« Nous allons protéger la Place du 13 mai »

1. Noue ( 27/03/2009 07:05)
dia inona koa ny manaraka ?? nga natokana ho an'tgvendrana ny kianjan'13 Mai ???

Tsy manaiky ny hidinan’ny mpanohana ny “ara-dalàna” eny amin’ny 13 mey
Manahy mafy ny hidinan’ireo mpanohana ny “ara-dalàna » izay manao fihetsiketsehana etsy amin’ny Kianja ny Demokrasia Ambohijatovo ankehitriny ireo mijoro ho Komity Miaro ny Demokrasia, tarihin’Ing. Alain Ramaroson. Nisy valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo teny amin’ny “Mon Goûter” omaly, izay milaza ny fampitandremana ho an’ireo mpanohana ny “ara-dalàna” mba tsy hidina eny amin’ny 13 mey. Nanizingizina Ing. Alain Ramaroson fa sarotiny amin’io Kianja io ny tenany ka tsy manaiky ny fidinan’ireo hafa manao ny fitakiany. “Tsy ireo eo Ambohijatovo mihitsy no hanome lesona momba ny demokasia eto”, hoy izy. Ny tsapa dia misy tsy fahatantesana amin’ity resaka demokrasia ity eto amintsika. Tsy nilaza ny zavatra hatao manoloana izany anefa izy fa nilaza fotsiny hoe: “ho hita eo moa fa fampitandremana no ataonay”. Raha nanontanina kosa ity mpitarika ny KMD fa samy milaza ho mpandala ny demokrasia ny roa tonta dia somary niakatra kely izy namaly fa: “izahay no tena tompony fa ny Tim dia mpindrana”. Ny mpitarika ny hetsika etsy Ambohijatovo anefa dia mbola nanamafy fa tsy mbola manam-pikasana hidina eny aloha hatramin’izao.
répondu par Oay le 28/03/2009 06:04
2. Noue ( 27/03/2009 07:06)
tohizako eto fa lava loatra

Tsikaritra ho mifanipaka ny ambaran'ny mpanao pôlitika mpanohana sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta tetezamita, mikasika ny fanehoan-kevitry ny mpomba ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha ny nambaran'ny Minisitry ny Filaminana Anatiny Ing Rakotomihantarizaka Organès, dia malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy tsy ekena ny fanakorontanana. Manomboka izao, hoy ihany izy, dia haparitaka eran'ny tanàna, any anaty kartie any ny Pôlisy mba hiaro ny ain'olona sy ny fananany. Tsy maintsy averina amin'ny laoniny, hoy ihany io tomponandraikitra io, ny filaminana. Heverina fa misy ifandraisany tamin'ny hetsika efa natomboka teny Ambohijatovo nanomboka tamin'ny alarobia lasa teo izany, rehefa nifampihantsy teny Analakely ny mpomba ny TGV sy ny mpomba ny Filoha teo aloha. Heverina fa raha tonga mialoha eny an-toerana ny mpitandro filaminana amin’ny fotoana iravan’ny fihetsiketsehana eo Ambohijatovo, tsy hitranga ny korontana sy ny fifanjevoana.
Mifanohitra amin'izany kosa ny nambaran'Ing Alain Ramaroson satria hentitra io mpanao pôlitika io raha nilaza fa tsy eken'ny fikambanana tarihiny ny hanaovana fihetsiketsehana eo amin'ny kianjan'ny 13 Mey satria “masina” io toerana io ka tsy mendrika ireo olona manohana ny tanan'olona efa “mihosin-drà”. Izay tokoa angaha no atao hoe demôkrasia dia ny fahalalahan'ny rehetra maneho ny heviny manoloana ny zava-misy.
3. ifiona ( 27/03/2009 07:09)
bezoro Noue! teza Noue no nahita an'io lahatsoratra io?
4. Noue ( 27/03/2009 07:09)
dia ozy indray eto oe

« Ce n'est pas Ambohijatovo qui va nous donner des leçons. Toute chose a une fin. Nous allons protéger la Place du 13 mai et prendre les mesures qui s’imposent ».

dia hoy aho oe mahazaka sy mahafantatra an'zany atao oe democratie zany ve ry tgv eee ???

