Ny adidin'ny Kristianina manoloana ny zava-misy eto amintsik

1. ARICO ( 27/04/2009 10:49)
Ahoana ny hevitrao mikasika ny toeran'ny Fiangonana sy ny Kristianina amin'izao zava-mitranga eto amin'ny Firenena izao?
répondu par ikaretsaka le 29/04/2009 16:55
2. xxx ( 27/04/2009 15:52)
Mivavaka ho an'ny firenena sy ny olona, mitory ny filanzan-tsara fa efa ho tonga tsy ho ela i Jesosy, mampahery ny olona mba hatanjaka ny finoany ary mametraka ny fianana mamontolo eo @ Antra. Manampy ireo izay tra-bona sy tsy manana sakafo raha manana omena
3. soanja ( 27/04/2009 20:02)
Amiko ny adidin'i Xtianina manoloana ny zavamisy ankehitriny dia ny fanabeazana ireo zaza sy tanora rehetra mbola manana ny fitiavana te hahalala sy liana ny atao hoe fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny hafa ary ny fikolokoloana ny tena, ka hampiseho azy ireo fa izao hita maso sy iainana dia lesona velona azon'ny rehetra jerena ho fiantraikan'ny tsy fitandremana amin'ny zavatra atao ary fampiharana ny vavaka harahin'asa amin'izay rehetra atao sy andrian'ny fo.
4. sohitika2008 ( 27/04/2009 20:29)
Odoy e Razanakol
5. ARICO ( 28/04/2009 12:10)
[quote=soanja]
Izao ange le izy ry soanja é!Tsy maintsy ho izay nambaranao izay ny valiny hoe mijery ny hafa , mavavaka sns kanefa aminao ary ve firy ny olona tena hahavatra ny hitolona am-bavaka sy tena hijery ny hafa tokoa amin'izao fiainana efa sarotra izao ? Izao no tena tiako ahatongavana: Aoka tena aseho ny maha Kristianina fa tsy atao amin'ny endrika ivelany fotsiny fa tsy arahina asa na dia kely aza , ny zava-misy dia izao:ataon'ny olona fanakonana ny ratsy atao ny fivavahana ka mampalahelo : Raha mankany am-piangonana anio , rahampitso dia manao ny atao ihany ka samia mieritreritra fa sao ho diso fanantenana hoe nanao izao sy izao ho an'ny Tompo kanefa nolavina tamin'ny farany . MAHEREZA

6. xxx ( 28/04/2009 16:09)
Manantena ny mana hilatsaka avy any an-danitra é!!!! fa toa na mivavaka sy mivorivory etsy sy eroa aza dia toa lany andro fotsiny satria toa tsy mandaitra mihitsy izay voalazan'ny soratra masina fa toa rano atondraka vorondrano fotsiny ,sao tokony mba hovaina hifanaraka amin'ny toetr'andro ankehitriny aza ny baiboly,fa toa tantara angano fihaino isan'alahady tantarain-dry mopera sy pasitera fotsiny ,fa tsy misy mampiatra na iray aza, ndrao tokony hovaina ho coran amin'izay ary ny eto amin'ny tanana?,dia amin'izay lalàn'ny charia no ahatra,
7. soanja ( 28/04/2009 16:48)
ARICO:

Izay koa anefa no olana amintsika Mpino, manantena lalandava ny ahitanao fahatsarana avy any amin'ny hafa. Ny finoana mantsy amiko dia miankina amin'ny tsirairay ka hoe hitsaratsara ny hafa aho hoe manaova ianareo fa izay no tena fivavahana sy finoana dia tsy hety sns... Amiko dia miainga avy any anatin'ny tsirairay ny fitiavana ny hafa sy ny fitsinjovana ny fanahy.
Izaho irery ihany no tokony hanana ny fanantenako sy ny fiatrehako ny fiainana amin'ny fikarkarana ny hafa. Tsy miandry ny hafa hampiseho ny azy aho satria izay ilay hoe hanantena ny tsy misy.
Ny raharaham-pirenena amiko dia resaka Politika ary anjarako ny manabe izay manakaiky ahy hanana sy hikolo firenena vanona any aoriana avy amin'ireo ankizy sy tanora saingy izay efa misy dia naman'ny vita sy tsy azo anoharana fa efa an'olondehibe.

Ny fahitako ny zavamisy raha dinihiko akaiky dia nandamoaka ny asam-piangonana isan-karazany tamin'ny fiahiana sy fikoloana ny olony na ny ondriny. Tsy omeko tsiny anefa ry zareo satria izay nataony dia izay no hainy sy nanabeazana azy ary nanao ny adidiny izy ireo. Ny tsy fahampian'ny fahalalana misokatra eo imasony no nahavoa azy, kanefa voafetra tokoa izany raha any Mada.

8. soanja ( 28/04/2009 16:50)
xxx:

Manantena ny mana hilatsaka avy any an-danitra é!!!! fa toa na mivavaka sy mivorivory etsy sy eroa aza dia toa lany andro fotsiny satria toa tsy mandaitra mihitsy izay voalazan'ny soratra masina fa toa rano atondraka vorondrano fotsiny ,sao tokony mba hovaina hifanaraka amin'ny toetr'andro ankehitriny aza ny baiboly,fa toa tantara angano fihaino isan'alahady tantarain-dry mopera sy pasitera fotsiny ,fa tsy misy mampiatra na iray aza, ndrao tokony hovaina ho coran amin'izay ary ny eto amin'ny tanana?,dia amin'izay lalàn'ny charia no ahatra,

Tsy ampy fotsiny ny valam-pikaroahana ananany ahafahan'izy ireo mivoatra. Tsy fahadisoany izany fa isika no voafetran'ny ranomasina sy ny kolontsaina nitomboina.

9. ikaretsaka ( 29/04/2009 16:55)
izay mantsy ry soanja.. mila manaiky an'izay hoe ny ranomasina nametra antsika isika nefa tsy mila manaiky koa fa mitroatra hoe tsy valamparihiko io fa mbola betsaka ny tanimbary ivelan'io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4052