olon'ny radio sy serasera hoe ?!

1. itaramasoandro ( 26/03/2009 01:42)
ary hono ho'a' reroy, fomba amam-panao tahaka inona moa izato fandoroana ny HAREN-TSAINA SY VAKOKA MALAGASY- dia ny RADIOM-PIRENENA izany -notontosain'ny olona sy ny firongony izay milaza fa hoe olom-pifandraisana, milaza fa mahalala ny fitsipiky ny fifanankalozana araky ny onjampeo, ny fahita lavitra sy ny tranonkala?

izany va re no hatao ho olona mandala sy manaja ny fifanakalozan-kevitra, ny fahafahana sy ny zon'ny tsirairay hitondra ny heviny ary hanaja ny an'ny sasany?

fa ho aiza ihany re no hitondran'ny firongon'ny mpanao politika, saribakolin'ny any ampita ity tanindrazana malalantsika ity?

mampalaelo, mahamenatra ary mampitsangam-bolo @ izao taonjato faha 21 izao!

8)
2. soanja ( 26/03/2009 21:06)
itaramasoandro:

Ny fijeriko azy indray dia hoe:

"Ny zava-drehetra dia miaramiasa hahasoa" voalaza ao amin'i baiboly izany.

Mino aho fa manomboka izao dia hifoha amin'ny torimasony amin'izay RaMalagasy ary haka fanapahan-kevitra tsirairay avy- satria efa mby an-koditra ny aretina- amin'izay hahasoa ny fireneny.

Raha tsy nisy ny dingana toy izao dia voabe foana isika.

Hoy aho hoe " Mafy ny manjo saingy misy aina ao anaty tahotra. Fohazo, karohy, tsongoy io aina io ary koloy amin'izay. Eny ampelatanan'ny tsirairay avy amintsika ny baolina be dia be hampidirina ao anaty harato iray. Vonoy io baolina io fa ny maso aman-jatony miantefa any aminao dia hioraka noho izany hatsarana vitanao izany. Ny tantara tsy miala fa eo ihany. "

Tsy ny radio, tsy ny serasera no olana fa isika olombelona mampiodina azy no be siasia. Izay mamafy herisetra dia hijinja herisetra. Izay mamafy voa tsara dia hahazo taona zina. Raiso ny angady, aforeto ny tanan'akanjo. Ny valala hono tsy azo raha tsy handrianilika.

Aza kivy fa mbola be ny ho avy! Amin'izao fotoana dia tsy firenena intsony ny firenena iray fa mifandray amin'ny hafa ary tsy hitombina intsony ny hoe tompon-tanindrazana. Miray firenena amin'ny hafa isika. Fehezo ny anao nefa raiso ny hafa. Ahoana no ahatongavana amin'io no tokony ho vaindohan-draharaha. Miaramiasa ny zava-drehetra hahasoa.

3. itaramasoandro ( 27/03/2009 14:26)
Tsy ny radio, tsy ny serasera no olana fa isika olombelona mampiodina azy no be siasia.

Zendana aho mamaky ireo hevitrao ireo satria mifandiaka ny fotony. Ahoana ny hifandraisanao @ firenen-kafa raha tsy @ alalan'ny serasera ?! Fifaneraseran'ny olona tsirairay eny an-tseranam-piaramanidina sy seranan-tsambo raha mihita ranomasina hivoaka ny Nosy, ampiarakodia na antsarety raha hikaretsaka an-tany.

Fifamoivozana isakarazany ankoatran'ny fifaneraserana an-tsoratra sy ambava indrindra ho an'ny Malagasy izay manamamy ny tenin-drazany sy ny fahendrena nampitainy t@ lovantsofina.

Amin'izao fotoana dia tsy firenena intsony ny firenena iray fa mifandray amin'ny hafa ary tsy hitombina intsony ny hoe tompon-tanindrazana.

Mitombona mandrakizay ny maha tompontany ny tsirairay, ny Malagasy ao anatiny izany. Hinianao adinoana vare ny mahamasina ny tanindrazana eo anivon'ny Malagasy? Ny tanindrazana tsy fivarotra ary tsy hialàna fa harovana satria nipohirana.

Noho izany ny harena entiny, na ambanin'ny tany na anabakabaka, na amban'ny ranomasina, na ny kolontsainy dia masina avokoa. Tsy misy zava hafa masina hafa tsy ireo.

