za lehireto tena malahelo foana mahare hoe misy maty indray hono noho ny tolona.
Mba teneno ihany izay havanareo sy ny namanareo mpisera eto fa ny mpanao politika dia mitady seza fotsiny daholo.
Ho tonga daholo ireo exilé taloha rehetra dia hamory olona am sabotsy.
Ny ekipan'i Pierrot Rajaonarivelo ange no tena natahoran'i Ratsiraka mafy tamin'izy teo amin'ny fitondrana e!
ka raha ho avy koa i Ravalo dia asa na samy hanohitra ny fitondrana ireo na hiray hery na ny iray hiaraka amin'ny HAT fa dia mananontanona be ao ny rà mandriaka fa mitandrema.
Tsara tokoa ny manafatra havana raha hampitandrina azy ny maharatsy ny fifankahalana sy fifampirafesana. Aza mitsara ambony ihany, fa tsy voatery ho ratsy daholo ny mpanao politika rehetra , na avy amin'ny andaniny na avy amin'ny ankilany na avy eo afovoany. Ny rafitra ifampifehezana ahafahana mametraka mpitondra mamim-bahoaka sy mitady marina ny tombotsoam-pirenena no tsy nisy fa tefimaika avokoa no natao. Mino aho fa raha tsy voavidim-bola na taitran'ny akanga tsara soratra ny mpifidy dia tsy hisahirana hilahatra sy hanangana ady etsy sy eroa intsony fa samy tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana ny taniny.
Dia mpihavana daholo e!