Fiterahana aty an-dafy.

1. catalyn ( 14/02/2009 11:05)
Salama daholo tompoko.Mba te hametraka fanontaniana aho ho antsika vehivavy gasy monina sy efa niteraka taty an-dafy: mahatsikaritra aho fa to tsy mifana izany ny tera-bao aty an-dafy . Vao teraka roa andro dia efa mitsangana am-pandriana, mikarakara ilay zaza, vao herinandro dia akanjo manify no anaovavana eny @ hopitaly , rehefa mody any an-trano koa dia efa manao raharaha andavanandro.Ny tiako tenenina dia toa tsy mifana izany ny vehivavy aty. Toa tsy matahotra izany sovoka izany. Mba azonareo azavaina vitsivitsy ve ny mahatonga izany ? Misy fanafody hoanina ve na homen'ny dokotera ? @ maha gasy ny tena,tsy misy ve ny risque raha tsy mifana ?
Betsaka koa ny vehivavy toa tsy manao "Guènne" na fehikibo rehefa avy miteraka ka betsaka ny mivoraka nefa misy ihany koa miverina @ kibo teo aloha ihany toy ny hoe tsy avy niteraka.
Mba mangataka torohevitrra izay mahasoa tompoko ho anareo izay efa nandalo teo fa manampy bediabe.
Misaotra mialoha. :?:
répondu par welie le 26/03/2009 16:36
2. Mirananirina ( 14/02/2009 13:18)
Tsy misy mifana intsony aty e,vao avy miteraka ianao dia efa mitsangana mikarakara ny zanakao.Alohany izay dia misy fiofanana kely omeny sy fanoroana ny fikarakarana ny zaza,toa izao ny fanasana ny orony ,masony,fanaovana bain ny zaza.(samihafa kely noho ny atao any Dago aoha e.)
Izany hoe mety samy manana ny fombany ny maternité tsirairay avy fa tsy voatery hitovy.Oh:taminy ny ahy izao dia tsy nisy nanoro ny fikarakarana ny kibo avy eo,fa ny any ilay rahavaviko anefa dia nisy crème nomeny hahosotra aminy kibo hampihena azy.
Mbola tsy naheno ilay olona voany sovoka aho aloha e.Izany hoe tsy misy risque fa aza matahotra.
Izaho aloha 3 andro dia nody.Tsy ampy manko ny toerana.
Ary efa nitady hopitaly hiterahana ve?Mila réserve-na mialoha manko an.
3. karinah ( 14/02/2009 15:11)
Marina io voalazan'i miramirana io, tsy misy mifana aty, na eny amin'ny hopitaly aza dia ilay akanjo lava manify iny ihany no omena hanaovanao, dia mitsangana miaraka mampandro ny zaza amin'ny infirmière, efa ampianarina daholo tokoa ny fikarakarana ny fanadiovana ny zaza, sofina, orona...
Momba ny kibo indray dia ni-préscrire séances d'abdo ho ahy ny dokotera, izany hoe atao rehefa avy teraka io abdo io mba hampihaina ny kibo, fa tsy nahazo crème izany indray aloha za e, fa ordonnance fotsiny dia izay, manao ilay abdo any @ toerana nolazainy . Tsy maintsy mandray fe-petra ry zareo momba ny kibonao avy niteraka kah! diso ilay fiheveranao hoe tsy manao in'in fa avela eny dia mivoraka, matoa mivoraka dia tsy nandeha nanao ilay abdo nasaina nampanaovina azy ilay oul!
Tongava soa ny vahiny kely ôoo! :P
4. catalyn ( 15/02/2009 11:42)
Tena misaotra betsaka anareo izay namaly ny antso hatramin'izao fa tena mahavelom-bolo tokoa ny torohevitra atoronareo ary tena mahatsiaro manan-kavana tokoa aho aty an-tany lavitra aty manana anareo na dia tsy mifankahalala aza.
Zaza voalohany manko ilay izy ary ny tenako koa vavy tokana ka tsy dia nanana expérience firy t'@ fitaizana sy ny fikarakarana tokony atao. Marina fa misy ireo boky mikasika ny reny sy ny zaza mety ahitana torohevitra fa hafa ihany ny mitafa sy midinidinika aminareo reny gasy na koa mila torohevitra aminareo noho ny culture itoviana. Marina fa aty an-dafy ny tena nefa inoako fa ny fomba gasy izay mbola tsy hita ny naharatsy azy dia tokony ho tazonina hatrany.
Mankasitraka ê ! ary ilazao ihany raha toa ka mbola misy torohevitra hafa tsara ho fantatra , mandritra ny vohoka,ao aoriany sy ny sisa ka mbola tsy voalaza ny namana etsy ambony.
Mankatelina tompko ! :-*
5. Noue ( 15/02/2009 12:50)
ieeee ! tsisy an'zany mifana zany aty aloha eee ! raha any @ clinique no miteraka dia mba tazominy zareo hatramy 5 andro eo fa raha any hopital kosa dia 2-3 andro , fa miankina @ fahasalaman'ny zaza ihany io ee !
mbola ao @ hopital dia efa mitsangana mikarakara ny zaza, rehefa tonga any an-trano dia ho iza moa no hikarakara ny zanakao ao afatsy ianao ihany eee ! na dia mbola eo aza ny reniny, ny mpitera-bao ihany no mikarakara ny zanany!
ny fitondrana gaine indray dia samy manao izay tiany io , tsy voatery fa kosa eo @ 1-2 mois avy niterahana eo dia misy ny rééducation périnéale
6. nani ( 15/02/2009 14:00)
salut !

