Lasa kilalao sisa ny fiainam-pirenena!....

1. lemenakely ( 16/02/2009 11:14)
Ny milàza azy ho ara-dalàna tsy mahafehy ny tsy ara-dalàna!
Ny tsy ara-dalàna manao toton'omby bory
Ny vahoaka lasa fitaovana

Etsy andaniny ny crise mondiale efa mamely
Ny olona noana sy mahantra
ireo mpanao pôlitika anefa toa hita fa toa metimety daholo ihany ny fiainany

Iza no voa mafy? :roll:
répondu par Fanhaiky le 17/02/2009 11:26
2. xxx ( 16/02/2009 11:23)
marina ny an elahy ry lemenakely an ,tandremo aza soa mivadika orangekely tampoka an :-D :-D
3. marozevo ( 16/02/2009 11:35)
Isika vahoaka no voa mafy, raha ho valiana ny fanontaniana. Fa ny mahavoa antsika Malagasy, raha ny fijeriko, dia mora manadino sy mamela haingana loatra. Firifiry no tokony ho efa nofaizina mafy teto ? Iza no namono an-dRatsimandrava - Joel Rakotomalala - Sibon Guy - Rakotonirainy Lucien sns... tsisy fanadihadiana, tsisy famaizana. Dia ho toy izany koa izao i Ra8 sy TGV... ho afa-maina fotsiny eo nefa jereo ireto "tànana mihoson-drà". Dia tsy ho voa mafy mihitsy ry zareo... Aoka anefa ho tsaroantsika fa mbola hisy ny farany.
4. lemenakely ( 16/02/2009 11:38)
xxx:

marina ny an elahy ry lemenakely an ,tandremo aza soa mivadika orangekely tampoka an :-D :-D

tsy momba na iza na iza aho fa constatation ny zava-misy no hitako :idea:
5. mmmhh ( 16/02/2009 11:38)
Tena kilalaon-jaza mintsy e,
- mamory olona ny ary , ndeha mba hamory koa ny atsy, ze iray isika roalahy mahazo olona,
- manao fanambarana ny ary, manao koa ny atsy, ze iray isika inoan'ny olona
- manao fotoam-pivavahana ny ary, manao koa ny atsy, izay iray isika henoan'Atra. :?
6. lemenakely ( 16/02/2009 11:44)
marozevo:

Isika vahoaka no voa mafy, raha ho valiana ny fanontaniana. Fa ny mahavoa antsika Malagasy, raha ny fijeriko, dia mora manadino sy mamela haingana loatra. Firifiry no tokony ho efa nofaizina mafy teto ? Iza no namono an-dRatsimandrava - Joel Rakotomalala - Sibon Guy - Rakotonirainy Lucien sns... tsisy fanadihadiana, tsisy famaizana. Dia ho toy izany koa izao i Ra8 sy TGV... ho afa-maina fotsiny eo nefa jereo ireto "tànana mihoson-drà". Dia tsy ho voa mafy mihitsy ry zareo... Aoka anefa ho tsaroantsika fa mbola hisy ny farany.

izao no atao hoe FOUTAGE DE GUEULE hoy ny vazaha :twisted:
7. rataxx ( 16/02/2009 12:38)
Tsy hay intsony anie, politika avo lenta izao no eto @ tanana.
Aiza moa no alalan-tsika izay aton'izy roa lahy any , sy izay ifampiresahany, sy izay ifanarahany any.
isika no ataony kilalao, ny fiainana koa tiy miha lafo
mijaly ange ry reto ny vahoaka e madinika !

8. lemenakely ( 16/02/2009 12:54)
rataxx:

Tsy hay intsony anie, politika avo lenta izao no eto @ tanana.
Aiza moa no alalan-tsika izay aton'izy roa lahy any , sy izay ifampiresahany, sy izay ifanarahany any.
isika no ataony kilalao, ny fiainana koa tiy miha lafo
mijaly ange ry reto ny vahoaka e madinika !

Tena mahavariana fa tena tsy manan-tsafidy intsony ny ankabeazan ny olona :antsoin i TGV haka ministera dia tonga, antsoin i RA8 eny MAHAMASINA dia tonga,...Antsoin ny SEKTA dia tonga , fitahin ny mpisoloky ho any BAHAMAS dia MINO , tena tsy hay intsony e? :roll:
9. patrick2002 ( 16/02/2009 12:54)
Efa hatramin'izay no nanaovany Ra-8 kilalao ny fiainam-pirenena ,tsy nijanona ny maha filoha ny Madagasikara azy izy fa nieritreritra ho PDG ny Madagasikara , ka miala tsiny aho fa aleo harodana izay tsy mety.
10. Fanhaiky ( 16/02/2009 13:24)
Zay alo tena marina fa ny fahitako azy de toy le zaza mdongy @ rainy ireny eh
> TGV (zanaka): mba omeo bonbon* za ry Dada ah (*Tetezamita)
> Ra8 (Ray): Ts mis fa biscuit* (Fanokafana ny Radio s Tele VIVA)
> TGV : bonbon oah fa ts tiako izany
> Ra8: ts mis oah fa kapohiko* elah (Samboriko*)

De toy izay koa ny fianam-pirenena eto amin-tsika mba diniho anie eh
11. lemenakely ( 16/02/2009 13:46)
Oui marina io fa amiko tena misy resaka tena HAFAHAFA izy ity ,satria ahoana ilay dada no tsy mametraka ny autorité parentaleny mihintsy ? Eo no hitako TSY LOGIQUE
12. xxx ( 17/02/2009 10:39)
VAVAK PREZIDA

"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
13. Fanhaiky ( 17/02/2009 11:26)

Maninona oa raha tsy miafina ao ambadik'io xxx io foana eh sa... :?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0452