Ny antony hitiavana olona iray ka hanambadiana azy.

21. soanja ( 05/05/2009 13:27)
booboo:

Lasa fitaovana ilay olona raha ny vola fotsiny no nanambadiana azy, na hanasoavana ny manodidina aza ilay vola avy teo, amiko manokana. Raha nifaneken-dreo indray moa hoe hivady noho ny vola fa tsy noho ny Fitiavana dia izay izany. Fitiavana an'ilay nofidiana tanatin'ny maro noho ny maha-izy azy manontolo fa tsy noho ny singa iray fotsiny aminy....


Marina ny tenin'ny Booboo hoe lasa fitaovana ilay olona amin'ny voalohany saingy kosa raha mifandray ireo olona roa ireo dia miforona ny fitiavana ary amiko matoa miroso amin'ny fanambadiana izany na mariazy dia satria niakatra amin'ny step na zanatohatra ambonimbony kokoa ny fiarahan-dry zareo fa tsy nianona tamin'ny fitiavam-bola intsony.

Ny fiarahana dia misy fivoarana avokoa matetika na mihatsara na miharatsy. Zany hoe na io fitiavana mavaivay resahintsika katsahintsika rehetra io aza dia mety lefy koa ary lasa tsy heno intsony dia misaraka ireo tena mpifankatia. Nefa ao koa aza na ny olona iray noheverina fa tsy tiana na halanao nefa ifandraisanao dia lasa mitombo tarehy ary mahalasa adala anao. Tsy azo kajikajiana ety ivelany ny zavatra tsapan'ny tsirairay any anaty. Misy fifandraisana ny zava-drehetra ary ao amin'y fifandraisana ao no isian'ny lanja hiaran-tsambatra na hiara-hijaliana.

Idealy tokoa izany fitiavan'olona tsy misy raorao izany, izany fitiavana tsy misy pentin-javatra fa tonga dia tia; tsy voazava ny antony, sila-panahy nifanojo. Ny tenako dia miaina amn'izany ary milamina tsy misy toy izany. Saingy tsy ho voatery ho toy izany ny tranga rehetra misy eto an-tany. Misy tokoa ny manana laharam-pahamehana hoe mila manambady aho rehefa 26 taona, dia rehefa migadona izay taona izay dia izay miseho eo lasa vady. Ao no hilaza fa te hiteraka aho amzao fotoana tahak'izao sns... sns... iny no mitondra ny firindrana mankany amin'ny fanekana fa hiaraka fa mety tsy ho voatery ho ilay katsahina sy irina hatramin'izany nefa rehefa ao anatiny- no tiako tsindriana hoe- rehefa vonona ny sainao hitia dia afaka mampivoatra ny rehetra ao anatiny sy manatsara ny rehetra ety ivelany ifandraisanareo n'inona n'inona izay antony niantombohana tsy voatery ho ratsy foana ny fiafarana.




22. booboo ( 05/05/2009 14:17)
Ny fahazoako ny hevitr'i Soanja teo aloha rehetra dia hoe noho ny vola ihany no nanambadian'ilay olona sy ijanonany ao @ fanambadiana. Fa hafa be indray raha hoe misy fivoarana eo @ izy roroa sns araka ireo bla² lazainao farany ireo.
23. bilakarenjy ( 05/05/2009 17:01)
f\'angaha moa tsy maintsy hoe vola no hitiavana ilay olona e!.Raha ny fahazahoako ny resaka aroson\'i soanja dia hoe :raha manana vola ilay vadinao dia ianao kosa mba manana saina sy hevitra hitantana azy tsaratsara kokoa na dia manana vola fa kely sy hanasoa ny manodidina ary hampitombo ny efa eo an-tanananareo mivady .
Fifampitaizana anie ny ao an-tokantrano fa tsy famerana hoe :za no mampidi-bola ato de manao didiko fe lehibe ,de farany lasa mivaro-tena araka ny lazain\'i stilo io ilay vady ................asa aloha raha toy izay .........

Ary raha tena tianao tokoa ny vadinao de tsy io fananany vola io akory no tena mibahana ao @ fonao sy ny sainao ao aoriana ao .
24. soanja ( 05/05/2009 22:51)
booboo:

Ny fahazoako ny hevitr'i Soanja teo aloha rehetra dia hoe noho ny vola ihany no nanambadian'ilay olona sy ijanonany ao @ fanambadiana. Fa hafa be indray raha hoe misy fivoarana eo @ izy roroa sns araka ireo bla² lazainao farany ireo.


Zay mantsy ny olana eto ry Booboo. Maika ny hamaly tezitra ny olona satria mangeja azy ny fankahalana momba ahy ohatra dia tsy afaka hijery mazava ny tiako tenenina. Mino aho fa tsy izay akory ianao fa satria nahita ny resaka mifamaly dia mety lasa tonga namoaka izany.

