Firy no nalahelo ..
1. xxx
(
10/02/2009 10:00)
Raha may potika tsy nisy noraisina ny rova firy no nalahelo sy nitomany .... inona moa no saika hataon'ireo olona nirohotra saika hanakao Ambotsorohitra ireo ... tsy izaho no hamaly.
Andrasana ho may daholo sy tsisy azo raisina ve ny tanana ... satria olona ireo tsy azo atao inona na inona.
Andrasana ho may daholo sy tsisy azo raisina ve ny tanana ... satria olona ireo tsy azo atao inona na inona.
répondu par xxx le 10/02/2009 14:18
2. tsiafoi1
(
10/02/2009 10:08)
Vahotra ny tanako...
Mijohy ny ranomaso....
Malahelo anao ry taniko
Zary potika sy rotika!....
Ny iray milofo hampandroso!
Ny iray mikendry handrava!
Sendra zaza ratsy taiza...
Hatrany an-kibon-dreny!
Mijohy ny ranomaso....
Malahelo anao ry taniko
Zary potika sy rotika!....
Ny iray milofo hampandroso!
Ny iray mikendry handrava!
Sendra zaza ratsy taiza...
Hatrany an-kibon-dreny!
3. andrywui
(
10/02/2009 10:13)
tonokalo votany kely tsy miady rima akory ! zara fa vita otrn'ny ra8 ihany
6. andrywui
(
10/02/2009 10:32)
aleo tsy manana toy zay manandratsy !!! ny an'i Noue kou aza teny tsy loabody ko no mba hevitra avoaka eto rehefa manoratra ko!! zara ra misy ho raisina ! esssssssy !!! ndana miainga any daholo fa assassins !!!
7. tsiafoi1
(
10/02/2009 10:40)
Sanatria! Tsy tonga hifaninana!
Fa manambara ventso-po...,
Nahoana moa no hangina?
F'efa izao no fahavoazana!
Ny iray milofo, hampandroso!
Ny iray mikendry, handrava!
Madagasikara zao no potika,
De andeha hikombom-bava!
Tsia, Tsia ! Fa hikiaka aho!
Hiantsoantso FILAMINANA!
Ny ranomasoko mijohy...,
Tsy hainao tohaina!
Fa izay no Tonom-bavaka
Miampita amin-dRay!
Jehovah Ray Tsitoha o!
Henoy ny tonom-bavako,
MADAGASIKARA ANIE HILAMINA TOKOA! amen
Fa manambara ventso-po...,
Nahoana moa no hangina?
F'efa izao no fahavoazana!
Ny iray milofo, hampandroso!
Ny iray mikendry, handrava!
Madagasikara zao no potika,
De andeha hikombom-bava!
Tsia, Tsia ! Fa hikiaka aho!
Hiantsoantso FILAMINANA!
Ny ranomasoko mijohy...,
Tsy hainao tohaina!
Fa izay no Tonom-bavaka
Miampita amin-dRay!
Jehovah Ray Tsitoha o!