Zaho koa tsy nifana mihintsy tamin teraka. Zaho ary mbola nodidina , ny ampitson operation defa mitsangana mikarakara zaza . Une semaine zaho no tany amin klinika , afaka mihintsy ny kofehy vao nivoaka . Vao nivoka ny hopitaly defa nanao ny rehetra fa tao ao antrano .

Tongava soa ny vahiny !
7. booboo ( 16/02/2009 17:18)
Tsy ara-pahasalamana ny fanaovana gaine. Maneritery ireo taova tokony haka moramora ny toerany teo aloha indray aza no hataony = tsy mikoriana tsara ny rà rehefa teritery ; dia ho ela dia ela vao ho tafaverina @ tokony ho izy raha izay.

Tsy ny fanosorona crème koa no mampihena ny kibo fa ny fanaovana abdos. Ny fanaovana abdos fadiana ny manao azy raha tsy efa vita klou ny rééducation du périnée. Ny crème mi-hydrater ny hoditra fotsiny.

Manaova préparation à la naissance any @ sage-femme na any @ maternité. Feno thèmes isa-karazany resahina any sady afaka mba afaka mifampiresaka @ vhv hafa mitondra vohoka sy @ sage-femme mivantana koa @ zay.
8. booboo ( 16/02/2009 17:29)
Ilay mifana amiko tsy hoe tsy mihetsika ao am-pandriana dia mibonoka tsy manao n'inona². Fa mba maka aina araka izay azo atao rehefa tonga ao an-trano, déleguer-na @ vady ny raha² na avela ao klou fa tsy mahafaty na mikorontana sy maloto aza ny trano.
Ny antsika Malagasy ny reny na ny rahavavy no tonga manampy manao raha² dia mba tsy mikarakara hafa-tsy ny tenany sy ny zanany ilay reny sisa, fa rehefa tsisy an'ireo dia misy ireny aides à domiciles ireny afaka alaina ( ahazoana réduction d'impôts ) raha te - " hifana " .

9. fahamarinana ( 16/02/2009 19:17)
:arrow: HSkely :dia rehefa mifana moa zany dia ilay homana zay tiana ...ro-patsa e !sakafo matsiro rehetra ity.Tsaroako tamin'ilay nenitoanay zay fony tany dago : avy niteraka dia hoe mifana dia ny tena mitazana ilay sakafo be sy choco etc...dia mieritreritra hoe hein!!!rehefa za an dia izao no commander-ko ... kay ny tena niteraka lavi-pianakaviana taty antany lavitra taty ,very aho sy ny nofinofiko...:? (l)
10. dailynews ( 21/02/2009 00:22)
Izaho vao tapabolana lasa izay no niteraka ary ny zavatra hitako mahatonga ny olona aty anisany tsy mifana raha oharina ny any makara dia izao. Raha andro ririnina ohatra any mkara dia tsy misy ny chauffage, ny aty anefa misy chauffage koa tsy mampatahotra ilay tsy manao akanjo bodofotsy be.
Telo andro taorian ny niterahako aho dia nankany amin ny mpivarotra, eny e nandeha tahaka ny vehivavy antitra aloha ny fandehako fa tsy afaka nandeha normale, saingy ihany koa ianao tsinona tsy maintsy mikarakara tena koh. tsy eo ny havana izay hoe hikarakara sy hampihanta dia tahaka ny voaterin ny zavamisy ihany.