5. Noue ( 27/03/2009 07:13)
bezoro ifiona :) :-* :-*

http://www.gazetiko.mg/gazetiko//index.php?option=com_content&task=view&id=5775
6. ifiona ( 27/03/2009 07:16)
merci Noue! :-*
ary tena maivava be ery anie ireo olona ireo e! ôtran' zavatra tsy vao avy nataony ery le izy
7. xxx ( 27/03/2009 07:22)
d ho hita eo izany rahampitso ary tokony ho tonga eny ange zany i alain ramaroson hitsapa izany e !
Ohatran'ny moramorainy ery ilay izy ,ankoatr'izay nefa ilay "minisitry ny polisy " ao amin 'io HAT io nilaza fa tsy olana mihitsy raha mampiasa ny kianjan'ny 13 mai zareo fa izany no fanehoan kevitra !
Mahagaga fa hatramin izay nisian'io Ambohijatovo io mbola tsisy fandrobana mihitsy tsy tahaka ny nataon 'ireo mpi- treize mé reo
:-P :-P :-P :-P
8. Noue ( 27/03/2009 07:35)
ny mahagaga anie dia izao ee ! rehefa ry zareo ve no tsy manara-dalàna dia lazaina fa masina io toerana io?? masina harahin'ny vilany sy ny tabataba sns ?? fa rehefa ny hafa dia lazaina fa tsy azo atao aa oeee sns ??? :evil: :evil: :evil:
9. xxx ( 27/03/2009 08:25)
izy aza mbola niteny koa hoe "aoka nareo tsy hanakotaba ny mpivarotra mitady izay ho haniny eny amoron dalana eny "
asa raha nanakory tamin-dry zareo nidina teny ny nanjo ireo mpivarotra rehetra ka mahatonga izao fihoaram-pefy izao
10. yvaj ( 27/03/2009 08:38)
Fngah tsy hoe efa alany doly le mpivarotra amorondalana kou inn ndray e.
Nenay reo tsy mpandroba zany fa izy no nanao zany de mailo
11. bozyboleta ( 27/03/2009 08:45)
Efa marary saina nasosan'ny môly le ramaroson io. Na ny paoziny aza tsy fanao ianao.
Io no tena mpanakarama an'ireny mpanakorontana sy mpandroba ireny. Io no mizara basy @ ireo gidrony ireo.
Mbola vao t@ ilay fivavahana nataon'i tgv tao @ gymnase Mahamasina t@ voalohan'ny taona dia efa nisy mpikambana tao @ no nanondraka rano tsy fantatra t@ tgv ary dia nosamborina. Avy teo nasainy navotsotry ny polisy tao Mahamasina, nefa mbola nahitana antsy lava tany am-paosiny, tsy hay hoe saika atao inona.

Mitady korontana mihitsy io. Efa fantatra ange ny tiany atao vao nanomboka ny teo Ambohijatovo ary dia ny vavany mihitsy moa izany no nilaza omaly iny.

