Sao d mora loatra ra8 le excuse

1. essera ( 27/02/2009 10:10)
Mbola salama tsara,

Misaotra ny namana Hery nanakana an'ilay rangorivao96 moa izy teo. Ary mba irariana mba ho ady hevitra mihamiakatra no atao ato, ary mba ho constructif koa e.
Fa ny tena tiako ambara indray kosa dia momba an'ilay andro tokony hihaonan'i ra8 sy andry :

- Alarobia 25 fév : napetraky ny déba vaovao ry Andry sy ny tariny ary ny FFKM.
- Alakamisy 26 fév. : tonga tampoka izy (déba io).

Raha ny fijeriko manokana dia tena "mauvaise foi" ny zavatra ataon'ny fitondrana ireny. Na inona na inona ve zavatra misy any amin'ny Faritany izay tsy hoe nisy rivo-doza, tsy nisy loza mahatsiravina niseho ilàna fidinana haingana dia apiesonana ilay olona ifanaraka aminao. Tena raha zah manokana ry zalah d mety mihitsy ny décision i Andry. Vao mihamantsy mihena ny taonan'i TGV raha tsy mba manana hazon-damosina amin'ireny izy.

Ny 26 février indray, dia mino aho fa fantatry ry zalah déba ny hahatongavan'ny Nations Unies d manao présent tampoka izy. Tena fomba fiady akaiky kely. Enga anie ny mpijery avy any ivelany izay mbola tsy tratran'ny intox handinika kely, na ny eto aza moa be di a be no misy lé hoe "iny zao misy renirano a", "d iny zao fa arahako a". Dia tena tsotra dia tsotra ilay fika.

Efa ela ihany aho no nanoratra tato hoe, iza moa ny président dia iza koa no vice président (fjkm tampoka le resahiko). Norm be ny Arseveka raha niala tamin'ireny mba tsy ho anisan'ny voagejan'ny adihevitra à sens unique ao.

Tena tsy mankafy an'i TGV aza a leo ihany kosa mieritreritra an'ilay fikan'ankizy kely ataon'i ra8.

Raha mba maka lesona am efa tolona teo aloha ra8 dia tokony hihaino na mody mihaino kely ihany aza aloha mba ala sirika d avy eo zé ataony eo.

Mapmé lé fika ambotra kely
répondu par tanymasina le 28/02/2009 21:31
2. penguin ( 27/02/2009 10:18)
Ho ahy izay tsy mitovy hevitra aminao kosa dia mendrika ny fanazavany. Tsy natao hifandrimbonan'ny mpivazavaza eny amin'ny 13 Mai ny resaka fampihavanana noho izany mila fantatry ny andininy fa efa misy isa sy olona voalaza ho solon-tena. Governemantra eny @ 13 Mai vé no entina. Mbai tany fa mankasitraka ny mpomba azy ary tsy avelanay hifanazava amin'izany ny FILOHANAY.
3. Devil ( 27/02/2009 10:26)
penguin a!teny @ 13 mai ihany anie no nahatonga an'ilay proclamation ilay t@ 2002 e,aza odiana fanina ny tantara,sa ve t@ zany tombotsoa ho an'lery dia nohenoiny ny feon'ny vahoaka na dia fantany aza fa tsy mety ny zavatra ataony fa ankehitriny tsy avela hifanazava sy hihaino feo hafa intsony izy,
4. penguin ( 27/02/2009 10:30)
Tsy mitovy izany dadatoa a. Ny iray faneken'ny vahoaka ny vokatry ny fifidianana ary ny iray olona mbola mitondra tadiavina hongotana.
5. andrywui ( 27/02/2009 10:55)
Fa ny valimpifidianana nivoaka ofisialy de milaza fa tsy misy mpandresy !!! nefa noterena handresy !! tsy izay ary ve no tena zava-doza satria ny mpanara- dalana mihitsy no terena ho diso !!! fa ny tamity anie ny mpanaradalana mihitsy no diso sy tsy tian'ny vahoaka intsony e!! isao ary oe firy tapitrisa izao no efa migrevy eran'ny Madagascar !!?? fa aza mijery ny Antananarivo fotsiny fa mbol misy Faritany 5 ao !! manao oe HOMBOY !!!HOMBOY! daholo ireo faritra 6 ireo amizao !!!
6. andrywui ( 27/02/2009 10:56)
da aiza le HOSANA !! HOSANA !! be tam 2002 zao ????
7. essera ( 27/02/2009 10:58)
Izay marina ange no oe ririnin-dasa dia tsy tsaroana e.
Izay zao ry akama no anisan'ny nitolona tsy nanaiky raha tsy ra8 no mpitondra.
"ravalomanana no .....lalalalala
tiko i madagasikara"

Io ange tsy hoe niainga be fahatany tany le revin'i Andry. Nandamina lery vao niditra tao amin'ny CUA. D jereo ireny hoe ahidina kilasy fahadimy (miala tsiny a raha diso a) ny fitantanana an'Antananarivo izay capitale.