Tsy azoko antsaina hoe izaho izao no hanamporisika olona hivarotena. Ny asako aza manala azy ireo sy manezaka azy ireo tsy hanao izany intsony.

Notsidriako ary ambony hoe Ny antony itiavanao olona iray. Na hoe Tia olona iray noho ny volany avy eo manambady azy. Zany hoe misy fitiavana tanteraka fa tsy hoe varotra ifanakalozana fotsiny nefa tsy misy ny fitiavana. Ny fivoarana eo amin'ny olombelona samy olombelona (tontolo) eo ampifandraisana no tiako havoitra.

Io fitiavana io no zava-dehibe ary ny fiatombohany mety zavatra maivana tokoa na hoe mandreraka saingy nampisokatra izany fitiavana izany ho hatsarana sy fivoarana. Raha mba afaka mijery an'io ny rehetra ka tsy faly tokoa hanome tsiny ny hafa na hitsara ny hafa no nanombohako ny lohahevitra satria isika olombelona dia manana potansialy tokoa ho tsara ary betsaka no toy izany rehefa ao anaty filaminana.

25. soanja ( 05/05/2009 22:52)
bilakarenjy:

f\'angaha moa tsy maintsy hoe vola no hitiavana ilay olona e!.Raha ny fahazahoako ny resaka aroson\'i soanja dia hoe :raha manana vola ilay vadinao dia ianao kosa mba manana saina sy hevitra hitantana azy tsaratsara kokoa na dia manana vola fa kely sy hanasoa ny manodidina ary hampitombo ny efa eo an-tanananareo mivady .
Fifampitaizana anie ny ao an-tokantrano fa tsy famerana hoe :za no mampidi-bola ato de manao didiko fe lehibe ,de farany lasa mivaro-tena araka ny lazain\'i stilo io ilay vady ................asa aloha raha toy izay .........

Ary raha tena tianao tokoa ny vadinao de tsy io fananany vola io akory no tena mibahana ao @ fonao sy ny sainao ao aoriana ao .



Azonao tsara ny tiako ambara. Misaotra Bila!


:-* :-*
26. bilakarenjy ( 07/05/2009 21:22)
tsy misy fisaorana ry soanja a!.Vao niainga hatrany @ voalohany de efa azoko ny tianao ambara ,saingy ny hevitra samy manana de aleo aloha hiseho ,dia ho hita eo izay fisainan'ny tsirairay manoloana io dinika napetrakao io .
27. rasobakobako ( 11/05/2009 07:57)
Anisan'ny itiavana olona ny fananany vola, fa tsy hoe ny vola ihany no itiavana ilay olona. Satria manova apparence ny fampiasana vola, rehefa misy ny vola, afaka mividy akanjo tsara, afaka manao volo, sns ...
Marina fa mety ho fitsiky, na firesaka, sns ... no itiavana olona iray, nefa manintona kokoa ny endrika ivelany, sady ny vady jerijery !
Renim-pianakaviana aho, izao no lazaiko amin'ny zanako, "rehefa hanana olontiana ianareo atsy aoriana, dia mba fidio ihany izay hiarahana, mba jereo ny fari-piainany" , misy zavatra hafa koa mba iriako aminjanako, izay tsy voatanisa eto va vola moa izao no resaka.

NOHO IZANY, amiko ilaina ny vola fa ny fitiavana no lehibe indrindra
- azo atao tsara ny mampiasa vola hikolokoloana fitiavana, fikojana endrika sy bika, fanomezana cadeau hamalifaliana ny olotiana, sns
- matetika ny tsy fananana vola ao anaty tokantrano iray dia vao mainka mampifamatotra ny mpivady (miaraka miary e!)
- misy koa anefa na mifankatia be aza ny mpivady, rehefa tsisy vola ao antokatrano dia samy miady saina, samy mora kizitina, raikitra ny ady sns ka tsy voakolokolo intsony ny fitiavana satria variana @ fitadiavana
- ratsy koa ny hoe be vola ilay olona dia tiana, fa rehefa lany ny volany dia ariana

Raha fehezina dia izao, tsy ny vola no voalohany itiavana olona iray, fa azo ampiasaina tokoa ny vola hikolokoloana sy anehoana fitiavana. Mety ho lefy anefa ny fitiavana rehefa tsisy ny vola.

Fa tsy ny vola ihany a! raha fanambadiana no resahana, ireto avy no tokony hisy ao anaty tokantrano iray
- Fitiavana réciproque
- Jesoa Kristy
- Sexe
- Vola
NB : tsy par ordre croissant akory ireo a!
28. Hinagasy ( 06/07/2009 10:15)
Izao vao hitako ity sujet ity!
Ny lazaina eto hoe tiana ilay olona noho ilay vola.?