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m49cb618836797
12. mibalika ( 27/03/2009 08:54)
miarahaba,
mahereza hatrany ,ny marina tsy mba maty
13. Oay ( 27/03/2009 09:40)
Ny mampalahelo @ olombelona rehefa tratran'ny fanatisma d lasa fohy ny fisainana.
Mila averiko aminareo ve hoe :
Firy taona izay tsy afaka namory vahoaka ankalamanjana ny mpanohitra teto Madagasikara. Tsy fantatrareo izany satria tsy niainanareo.
Mila averiko aminareo ve hoe impiry ny mpanohitra ny nagataka ny fiarahamidinika mba hanovana ny lalampifidianana. Inn ny valiny réferendum nanome plein pouvoir ny filou.
Mila averina aminareo ve fa raha tsy nahita an'iny Fika iny i zokilahy Andry Rajoelina momba ny hoe notokanana ho kianjan'ny démokrasia Ambohijatovo mba afaka namory olona ve ny mpanohitra t@ izany fotoana izany.
Amin'izao fotoana izao d tsotra efa azo atao ny miresaka ambony latabatra, mbola tsy naheno ny sofiko hoe nitenin'ny TGV fa tsy afaka mandray anjara @ fifampidinihana ny TIM mba hanovana ny lalana fototra hidirana @ repoblika vao², ka efa azo atao ny miresaka ambony latabatra ka maninn no atao eny andalambe ny resaka.
Mbola averiko fa za ny antony tsy niarahako ary tsy anarahako ny TGV d za tsy tia hery setra famontehana vahoaka ary na iza na iza tsy misy afaka miteny hoe rehefa hidina andalambe d tsy hisy famotehanjavatra, za anefa d nicomprendre sans le justifier fa tsy maintsy nidina andalambe ny olona nanala an'i Ravalomanana satria tsy misy marenina toa izay tsy te hihaino.
Eto @ serasera eto d ahitana olona tena tsy afaka mihaino mihintsy satria efa tratran'ilay culte de personnalité, raha resaka fotokevitra aloha ny hanohanan' i Noue na ifiona na bozy an'i Marc Ravalomanana d ozy za hoe mieritrereta fa mba olona nanao ambaratonga ambony fa raha ohatra kosa ianareo zanany na havany d micomprendre anareo za satria very finanana ianareo.
D za koa tsy manome tsiny an'i Ravalomanana raha mi s'entêter izy satria sady very fihinana izy no hiaraha mahalala ny ambaratonga vitany teo @ fianarana fa ianareo izay nandeha lavitra nandrato fianarana ireo d mampalahelo.
14. bozyboleta ( 27/03/2009 10:33)
oay e!
Tsisy culte de personnalité izany mitsy kah.
Fotokevitra no anohanana ny Filoha Marc Ravalomanana (mbola Filoha iny amiko).Ekena ny fampandrosoana ventiventesiny.
Niaina ny fahatrana nisy teto Madagasikara ny tenanay. Nahita ny nanapotehina ny toe-tsaina nataon-dry ratsy iraka. Niaina ny havendranan-dry zefa.
Ary tena nahita ny fivoarana nentin'ny Filoha. Ho an'ny tenako manokana dia "Mpanorina" na "Bâtisseur" no iantsoako an-dRavalomanana.