Malagasy fo sy Malagasy saina, tsy hain'ny sasany aodikodina fa mivelatra @ kolontsain'ny hafa ary manandratra avo ny maha-Malagasy azy: io ihany no mety hampita ny firenentsika ho @ fandrosoana sy fahaleovantena.

Misy olona tahaka io eto @ Nosy saingy tsy mbola ampy ny Malagasy mety hanohana azy satria tsy mbola ampy ny fanamparitahana ny hevitra. Nohon'inona? Nohon'ny ankaso fampotehana, fandoroana ny fampielezam-baovao tahakan'ny radiom-pirenena.

itaramasoandro 8)

4. fafa75 ( 27/03/2009 15:01)
Mitombona mandrakizay ny maha tompontany ny tsirairay, ny Malagasy ao anatiny izany. Hinianao adinoana vare ny mahamasina ny tanindrazana eo anivon'ny Malagasy? Ny tanindrazana tsy fivarotra ary tsy hialàna fa harovana satria nipohirana.
fandalovana eto fa tsy misy tompony.
5. itaramasoandro ( 27/03/2009 16:37)
fafa75:

Mitombona mandrakizay ny maha tompontany ny tsirairay, ny Malagasy ao anatiny izany. Hinianao adinoana vare ny mahamasina ny tanindrazana eo anivon'ny Malagasy? Ny tanindrazana tsy fivarotra ary tsy hialàna fa harovana satria nipohirana.
fandalovana eto fa tsy misy tompony.

satria ve ianao mandalo fa tsy hionona mandrakizay eto an-tany ka dia tsy tompon'ny tenanao ianao ?!!! :o hay va re izany no ny tianao ho lazaina @ hoe [/quote]fandalovana eto fa tsy misy tompony.
[/quote]

itaramasoandro 8)
6. soanja ( 27/03/2009 21:13)
itaramasoandro:

Tsy ny radio, tsy ny serasera no olana fa isika olombelona mampiodina azy no be siasia.

Zendana aho mamaky ireo hevitrao ireo satria mifandiaka ny fotony. Ahoana ny hifandraisanao @ firenen-kafa raha tsy @ alalan'ny serasera ?! Fifaneraseran'ny olona tsirairay eny an-tseranam-piaramanidina sy seranan-tsambo raha mihita ranomasina hivoaka ny Nosy, ampiarakodia na antsarety raha hikaretsaka an-tany.

Fifamoivozana isakarazany ankoatran'ny fifaneraserana an-tsoratra sy ambava indrindra ho an'ny Malagasy izay manamamy ny tenin-drazany sy ny fahendrena nampitainy t@ lovantsofina.

Amin'izao fotoana dia tsy firenena intsony ny firenena iray fa mifandray amin'ny hafa ary tsy hitombina intsony ny hoe tompon-tanindrazana.

Mitombona mandrakizay ny maha tompontany ny tsirairay, ny Malagasy ao anatiny izany. Hinianao adinoana vare ny mahamasina ny tanindrazana eo anivon'ny Malagasy? Ny tanindrazana tsy fivarotra ary tsy hialàna fa harovana satria nipohirana.

Noho izany ny harena entiny, na ambanin'ny tany na anabakabaka, na amban'ny ranomasina, na ny kolontsainy dia masina avokoa. Tsy misy zava hafa masina hafa tsy ireo.

Malagasy fo sy Malagasy saina, tsy hain'ny sasany aodikodina fa mivelatra @ kolontsain'ny hafa ary manandratra avo ny maha-Malagasy azy: io ihany no mety hampita ny firenentsika ho @ fandrosoana sy fahaleovantena.

Misy olona tahaka io eto @ Nosy saingy tsy mbola ampy ny Malagasy mety hanohana azy satria tsy mbola ampy ny fanamparitahana ny hevitra. Nohon'inona? Nohon'ny ankaso fampotehana, fandoroana ny fampielezam-baovao tahakan'ny radiom-pirenena.

itaramasoandro 8)

Aoka tokoa hazava ry Itaramnasoandro fa tsy mankasitraka ny fandoroana sy ny fanimbana n'inona n'inona aho fa saingy izay zavanisy dia nisy tokoa noho ny inona hozy ianao? Milaza ny marina ve ireo serasera ireo? manome hafaliana sy fahafaham-po ny hafa ve ny vakoka ananantsika izay imatematesantsika nefa hanaratsiantsika ny an'ny hafa? Sampy ratsy fa ny lakroa mety na ny akanjo fotsy mety? inona no olantsika voalohany? io no tiako tsindrihana.

