Ny niandohan’ny fampirafesana- Kolontsaina Angano Bara.

1. soanja ( 18/04/2009 15:51)
Napetrako eto ny angano mba hiresahantsika ny zavatra manitikitika antsika momba ny fampirafesana ary koa ny fomba fijerena ny zavanisy tao anaty angano. Azontsika fakafakaina io angano io. Misaotra indrindra.

Toy izao ny nahatonga ny lehilahy hampirafy.

Nisy vehivavy roa mirahavavy izay tena mpamboly be. Nisy koa tamin’izany fotoana izany lehilahy iray tsy nahavita namboly, ka ny fangalarana ny volin’ireto vehivavy ireto no raharaha nataony.
Nony ela dia tsikaritr’ireto vehivavy mpamboly fa misy mpanagalatra isan-kariva ny voly izay ataon-dreo. Dia gaga izy roa vavy fa tsy hitan’izy ireo ny olona mba misodisodina eny manodidina eny manongotra ny voliny. Dia niara-nidinika izy roa vavy ka tapaka fa handeha hiakatra any amin’ny Zanahary.
Dia tonga eo amin’ny Zanahary ireo ka nitaraina manao hoe « Izahay, Ranandria, vizaka mamboly, nefa misy mpanongotra, inona no hataonay?»
Namaly azy ireo Zanahary manao hoe:»Lehilahy tsy mahavelon-tena no manongotra ny volinareo io, ka mamboara trano ianareo raha efa mahavita ianareo dia miakara eto amiko indray.»

Dia niverina izy roa vavy ary nanatanteraka ny nasain’I Zanahary nataony. Vita koa ilay trano, ary nasain’I Zanahary nasiana varavarana matanjaka. Rehafa vita izany dia hoy i Zanahary hoe :» Halatsako ny orana, ka rehefa latsaka be ny orana, miala tao an-trano ianareo, isio hanina masaka ho tratrany ny ao an-trano ao, fa raha mangatsiaka izy dia hiditra ao ka hihinana. Ka raha hitanareo izy miditra ao, arindrino ary hidio ny varavarana ka mandehana eto amin’izay ianareo.»

Nirotsaka be ny ranon’orana ary niala tao an-trano ireo vehivavy. Kotsa sy nangatsiaka ilay lehilahy, ka niditra tao an-trano, dia nahidin’izy ireo teo. Dia nandeha amin’izay izy roa vavy tany amin’I Zanahary. Dia hoy I Zanahary :» Ao ve izy, niditra ao an-trano ao?» «Eny, voahidy ao izy» hoy ireto.
Nidina amin’izay Zanahary miaraka amin’ireto vehivavy roa. Nony tonga teo an-trano izy ireo dia nosokafana ny varavarana ka nanontany an’ilay lehilahy Zanahary « Inona no antony angalaranao ny hanin’ireto vehivevy ireto?» Namaly ilay lehilahy hoe « Izaho mosarena.»
«Ka maninona ianao tsy manboly. Vehivavy aza ireto nefa mamboly. Ka ianao lehilahy no tsy mamboly.» Hoy Zanahary. «Tsy mahavita aho» hoy ny navaliny. Dia hoy I Zanahary« Voasazy ianao. Manomboka androany ary manomboka aminao ka hatramin’ny taranaka dia tsy maintsy manonitra ny hanin’ireto vehivavy ireto ianao, ka izay zavatra hitanao tsy maintsy omenao ny vehivavy ireo.» Izay no niatombohan’ny «tangy». Niteny amin’izay ireto vehivavy ireto manao hoe:
« Izahay, Ranadria, tsy mangala ny didinao, fa tsy maintsy miharo aminay izy.» Dia neken’I Zanahary ny fangatahan-dry zareo.

Samy niara-nonina tamin’io trano iray io izy telo. Ny zoky olona amin’izy roa vavy no niseho ho lehibe tao. Matetika dia io zoky olona io ihany no miharo lamba amin’ilay lehilahy voasambotra. Na dia mandeha an-taninm-boly dia ilay zoky olona ihany no mampiasa ny lehilahy.
Nalahelo ny zandry olona ka nandeha nitaraina any amin’I Zanahary any. Tonga tao dia izao no nolazainy:» Izaho mitaraina aminao eto, fa ny zokiko ihany no miharo safotra sy mampiasa ny lehilahy voasambotra iny, nefa ny voly nangalarin’io lehilahy io dia anay roa.» Namaly I Zanahary hoe :» Marina izany, mamboara trano atsimo eo koa ianao, ka rehefa vita io dia miverana aty indray.»

