manana olana tongotra tsembo-dava.

1. catalyn ( 11/04/2009 16:39)
Sao mba misy mahalala vahaolana @ tongotra tsembo-dava fa efa tsy haiko intsony ny atao ; efa nanasa tongotra t'@ alamo aho, efa nampiasa ihany koa ireny bomba fanalana fofon-tongotra ireny fa dia mbola mando lava, ary ny manahirana dia mamoaka fofona rehefa avy eo. Marihiko fa madio ny tongotro ary tsy misy fiovany na manao ban-kiraro na tsy manao. Na sandale io na kiraro fermé dia tsemboka foana; Very hevitra aho. Mba ampio izay mahalala. :oops: :oops:
répondu par kofbay le 04/05/2009 13:06
2. xxx ( 11/04/2009 18:36)
catalyn:

Sao mba misy mahalala vahaolana @ tongotra tsembo-dava fa efa tsy haiko intsony ny atao ; efa nanasa tongotra t'@ alamo aho, efa nampiasa ihany koa ireny bomba fanalana fofon-tongotra ireny fa dia mbola mando lava, ary ny manahirana dia mamoaka fofona rehefa avy eo. Marihiko fa madio ny tongotro ary tsy misy fiovany na manao ban-kiraro na tsy manao. Na sandale io na kiraro fermé dia tsemboka foana; Very hevitra aho. Mba ampio izay mahalala. :oops: :oops:

Raha zah ianao dia aza manao kiraro intsony. Mitovy @ rano-kelika ange io e.


3. zoozoo ( 11/04/2009 18:58)
ary manin raha andramana ndray ny manosotra voasary makirana(citron)
zany alo no enoko de mba ampiataiko fa ts aiko raha mety mahavaha ny olanao zany na tsia.
4. ni81 ( 11/04/2009 19:23)
Andramo indray hoe ny OXYDE DE ZINC! Amidy eny @ farmasia io ary tsy mila ordonansa.
5. soanja ( 11/04/2009 22:31)
catalyn:

Sao mba misy mahalala vahaolana @ tongotra tsembo-dava fa efa tsy haiko intsony ny atao ; efa nanasa tongotra t'@ alamo aho, efa nampiasa ihany koa ireny bomba fanalana fofon-tongotra ireny fa dia mbola mando lava, ary ny manahirana dia mamoaka fofona rehefa avy eo. Marihiko fa madio ny tongotro ary tsy misy fiovany na manao ban-kiraro na tsy manao. Na sandale io na kiraro fermé dia tsemboka foana; Very hevitra aho. Mba ampio izay mahalala. :oops: :oops:


Ara-pahasalamana tokoa izany. Misy ny tsembon-tanana sy tongotra ary misy koa ny maina lava. Aza manahy fa ny mahatsara anao dia araka io voalaza ambony io tokoa hoe manao kapakapa na kiraro tsy feno.