Ireo dia azo dorana ary azo atsangana indray fa ny mom antsika kosa sy ny ho avin'ny zanantsika hanao akory? havela hibaribary ve ny fahantrana tsy mety hefa? ny eo ateraka nefa tsy voakarakara? Zara raha miaina?

Hozy aho hoe tiavo ny tanindrazana saingy aza heverina fa anao irery ary ny momba anao irery no tena izy. Ifandimiasana ny toerana ary fandalovana no eto. Hatsarao izay mety sy mampifandray ny rehetra. Ka raha tonga mandom-baravarana ao amintsika ny Komorianina ohatra dia raiso izy ho isa'ilay hanatsara ny tanindrazantsika. Matoa izy tonga dia satria te hifandray amintsika ho isantsika! Miara miaina isika ary tsy misy tompon-tanindrazana izany intsony fa izay toerana mahasoa no ho fireneko. Ireo no hevitro. Aza manahy fa rehetra dia hivoatra amin'ny hahasoa!

Ampitiavana hatrany! Soanja

:-* :-* :-*
7. itaramasoandro ( 28/03/2009 01:46)
Milaza ny marina ve ireo serasera ireo? manome hafaliana sy fahafaham-po ny hafa ve ny vakoka ananantsika izay imatematesantsika nefa hanaratsiantsika ny an'ny hafa?

na marina na tsia no voalalazan'ny serasera samihafa dia io no efa voarain'ny olona nihaino, nijery na namaky ilay fitaovam-pitseraseràna. Olana iray hafa io ary mampalaelo raha izany no miseo satria fantatrao rasaonja fa fitaovana politika (stratezika (?)) ny radio, fahita-lavitra sy ny gazety antsoratra.

maro noho izany ireo mpanararaotra mampiasa azy mihaotra nohon'ny rariny sy hitsiny manaja ny zon'ny rehetra. Tadidinao vare ao @ tantaran'ny izao tontolo izao ny nampiasan'ny "nazi" ireo taratasy trakta nampielezany ny heviny anivon'ny firenena nanaovany jadona?

zava mampalaelo niseo io saingy rakitra anaty tantara mba ho fantarin'ny zanaka @ jafy fa nisy ny fotoana fampiorohoroana. Rakitra an-tantara ihany koa fa olona tahak'izao tao anatin'ny firenenana tahaka izao, niara-monina tahaka izao no nianjadian'izany.

Ireo dia azo dorana ary azo atsangana indray fa ny mom antsika kosa sy ny ho avin'ny zanantsika hanao akory? havela hibaribary ve ny fahantrana tsy mety hefa?

raha voadoro ireo rakitra an-tsoratra sy am-peo ireo dia kely foana ny ho lovain'ny faraman-dimby satria zary tsy miraharaha ny fomban-drazana intsony na iza na iza ka dia na ny lovantsofina aza tsy misy mampita.

na iza na iza vahiny tonga eto @ nosy ka mitady ravinahatra dia ho raisin'ny malagasy tsy ankanavaka izy ireo satria olona tia fihavanana ny malagasy. Raha toa kosa ka mitady ny hanitsakitsaka ny fomba amampanaon'ny malagasy izy ireo dia soavadia hiverena @ taniny.

raha misy koa firenen-kafa manoy na manandrana manitsaka ny zon'ny malagasy hitondra ampahaleovantena ny fireneny, dia soavadia izy hiverena @ taniny fa tsy fotoana fanjanahana intsony ny ankehitriny.

ho faranako @ ity: tsy misy firenena tsy mikorontana ao @ tantarany saingy ny fiseoan'io fikorontanana io eo anivon'ny vahoaka-mponina sy ny fitondrana no mampiseo raha matotra na tsia ilay firenena.

aiza ho aiza @ io hoy ianao no misy antsika malagasy @ izao fotoana izao? satria vare ry zareo any irelandy, roandà, pakistà, israely, sns, aza mbola tsy milamina ka dia andao koa hanaraka ny zava-misy ramalagasy ?!

misy ny mahay mifanaja na tsy mitovy hevitra aza fa tsy fanjakan'ny baroa akory ny firenena mahaleotena ka hanaovana sehatra fitondrana mahery setra. Misy olona, fianakaviana, ray, reny sy ankizy ao ary samy manana ny zony hahalala ny tantarany sy hiaro azy ny tsirairay avy.

sa ahoana hoy ianao?

itaramasoandro 8)
8. soanja ( 29/03/2009 07:35)

Tsy azo lavina tokoa ny teninao ry Itaramasoandro.

