olon'ny radio sy serasera hoe ?!

21. soanja ( 19/04/2009 00:15)
- Kakalihilahy dia toy ny kilalao Rakakabe ihany. Fa lehilahy zany no rakakabe. Ny atao hoe Kaka aloha izany dia Biby misaina ihany. Zany hoe sady olona no biby. Dia ny ankizivavy misitrika ny bandikely no kakabe. Dia rehefa vita samy tratra daholo dia mihira ny kaka lelah! Lihilahy!! hira , dihy, mifangaro tehaka na rombo.

- Ny benja indray dia kilalao fanaovan'ny zazavavy ka manao toy ireny vernie ireny ka misy vonikazo atao hoe benja dia iny no totoina dia atao amin'ny hoho. Mifanao izany ny ankizy ary misy fahaizana tokoa ilay izy (art) satria afaka atao sarisary amin'ny tanana ary ao koa ny fahafahana miandry azy ho maina , zany hoe mianatra manangana faharatena ny zaza eo ampanaovana azy ary raha irahana dia mila mahay mikendry tsara izay atao mba tsy ho simba ny benja eny amin'ny tanana. (mianatra coordination)

- Ny Lahoeka indray dia kilalao fitantarana valamaty. Eo ilay zaza dia mamorona zavatra tsy mbola nataony na eritreretiny dia lasa eo ny resaka. Zany hoe imaginative zany ny kilalao atao eo ary afaka mandeha lavitra tokoa ny saina manao izany moa mitombo ny voambolana hainy. Io dia mitarika tokoa amin'ny fahaizana miteny ampahibemaso na kabary (public speaking) , zany hoe rehefa lehibe ilay zaza dia tsy mety tsy handainga intsony saingy hahay hamoaka ny heviny eo anatrehan'ny maro tsy misy henatra na hampiseho ny heviny. Mampiakatra self-esteem tokoa io kilalao io ary tena mahaliana sy mahavariana ny mihaino izany fa tena afapo sy very dia ny ankizy. Isaky ny diavolana no fanaovanay an'io eo an-tokotany be!

- Ny dihim-boay indray dia dihy miaraka amin'ny rombo ka manao faribolana ny ankizy; eo ampovoany mifandimby ny ankizy toy ny manao pompy ny mandihy azy ary mi-tsambikimbikina ny vatana manao marindrano amin'ny tany. Resaka education fizika tokoa io ary mampatanjaka ny hozatry ny tanana sy ranjo moa misy ritma arahina tokoa miaraka amin''ilay hira.

Mahasoa ny kilalao. Mazotoa hatrany mandalina an'i Madagasikara sy ny fiarahamonina hafa!
22. itaramasoandro ( 19/04/2009 03:25)
Anky! Ny anarany ihany hay no miova ho kakalihilahy saingy efa fantatro ny fitsipiky ny lalao.

Ny benja koa dia fanaonay saingy tsy totoina ny felamboninkazo fa avela hivelatra ambonin'ny hoho, rehefa nitady felana mitovy ahabe tsy misy mihaotra ny velaran'ny hoho.

Ny loko mavo azo t@ tahon-tsilo kosa no fanosotray t@ hoho saingy hadinoko ny anaran'io tsilo io.

Vaovao tamiko kosa ny lahoeka saingy lalao tamaboa no fanaonay itantaràna ny resaka heno avy etsy sy eroa ka haverina atao toa ny tantara jerena any @ Tranompokonolona na @ tantara @ onjampeo. Vato na tavohangy maroloko misy karazankalavàna ary tehirizina anaty saron'ankarona manokana ny tamaboa ary kilalao noheverinay zavavy ho sarobidy tokoa ka narovana tsara.

8)



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1538