6. Tazana ( 13/04/2009 17:10)
Mety koa rarahana bicarbonate de soude (baking soda) ny kiraro. Ohatra hoe alina alohan'ny hanaovana azy. Ilay bicarbonate manala fofona koa. Zany hoe lasa misy poudre fotsy ny kiraonao fa dia alohan'ny hanaovana ilay izy foahina @ lamba. Asa raha handaitra sy hanampy io...
7. sitlo ( 13/04/2009 17:51)
Asivo asidra! Asivo asidra!
8. ni81 ( 14/04/2009 05:10)
Asivo asidra! Asivo asidra!
aza mamosavy ry stilo a! :?
9. catalyn ( 14/04/2009 15:41)
Izaho koa mba tia mivazivazy ry Sitlo fa mba sérieux rehefa vahaolana toy izao no tadiavin'ny namana. Fantatro tsara fa vazivazy ny anao nefa fantaro fa tsy izaho irery anie no miserana eto é! ary misy ihany koa ny manana olana mitovy amiko ary samy maka izay tandrify azy avy, ka mba diniho ange raha olona somary vendrambendrana na toa andr'i Ramasabomanga no tojo ny torohevitrao é! De avy tokoa ny anao lahy na ny anao vavy hihosotra asidra satria rehefa very hevitra izay mantsy de tsy mandinika intsony hoe marina ve io sa tsia ? dia faly amin'izay ianao avy eo ?
Tsara ny mivazivazy fa diniho ny hevitra hanaovana azy; izay an ! :roll:
10. vale ( 16/04/2009 21:41)
Oxyde de zinc tena mety tsara, ny lhl ao an-tranonay iny no fataony fa tena tsy mbola naheno fofona t@ tongony na ny kirarony tokoa za na indray mande aza. Raha any Mcar dia ny quincaillerie koa mivarotra azy.
11. niryna ( 21/04/2009 03:24)
Andramo hoe ny manao ba kiraro 100% cotton.Dia raha azonao atao koa dia mila misotro rano hianao.Raha misy kiraro maromaro azo ampifandimbiasana dia ataovy,izany hoe ny kiraro na ny ba kiraro nanaovanao androany dia aza anaovana intsony ary hamaino ilay kiraro sy ilay ba kiraro raha mbola tianao anaovana indray mandeha(ba kiraro io an)
Dia misy miteny koa fa ny alamo sy rano hono dia sady manala fofona na helika ny tongotra no manampy ilay famandona .
Raha misy talc an-jaza ireny koa dia osory ny tongotra alohan'ny hanaovana kiraro.Mila mandro amin'ny alina alohan'ny atory na farafaharatsiny tsy maintsy misasa tongotra amin'ny savony ary dia mila hamainina tsara ny tongotra ,toa izany koa rehefa maraina ,mila fotoana lava be alohan'ny ivoahana no mandro sy manasta tongotra ary mila fahona amin'ny serviette madio sy maina tsara ilay tongotra vao asiana poudre na manao kiraro.Fadio ny manao kiranil fa vao maika tsemboka be.Raha toa kosa ka tsy maintsy manao kiraro dia afaka mitondra ba roa hianao ary dia solosoloy.Fadio hoy aho ny manao ireny ba kiraro nylon ireny fa vao maiky miteraka olana hatramin'ny elakelaky ny tongotra mihitsy no sady mangidihidy be koa avy eo no maimbo
izay no mba fantatro
12. Ratoa ( 03/05/2009 21:59)
Izaho tsembo tongotra fa tsy misy fofony mihitssy ny tongotra. Ireto ny fitsipika arahako:
1) mainina tsara ny tongotra vaosasa
2) kiraro entièrement en cuir foana no anaovako fa ny cuir mihaina ary tsy mampitombo ny atsembohana
3) manao protège -bas tsy tapaka aho (vehivavy aho) fa raha tsy izany mitsovaka ny ratsa-tongotro
4) rehefa tsy manana protège-bas aho (rovitra ka tsy mbola nahavidy) dia rarahako talc bébé na poudre vidiana eny @ ny pharmacie ny kiraro.
5) raha sendra nanao kiraro lena aho (tratry ny orana na voatery nanao ilay kiraro lena) dia maimbo ny tongotro
6) afaka ihany anefa io fa misy bain de pied vidiana eny @ pharmacie mandio tsara mihitsy.
7) Nariako ny kiraro maimbo dia vita, afaka ny olana.

Ny bactérie tafa-janona anaty lirao no manamaimbo tongotra fa tsy ny atsembohana akory.

Mavatra ny misolo protège-bas na bas isan'andro aho.
13. kofbay ( 04/05/2009 13:06)
Eny Analakely s Tsaralalana misy poudre @ sachet hamidy, Anti-from no anarany, fa raha n fahalalako azy dia oxyde de zinc ilay izy fa dia lazain-dry zalahy fa mandaitra be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1989