Toe-tsaina mihitsy no mila fanamboarana ?
1. mazavajery
(
07/04/2009 15:26)
Rehefa jerena ny tantaran'ity nosy malalantsika ity dia saika miverina foana ny toe-draraha na iza mpitondra eo ? Ny maha lasa ny saiko dia hoe ny mpanana manana ihany fa isika vahoaka no mijaly sy mahantra vala eto ? Zay olona tonga eo dia anjakan'ny fitiavan-tena daholo eh! jereo sahady ny HAT ? Amiko ny toe-tsaina mihitsy no mila ovana aloha raha te-handroso amin'ny tsara2 kokoa i Madagascar . Tokony samy tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana ary mahatsapa-tena fa fitambaran'ny tsirairay no mijoro ho firenena vanona!! Enga ane mba ho nosy sambatra anjakan'ny fifakatiavana sy fifanajana ity Tanintsika ity !! (l) (l)
répondu par milamm le 08/04/2009 05:07
4. soanja
(
07/04/2009 23:56)
milamm:
ny zava-misy nefa dia olana efa anisany fantatra ory hava-manana
Isan'ny olana tokoa izany. Raha vonona ny fanjakana hanova ny toe-tsain'ny olona ao aminy dia ny Fanabeazana no atao matoan-draharaha. Io fanabeazana io dia misandrahaka any amin'ny fianakaviana sy ny tontolo ifaneraserana rehetra.
5. milamm
(
08/04/2009 05:07)
soanja ,marina fa adidy izany iantsorohan'ny fitondram-panjakana toy ny fanabeazam-boho sy fanentanana ny maha-olompirenena isan-tsokajiny eo anivon'ny fiaraha-monina nefa koa anjara andraikitry ny daholobe izay fantary ny tsirairay manaraka ireo fitsipi-dalàna fototra ao anaty fiaraha-monina fanjakana fehezin-dalàna toy ny hoe :
- rehefa tsy faly dia simbao ny zavatra fa tsy misy kozy betsaka
- tsy ilaina ny manaja lalàna fa hery ny maharesy lahatra kokoa izay mifanohitra tanteraka @ "ny fanahy no maha-olona"
- fangalaran'ny mpanararaotra ny fananam-bahoaka sy famonoana ankitsi-rano
olom-pirenena eny andalam-be
manotany tena foana aho matetika hoe olana saro-bahana ve sa ny alika no jamban'ny taolana ary ny olona jamban'ny vola ka raha ho faty aho matesa rahavana ?