NY RIVOTRA MANDALO VE.....(Mahaleo)
1. mibalika
(
26/03/2009 12:27)
Tadidinareo v ny tonin'ny hiran'i MAHALEO:
"Dia hoy aho manotany tena ,mba ho aiza ihany no hiafarana....."
"Dia hoy aho manotany tena ,mba ho aiza ihany no hiafarana....."
répondu par mibalika le 26/03/2009 14:30
2. ifiona
(
26/03/2009 12:37)
mlaaaaaaaaaaaaaaay mibalika ann!! tero tero tero :wink:
Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio
Ny rivotra mifafy ve no mitondra io orana io
Ny tany ve no ratsy sa ,ny olona no efa lany vatsy
Ny tany ve no vovoka sa ny olona no vizana sy drodroka
Dia hoy aho manontany tena
Mba aiza ihany no hiafarany
Gagagaga sy mihenahena ny olona ao an-tanàna
Voazara ho antokotokon’olona ,
voazara ho fokofokon’olona
Nozarainy ho vondrovondron’olona
Amin’izay angamba tsy ho vanin-kolona
Iza moa no tsy mahalala f' izay mitambatra dia vato
Mampisalasala anefa ireto mpanao afera izay nihamaro tato ho ato
Mitombo ny isan’izy ireo , mitombo ny volan’izy ireo ,
miroborobo ny aferan’izy ireo , tsy laitra ny setrasetran’izy ireo

4. KALACK
(
26/03/2009 13:36)
Noue aiz i wuiwui oa ? nareo roa an , fantatr fon ane e , :* (l) (l) :*
5. Oay
(
26/03/2009 13:50)
Noue:
mbola hiposaka ara-dalàna ny masonadron'M/car eee ! kely sisa
Iza indray no hitondra masoandro aradalana ry Noue!
Aleo aloha hazava fa raha ny apostoly d izao ny valiny an: enintaona d nitombo 1000% ny fananan'i Marc Ravalomanana fa ny vahoaka nihinana ny .... tena mialatsiny fa tsy izy iny, tahaka ny tsy filana ny fiverenan'ny Ratsiraka sy ny tariny no tsy hilana ny fiverenan'ny apostoly klé!
Efa hoe mila génération vaovao ny fanaovana politika eto @ tanana!
D izay no mahatonga ana milaza hoe tokony hanararaotra isika hanaovana ny ady hevitra hidirana @ repoblika vao² d @ fomba demokratika no hanilihana an'ireo goaika antitra mpanankorontana sy mpivarotra tanindrazana ireo.
Ny ahy alo tsy afeniko fa reveko raha tonga d misy olona mitapitapy d tonga mitifitifitra anireo goaika antitra ireo é! d olona vaovao daholo @ zay ny mpanao politika! aiza rangahy ka olona efa hanana zafiafy mbola manankorontana ihany raha hendry tsy ny tehana no lalaovina fa efa nahavita izay tokony natao.
6. mibalika
(
26/03/2009 14:30)
ny ahy rehefatonga saina ny malagasy hoe tsy mety io fandrobana io dia efa faly aho , ny fitakiana ny zo antsika no tadiavina fa tsy famonoana na fampitahorana,vive la democratie,
mbola hisaorana ny Zanahary fa tsy fanatika toy ny any am tany hafa isika
mbola hisaorana ny Zanahary fa tsy fanatika toy ny any am tany hafa isika