Dia nanamboatra an’io ilay zandry olona ka vita. Niakatra any amin’ny Zanahary izy dia niara nidina taminy I Zanahary rehefa avy eo. Hoy Zanahary tamin’ny zoky olona :» Avy eto aho satria tonga tao amiko ny zandrinao mitaraiana fa ianao ihany no miharo lamba ary mampiasa ny mpangalatrareo. Ka androany izy dia aminao ato, rahampitso izy amin’ny zandrinao ao. Ka ianao lehilahy tandremonao tsy hodisoinao ny andro omena anao io.»
Dia tonga vadin’ilay lehilahy izy roa vavy. Ary nanomboka tamin’izay ny fampirafesana.

Raha ny tena fomban-drazana dia ny «valibe» no maka vehivavy ho rafiny raha toa ka tsy miteraka izy mba hananan’ilay vadiny zanaka. Tsy izany intsony ny fipetrany amin’izao fotoana izao fa manjary «hatea raha», ka rehefa mahita vehivavy tiany ny lehilahy dia mampirafy.

Nangonin’I P. Luigi ELLI cm Fomba Bara 1999.


répondu par ni81 le 26/04/2009 11:02
2. fahamarinana ( 18/04/2009 17:43)
:arrow: misaotra Soanja ! Mbola tsy henoko io !Andraso fakafakaiko tsara be aloha an ! :D (l)
3. chakkakkely ( 18/04/2009 19:06)
tena lava loatra fa aleo rehefa misy fotoana malalaka mamaky ka
4. milamm ( 18/04/2009 19:56)
tahirin'ny kolotsaina mahafinaritra izany fa misaotra soanja a,
Tsy terena nge i chakkakkely hamaky fa rehefa tsy tia de ndana fotsiny mahazo de vita e ,milamm ny tantara @ zay:-D
5. soanja ( 18/04/2009 23:37)
fahamarinana:

:arrow: misaotra Soanja ! Mbola tsy henoko io !Andraso fakafakaiko tsara be aloha an ! :D (l)


Le mahavelo akia! Rehefa malalaka dia teneno eto ny fahitan'i Faha azy.


:-* :-* :-*
6. soanja ( 18/04/2009 23:38)
chakkakkely:

tena lava loatra fa aleo rehefa misy fotoana malalaka mamaky ka


Lavabe tokoa le izy. Zah aza saika valalanina nandika azy teto saingy aleoko io zaraina toy izay zavatra hafa mety tsy hovakianao akory any aoriana. Mazotoa ary o!


:-* :-*
7. soanja ( 18/04/2009 23:40)
milamm:

tahirin'ny kolotsaina mahafinaritra izany fa misaotra soanja a,
Tsy terena nge i chakkakkely hamaky fa rehefa tsy tia de ndana fotsiny mahazo de vita e ,milamm ny tantara @ zay:-D


Tsy misy fisaoarana o. Mahavariana ahy tokoa ny kolotsaina Bara. Mbola betsaka no ho zaraiko eto amin'ny manaraka fa io aloha hanombohantsika azy. Maztoa ary.

8. ikaretsaka ( 19/04/2009 04:33)
Misaotra an'i soanja... mbola misy ary tsy vitsy ny bara manao io fomba io ka..hoe manambady dia lasa miara mipetraka @ le lehilahy koa ny rahavavin'ilay vevavy (matetika ny zanaky ny mpifati dra = sokajiana ho karazana mpirahavavy na mpianadahy @ ndreo)...

Anisan'ny olana na fomba tsy maintsy fantatra sy sedrain'-dry mompera sy ny mpitondra fivavahana ary ny raharaha sosialy any io kolotora polygamie sy mampirafy io. Indrindra rehefa hiresaka momban'ny fijangajangana sy hampianatra na hanao batemy ny ankizy...sy ny acte de mariage sns... @ iny faritra iny..
9. soanja ( 19/04/2009 16:04)
Ika> Tokoa izany. Ny angano aza izany efa milaza amin'ny mpihavy fa ilay Zanahary aza dia mamela azy hanao an'io. Sarotra ihany ny anala an'io fa dia ny fifandraisana hampivoatra ny ara-panahy (raha manaiky ny fiangonana ka hanary fepetra aloha) no atao voalohany dia rehefa avy eo mety hiala moramora io rehefa misoko mangina ny fahatsapan-tena sy ny fahafantarana ny lanjan'ny aina sy ny fefim-batana.
10. cutie ( 19/04/2009 20:18)
refa vita ny famakiana an'le angano de tonga tato an-tsaiko ry zareo polygamiste avy any Utah :-D
fa raha ny fijeriko azy ndray alou de tsy fampirafesana na fijangajangana raha manambady mihoatra ny 1 ny lhl, raha resaka angano io ambony io no voalaza
:D
11. soanja ( 20/04/2009 02:43)
Raha io angano io aloha no fakafakaina dia lehilahy tsy mahavelon-tena dia andevozina amin'ilay fananany iray hafa.
Raha toa koa ka misy zava-mitranga dia mila mahazo anjara daholo fa tsy misy tia tena ka na lehilahy aza dia mila zaraina tsara ny andro atoriana aminy (misafotra lamba hozy reo)
I Zanahary koa toa tsy lavitra loatra eo fa akaiky be mihitsy ka afaka hiakarana dia miara-midina miaraka eo. Olombelona angamba izy eo sa???
Toa lehilahy depressed na deprime koa angamba izy izany fa tsy mahavita raha dia lasa voandevo fotsiny sady manaiky mora.

