Hoy ilay hira iray izay hoe: omeo toky aho

1. diamondra27 ( 16/04/2009 06:23)
Samy mahalala iny hira daholo angamba isika an!

Nahita le dinika atsy ambadika aho dia nanokatra ity lohahevitra ity hoe: fa maninona ny lehilahy sasany ho'aho milaza fa tia nefa tsy sahy manome toky e!
répondu par xxx le 18/06/2009 07:19
2. ni81 ( 16/04/2009 11:11)
Angamba matahotra ny ho voafatotra @ teny homena dia aleo mody mangina :)
3. sitlo ( 16/04/2009 12:10)
Ary ny vehivavy aloha mba manakory? Samy fo mitempo izao ihany.
4. diamondra27 ( 16/04/2009 12:36)
ni81: toa zay tokoa ngamba akia a, na mbola tsy vonona loatra, nefa ny vhv nge akia mila mahalala tsara hoe on peut compter sur lui sa ahoana sao lasa ohatr'ilay resaka atsy ambadika atsy hoe ny cousine-ny foana no hi-tel azy adiny2 isanalina vao gaigy

sitlo: ny vhv dia tsotra ihany , ny ankamaroany dia fidèle daholo , ary rehefa tia dia tia
Ka raha sendra mba misy sipa azokazon'i sitlo any mba omeo toky ihany izy sao dia ambadik'i sahondra eo
5. ni81 ( 16/04/2009 12:52)
ni81: toa zay tokoa ngamba akia a, na mbola tsy vonona loatra, nefa ny vhv nge akia mila mahalala tsara hoe on peut compter sur lui sa ahoana sao lasa ohatr'ilay resaka atsy ambadika atsy hoe ny cousine-ny foana no hi-tel azy adiny2 isanalina vao gaigy
tena mila toky mihitsy ka! Niresaka hono ry zareo mbola io cousine io e! Mino aho fa hilamina izy ireo.

sitlo: ny vhv dia tsotra ihany , ny ankamaroany dia fidèle daholo , ary rehefa tia dia tia
Ka raha sendra mba misy sipa azokazon'i sitlo any mba omeo toky ihany izy sao dia ambadik'i sahondra eo
ekeko mihitsy koa io ry diams fa rehefa mivadika ny vehivavy dia mikonaina sy mandraingiraingy mihitsy izay lehilahy tratra eo an! Tandremo! :lol:
6. sitlo ( 16/04/2009 12:59)
Samy mikonaina izao ihany fa ny lehilahy fotsiny no tsy mitaraina.

Ny fahatokisana izany kosa angamba fa tsy miankina amin'ny sex. Sa?
7. fahamarinana ( 16/04/2009 13:07)
:arrow:diams : inona no tena dikan'ilay hoe manome toky aloha ! dia mamaly za avy akeo sao tsy mitovy fandraisana azy ! mba omeo ohatra mazava :) (l)
8. diamondra27 ( 16/04/2009 14:04)
sitlo: ny lehilahy aza mitomany ko, sady manenina rehefa avy eo
ny vhv mahari-pery


fahamarinana: le oe manome toky andry ny lhl de oe: manaiky fa hitia andry izy ary ndry no iarahany fa tsy vhv hafa intsony , alainy hitokatrano ianareo na misy mariazy na tsia

inona moa akia no tedavin'ny vhv raha tsy hoe hiara-hipetraka sy hiara-dia am fiainana ary hi-partager ny meilleur sy ny pire dia mila toky amin'ireo ny vhv akia a

misy ny lhl raha vao resahandry resaka mariazy de mitsaoka( hitako am boky io an)
9. ni81 ( 16/04/2009 15:50)
sitlo: ny lehilahy aza mitomany ko, sady manenina rehefa avy eo
ny vhv mahari-pery
zay mihitsy no tiako ho lazaina, satria efa mahazatra sy fandre foana ilay hoe vehivavy voapetrapetraka ange e!
misy ny lhl raha vao resahandry resaka mariazy de mitsaoka( hitako am boky io an)
tena misy olona maro mihitsy no manao an'io @ zao ka! angamba tsy te handray ilay andraikitra dia aleo mitsoaka :)
10. Mirananirina ( 16/04/2009 18:44)
Diams a,hiran'iza fa tsy haiko
11. mbaliana ( 17/04/2009 06:56)
ny lhl tsy mba mampiseho ny sentiment-ny nefa faly ery rehefa rassuré fa omen'ny vhv toky....raha tohizn'ny lhl elaela aloha io toetrany io dia zay le mampivadika ny vhv ...dia avy eo anie ilay lhl no milaza fa ny vhv no mampijaly satria ny vhv nonanao farany an'ilay izy ....
atao ahona fa nyvhv foana no tsy maintsy mi-gerer mi-comprendre hoe zao no nataon'ilay lhl dia adinoina ny situation hafa ...
12. Lejoba ( 18/04/2009 13:14)
Mirananirina : hiran'i Vola sy Noro
Diams> ka tsy anaovana resaka firy aza ny vehivavy, efa manao château any Espagne. Resy lahatra fa efa aquis izao sy izao, mainka fa omena toky : tazominy @ moindre mot sy fihetsika natao mihitsy ianao.
@ lafiny iray, ny fanomezan-toky andrandrain'ny vhvv tsy voatery hifanojo @ izay atolotry ny lhlh. Misy exigeante be, misy manao interprétation diso(matetika io indrisy).
Koa aleo ihany hilamina dia "tsisy nampanatena an'izany"
Tsy midika akory hoe tsy tia na manana eritreritra ratsy fa aleo mitandrina ny aleha





::
13. xxx ( 20/04/2009 21:48)
Izaho aloha manome toky foana e!

