FOSAFOSA
1. gabidemony
(
01/04/2009 00:03)
Fa inona marina le fosa eh?
répondu par niryna le 06/04/2009 02:48
2. soanja
(
01/04/2009 05:03)
Resaka tahotra daholo no mahatonga ny fifosana. Tsy mahafapo izay hita eo / sy ananana / ary ny hay hany ka tsy mahita afitsoka afa tsy ny hanabaty ny hafa mba handemena izany ahiahy anaty izany. Raha mahay miaina ny mpihaino fosa dia teny mora fotsiny hoe tsy aleo ve any aminy ianao miresaka izany zavatra momba azy izany sady amin'izay ianao afaka ny alahelona o moa izy koa hahazo ny zavatra manahirana anao ka sao mba afaka manampy anao izy! Matetika tonga dia mangina ilay iray rehefa izay. Izay tsinona no fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina. Ny aretina sarotra sitranina fa ny toy izany kosa ahitam-panafana tokoa rehefa mifanehatra amin'ny olona mahitsy izy! Indraindray tsara ny manome lesona mahasoa ny namana na dia tsy mora aza ny mampita izany. Isika tsinona tsy misy lafatra!
3. RATOVOARY
(
01/04/2009 06:47)
Efa nisy fanazavana tato nomen'ny namana momba io fosafosa io, fa amiko izy io aloha dia vokatry ny fialonana sy fankahalana be tafahoatra. Ka na inona na inona fiainan'ilay olona ankahalaina dia ratsy daholo @ fijerin'ilay mpialona. Hainy avokoa ny mitsingoloka etsy sy mitsikera eroa fa ranona zao sy zao.
Ny fosa koa dia tsy inona fa araka io lazain'i Soanja io fa firesahana olona tsy eo imason'ilay resahana ( na fanaratsiana olona ).
Ny fosa koa dia tsy inona fa araka io lazain'i Soanja io fa firesahana olona tsy eo imason'ilay resahana ( na fanaratsiana olona ).
4. chiquitta
(
01/04/2009 08:44)
Misaotra anareo fa dia marina dia marina izany fanazavanareo izany. Ny olona tia fosa dia matetika olona manana complexe. Modiany tsy hita ny tenany fa ny hafa no ezahiny tsikeraina. Rehefa sendra ny olona toy ireny dia omeo valinteny feno fahendrena izy hisaintsainany.
6. niryna
(
06/04/2009 02:24)
xxx:
ohatran'ilay nataon'i gaby atsy momba ny gasy any an-dafy ohatra :-)
:lol: :lol: angamba kosa manao jery hatrika izy ka :lol:
Ny fifosana dia anisany eloka eo anatrehan'Atra toy ny fialonana,fankahalana,tsy fitiavana ,fangalarina, fanenjehina sns e
Ny olona mpifosa dia mamoaka ny tsy ambarantelon'ny olona iray fa ny olona hendry kosa dia mitazona izay zavatra nolazaina azy.
Ny olona manana io toetra io dia feno fandemen-tsaina ao aminy,ka mitarika azy ho hankahala olona,ho tiantena,(tsy mijery afatsy izy ihany)
Miteraka fahakamoana koa ao aminy satria mijery ny ataon'ny hafa izy ,mitsikera ny sasany foana,tsy azo iresahana zavatra kanefa liam-baovao.Raha tiana ho fantatry ny rehetra ny tranga dia matetika ireny olona ireny no andefasan'ny olona ilay hafatra ,ooops
Koa raha toa ka tsy manana zavatra tsara tenenina dia aleo lavitra tsy miteny toy izay hanenenana rehefa avy eo,io ny ahy no filamatra hiezahako atao sy atoroko ny olona
Ny zavatra izay tenenintsika mantsy dia tsy afaka averina intsony hoe azafady ,rehefa lasa izay izy dia izay ka izay no antona mahatonga ny teny hoe avadio im-pito aloha ny lela vao miteny.
Mametraka fitsarana olona koa isika rehefa mifosa ny hafa satria tafiditra ao anatin'izany ny fanambaniana tena,mihevitra ny tena ambony noho ny rehetra ,na mahay noho ny rehetra ,tsy manaiky ho ambaniana ,tsy manaiky ho diso .
Raha mifosafosa olona isika dia manimba ny mpiara-belona ary mety tsy afaka ny hanamarina ny tenany intsony koa ilay olona nifosana ary matetika rehefa toa ireny dia ovaina ainga ny resaka na atao hoe andao zavatra hafa no resahintsika fa mihitatra izy izany,taloha aho tsy sahy niteny izany fa ankehitriny aho sahy ,na tonga dia teneniko mora hoe tsy eo ilay olona iray hiaro-tena.
Tadidio fa na tsy mifosa aza isika fa mihaino ny olona mpifosa dia mpifosa ihany koa no atao anarantsika.Fadio toy ny afo mandoro aza ny miaraka amin'izy ireny ,fa mamindra ilay izy amin'ny farany
Izay miaraka ny amboholambo dia amboholambo koa hoy ny fitenenana
Manimba ny fiaraha-monina na fianakaviana na ny manodidina ny fifosana ary matetika dia mihitatra ilay fahamarinana raha misy marina kely tao mba hampavesan-danja ilay resaka ,dia eo no manomboka ilay lainga
7. niryna
(
06/04/2009 02:48)
gabidemony:
Fa inona marina le fosa eh?
Ireo ambony ireo no mba fantatro
Inona no ataoko mba tsy ahatonga ahy hifosa olona ?
hmm!! ,mila fanetrehantena lehibe io ,tsy mora ny manova toetra kanefa ny teny kosa manambara fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny fanahy ratsy kosa azo hovana....
oops, tsy marina angamba izany e,efa misy ny fanaovana plastic surgery ,ny nify ,no orona ,ny vatana izay tiana ovana ho an'izay manambola e
Hoy ny teny ao amin'ny soratra masina hoe:
*Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
* Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalàna sy mpaminany
* Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
---------------------------------------
Izany hoe raha misy zavatra mitranga dia :
* Aza liam-baovao na manao sotrobe lava-tango.
*Aza tonga dia mitsaratsara olona aloha fa anontanio raha marina na tsia ,toy izay tonga dia mampiely vaovao tsy fanta-pihaviana
* Ilay olona mivantana no resaho fa aza maminavina na miresaka ny hafa fa mihitatra
* Ny vy tsy mikitrana irery indraindray fa rehefa tsy mihaino na tsy manisy sira ireny mpifosa ireny dia angina ho azy koa izy
* Araka ny teny resahiko ery ambony dia hoe raha tsy mahita zavatra tsara ho resahina dia aleo tsy miteny.
* izay zavatra tiantsika ataon'ny olona amintsika no ataovy dia mianatra koa izy
* Jereo foana ny zavatra tsara vitan'ilay olona fa tsy ny toetra ratsiny dia tsy himenomenona na tsy hivaky loha mikasika an'iny olona iny isika
Farany izay mangina hono volamena: rehefa miresaka ilay olona ka tsy
asiana sira dia tsy ataony maheno vaovao intsony isika....izay ny ahy no tiako ,mihaino hira aho sady miasa dia tonga amin'ilay fitenenana hoe asa atao an-kira toa vita toa tsy natao ..
Andramo ireo fa ampihariko amin'ny fiainako ,tsy mora fa mila fandeferana ary tsy ho voatery hamaly koa raha misy mpitati-dresaka aty amintsika (henoy izany ry hazon-damosina .ha,ha )
:D :D