anisany hoa izany fa mbola misy ihany koa ny antony hafa.
11. ainaheri ( 21/02/2009 07:04)
Rachida dati aza firy andro taorinan'ny nahaterahany d'efa niverina niasa kou ,sovoka aa sovoka........Fa inn marina alou lay sovoka ee??
12. catalyn ( 21/02/2009 17:34)
ainahery a!ilay sovoka dia aretina azo noho ny tsy fitandremana rehefa avy niteraka.Mila mifana ny tera-bao mba tsy ho voany,izany hoe tsy mila atao azon-drivotra ny tranon-jaza . Mitarika fahafatesana izy io raha tsy voatsabo haingana ary ohatry ny voan'ny bemangovitra ireny ny fitrangany. Tsy adala akory ny ntaolo raha sarotiny @ fifanana rehefa misy teraka satria saro-pady ny aina ary tsy ananan'droa. Raha any Dago aloha dia tsy maintsy mifana raha tsy te ho azon-doza fa raha aty an-dafy kosa dia io voalazan'ny namana etsy ambony io izany ny tsy hilàna azy. Isaorana azy nitondra fanazavana.Matoa koa ny tena manontany dia noho ny tsy fahalalàna sy finiavana te hitandrina mba tsy ho tampohin'ny loza. eritrereto fa henjana ny mitondra vohoka 9 volana ka sanatria ka hivadika fahoriana indray ilay fifaliana nandrasana ela izay.Marihiko koa fa tsy hakamoana na hoe te ho kenakenaina toy ny andriana no mahatonga ahy manontany fa mba hisorohana ny loza mety hitranga. Gasy ny tena na aty an-tanin'olona aza.Misaotra ! :-*
13. Mirananirina ( 22/02/2009 14:57)
Rachida dati aza firy andro taorinan'ny nahaterahany d'efa niverina niasa kou ,sovoka aa sovoka........Fa inn marina alou lay sovoka ee??

ainahery:sao ianao no rainjanany(sangisangy izany sao tsy mahataty eo an) :lol: :lol:
14. Rafahafahana ( 23/02/2009 13:46)
nani:

salut !

Zaho koa tsy nifana mihintsy tamin teraka. Zaho ary mbola nodidina , ny ampitson operation defa mitsangana mikarakara zaza . Une semaine zaho no tany amin klinika , afaka mihintsy ny kofehy vao nivoaka . Vao nivoka ny hopitaly defa nanao ny rehetra fa tao ao antrano .

Tongava soa ny vahiny !


Za koa toa anao zany, sady tsy tiako koa moa ny mibonobonoka, vao nivoaka ny klinika aho dia efa nandeha tany @ grande surface, tsisy an'izany sovoka sovoka zany fa vao maika aza mavitrika tsara.
15. xxx ( 23/02/2009 14:38)
ainaheri:

Rachida dati aza firy andro taorinan'ny nahaterahany d'efa niverina niasa kou ,sovoka aa sovoka........Fa inn marina alou lay sovoka ee??


Izaho koa saika hiteny : Rachida aza avy any am-piasàna no nandeha tany @ clinique , dia avy any @ clinique no niverina tany am-piasana !!!

Sanatria indray aloha ohatran'ny hoe handeha hanao besoin kely any @ toilettes aho dia hiverina eo ny fahitàko ny nataony e , amiko izany hoe zaza tonga eto an-tany izany tena grandiose mihintsy
16. welie ( 26/03/2009 16:36)
Manao ahona daholo aloha e!

Ny miteraka aty an-dafy sy any Madagasikara anie ka tsy mitovy e! Any Madagasikara ianao feno olona manampy (mapifana), feno olona vonona ny hanolo ny couchesn'i zàzà refa tokony, feno olona vonona hanome dité mafana ho anao :D , feno olona vonona hitrotro sy hibaby sy hitaiza ny zàzà any, feno olona vonona ahandro sakafo ho anao... etc...
Aty dia tsy maintsy mianatra mikarakara zanak irery fa tsy miantehitra @ olona zany...
Ohatra: Izaho dia nisy an'i mamanay ny 2 volana voalohany kanefa avy dia nolazaiko izy sy nohazavaiko azy fa mila mianatra mitaiza irery aho satria rehefa avy eo tsy hisy hanampy ka dia eo no raisina. Ny alina ohatra raha mifoha ny zàzà dia tsy navelako izy no mandray azy fa izaho no tsy maintsy satria refa tsy eo izy dia asa. Ny manolo aloha dia tsy maintsy mba avela manao ihany ny reniben'i zaza fa malahelo :lol:
Raha ampitahaina @ ny any Dago aloha dia hoy ny any hoe tsy ho vita izany angambany... hihihi!!!
ny aty koa dia ny lehilahy matetika hita mandray anjara be @ fikarakarana ny zaza (mapandro, manolo couches, mamahana sakafo, manome biberon etc...)

Zay fa mazotoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.8605