Tsy misy fitsarana an'iza n'iza ny lazaiko fa raha izaho aloha dia tsy afaka miaraka amin'ny olona hoe tia ahy noho ny vola any ampaosiko izany. Satria voalohany tsy mitovy ny soatovinay (valeur no tiako ho lazaina!), tsy mahatoky izany olona tia ahy noho ny vola izany aho.
Tsy hoe ny mety hilaozany fotsiny rehefa tsy misy ny vola, fa ny fomba fiainan'izany olona izany, izay mametraka ny vola ho lohalaharana amin'ny fiainany tahaka izany. Inona koa no mety ho vitany amin'ny fiainana andavanandro noho ny fitiavana ny vola? mety hanana surprise ratsy aho satria raha izany no fisainany dia mety hiseho amin'ny fiainany andavanandro koa izany fitiavana vola be tafahoatra izany (ohatra mety ho voavidin'ny olona koa ve izy ohatra raha resaka fahamarinana rehefa omena vola, satria efa manome toerana avo lenta ny fitiavana vola eo amin'ny fiainany?.

Mety hoe tsia ary tsy voatery fa izaho fotsiny hoy aho no tsy afaka mahatoky olona ohatra izany. Na tsy ho vadiko aza fa fantatro fotsiny hoe ohatra izany ny fisainany dia tsy hahatoky olona ohatra izany aho. Mety hoe be jugement aho kanefa!!!
Izaho tsy miteny hoe aza tiavina ny vola, matoa miasa dia mitady vola, fa tsy hoe ny fiainanao dia halamina noho ilay fitiavam_bola.
Aleoko aza maheno hoe tia ahy noho ny bika sy ny endriko izy.
Vehivavy aho aloha fa tsy lehilahy e! ka mety hoe mety hafa ny fisainany lehilahy!


29. ilalaina ( 21/07/2009 12:15)


slt daholo!zah indray izany mba milaza ny hevitro aho: ny antony hitiavana olona iray amiko dia misy zavatra itovizana ohatra hoe:zavatra tian\'ny vhv ka tian\'ny lhl ihany koa.Ny fitiavana mantsy zavatra voajanahary io ary avy Andriamanitra ihany koa ka tokony tsy hisy handà an\'izany ary manarak\'izany koa dia eo amin\'ny toetran \'olona hivady ilaina fantarina tsara mba ialana amin\'ny fanenenana any aoriana.Raha tiana haharitra ny tokantrano dia ireto zavatra dimy ireto tokony hipetraka tsara mba hampirindra tsara ny fiarahana:
1) fifankatiavana
2)fifandeferana
3)fifampitokisana
4)fifanajana
5)fifampiresahana
ataoko fa mazava be ireo voalaza ireo ary ny tena fitiavana amiko dia tsy @ alalan\'ny vola na harena be fa zavatra natioraly avy ao am-po io ary ny fitiavana dia mahasarona ny zavatra rehetra rehefa sendra olona tena tianao enao amin\'izay fotoana izay sa ahoana ny hevitrareo?ary misy fiteny izay manao hoe: na tsara tarehy na tsara bika aza ny olona iray na lhl na vhv dia fitaka be io fa ny zava-dehibe dia fahafantaranao ny toe-panahy ilay olona! sa tsy marina izany?
30. ilalaina ( 21/07/2009 13:23)


slt daholo!zah indray izany mba milaza ny hevitro aho: ny antony hitiavana olona iray amiko dia misy zavatra itovizana ohatra hoe:zavatra tian'ny vhv ka tian'ny lhl ihany koa.Ny fitiavana mantsy zavatra voajanahary io ary avy Andriamanitra ihany koa ka tokony tsy hisy handà an'izany ary manarak'izany koa dia eo amin'ny toetran 'olona hivady ilaina fantarina tsara mba ialana amin'ny fanenenana any aoriana.Raha tiana haharitra ny tokantrano dia ireto zavatra dimy ireto tokony hipetraka tsara mba hampirindra tsara ny fiarahana:
1) fifankatiavana
2)fifandeferana
3)fifampitokisana
4)fifanajana
5)fifampiresahana
ataoko fa mazava be ireo voalaza ireo ary ny tena fitiavana amiko dia tsy @ alalan'ny vola na harena be fa zavatra natioraly avy ao am-po io ary ny fitiavana dia mahasarona ny zavatra rehetra rehefa sendra olona tena tianao enao amin'izay fotoana izay sa ahoana ny hevitrareo?ary misy fiteny izay manao hoe: na tsara tarehy na tsara bika aza ny olona iray na lhl na vhv dia fitaka be io fa ny zava-dehibe dia fahafantaranao ny toe-panahy ilay olona! sa tsy marina izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.578