Sokafy ny maso

1. xxx ( 13/03/2009 22:09)
Ry Keistianina havana, sokafy ny masonareo sao ho voafitak'ilay bibilava. Misy mivoy hevitra mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra mafy dia mafy eto hampihozongozona ny finoanareo. Ny teti-dratsiny dia ny hanoherana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fandikana vilana (na araka izay heviny manokana) izay voasoratra ao amin'ny Baiboly.

Inona ny mety ho tanjony? Izaho tsy mahalala, asa...sao sanatria hoe "aza manonmpo ny Andriamanitra Rain'i Jesoa fa manaraha ny finoana silamo"? Sanatria!

Ohatra amin'izany ny famporisihina an-kolaka ny olona hampiasa kapoty...asa...satria angamba ny silamo mahazo manambady be dia be? lol

misy koa ny fanaovana "interpretation" tsy misy fandalinana hoe "mpamono olona Andriamanitra". Raha ny fitsaran'Andriamanitra ny rehetra izay fantatsika fa Andriamanitra MARINA dia "namono ireo minia manao heloka Izy". Midika ve izany fa "mpamono olona"? Moa tsy efa niady varotra taminy i Abrahama saingy tsy nahita olo-marina na dia iray aza? MARINA Andriamanitra.

Sokafy ny maso ry havana fa aza manaiky rebireben'ilay bibilava. Ho aminareo anie ny fitahian'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy, ilay hany lalan-tokana ahazoantsika ny famonjena! Amena!
répondu par niryna le 18/03/2009 03:37
2. soanja ( 13/03/2009 23:50)
xxx:

Hoy ny Tompo hoe: " Aoka tsy atahotra na angorohoro ny fonareo fa ny fiadanako no homeko anareo"
Hoy koa Izy hoe : " Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary ny Fiainana"

Raha miaina ao anaty tahotra ianao dia tadidio fa mbola tsy ampy ny finoanao. Raha mbola miaina ao anaty ahiahy dia mitodiha amin'i Jesoa fa Izy hanome anao fitoniana. Izy hanolotra anao ny lala-mahitsy. Tsy hanokatra maso akory ianao dia efa hibanjina ny fitiavana sy ny fiadanany amin'ny alalan'ny Fanahy Mpankahery sy Mpanoro lalana. Tsia, tsy ny maso no hanoro anao ny lala-mahitsy fa Ilay Taratra Mazava izay manenika antsika dia ny Fanahy avy amin'Andriamanitra.

Hoy zaho Soanja hoe:" Sambatra izay tia ny namany, ny havany, ny hafa noho ny tenany ary indrindra ny fahavalony, fa Izy no hisalotra voalohany ny amboaram-pitiavan'i Kristy."

xxx> Ny Tompo anie hitahy anao sady hanala ny tahotra sy ny fisalasalana misy na manjaka ao anatinao. Tohizo ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra fa io dia sakafom-panahy ilain'ny rehetra. Ezaho hazava ny tenin'Andriamanitra mba tsy hiaina ao anaty tsy fahalalana ny Kristianina izay heverinao fa afaka mihaino anao. Andraikintsika tsirairay ny milaza ny fitiavan'Andriamanitra ary mampiely azy eran'ny vazan-tany efatra , fa andraikintsika voalohany kosa dia ny mampiseho izany fitiavana izany ho modely tsara arahina ho an'ny rehetra. Namaste!
:-* :-* :-* (l) (l) (l)
3. soanja ( 14/03/2009 00:41)
Raha sanatria ka matahotra ny bibilava ianao dia indro ny tenin'Andriamanitra mahafehy izany:

II Timoty 1:7

7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

7 For God gave us not a spirit of fearfulness; but of power and love and discipline.
4. Mirananirina ( 14/03/2009 10:57)
misy koa ny fanaovana "interpretation" tsy misy fandalinana hoe "mpamono olona Andriamanitra". Raha ny fitsaran'Andriamanitra ny rehetra izay fantatsika fa Andriamanitra MARINA dia "namono ireo minia manao heloka Izy". Midika ve izany fa "mpamono olona"? Moa tsy efa niady varotra
Ny baiboly no milaza io ,ao anaty baiboly.
Ka na inona na inona filazanao dia Andriamanitra tsy mpamono olona toy ny finoanao azy.
Inona ny mety ho tanjony? Izaho tsy mahalala, asa...sao sanatria hoe "aza manonmpo ny Andriamanitra Rain'i Jesoa fa manaraha ny finoana silamo"? Sanatria!

Nisy olona nitarika angaha tato hoe:avia manaraha ny silamo????????? 8O 8O 8O .Sa mamorona fotsiny izato ianao.Maninona anefa raha miseho fa tsy manafina xxx toy izao;manendrikendrika be ato fotsiny.
Sao heverinao fa hafa ary ny dikany ity:Andriamanitra;God;Allah,Gott,Dieu,Dios,sns.....................marobe.
Aza miteniteny foana fa mahamenatra,manalabaraka ny gasy
5. ikaretsaka ( 14/03/2009 16:21)
Mamonje fotoam-bavaka kristianina any @ tany miteny arabo fa allah allah be no mandeha ao....
De hoe tsy poinsa izany io fa mivavaka @ allah
6. Mirananirina ( 14/03/2009 17:24)
Andriamanitra Rain'i Jesoa

Raintsika rehetra ka,
Iza no Andriamanitran' i Adama sy Eva??????????????????????????????????????
Andriamanitra,Dieu,God,Allah,Dios,Dio,Gott,Dewa,sns.......................aminy teniny tsirairay avy.
7. Mirananirina ( 14/03/2009 17:26)
Efa nisy Andriamanitra talohan'i Jeso.
8. xxx ( 14/03/2009 18:50)
9. coopsal ( 16/03/2009 09:24)
soanja:
Tsy hanokatra maso akory ianao dia efa hibanjina ny fitiavana sy ny fiadanany amin'ny alalan'ny Fanahy Mpankahery sy Mpanoro lalana. Tsia, tsy ny maso no hanoro anao ny lala-mahitsy fa Ilay Taratra Mazava izay manenika antsika dia ny Fanahy avy amin'Andriamanitra.