Tsara sy mahafinaritra ary mahasoa ny fitahirizana ny vakoka sy ny momba antsika ary izay mba tiantsika holovan'ny zanantsika.

Fa raha kosa zavatra hanolotra zava-doza ny zanantsika ny fisiany dia aleo aza naman'ny tsisy.

Ny tranombakoka izany dia tena ekeko tokoa ny fitandrovana an'io. Fa ny Radio sy Tele hambosesika lainga lava sy hanome fanabeazana amin'ny tsy izy no henoana isanandro sy heverin'ny rehetra fa io no izy dia hoy aho hoe aleo aza ho levona mba tsy hisian'ny fanontaniana akory hoe inona no nisy teto.

Tsy mankasitraka ny tele sy ny radio mandeha isanandro tsy ankijanona mameno ny sain'ny ankizy mbola tsy vonona handray ny politika aho ary tsy mankasitraka velively indrindra ireo izay mivoy ny fisaraham-bazana sy fanabatiana ny hafa.

Ka raha tsy tafiditra ao anatin'ireo ireo haino aman-jery sy serasera resahinao ry Itara dia manaiky aho fa manohana ny hevitrao tanteraka aho ary ialako tsiny ny fifandisoan-kevitra teny amboalohany.

9. fafa75 ( 29/03/2009 08:16)
satria ve ianao mandalo fa tsy hionona mandrakizay eto an-tany ka dia tsy tompon'ny tenanao ianao ?!!! hay va re izany no ny tianao ho lazaina @ hoe
Tsy midika fa tsy tompon'ny tenako aho raha milaza an'io, fa kosa ny tiako ho lazaina dia: tsy ho afaka mitondra ianao na dia vovoka kely @ tongotrao fotsiny aza raha vao tapitra ny fofon'ainao.
10. itaramasoandro ( 01/04/2009 04:20)
Tsy mankasitraka ny tele sy ny radio mandeha isanandro tsy ankijanona mameno ny sain'ny ankizy mbola tsy vonona handray ny politika aho ary tsy mankasitraka velively indrindra ireo izay mivoy ny fisaraham-bazana sy fanabatiana ny hafa.

Ka io anie rasoanja ny anisan'ny antony hisian'ny ray-aman-dreny ê: ny mba anarahiny maso ny taranany, hanomezany azy ireo toro-hevitra mahasoa, hivoariany matetika "amorom-patana" hamisavisàna ny fiainana sy hamolavolana ny ho avy ê!

Tsy ny radio irery ary nahoviana no hamolavola ny sain'ny tsirairay sy ny ankizy fa ny ray aman-dreny, ny raib, renibe, ny fianakaviana manodidina, ny namana aman-tsakaiza, ny sekoly, ny serasera isankarazany. Ireo rehetra ireo dia fantatrao tsara fa niditra ary mitohy miditra eo @ fampiroborobon'ny saina, eo @ fanabeazana.

Anjaran'ny ray aman-dreny ny manaraka akaiky ny henoin'ny zaza madinika y ny zatovo fa tsy izay mandeha @ fahita lavitra sy onjampeo akory ka dia lavorary avokoa.

Tsaroanao va re ny dinika amorompatana? Ankehitriny, misorompatana manolotra hevitra isankarazany no tsara ho tohizana fa tsia misoroka'afo andoro fitaovampampielezam-baovao.

Hono ho'a', misy ohatra zary fanontaniana manitikitika ahy : satria vare nitondra fakofakon-javatra ny làkanao raha nihita rano indray mandeha ka dia ho arianao sy ho doroinao ilay fitaovana fampitan-drano ka hivanàka fotsiny eo ianao?

itaramasoandro 8)
11. soanja ( 02/04/2009 03:38)

Tsy mbola nanadino ny sekolin'ny Ntaolo aho ary ireo dia samy nanana ny hanitra ho azy avokoa sy ny fitsimbinana ny taranaka:

- ny sekoly amorom-patana
- ny sekolin'ny tsiambaratelo
ary ny sekoly amorom-pahitra

Amiko ireo no tena sekoly mirakitra fahendrena satria tsy ny ray aman-dreny mihitsy no mandray an-tanana ny fampianarana ny zanany sy mampita ny soatoavina rehetra ho an'ny taranaka faramandimby.