Henoy ny tonom-bavako,
MADAGASIKARA ANIE HILAMINA TOKOA! amen
8. xxx
(
10/02/2009 10:41)
Ny mampalahelo dia ny tsy fahampitsain\'ny sasany, ny vitsy anisa mpangoronkarena tsy matahotra an\'Andriamanitra dia milaza fa mety ny ataon\'ity fitondrana ity, ny azo lazaina aminareo dia izao raha tsy mahatsiaro nijaly ireo vahoaka midina eo amin\'ny 13 mai ireo na inona na inona nataon\'i Andry Rajoelina tsy nanaraka azy ireo, raha tsy nahatsiaro nijaly ny vahoaka tsy nanaraka ny Fahavalon\'ny manana sy nampahory ny mahantra tamin\'ny 2002, nampahory ny mahantra satria nahoana misy faritra atao hoe Soanirariny ao Antanifotsy, mpamokatra ronono io faritra io nivondrona ho coopérative ny vahoaka satria mora loatra ny vidy ividianan\'ny TIKO ny ronony noho izany dia nanafatra fitaovana avy any ampita ry zareo tonga tao Toamasina ny fitaovana dia nosakan\'ity zanaka mahantra mba tafita ity satria hanelingelina ny fanaony, dia toa izany ny fomba ity milaza fa Kristianina ity, aleo azava fa ny olona tsy tia mizara dia olon\'ny satana, aiza ve ka USA na L France no atao ohatra, ny halabato dia 90% rehefa tonga ny fifidiana eto Madagasikara raha toa ka 2% izany any France na USA, dia hidradra ve ianareo fa fomba democrate no mahatonga azy ireo eo amin\'ny fitondrana, ok eny andrenivohitra efa tonga saina ny olona dia sarotra ny halabato fa any ambanivohitra na jiro aza tsy misy mora ho an\'ireo Pisodia (PSD) namadika palitao ka lasa AretiMandoza(AREMA) no nivadika TIMitsetsitra (TIM) koa ho anareo mahalala internet dia mandehana aloha mba miaina any ambanivohitra dia hohitanareo fa manambaka ny bado ny mpitondra, ary ny teo aloha dia aretimandoza fa ireto ankehitriny kosa dia dracula tia rà.Mbola averiko ilay anisan\'ny soa toavina Malagasy nianarana tany ampianarana ho an\'ireo izay nianatra (Classe de 4ème Collège) ny lohateny tamin\'izany dia ny hoe : \"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina\" na iza milaza azy ho Malagasy na iza dia tsy maintsy efa nandre an\'io ary mino fa marina io na dia minia mamono saina amin\'ny rongony sy ny sisa aza (Ilay faralahy toa malaza amin\'io fifohana io an!) dia jereo fa nanongampanjakana teny andalambe tsy nety nanao deuxième tour ny fitondrana ankehitriny dia io koa ny valiny fa andalambe ny fanalana anazy.Ny nahatonga an-dRatsiraka nanolo an\'i Andriamahazo dia satria nisy zandary anankiray namadika ka tsy ampy ny vaton\'i Jeneraly Soja dia inona ny valiny azon-dRatsiraka namadika anazy koa ny miaramila iray dia voaongan\'i Ravalomanana izy koa aza manahy ianareo fa hoy i Liva Andrianavalona Ny tody tsy misy fa miverina izay atao koa raha misy afaka miresaka amin\' Andriamatoa Andry Rajoelina dia mba ilazao ihany izy fa ny ahazo azy raha tsy manova izy fa angalatahaka ny nataon\'ireo teo aloha ireo dia mbola ho mafy lavitra noho izay mahazo an\'ireto ankehitriny ireto.Tsy misy hahasakana ny valin\'ny ratsy atao fa aza manahy.
9. tsiafoi1
(
10/02/2009 10:54)
Tsy haiko ny amin'izay,
Fa aleo tsy asiana resaka,
Ny hany ao an-tsaina...,
De miandradra FILAMINANA!
Fa aleo tsy asiana resaka,
Ny hany ao an-tsaina...,
De miandradra FILAMINANA!
10. andrywui
(
10/02/2009 11:00)
na innn alou vetsompo sy alahelo sy ozona atao eto ! ny teny tokana fotsiny de Mpamono olona Ravalomanana ary mpomba azy amin vono olona ataony zay mamkasitraka azy !
11. xxx
(
10/02/2009 11:05)
tonokalon'ny namana iray zay iz'ty. mitombona hatrany araky ny zava-misy ankehitriny. mazotoa mamaky é
REHEFA NY FILOHA …
Rehefa ny Filoha mitondra Firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena …
isaorana Andriamanitra !
Fa azo sokajina tsy an-kiambatrambatra
ho Firenena sambatra
izay Firenena izay
fa manan-tsolon-dRay.
Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin’
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty Fahendrena…
Satria ny Fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan’ny hafa ;
Satria ny Fahendrena
fetezana hihaino, fetezana hitafa ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mankatelina ny ezaky ny namana ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana ;
Satria ny Fahendrena
fiainana isan’andro ny androm-pamafazana ;
Satria ny Fahendrena
Fitiavan-Tanindrazana.
