoinao aza kay ny vola .

I
Mpivaro-tena izay ry Soanja a! Na ny hiray fandrina aminy aza hafahafa. Manirikiry ny mieritreritra hoe tsy ianao akory no tiany fa ilay vola.

Henjena be izy zany! Inona moa no atao hoe Tompoina??? Amiko aloha dia Andriamanitra no tompoiko ary tsy misy afa tsy ny tenako no mahalala ny hangezan'izany eo amin'ny fiainako.

Tsy hitako izay azo atao rehefa diso fanantenana ianao. Ianao tsy mahazo ny tiako hambara. Zavatra iray mba afarako anao dia aza manantena olona loatra fa Andriamanitra irery ihany antenaina. Isika rehetra samy manao ezaka mifandray amin'ny alalan'Andriamanitra.

Rehefa vonona tsy hitsara olona ianao dia afaka miresaka milamina indray isika sy ianao? sa ahoana??? Sady amin'izay mba tsy miafina lava ao ambadika ao. Io dingana roa io fotsiny aza no ezahinao hisy lanja eo amiko ny teny ampitainao.

Mitonia lalandava fa tsy mora ny fiainana.

:-* :-* :-* :-*
18. xxx ( 04/05/2009 21:43)
zah koa dia mimbikevitra @ xxx farany teo koa zah fa tahaka andry soanja ilay hoe mpivavaka mihambahamba, manompo vola sy sampy ianao fa miafina ao @ vavaka
19. soanja ( 05/05/2009 00:15)
xxx:

zah koa dia mimbikevitra @ xxx farany teo koa zah fa tahaka andry soanja ilay hoe mpivavaka mihambahamba, manompo vola sy sampy ianao fa miafina ao @ vavaka

Manampy ny vavaka ary manala antsika hifikitra amin'izay tsy mahasoa antsika. Hivavaka ho anareo aho ahita ny mazava.

:-* :-* :-* :-*
20. booboo ( 05/05/2009 08:48)
Lasa fitaovana ilay olona raha ny vola fotsiny no nanambadiana azy, na hanasoavana ny manodidina aza ilay vola avy teo, amiko manokana. Raha nifaneken-dreo indray moa hoe hivady noho ny vola fa tsy noho ny Fitiavana dia izay izany. Fitiavana an'ilay nofidiana tanatin'ny maro noho ny maha-izy azy manontolo fa tsy noho ny singa iray fotsiny aminy....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4155