Indrisy anefa isika amin'izao fotoana, nilaozana ela ilay ambala na ny any ambanivohitra. Gaga tokoa aho raha nitsidika sy niresaka tamin'ny ankizy tao an-drenivohitra dia be dia be tokoa no tsy manana ambala na ambanivohitra aleha raha tsy hoe ny handevina ry zareo na hamadika. Zany hoe ny fasana no misy any fa ny ankoatr'izay dia tsy dia manana fifandraisana loatra ry zareo amin'ireo olona any na koa aza tena nanary ny havana any satria nokilasiana hafa ireo olona ireo matetika.

Ny tiako tenenina dia efa nivadika ny fifandraisana izao fa tsy toy ny taloha intsony. Tsy isika ray aman-dreny intsony no matetika mandray mivantana ny fanabeazana ny zanantsika fa ny fiarahamonina iainany izay feno disadisa sy olikolika ary fitakiana ara-pitaovana sy filana ho an'ireo zaza na zanaka.
Ny tiako voizina dia tsy ny filana avy any anaty no mitaky fihoarana aty ivelany fa ny ety ivelany no mangady ireo zaza ao anaty ka zary very saina mbola tanora ireo zaza. Tsy ao Mafa ihany anefa izany fa na ety ivelany aza. Tsy azo sakanana ny fivoarana ary tsy ho voasakana satria izay no fiainana.

Saingy hatraiza no hanekenao ny fivoarana ho an'ny zanakao?

Eo angamba ny olana mipetraka amiko.

Variana dia variana tokoa aho rehefa mandeha fiara taxi brousse ny tabataban'ny radio eran'io amin'ny resaka isan-karazany indrindra ny resaka politika. Ny fanabatiana olona sy ny fanambaniana ny hafa moa mandeha ihany amin'io, ka zary na ny zaza mitaingina ireo fiara fitateram-bahoaka dia maharaka tsy fidiny izay resak'olondehibe sy ny hadalany isan-karazany.

Ny mahagaga ahy koa anefa rehefa mitsidika tranonolona aho dia ny tele mivazavaza ary ny ankizy eo ampototry ny tele manomboka maraina ka hatramin'ny milentika masoandro ary alina no hitako. Gaga aho hoe fa maninona foana ary ny ankizy no lasa tsy tia milalao any amin'ny manodidina fa lasa sodokan'ny tele sns.. eo diatiany ho azo daholo izay dokambarotra eo. Amiko izany dia ny kolontsainan'ny tele sy ny radio no abosesika ny zaza madinika fa tsy ny soatoavina eo anivon'ny fianakavina izay resahiko ery amboalohany.

Aiza ny ray amn-dreny? sahirana mitady vola na sahirana manaraka ny politika misy sns sns... hadino ny fanabeazana ny ankizy.

Koa raha miteny aho hoe raha serasera hanapotika ny ho avin'ny ankizy amin'ny politika dia aleo aza tsy misy. Tsy midika anefa izany ka hanoro vohona azy handrodana na handoro izay toerana fandefasana izany na hanimba fa fiteny ny ahy hoe raha sanatria ka iny no hanabotry dia aleo aza levona.

Hilaza aminao aho ry Itara fa na dia ny vavaka hariva alohan'ny hatory aza betsaka ny fianakaviana tsy manao izany intsony satria varina mijery tele sy mihaino izao resa-be mandemy atidoha rehetra izao. Raha nanomboka vavaka aho alohan'ny isakafo ka hikimpy sy fifandray tanana dia mihomehy ny sasany satria tsy mahazatra azy izany ary tsy nobeazina amin'izany izy. Oviana anefa moa isika no hanana fotoana ifandraisana akaiky sy ampo amin'ireo zanantsika raha tsy ny fotoana fisakafoanana, izay ny an'ny Ntaolo ; ny fotoana amorom-patana sy ny fotoana fisakafoanana no ifampiresahana ny zavamisy. Tsia, tsy misy izany anefa amin;'izao fa lany hijerena tele ny fotoana isakafoanana ary ny ambiny hatoriana rehefa ao an-trano.