Saingy ianareo vhv koa no tena tsy matoky rehefa tena omena toky.

Mahita ho eritreretina foana. Ekeko koa nefa fa tsy ny vhv rehetra an! ekeko koa hoe tsy ny lhl rehetra ihany koa no mieritreritra ohatra ahy.

Lol
14. Fanampy ( 21/04/2009 10:08)
AO ARY FA HANOME TOKY ZAY SAHY ZA E.
15. simplex ( 21/04/2009 18:45)

Amiko manokana aloha tsy dia hoe fanafenana sentiment loatra na otr'zany fa misy ny teny na fihetsika tsy tokony atao raha tsy hoe izay tokoa no tiana lazaina e. Raha hanome toky aho nefa tsy hanaraka izany fa hoe fampandriana adrisa fotsiny, tsy naleonao ve izaho tsy nanome toky aza?

Tsy hoe tsy fitiavana koa raha manao izany fa hoe mbola tsy vonona ary tsy ampy ny elements ahafahana milaza zavatra toy izany. Ny vevavy manko mora "tia", tia tsisy fetra no tiako tenenina. Ny lelah koa tia ihany koa fa mahalana vao tena hoe tia be. Dia izay, mande miadana ilay izy.
Mahandrasa kely fa raha enao tokoa no tiany, tsy maintsy holazainy anao ihany zany indro any...

;-)
16. fahamarinana ( 22/04/2009 07:04)
simplex:
Ny vevavy manko mora "tia", tia tsisy fetra no tiako tenenina. Ny lelah koa tia ihany koa fa mahalana vao tena hoe tia be. Dia izay, mande miadana ilay izy.

:arrow: Marina tanteraka ilay fomba fijery !
Ny olana dia izao : mandra-pahazoan'ilay lehilahy ilay éléments bobaka be izany dia miaritra eo ny vehivavy ve ?..eny e,indraindray manko miandry sy miaritra fa avy akeo miala pas ilay lehilahy,ohatra daholo io an !
Izany akory tsy midika fa izay hatrany an,misy koa lehilahy tonga dia manome toky avy hatrany fa angamba araka ilay olona roa mihintsy ilay izy sy ny vecu-n'ny tsirairay ihany koa izay maka toerana betsaka tokoa : ohatra samy voadona tany ho any dia samy mailo ka lasa lany andro mitsapatsapa ! (l)
17. tywa68 ( 22/04/2009 07:52)
d rhf leo mitsapatsapa d misaraka :-D
18. fahamarinana ( 22/04/2009 08:14)
:arrow: tywa : ka zay indrindra !hoe kay tsy mamely raika ity ! Tsy voatery vavy na lahy fa izy roa manontolo :-D :-D
Hiverenako amin'izay ilay voalazan'ny diamondra ary :
diam's:
fa maninona ny lehilahy sasany ho'aho milaza fa tia nefa tsy sahy manome toky e!

:arrow: Amiko manokana,tsy hoe ny lahy specialement fa na ny vavy koa aza dia anisany !Ilay Fitiavana mihintsy angamba no manahirana :te hanana ny soa,ny tsara,ny lafatra na ara-tarehy na toetra dia sendra ilay tiana dia tsy mahandry tantana hany ka mitady sahady engagement !
Inona moa no tena fatiantoka raha maka fotoana hifankahalala be kokoa ! Tsy hoe ny hiara-dia mandrakizay va no tanjona ? Nefa koa misy tsy izay fa hanala azy dia azo ekena rehefa hifanarahana fa tsy misy akimenomenona avy eo hoe lasana raika iry sns sns ...
Eny e ! tsapatsapa vody akoho zany dia raha tsy tay atody hoy ny olona izay !Aza tratra n'ilay tsy atody ary fa mety hankarary toko an! (l)
19. rakaroka ( 22/04/2009 19:44)
'za 'ndray toa tsy niandrandra toky izany loatra ! satria misy koa mantsy ilay : "parole parole" ary d'ailleurs diso fantatro loatra ireto lhl ireto fa tsy tia fatopatotra izany 'zareo mazàna , no 'za koa aloha tsy te hofatopatorana izany dia ny "blem" tsapa dia ilay hira hoe "inoako anefa fa toa ambo- (l) no tena olantsika roa" :-D :-D :-D =)) =)) =))
20. rakapy ( 22/04/2009 22:59)
Asa angaha fa toa adinonareo ilay hoe " NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA"
Izay ny ahy no tsy mba hanomezako tokitoky fahatany io. Ary tsy izaho no mpandahatra fa alahatra.
Ny ahy raha vhv mangataka toky amiko izany dia ialako raha tsy tena hitako mazava fa hovitako ilay angatahiny.

Ohatra hoe vhv mangataka toky amiko fa ho tia azy mandrak'izay??? Aiza no hanomezana azy toky @ zany raha tsy ianao no A/tra ko! fa dia valiko hoe hiezaka aho.
Raha manome toky ohatran'io mantsy ny lhl ka tonga ny tsy fihetezan-javatra dia eo ilay vhv no handatsa sy hilaza fa mpamitaka ianao lhl eny fa na dia ny hadisoany aza no nahatonga ny olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2441