Izao indray ty miverina ny fitondrana "mpamotika". Vao indray andro nomena fahalalahana hamory vahoaka an-dalambe dia fandrobana sy fanimbana mitentina amina miliara no vita. Hatr@ kolontsaina sy ny harentsaina ary ny zavaboary norobaina sy nopotehina.
Ny herisetra sy ny fampihorohoroana manginy fotsiny.
Sanatria izay hanohana izany fitondrana izany.
15. Oay ( 27/03/2009 10:54)
Za aloha tsy resy lahatra é!
Ny ahy ny fahitako raha nitohy teo iny fitondran-dRavalomanana iny d ny didiko fehy lehibe no nanjaka teto Madagasikara. Satria mbola averiko fa ny nataony d ny nihevitena hoe tsy misy hafa tsy izy no afaka manao izay tiany.
Tsy hamoaka tsy ambara telo aho fa izao raha mba mahalala mpanolontsainan'i Ravalomanana ianao ka afaka miresaka tsara aminy d anontanio ilay mpanolontsaina fa lazaiko anao fa raha tena olona mahasahy miteny ny marina ilay mpanolotsaina d hiteny anao hanao hoe sarotra atoro iny.
Fa micomprendre an'i bozy tsara mihintsy za ka, satria raha ny t@ androndratsiraka kosa aloha d aleo lavitra ny nataon'i Ravalomanana fa ny tsy fantatr'i bozy d efa nandeha nakany @ nataon'i Ratsiraka ny nataon'i Ravalomanana fa ny tena loza raha tanterak'i Ravalomanana ny fikasany d rehefa tiany tsy hihinakanina ny olona d azony natao izany satria ny PPN d nezahany nofehezina ho azy irery ny fahazahoana manafatra sy mivarotra izany ohatra.
Ho an'ny mpandinika politika ry bozy d izao :
Ratsiraka ny nataony daholo izay tsy nahafahan'ny Malagasy nahita izany atao hoe fivoarana, d tsy nisy ihany koa ilay fahafahana maneho hevitra fa tsy misy afaka milaza kosa hoe Ratsiraka d nanana monopole ara-ekonomika.
Ravalomanana kosa d sady efa anazy ny fitondrana izany hoe ny familiana sy ny fanaovandalana (pouvoir exécutif et législatif) d mbola anazy koa ny resaka ekonomika d mbola averiko fa tsy afaka namory vahoaka wa ny mpanohitra d inn intsony izany fa tsy efa izy ve no nivavahana.
16. xxx ( 27/03/2009 11:25)
za ndray klou refa nandinika dia misy fahamarinany ny an'iOay nefa indro kely hoy ny... Anatra ho azy ireny zavanisy ireny de inoko ny hahatanteraka anzany. ka @zao kou za aleoko Ra8 ihany toy izay TGV satria efa hita sahadyny haratsintsainany. Aiza kou vao manomboka de hoe harovana ny 13Mai, ngah io anlah irery. Demokrasia kou vaste be e, mbola tsy tena voafehin'ny gasy zany , nenle sofera ray zay efa hita fa manao hadisoana izy de notenenina de andron'ny demokrasia hono zao ka samy manao ze tiany.
Sady tia tena le TGV e! mihevitra azy tsy diso mitsy kle aza a
17. Oay ( 27/03/2009 11:40)
Ka ilay izy ry XXX d izao a! efa lasa aloha iny Ravalomanana d tokony hanararaotra ny Malagasy handrafitra an'ilay lalana fototra hametrahana ny repoblika vao².
i Oay koa ry zalahy saika tafapetraka ato an-dohany loatra ilay hoe "Ny alika no miverina @ nalohany" ka izy d mieritreritra fa tsy lany olona ity Madagasikara ity fa mahantra fasahiana.
Za koa aloha tsy hifidy TGV izany raha hoe hirotsaka hofidiana i zokilahy é!
Aleo azava fa ny mahamaika izao d hoe ahoana ny hametrahana fanjakana tandalana ka tsy halabato na fidinana andalambe no nametrahana anazy.Fa tsy hoe ny fiverenan'i Marc Ravalomanana no vahaolana.izany akory tsy midika hoe tsy afaka mirotsaka hofidiana izy raha tiany an! fa rehefa mirotsaka izy ka lanimbahoaka d izy izany no mitondra fa d ny mpanohitra no manao ny asany manaramaso izay fandehany.
18. bozyboleta ( 27/03/2009 11:53)
Lasa HS ty ialana tsiny @ mpametraka lohahevitra fa valiako aloha le lazain'i oay ambony eo.
Fomba fijery politika ny anao.
Fa ny ahy ampiako fihariana.
Anisan’ny notoherin-dRavalomanana teto ny fanjakazakana nataon’ny gasy vitsivitsy sy karana mpanambaka teo @ lafiny PPN indrindra indrindra.
Tsy nisy Malagasy sahy nifaninana tamin-dreo fa nanao izay tiany ireo t@ fanafarana entana. Tsarovy fotsiny ny fatin’entana nampidirina teto e! Vary fanome ny kisoa sady nampangididy ve no namidy teny an-tsena, na menaka maimbo, sns…t@ vidiny izay nitiavany azy. Niray petsapetsa taminy koa ny mpitondra nifandimby taloha teo satria nandeha koa ny afera devizy t@ zany.
Ravalomanana no sahy nanangana ny magro niparitaka eran’I Madagasikara nahafahana namatsy PPN @ vidiny takatry ny maro. Very fihinanana aloha izany ny karana.

Nanana fahafahana nanorina mitsy ry ratsiraka sy ry zafy sy ny namany t@ naha-teo @ fitondrana an-jareo. Fa naninona no tsy nanao? Satria tsy nahay fa matin-kanin-kely.
Misy ny gasy milaza anazy ho manambola (ohatra ry ramanandraibe) inona no nataony ho fampandrosoana ny Malagasy? Izao be fialonana daholo rehefa niparitaka eran’I Madagasikara ny TIKO dia lazaina fa monopole e, fanapotehana ny gasy e….
Tsy ananan’ny gasy maro ny toe-tsaina mahay mampiasa vola e! Izay nanana teto, tsy nampiasaina araka ny tokony ho izy mba hitombo fa nolaniana t@ loka, vehivavy, aingitraingitra (ramaroson, razafimahaleo). Avy eo bankiropotra dia mora ery ny manome tsiny ny hafa.