Mampalahelo tokoa!

Ny hamaliako anao dia hoe tsara ny serasera saingy mila fandinihina ny fampiasana azy. Fotoana fandinihana ho an'ny Gasy izao fotoana izao? inona tokoa moa no ilantsika an'io tele sy radio io fa tsy tokony hampitana kolontsaina no sady hakana hamohamo sy hiara hifaliana amin'ny hafa. Raha tsy izay dia aleo tsy misy!

12. itaramasoandro ( 02/04/2009 04:26)
tsotra dia tsotra ny zavatra azo hatao anivon'ny fianakaviana raha tahakan'ny mirediredy ny radio sy fahita lavitra:
  • Item 1 : esorina avy ao an-tokatrano na tsy mividy tsotra izao ilay mpimenomenona
  • Item 2: mifidy mialoha izay tiana ho henoina na jerena fa misy ny fandaharam-potoana
  • ny ray aman-dreny ihany anefa no mety manara-maso ny ataon'ny kilonga satria na miasa aza izy ireo dia mbola tomponandraikitra @ fanabeazana voalohany ny tarany. Ny zoky (tsy dia adala ;-)) dia manohana izany ihany koa, ho antsika malagasy.

    itaramasoandro 8)
    13. soanja ( 03/04/2009 14:04)

    Izay hevitrao izay no tsara indrindra saingy tsy izay ny zavamisy any Mada. Ary milaza aminao aho fa tsy ampy fanabeazana hahalala izany ny ray amndreny be dia be ao Mada fa zarany aza misy zavatra handanian-dry zareo andro henoina lava.
    Araka nolazaiko moa hoe n'aiza n'aiza alehanao ao Mada indrindra ny tanan-dehibe dia mitatata ny radio sy ny tele. Ka asa na ahoana ny fomba tsy iparitahan'izany amin'ny toerana ilalaovan;ny zanakao sa ve ahitsoka ao an-trano koa ny zaza tsy hilalao an-tokotany??

    Ny fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ny haino aman-jery no zavadehibe eo amin'ny firenana iray. Mila beazina ny ray aman-dreny handany fotoana bebe kokoa amin'ny fitaizana ny zanany fa tsy sakafo sy akanjo fotsiny no sady koa arahin'ny fanjakana maso ny fotoana fandefasana politika fanaparitahan-kevitra ao amin'ny serasera radio sy tele. Tokony fanalana hamohamo (hira sy fampianarana zavamisy documentaire ary film ) sy kilalaon-tsaina ary fanitarana ny kolontsaina no tokony ho mission fa tsy politika lava reny. Rehefa hiresaka politika dia amin'ny alalan'ny vaovao na isaky adiny 4 na dimy.

    Mivaona ny firenena rehefa tsy mifandanja ireo.

    14. itaramasoandro ( 03/04/2009 19:54)
    zary mitovy hevitra ary isika no niafarany ka misoatra anao nitafa. Ny zanakao angaha tsy mba milalao @ andro diavolana eny an-tokontany? milalao baolina, na manao tsikonina? tsoa-bato sy ny sisa? Avereno ny lalao taloha dia ho hitanao fa ravo tokoa izy ireo.
    itaramasoandro 8)
    15. soanja ( 04/04/2009 00:31)
    itaramasoandro:

    zary mitovy hevitra ary isika no niafarany ka misoatra anao nitafa. Ny zanakao angaha tsy mba milalao @ andro diavolana eny an-tokontany? milalao baolina, na manao tsikonina? tsoa-bato sy ny sisa? Avereno ny lalao taloha dia ho hitanao fa ravo tokoa izy ireo.
    itaramasoandro 8)

    Marina izany. Raha ny fanabeazana dia ny nataon'ny Ntaolo no hitako mety indrindra; amin'ny alalan'ny natiora sy ny traikefa niainany no hampianarany ny zavamisy eo amin'ny olombelona sy ny fitombony.
    Izaho izao no tena anisan'ny mpandany andro sy mampilalao ankizy rehefa diavolam-pararano ka mba any Mada ny tenako. Ny vitsiny, tsikonina, tsikakaka, ny palet, ny elastika, ny ballon prisonier sy ny maro hafa. Fa ny tena zavamahafinaritra ahy indrindra dia ny mampianatra ny ankizy hanao ankamatatra sy angano ary fiatombohana kabary eo amin'ny ankizy.