==> Na miseho aza anie ny hazavana, rehefa ny maso no mikipy na tsy mahita, tsy mahasoa akory ny hazavana e!
Ho ahy, ny manaraka an'i KRISTY tsy an-jambany mihitsy. Ny maso misokatra tsara, saingy mila KRISTY no banjinina. Ahoana no ahafahan'izay mikipy hanaraka olona iray ?
10. soanja ( 16/03/2009 20:32)
coopsal:

[quoteHo ahy, ny manaraka an'i KRISTY tsy an-jambany mihitsy. Ny maso misokatra tsara, saingy mila KRISTY no banjinina. Ahoana no ahafahan'izay mikipy hanaraka olona iray ?

Alalino tsara izany io teny io fa mety hahaliana tokoa. Hita maso ve izany io Kristy resahinao io? Misaotra mialoha. Ny soratra ao anaty baiboly ve no Kristy sa inona? Ianao ihany no nilaza tamiko fa tsy tsara ny fampiasana ny saina na ny asan'ny atidoha? dia omeo ahy ary izany ny ilana ny maso?

Ny tiako resahina eo ambony sao tsy azon'i Coopsal dia ny Fanahy ao anaty no hanome anao fitoniana sy filaminana manoloana olana iray satria tsy aiza Andriamanitra fa ao anatinao miresaka aminao. Ka na bibilava na varatra rehefa vonona ny masom-panahinao hihiratra amin'Andriamanitra dia tsy dia zavadehibe loatra rendrarendran'ny tsapa hafa ananan'ny vatanao satria na ny mitsingevana aza vitanao rehefa izany satria tsy ny vatana no miasa fa ny Fanahy.

11. ikaretsaka ( 16/03/2009 20:45)
namaste...
12. soanja ( 17/03/2009 04:38)
Namaste ranadahy! :-* :-* :-*
13. niryna ( 18/03/2009 03:37)

xxx:

Ry Keistianina havana, sokafy ny masonareo sao ho voafitak'ilay bibilava. Misy mivoy hevitra mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra mafy dia mafy eto hampihozongozona ny finoanareo. Ny teti-dratsiny dia ny hanoherana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fandikana vilana (na araka izay heviny manokana) izay voasoratra ao amin'ny Baiboly.

Inona ny mety ho tanjony? Izaho tsy mahalala, asa...sao sanatria hoe "aza manonmpo ny Andriamanitra Rain'i Jesoa fa manaraha ny finoana silamo"? Sanatria!

Ohatra amin'izany ny famporisihina an-kolaka ny olona hampiasa kapoty...asa...satria angamba ny silamo mahazo manambady be dia be? lol

misy koa ny fanaovana "interpretation" tsy misy fandalinana hoe "mpamono olona Andriamanitra". Raha ny fitsaran'Andriamanitra ny rehetra izay fantatsika fa Andriamanitra MARINA dia "namono ireo minia manao heloka Izy". Midika ve izany fa "mpamono olona"? Moa tsy efa niady varotra taminy i Abrahama saingy tsy nahita olo-marina na dia iray aza? MARINA Andriamanitra.

Sokafy ny maso ry havana fa aza manaiky rebireben'ilay bibilava. Ho aminareo anie ny fitahian'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy, ilay hany lalan-tokana ahazoantsika ny famonjena! Amena!

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Kor 2:14
Tsy ny rehetra akory no mahalala sy mahazo ny tenin'Atra ka ,anjaran'izay nomena izany no mizara ny namana eto .
Mandray izy ireo dia arahaba soa ,tsy mandray izy dia efa nomena ny Teny dia vita ny anjaranao ka..tsy ny rehetra no ahazo ilay izy fa raha mangetaheta izy dia omeo rano ,ampisehoy azy ilay fitiavan'i Tompo ao aminao,satria fitiavana no tsara indrindra,
hafafazo ny voanao fa tsy maintsy misy mamoa ao,voa tsara hafafy ary ny hafa no anondraka ary Andriamanitra no ampiroborobo azy.
Eny misy ny mbola tsy mahita hazavana koa anjaranao no manome izany fahazavana izany,tsilovy izy ireo fa mila jiro.tiavo izy ireo fa izay no ahalala fa mpianatry ny Tompo isika. Raha mbola tsy afaka ihinana sakafo izy dia ronono no omeo azy.
Ny anjarantsika dia ny mizara fotsiny hoy aho,tsy anjarantsika kosa ny hitsara hoe misy bibilava eto na iza no bibilava eto. tss...

Tsy ny rehetra akory no indray hifoha fa anjaranao/anjarantsika koa no mampahafantatra azy izany amn'ny fampisehoana ny fitiavana azy ireo no voalohany indrindra ary mivavaka azy ireo koa mba ny fanahy masina no ho ao amin'izy ireo fa rehefa mangetaheta izy dia sokafin'Atra ny fony ary andray an'i kristy koa izy ireo ka ..
hevitro io an

Hoy Kristy hoe

25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina
, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Jaona 14 25-26

Koa mivavaha mandrakariva mba ny fanahy masina no ho tonga ato amintsika ampianatra antsika ny fahamarinana ary dia mety ihiratra sy hisokatra tsara tokoa ny masontsika amin'izay sa mety hivandravandra fotsiny fa tsy ahita ry xxx ?

(l) niryna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2107