Tadidio koa fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no Malagasy fa ny any antsaha any koa no tena izy. Ity silo tany vohidiala nanaovana tantara be ty, raha mbola ry rason ve no nanangom-bokatra dia hiakatra ahoana ny farim-piainan’ny tantsaha? Izay tiany hakana ny vary akotry ihany no omeny. Ny vola @ zany hanaovana bodongerona. Inona no antony nanentanana sy namporisihin-dRavalomanana ny tantsaha hamboly sy hiompy, nomena fiofanana sy nampianarina teknika vaovao, nizarana fitaovana manarapenitra isam-paritra? Tsy ny hanondrotra ny fari-piainan’ireo?
Iza t@ mpitondra nifandimby teto no nanao an’izany? Fa tsy zarany aza ny tantsaha ho vendrana sy bado teny @ zay mora nambakainy. Nisy nijery ny tany ambanivolo ve?

Averiko ihany, tsy culte de personnalité ny ahy fa fitoviam-pijery @ lafiny fampandrosoana.
19. Oay ( 27/03/2009 12:13)
Mazava be mihintsy ary tsy azo disoana ny fanohananao ny hevitrao ary mbola averiko fa mahafinaritra ny mifankalo hevitra ao anatin'ny fifanajana koa d misaotra anao aho amin'izany!
Tsy misy ady hevitra azo atao amin'ireo nolazainao ireo fa tena fomba fanaon'ireo mpanambola Malagasy fa ny tsy azoko hoe maninona no tsy tsapanao hoe ireo zavatra nataon'ireo Malagasy teo aloha ireo ihany no naverin'i Ravalomanana natao, hitanao ny tena olana d marina fa niady tamin'ny tsy mety nataon'ny mpanankarena tsy nahay nitondra tena i Ravalomanana fa ny nampalahelo d izy indray no naka ny toeran'ireo mpanambola nanao ny nataon'ireo mpanankarena izay lazaina fa tsy nety.
Ohatra mbola omeko anao hatrany d ny nahazo an'ireo koperativa tao Soanirariny tsy navela napiditra tank hitehirizana ny ronono satria ny tanjona d tsotra rehefa tsy afaka mitahiry ny ronony ny tambanivohitra mpamokatra ronono d vidian'ny TIKO @ izay itiavany anazy ny ronono, ianao moa eto Madagasikara ary eto Antananarivo d izao no mba lazaiko anao mandehana eny Anosikely rehefa @ 5 maraina d hohitanao ny fijalian'ireo mpivarodronono avy any @ faritr'i Ivakinakaratra iny.
Ka mbola averiko fa marina fa niady t@ tsy mety nataon'ireo mpanankarena andalambody (mialatsiny fa ray amandreny sy zanaka isika) i Ravalomanana fa ny nataony kosa anefa avy eo d namerina ny nataon'ireny mpanankarena ireny! Efa mba fantatrao ve fa ny hélicoptère n'i prézidà anie ka maka an'ilay tovovavy mpihira iny eo an-tokontaniny. Izay ilay olana eto amintsika raha tianao ho fantatra ny mpitondra adalambody sy voninahitra ka rehefa tonga eo @ toerana d lasa adala ka tsy mahalala intsony ny ataony satria lasa ny vodiny no mibaiko ny lohany! Mbola averiko ny fialanatsiny @ ilay fomba fiteny fa zanaka sy ray amandreny isika ka izay mamosavy matesa vorona é!
Lasa ilay sentimaka fa d Madagasikara ho an'ny Malagasy ary ny Malagasy ho an'i Madagasikara é!
20. fijo ( 27/03/2009 23:27)
ny tgv anie dia izoa ny azy e.rehefa izahay no manoa dia tsara io,fa rah aolon kafa no manao toa anay,dia fahotan amahafaty io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0482