Rahovian ny vahoaka no hitroatra ka hivoaka
Efa hita miharihary tsisy miafina eto an-tany
Ny fahirano sy herisetra izay hiaretan’ny rehetra
Efa heno ny tomany,efa be ny rà nandriaka
Fa rahoviana ihany vao haneho fa mahavita
Hanaisotra ny jaly sy ny fangejàna antsika
Tsy alohalika ny rano f’efa hatreny an-tendakely
Efa miditra ny angano,fa misoko tsy miteny
Velomy ny anjomara mba hanaitra ireo matory
Venteso ny hazolava f’efa tsy honohono intsony
Tonga ny tokoa,manambana ny ratsy
Mandositra ny amboa,fa tandindonim-paty
Ambohijafy aza nanjary nanavandra
Miova loko Ikopa fa misy tsy mazàva
Ka…
Rahoviana no hipoaka ny hatezeran’ny vahoaka
Raha hisy dia hafaingano fa ndrao dia tara loatra
RAM
Le 21 avril 2009
Tonokalo mafinaritra ho zaraiko @nareo!