    16. itaramasoandro ( 07/04/2009 04:38)
    ny palet, ny elastika, ny ballon prisonier

    fa hatr@ hoaviana indra ireo no lalao malagasy?!

    8)
    17. soanja ( 07/04/2009 05:22)
    Rehefa nolalaovin'ny zaza Malagasy ireo dia lalao nataony avokoa izany. Ny kilalao tsy ho voatery ho nipoitra avy ao Mada avokoa, fa kosa ny fampiasaina azy ao dia hilazana azy fa kilalaon'ankizy izany tamin'izany fotoana izany. Ny ladinety izao dia isan'ny kilalaonay tamin'ny mbola kely. Tsy nahalala izay hoe gasy vs vazaha tamin'izany fa io no kolontsaina niainanay tamin'izany.

    Fa raha kosa iresaka ny lalao fahagasy isika- ny andron'ny Ntaolo dia azoko tanisaina izay mba haiko hifampizarana saingy tsy nilalao azy ireo intsony aho fa nianarako ny fisiany toy ny sekoly amorom-patana dia tsy niainako fa fantatro ny nisiany sy ny hafa maro.

    Ny kilalao ho an'ny ankizy dia tsy azo ferana hoe gasy foana akory fa ny fahafantarana kosa hoe mankaiza ny ho fivoatrany sy ny fiantraikan'izany amin'ilay zaza milalao azy dia tena zava-dehibe tokoa!

    18. itaramasoandro ( 09/04/2009 03:33)
    Ny kilalao ho an'ny ankizy dia tsy azo ferana hoe gasy foana akory fa ny fahafantarana kosa hoe mankaiza ny ho fivoatrany sy ny fiantraikan'izany amin'ilay zaza milalao azy dia tena zava-dehibe tokoa!

    zary nivoaka kely ny loha-hevitra teo ampiandohana izato dinika saingy tsy manahy.

    aoka ary hazava ny resaka fa ekena fa tsy notononinao ho kilalao gasy ireo ataonao ho
    palet sy ballon prisonnier
    sns, saingy novisavisainao tao aorianan'ny resaka momban'ny lalao noentin-drazana.

    manaraka izany tsy manavaka mihitsy aho na lalao nolovaina t@ Ntaolo na lalao noentin'ny mpivahiny no hilalaovako, satria ny lalao dia tahakan'ny serasera ihany koa: tsy misy fariparitra fa natao hampifandray ny tsirairay, tsy misy lalaon'ikalahafa fa izay milalao sy hilalaovana dia miray avokoa, tsy misy fanavakavahana.

    ny tiako ambara fotsiny dia ny hoe: maro ireo lalao hafa avy ivelan'ny Nosy izay mahafinaritra ahy saingy mamiko manokana ireo lalao nataoko foiny fahazaza ary tena malagasy, ny raosijamba, ny soamiditra, rahahitsikitsika, fanorona, sns mampanembona , izay natao diavolam-pararano, ary nampitaiko @ zanako.

    milalaova ary mahita fahafinaretana!

    itaramasoandro 8)

    19. soanja ( 09/04/2009 06:10)

    Marina tokoa izany saingy ny mahaMalagasy dia misandrahaka eran'ny nosy tokoa. Io kilalao resahinao ireo dia mety ny olona avy ao ampovoan-tany no nilalao azy sy nampitaina izany fa raha ny avy any anindrana dia toy ireo voalazako ireo no kilalao tany ary nahaGasy anay tokoa ireo!

    Ankoatr'ireo dia nisy ny jijy, romboa, kakalihilahy, ny fanaovana benja sy ny lahoeka ary ny dihim-boay!

    Ny zavadehibe angamba ry Itara amiko dia tsy ny hoe mahaMalagasy taloha no fohazina fa ny fitazomana ny soatoavina iombonana amin'ny samy Malagsy arakaraky ny vanim-potoana sy mifandraika ka tsy hanimba ny ankizy no tena zava-dehibe.

    20. itaramasoandro ( 18/04/2009 22:42)
    Hambarao ahy re Rasoa ny hatao hoe "kakalihilahy, ny fanaovana benja sy ny lahoeka ary ny dihim-boay!" fa tsy fantatro loatra izy ireo.

    Ny benja va re ka toa ny jijy? Mahaliana!

    itaramasoandro 8)
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091