Vilany tany sarobidy

1. niryna ( 25/03/2009 05:23)
Nasain'ity lehibe nitondra rano teo an-tanana ireto olona roa ireto,ny iray vilany tany vaovao no nitondrany rano ary ny iray vilany tany efa tonta ,mitresatresaka sady mitete ,io no mba fananany ary io no nitondrany rano .

Ilay vilany tany tsara dia nitondra rano betsaka tokoa satria feno ilay vilany fa ilay vilany tany mitsitra kosa dia antsasany rano ihany no tongany.

Na izany aza dia nasian'ilay lehibe voninkazo ireo vilany tany ireo taty aoriana ary dia nidoroboka tsy nisy toa izany ny voninkazo tao anatin'ilay vilany tany mitresatresaka


Ny kristiana dia azo oharina io vilany tany mitresatresaka io: maloto,mora potraka,indraindray toa tsy misy endriny,mora vaky,malemy, mahatsampa ho malahelo ,mitomany,toa hianjadian'izao zavatra maro amin'ny fiainana izao,feno halemena,indraindray aza lazain'ny olona fa adala satria tsy mitovy ny heviny ....ny fisainany
Fa manana izao rakititra izao ao amin'ny vilany tany izahay ,mba ho an'Atra ny halehiben'ny hery,fa tsy ho avy aminay. II Kor 4:7


kanefa kosa dia ireo olona ireo no ampiasain'Atra mba hidera ny voninahiny sy hizara ny fahasoavana izay nomeNy azy ireo ny hafa .Manana rakitra lehibe sady sarobidy ny ao anatin'ilay vilany tany ..Mety endrika ety ivelany no itazamana azy dia voatsara araka izany endriny aty ivelany izany izy ireo.. fa ny ao anatiny dia sarobidy amin'Atra ary ampiasainy ataony hiderana ny voninahiny

Noho ny fahasoavana nomen'Atra ho azy ireo anefa dia manana rakitra voatahiry izy ireo ary sarobidy eo amin'Atra ka na inona mitranga na inona voana mahazo dia tsy ho kivy sy tsy matahotra satria tsy hery avy amin'izy ireo no manampy azy amin'ny fiainana fa avy amin'Atra ka hoy ny soratra manamafy izany hoe Voageja manodidina izahay ,nefa tsy tery;very hevitra ,nefa tsy mamoy;enjehina ,nefa tsy nahafoy;potraka ,nefa tsy maty II kor 4:8

Rehefa mahatsapa isika fa miaraka amintsika Kristy ary ny heriNy no ao amintsika amin'ny fiainantsika ,na inona mahazo,na inona manjo, dia tsy matahotra isika satria mahafantatra fa ilay Atra no loharano lehibe indrindra amin'ny finoantsika,ny fanantenantsika ary ny fampaherezana ao amintsika.
Koa meteza aza ho vilany tany izay mirakitra ny fahasoavana lehibe sarobidy. Izay kely fantatrao momba an'i kristy no zaraina,omeo jiro ireo izay ao anatin'ny maizina ,ary zarao ny hafa izany jironao izany .
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandrato anankiray izay nikatsaka vato soa ary rehefa nahita vato soa iray sarobdiy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy . Matio 13:45


(l) niryna
répondu par niryna le 29/03/2009 04:41
2. niryna ( 29/03/2009 04:34)
niryna:


Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandrato anankiray izay nikatsaka vato soa ary rehefa nahita vato soa iray sarobdiy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy . Matio 13:45


44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Matio 13:44




3. niryna ( 29/03/2009 04:41)
31 Kanefa katsaho ny fanjakany;dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Lioka 12:31
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0911