Efa filambaniny be ange ireny e. Za tsy mipetraka ao amin'ny commune tana ville fa mahita mihitsy hoe izay aza commune rurale (102) mbola malalaka lavitra ny fitantanam-bola satria :
1/ TIM no maire-nay (ary tena miasa kosa aloha izy fa tsy hoe rehefa KARY DIA VANDANA)
2/ Sady idiram-bola be ny commune am lé zone industrielle rehetra eo, no sad mandeha ny subvention atao dessert fotsiny iny (na sens tsara na ratsy mety daolo izay andraisana azy)

Kôpy amin'izay nareo ???? Tena ra8 ihany ange no nampirehitra an'ilay afo fa tsy hoe niainga2 fotsiny le oul.

Raha manontany mpandraharaha ianareo d sahy manome salan'isa aho fa à 70% mikaikaika mihitsy. Rehefa tsy gejaina na amin'ny fomba mivantana na miolaka dia omena an'ilay arme fatale (contrôle financier).

Tokony mi-assumer an'ilay izy ra8 ry zalah. Raha mbola nisy echec ange tsy nisy ohatran'ny echec n'ny TIM ohatran'ny tamin'ny COMMUNAL farany iny. Tena ao amin'ny capitale ianao no tena battu tanteraka.

Tolokevitra : "Mila manana cours kelin'na diplomatie ra8, toy izany koa i Guy Rivo ireny".

Ny hentitra aza ampitovizina amin'ny fanaovana jadona. Mahaiza manavaka fa teny gasy ireo. Ireo mpitondra no tena teneniko amin'izany raha mba misy akaman'zala mamaky eto.

Ary farany, inona daolo zao karazana "nomination bobaka be hatramn niatombohan'ny échec teto Tana. Mila mieritreritra fa sao d miditra dia mivoaka ireto nouveaus nominés ireto.