Rehefa ny Filoha no manana Fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho Havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra
amin’izay hitserany,
hiarahany hisetra
ny onja tsy anerany,
ho namany hijaly
amin’ny fijaliany,
ho namany hifaly
amin’ny fifaliany…
dia tsy hanana fandavana
fa hanana finiavana
hiasa ny vahoakany,
ny dininy ho voafaokany
tsy an-kiferinaina
na lavitra ezaka aza ny tanjona andrandraina.
Fa…
rehefa ny Filoha no ambonina loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran’
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena
“satria” ny Firenena
dia “hoe” an-katerena,
rehefa ny Filoha
no mihinana isan’andro ireo hanim-pito loha,
kanefa ny vahoakany dia zara raha mihinana,
izay mba mahita hohanina,
mahantra fitsimbinana,
manao sangodim-panina
anaty tsy fisiana,
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian’ny kitrom-pandohalihana,
tsy manan-kitodihana,
rehefa ny Filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n’iza n’iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony
ny fahorian’ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa
dia hanahoana ny aminy ?...
Fa hanandrify rahona ny làlana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany…
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran’izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran’ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason’ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran’ny kapoakany…
ka asa izay havoakany !!...
Rehefa ny Filoha sy ny eritreri-dreriny
no alaim-panahy hanampatra ny herin’
ny afom-pisafoakany
sy ny hamafisam-pony
amin’ny vahoakany
manjary tsy azy intsony,
dia azo vinanina ny zavatra hitranga
tsy maintsy ho fiarafan’izay tia milangalanga
kanefa ratsy tohana,
rehefa an-tanan-dany ny hery niantohan’
ny olona voavidiny
ny hoavin’ny safidiny,
na, sanatria, miofo…
Dia mbola ho voaporofo
indray sy soa aman-tsara
ny marina efa marina voamarin’ny tantara
hatramin’ny taloha,
isaky ny misy vahoaka tafafoha :
“FANOLO NY FILOHA” !
NARY Njato ( na R.H.A. NARY)
Mey 1991
REHEFA NY FILOHA …
Rehefa ny Filoha mitondra Firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena …
isaorana Andriamanitra !
Fa azo sokajina tsy an-kiambatrambatra
ho Firenena sambatra
izay Firenena izay
fa manan-tsolon-dRay.
Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin’
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty Fahendrena…
Satria ny Fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan’ny hafa ;
Satria ny Fahendrena
fetezana hihaino, fetezana hitafa ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mankatelina ny ezaky ny namana ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana ;
Satria ny Fahendrena
fiainana isan’andro ny androm-pamafazana ;
Satria ny Fahendrena
Fitiavan-Tanindrazana.
Rehefa ny Filoha no manana Fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho Havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra
amin’izay hitserany,
hiarahany hisetra
ny onja tsy anerany,
ho namany hijaly
amin’ny fijaliany,
ho namany hifaly
amin’ny fifaliany…
dia tsy hanana fandavana
fa hanana finiavana
hiasa ny vahoakany,
ny dininy ho voafaokany
tsy an-kiferinaina
na lavitra ezaka aza ny tanjona andrandraina.
Fa…
rehefa ny Filoha no ambonina loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran’
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena
“satria” ny Firenena
dia “hoe” an-katerena,
rehefa ny Filoha
no mihinana isan’andro ireo hanim-pito loha,
kanefa ny vahoakany dia zara raha mihinana,
izay mba mahita hohanina,
mahantra fitsimbinana,
manao sangodim-panina
anaty tsy fisiana,
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian’ny kitrom-pandohalihana,
tsy manan-kitodihana,
rehefa ny Filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n’iza n’iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony
ny fahorian’ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa
dia hanahoana ny aminy ?...
Fa hanandrify rahona ny làlana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany…
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran’izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran’ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason’ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran’ny kapoakany…
ka asa izay havoakany !!...
