Toe-karena: Tsy ampy RORA ny "Train à Grande Vitesse"

1. penguin ( 16/04/2009 06:02)
Malaza tsy hinanana toy ny horirika Ambohimanambola ny TGV izay haingam-pandeha sahala ny Fiara-manidina any an-dafy saingy zava-poana ary tsisy izany aty Madagasikara fa TGVendrana no misy. Rehefa voakenda ny toe-karena dia mila RORA ny TGV gasy ka mitady hanilihana amin'ny lafiny rehetra fa tsy mba mahalala ny vokatry ny nataony. Ianareo tsirairay no manoratra ny sandan'ny Dollar sy EURO mihoatra amin'ny ARIARY ka asa na izany no TGVendrana haingam-pandeha vaovao ? Haingam-pandeha ihany koa ilay vary 2.500fmg saingy toa tsy niparitaka ary tsy hita izay fiantraikany amin'ny vidim-bary nolazaina fa ho fehezina ny fisondritry ny fivim-piainana. Mitarina ny Mpandraharaha amin'ny Fizahan-tany ka asa na vitan'ny RORA be afafy ao amin'ny VIVA ity Fanatsarana ny Fampiasam-bola Vahiny eto Madagasikara nefa na ny Mpanao Simenitra sy ny QMM aza atao fikarohana ny any anatiny any. AMPIO RORA FA TSY MANDEHA NY TGVENDRANA.
répondu par andrywai le 16/04/2009 11:58
2. tsoraka ( 16/04/2009 06:09)
Ny basy an-tanàn'ny Miaramila sadasada no rora an'eritreritra satria samy eritreritra toy ny fisian'ny TGV aty Madagascar io. Zavatra tsisy ary tsy hisy amin'ity 2 taona na 19 volana no asesika anaty sain'ny vahoaka hoe haingam-pandeha io fa ampio tosika tànana ry miaramila sady asio rora ry vahoaka. Hihihi toa nidina ambany dia ambany hono ny vidin'ny lasantsy kanoooouuu, kay toa tsy lasa lavitra akory dia ny eo ihany sa tena lasa haingana ny TGV gasinao ra-penguin ?
3. penguin ( 16/04/2009 06:25)
HAHAHA, fetin'ny PASKA dia kabary RORA no ataon'ny andry tgvendrana ka hitanisany ny zava-bitan'ny firenena hafa. Raha ny toe aloha no mampiakatra ny herim-pon'ny Malagasy hilofo amin'ny fampandrosoana dia tsy izy fa ny RORA PASKA miampy hiram-pirenena satria fetim-pirenena ngamba ny PASKA. Japon no resahan'i TGVendrana nefa ny ohatra natao sy nakana sy nahazoana ty Fahefana Avon'ny Tetezamita (na FATy) ty tsy hampivoatra ny firenena izany.
4. ranitse ( 16/04/2009 06:28)
Sady asiana rora io no atosika tànana no taritina amin'ny sangany fa eh eh eh Tsy mandeha ny TGVé. Faly mihintsy ry zalahy very seza tany aloha tany fa sendra fitaovana mahafaka fitondrana saingy tari-potsiny satria sain'angidina.
5. penguin ( 16/04/2009 06:32)
HAHAHA, ny mofo-dipainan-dravatorano ngamba no nolazainy fa matsiro any amin'ny misy azy any saingy ny olona milaza fa lehibe jerena nefa bitika raisina. tgvendrana io ary hatrahany hono ny fisondritry ny vidim-piainana nefa ny famokarana potehiny.
6. ravatorano ( 16/04/2009 07:15)
peguin < =)) =)) =)) aokanareo kosa ny mofo dipainanay an =)) =)) =))

tena mijotso midina hatrany moa izany izao ny sandan'ny vola ariary nefa manampy trotraka izany koa ny fiverenan'ny mpiasan'ny banky foibe amin'ny fitokonana nanomboka omaly indray.
Mahavariana koa ity fikarohana tsisy farany amin'ireo orinasa vahiny lehibe eto ity.toa lazaina fa mampiahiahy avokoa izy ireo ary raha izao no mitohy dia tsisi olona ho tonga hampiasa vola intsony eto amintsika.
Aoka koa mba hatsahatra amin'izay ity "requisition" tsisy fiafarany ity.
Raha fiaran'ny presidence tsy maninona fa an'ny fanjakana iny fa raha an'ny orinasa hafa kosa dia aoka re mba hajanona ny azy fa tsy izany akory no fomba ho entina hampandroso ity firenena ity.
7. xxx ( 16/04/2009 07:48)
Hoy ilay artista iray :

Ka ho aiza e , ka ho aiza e
Ho aiza ihany ary izy izany a
Ka ho aiza e
Ho hitantsika eo ihany a

8. BOYSGOSS ( 16/04/2009 08:30)
Aiza kosa eh, haingampandeha kosa izy eh, fa ny blem dia tsy misy vitesse marche avant fa marche arriere ihany ka lasa mitorina haingana be ny firenena sy ny ariary
9. Oly012 ( 16/04/2009 08:32)
marina zany razoky a, tena tgvendrana mits io
10. ralevazou ( 16/04/2009 09:18)
inona sisa no ataoko hanampiako an zany?
=D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D>
^:^
11. andrywai ( 16/04/2009 11:38)
Ka lay Lalatiana moa sa iza ao @'ny VIVA manazava hoe zavatra tsotra raha mandalina macro-économie hono ny tsirairay. Tsy vitan'ny baguette magique hoy izy ny sandam-bola ka ampiakarina dia miakatra ary ampidinina dia midina ary omeny ao ny fanazavana izay takany. Anisan'izany hoy izy ny tsy filaminana ka mbola isian'ny fitokonana sns ka ahoana no ahatongavan'ny vahiny. Adinony fa fitokonana no naha-TGVendrana azy. Ity vehivavy ity dia efa ho tapaka mihintsy ny tendany manazava satria zavatra tsy fantany no entiny hanodinana ny sain'olona. Ampio rora bebe marina fa mihisatra ny TGV n'i andry.
12. tsiafoi1 ( 16/04/2009 11:47)
Mbola vao manomboka ny lazon'ady e, enim-bolana vao vita ny tolona t@'ny 2002. Amin'ity kosa hinoana fa ho vita hatramin'ny 13mai2009 ny tantara.

Ny parabole nahitana azy de tetezana tapaka eo afovoan-drano be, ary misy fiara mitondra miaramila mijanona eo @'ny tendron'izany tetezana tapaka izany. Tetezana tapaka eo afovoan-drano. Asa loatra re zay hevitr'izany???? "Samia mamisavisavisa" ozy ny hiran'i Dedessa izay!
13. andrywai ( 16/04/2009 11:58)
TGV na Tetezamita Gaigy Vendrana no ho tapaka eo. Sao ela kah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4997