Asa e, ny fahitako an'io aloha dia toa sazy ny fisehon'ny fampirafesana eto ka terivozona ny firaisana.

Taty afara moa le izy nivadika fiainana mihitsy araka io lazain'Ika io ary samy manao ze daniny.

12. bradley7 ( 20/04/2009 20:09)
Lehilahy tsy mahavelo tena v zany reny mampirafy reny!! lol.?? na tsy ampy fivelomana!!!!!!!!!?????
13. Koditra ( 21/04/2009 19:06)
Misaotra an'bebeSoanja nitantara anlé angano fa dé tena nahaliana toko mozany!
Soanja sy Cutie ve manana tanimboly? Mba manontany fotsiny za zao fa sao dé oe maninn eo a! :-D :-D
14. ni81 ( 21/04/2009 19:10)
:-D :-D :-D :-D
15. Koditra ( 21/04/2009 19:14)
Tsssss. Io ary fefa imemezana sahady a. :lol:
16. bilakarenjy ( 21/04/2009 21:41)
Ary tena hafa mihitsy kay ny fisehony t@ izany fotoan'andro izany sy @ izao fotoana izao .Mihodina marina ny tany ka .
17. soanja ( 22/04/2009 00:02)
Koditra:

Misaotra an'bebeSoanja nitantara anlé angano fa dé tena nahaliana toko mozany!
Soanja sy Cutie ve manana tanimboly? Mba manontany fotsiny za zao fa sao dé oe maninn eo a! :-D :-D


Toraka lapoaly no mahazo an'Ise raha vao mitady hiditra ny tanimboliko aloha raha tsy efa miloloha zezika avy any angaha hafa indray.


:-D :-D :-D

Ankotr'izay ny resaka safotra de i Cutie anontaniana fa zah tsy mba misafotra zany!!

:-D :-D :-* :-*
18. soanja ( 22/04/2009 00:05)
bilakarenjy:

Ary tena hafa mihitsy kay ny fisehony t@ izany fotoan'andro izany sy @ izao fotoana izao .Mihodina marina ny tany ka .


Misy ra la tera Bila o. Mahavarina ny fiodin'ny tany mandeha ambony mandeha ambany!!! Angano angano arira arira! Indray mandeha hono nihaona ny lanitra sy ny tany. Dia hoy ny lanitra hoe mahafinaritra ahy zato bikanao ry Tany, dia hoy ny tany hoe tiako be zany halalinao ry Lanitra. De tohizo anie....


19. cutie ( 22/04/2009 21:44)
Misy ra la tera Bila o. Mahavarina ny fiodin'ny tany mandeha ambony mandeha ambany!!! Angano angano arira arira! Indray mandeha hono nihaona ny lanitra sy ny tany. Dia hoy ny lanitra hoe mahafinaritra ahy zato bikanao ry Tany, dia hoy ny tany hoe tiako be zany halalinao ry Lanitra. De tohizo anie....

Avo ny lanitra ka tsy takatro hoy ny tany :-D mety mbola hitohy io raha tohizan'i koditra na bila :wink:

Ankotr'izay ny resaka safotra de i Cutie anontaniana fa zah tsy mba misafotra zany!!

in akia ny dikan'zany misafotra :-D

20. soanja ( 23/04/2009 13:37)
Cutie ,

Misafotra= misalombona= misarona= miditra ao anaty drap.

Miharo safotra dia miaramisalombona, miditra ao anaty drap miaraka na mifankahita/ mifandray ny vatana roa ao anaty lamba hirakofana.

:-* :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7163