Rehefa ny Filoha sy ny eritreri-dreriny
no alaim-panahy hanampatra ny herin’
ny afom-pisafoakany
sy ny hamafisam-pony
amin’ny vahoakany
manjary tsy azy intsony,
dia azo vinanina ny zavatra hitranga
tsy maintsy ho fiarafan’izay tia milangalanga
kanefa ratsy tohana,
rehefa an-tanan-dany ny hery niantohan’
ny olona voavidiny
ny hoavin’ny safidiny,
na, sanatria, miofo…
Dia mbola ho voaporofo
indray sy soa aman-tsara
ny marina efa marina voamarin’ny tantara
hatramin’ny taloha,
isaky ny misy vahoaka tafafoha :
“FANOLO NY FILOHA” !
NARY Njato ( na R.H.A. NARY)
Mey 1991
12. molota
(
10/02/2009 11:07)
TGV Tanora Gaigy Vendrana no namono ireo olona ireo, efa ataony sorona mbola vendrana tsy tonga saina ihany ry V isany, :-D :twisted:
14. tsiafoi1
(
10/02/2009 11:26)
ENY, FANOLO NY FILOHA
Marina tokoa...,
Fa tsy an-terisetra,
Fa miandry ny fotoanany,
Izay no ara-dàlana,
Sy EKEN'NY REHETRA!
ENY, FANOLO NY FILOHA
F'Aleo hiandry aloa!
Izay safidin'ny rehetra,
Fa tsy an-kerisetra
ENY, FANOLO NY FILOHA
FaTsy safidin'olom-bitsy,
No kirizana hampitoerina,
Handrava zay najoro,
Madagasikara anie,
Ka iray tsy vaky volo e!
ENY, FANOLO NY FILOHA
Fa Mahandrasa ny fotoana,
F'izay milangalanga anie,
Ka mora mitsingaona e!
De ireny zao no vokany...,
Mbola tsy tonga saina!!!
Ny vahoaka zary sorona,
Handrombaham-pahefana,
De an'iza zao ny tombony?
Marina tokoa...,
Fa tsy an-terisetra,
Fa miandry ny fotoanany,
Izay no ara-dàlana,
Sy EKEN'NY REHETRA!
ENY, FANOLO NY FILOHA
F'Aleo hiandry aloa!
Izay safidin'ny rehetra,
Fa tsy an-kerisetra
ENY, FANOLO NY FILOHA
FaTsy safidin'olom-bitsy,
No kirizana hampitoerina,
Handrava zay najoro,
Madagasikara anie,
Ka iray tsy vaky volo e!
ENY, FANOLO NY FILOHA
Fa Mahandrasa ny fotoana,
F'izay milangalanga anie,
Ka mora mitsingaona e!
De ireny zao no vokany...,
Mbola tsy tonga saina!!!
Ny vahoaka zary sorona,
Handrombaham-pahefana,
De an'iza zao ny tombony?
16. xxx
(
10/02/2009 11:38)
d hiandry rahoviana?
hiandry faharitrana?
ny efa leon'ny fitsetsafana,
reo efa trotraky ny ady,
reo vizaky ny kiaka
ao anaty fahoriana?
tsia, aleo mitroatra
na hamoizana aina aza.
aleo soloina,
mba tsy ho tonga fanenenana
lay fahanginana
nokobonina
hiandry faharitrana?
ny efa leon'ny fitsetsafana,
reo efa trotraky ny ady,
reo vizaky ny kiaka
ao anaty fahoriana?
tsia, aleo mitroatra
na hamoizana aina aza.
aleo soloina,
mba tsy ho tonga fanenenana
lay fahanginana
nokobonina
17. molota
(
10/02/2009 11:50)
tsy hoé misy olona eo @ny 13mai dé hoé ireo ihany no vahoaka malagasy! azafady fa ny vahoaka izay nagina hatrizay mbola hilaza ny heviny fa aza matahotra ho itan-tsika eo :P
19. lovelyri
(
10/02/2009 12:27)
molota fa misy ko ange ny mankasitraka le tolona fa ts makeny am 13mai ko izy e :lol:
20. molota
(
10/02/2009 12:28)
ZANNNY MANKO IZY IO AN!!! TGVENDRANA IZANY NO HITONDRA!! ASAIVO MANAO LIVE EO 13 MAI loh IZY.