mitady tononkira - Andraikiba

1. fenoaina ( 17/04/2009 13:29)
Manahoana daholo,

Mitady tononkira aho, andraikiba no lohateny,

toa izao no fitadidiko azy :

Andraikiba no efa miandry, lalao lakana re roy,
aza ela re razandry, raiso ary ny fivoy
...

Tsy tadidiko intsony ny ohiny nefa mahafinaritra ahy ilay
Misaotra mialoha
Fenoaina
répondu par fenoaina le 22/04/2009 05:28
2. Samoana ( 17/04/2009 14:53)
Ny refrain misy tselatra miserana ao an-dohako fa tsy azo antoka :oops:

Ref.
Velezo ny halon-drano
tohizo ny lalanao (na "vohizo ny lakanao"- Beso)
eny anivo no tazano
eny isika hilalao (beso)...
3. fenoaina ( 20/04/2009 05:50)
ok,

Izay ilay izy, fa tiako ho azo tanteraka ny toniny feno
Misaotra betsaka ho an'izay afaka mamaly
4. lembelo ( 21/04/2009 08:07)
Alefako aminao rahariva avy any an-trano (ndryyyyy ! tara lundi de pâques). Ataoko rohy ny partition
5. xxx ( 21/04/2009 08:21)
Avant goût fotsiny fa hofenoin'i Lembelo avy eo

Andraikiba no efa miandry, lalao lakana re roy,
aza ela re razandry, raiso ary ny fivoy
Rano e mangahalahala , tony koa ny andro izao
K'aza mba misalasala , alao hery e andao

Tetezo ny alon-drano , vohizo ny lakanao
Ery anivo no tazano eny isika hilalao
Sosasosa mahavariana topatopa indraindray
Izay lahy e no mahasondriana, lalao lakana izahay

...
6. lembelo ( 21/04/2009 22:22)
(Tohiny)
2/ Lakanay mizotra ihany sy manohy izany dia
Hanalavitra ny tany sy hitety ny farihy.
'Zao lahy e no faniriana tena maminay tokoa :
Tsy hamonjy fitodiana raha tsy tena afa-po.
Fiverenana : Tetezo e ny alondrano ...sn

3/ E lahy e mandrotsirotsy Onja kely sesehena,
Toa mitara-bolafotsy ny rehetra izay jerena.
Lanitra mangalahala indro hita taratra ao,
Ho an'izay tsy mahalala Andraikiba e toy izao.
Fiverenana : Tetezo e ny alondrano ...sn


Gilles Ramiarison.
7. fenoaina ( 22/04/2009 05:28)
Misaotra betsaka

Efa tena ela aho no nitady ny toniny izy io,
Tany @ classe de 10° aho no nianatra azy ary efa tena hadinoko tanteraka.

Misaotra betsaka

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2371