Nisy nosoratako izay oe, raha namana iray no tsy tiako, dia ts maninona. Rehefa manomboka tsy tiako daholo ny namako, dia mila mieritreritra aho fa dia diso daholo ve ry zalah reo (!!!???).
8. mitoetra ( 27/02/2009 11:09)
ka ny an'i filohantsika anie mety fôna izay ataony e!!!, in mou no ts tanteraka ny zavatra tiany atao sy tiany ho tanterahina, tanteraka fôna izay tiny atao, t@ fifidianana sénateur faran'ny teo, ny tanjony d hoe 22/22 region dia tim avokoa, tanteraka izany satria rehefa hifidy ny ben'ny tanana dia efa valopy misy vato tim no nozaraina mialoha dia mandatsaka fotsiny sisa, normal 22/22, somary lasa lavitra ny resako fa ny tena ts itiavako an'io R8 d ny fiheverany fa izy no tompon'ny zavatra rehetra eto mada; ary ny tena ts tantiko t@ ilay fifidianana senateur dia plat 7500 F v mba takalon'ny zany fifidianana forcé zany, sady zay ve raha lany t@ indépendant, d atao tsintsin, d ho ita eo ny tohiny fa ts maintsy misy farany anefa zany .
9. andrywui ( 27/02/2009 11:17)
Hevitra tena mitpombina sy Mitoetra araky ny anarany !!!! tohizo fa mbola tsy ampy ho fananaranao ireto TIM ato reo izay !! ataovy mafimafy kokoa noho izay ahatonga saina azy tsara !! fa efa manomboka mitantakolaka izy rehetra reo sady nitsoaka ny sasany
10. xxx ( 27/02/2009 11:29)
tsis TIM hita tson ato na iray aza !!!! fetsy be !!! tsy te hovopetsa irery ry zalah de manao tazandavitra kely de miala !! ha ha ha
11. yuka ( 27/02/2009 11:49)
za aloha ry zareo na inona fandresendahatra sy fanadiova-tena aroson'ny TGV
dia tsoriko fa tsy eken'ny fisainako ny fomba fitondrany ny tolony aa!
ary tsy hitovy mihintsy ny tolona t@ 2002 zany mihintsy,raha tsy hiteny afatsin'ny hoe tamin'ny 2002 ny vahoaka dia nanao tolona madio tsy nisy fandrobana sns....
ny tolona amizao fotoana anefa toa miaro fialonana sy fanararaotana sy ny santazy samy hafa sy valifaty angamba!
za mino fa raha nahay nanao tolona mihaja fiteny sy fihetsika i TGV efa betsaka ny olona nanaraka azy,saigy tsy izay no zava-nisy fa ny hiverenan-dRatsiraka sy ny forongony ary indrindra ny reniny izay no mahamaika azy.
sady tsy mahay miaina fa manelingelina ny fiainan'ny vahoaka madinika toy ireny zavaniseo omaly ireny.
misy hopitaly sy fianarana eo akaiky eo dia hitondranao sono hitabataba!!
iny sareraka lany henatra iny mihintsy koa no tokony samborina any fa tsssss!
12. andrywui ( 27/02/2009 11:52)
Yuka !! salut ! aza miala eto amity alo fa ao hiresahana
13. andrywui ( 27/02/2009 11:54)
hono oa Yuka !! ianao le mpetraka any Japon ve de itanao miha mavo ny hoditrao any ?? de miha kely maso ko ve hianao ? azafady fa eto ianao no tratrako de anotaniako kely eto veti2
14. yuka ( 27/02/2009 11:56)
andrywui za tsy hiala ohantran-dR8 ka! :P :lol: :D
15. andrywui ( 27/02/2009 12:01)
itanao le sarinao maao tenue sinoa ??? merci alou amle tanana manao V fa tena tgv mihitsy kay ianao an ,, ?? io mihitsy le marika io V
16. hery ( 27/02/2009 12:15)
ary andrywui aty France mitabataba io ve mba tena mahita ny zavatra manjo ny gasy any Dago? Sa dia maika ny hiverina fotsiny?

Miala tsiny fa ny toeran'olona no hitsaran'lah ny hevitr'i yuka dia ny toerana misy an'lah koa no hitsarako ny hevitr'elah rehetra eto.
17. kalovao ( 27/02/2009 12:16)
Ho an' ny mpanohana an'i TGV aza odiana tsy hita kosa reo tsy milahatra an-dalambe, zay manohana 100% an'i Ra8 fa minia mangina satria tsy tia setrasetra, raha mafy miandrasa ny SAFIDIM-BAHOAKA MARINA de ho hita eo zay mandresy efa tsy ela intsony anie ny 3 taona e
18. dalie ( 27/02/2009 12:31)
Zaho koa tsy an'isany mpilahatra eny amin'ny 13 mai nefa mpanohana an'i TGV satria tsapako fa marina ny zavatra takiany fa ny fandrobana sy ny fanimbana fanan'olona dia tsy mety mino aho fa tsy TGV no nampanao an'ireny
19. kalovao ( 27/02/2009 12:58)
Tsy maintsy tompon'andraikitra enao rehefa mitaika ol eny andalambe. Raha tsy nisy grevy tsy nisy ny fandrombana sy ny fatiolona.
20. rohy ( 27/02/2009 13:26)
amin'ny analyse politika rehetra dia misy fiandohany sy anton-javatra foana ny nahatonga ireny korontana ireny.Rehefa mihatra loatra @ vahoaka ny fahasahiranana dia IRENY NO FOMBA HANEHOANY NY ALAHELONY. Ho anareo mbola tsy mahatsiaro mangirifiry amin'izao fiainana izao dia mipetraha aloha mitazana (manak'atao mantsy matoa mbola afaka midinika eto) fa aleo ny tolona ho an'ny tena sahirana.
Amiko raha natao tamim-pilaminana io tolona io dia ho tsy nasian'ny mpitondra sira akory.Avelao hoy izy hidradradradra eo fa rehefa reraka ve tsy hangina.Izany ve ilay fitiava-tanindrazana, fitiavana hampanana ny tsy manana ?Azo lazaina anefa fa izay tafiditra tao @ classe moyenne taloha de efa betsaka no tafidina any @ sahirana.
Ady ny fiainana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0444