M/car monopole ny TIKO,MAGRO

1. xxx ( 05/02/2009 16:02)
Voaroba ny Tiko sy Magro sasantsasany teto @ nosy M/car. Maro ireo entana tao no very sy potika.
-Vokany miakatra ny vidin'ny PPN eto @ tanana.

Midika izany fa tsy nisy orin'asa hafa mba nomena alalana ny hanao toa an'i tiko sy magro eto M/car ka hany ka vao rava ireo orinasan-dra8 ireo dia tsy ampy sakafo ny Malagasy.
Izany dia tetika iray hitazoman-dra8 ny Gasy eo @ tendany ary ahafahany milalao ny fianan'ny Malagasy manotolo.
répondu par ainaheri le 06/02/2009 21:07
2. sitlo ( 05/02/2009 16:18)
Tsy nisy TIKO sy MAGRO taloha eh. Fa nony nandroso ve ilay orinasa dia lazaina fa mitazona ny malagasy amin'ny tendany?

Manarak'izay kapitalista ange i Madagasikara eh.

Ary farany fanimbana an'i Madagasikara mihitsy ny nanimbana ny TIKO sy MAGRO. Orin'asa mba nifandray mivantana tamin'ny tantsaha malagasy.
3. xxx ( 05/02/2009 16:40)
Maro ireo entana tao no very sy potika.
-Vokany miakatra ny vidin'ny PPN eto @ tanana.
ek ozy
Midika izany fa tsy nisy orin'asa hafa mba nomena alalana ny hanao toa an'i tiko sy magro eto M/car
tsy eka ozy satria tsy nisy nahasaka ny fifaninana ireo izay te hanangom-bokatra,nitetika ny ampiakatra ny vidiny 30% rehefa krizy nefa betsaka tampoka ny ambimbava tao amin'tiko de tsy nisy fika tsony
ka hany ka vao rava ireo orinasan-dra8 ireo dia tsy ampy sakafo ny Malagasy.
ekena ozy satria kendan'voamanga nasesiky ny tanan-tsika tsika zao satria nandoro fiangonana(fiarovana ny krizy ara-tsakafo 2009 era tany)isika.
Izany dia tetika iray hitazoman-dra8 ny Gasy eo @ tendany ary ahafahany milalao ny fianan'ny Malagasy manotolo.
ohatran'somari diso filaza enao fa ahitsiko kely ozy. tokony hoe: nampiasainy izany mba ahafantaran'malagasy fa tsy asiany Krizy aratsakafo eto Madana hilahatra vary aza dia tsy hita intsony,siramamy,menaka...Tsapany Malagasy fa nanao izy avy eo ka holany indray rehefa mangataka manda manaraka ra sitrany.

Rakatry ny manampahaizana sy ireo firenena te hitsetsitra an'ty Nosy ty izany dia noravana amin'fomba tsy mendrika,mba hilaharan'Gasy indray sy hamelona ilay voambolana efa nesorina sy tsy tadidy intsony hoe: RISORISO

Aza manaiky ataon'ny olona fitaovana hanimba ny tenanao ihany...
4. xxx ( 05/02/2009 17:02)
Ilay tsy filaharana vary sy menaka aloha dia olana efa voavaha t@ andron'i Ratsiraka ihany na dia mpitondra tsy namely aza i lery fa tsy hoe tonga i Ra8 dia tsy nilahatra vary ny Gasy.

tsy eka ozy satria tsy nisy nahasaka ny fifaninana ireo izay te hanangom-bokatra,nitetika ny ampiakatra ny vidiny 30% rehefa krizy nefa betsaka tampoka ny ambimbava tao amin'tiko de tsy nisy fika tsony


Izay ilay atao hoe concurrence deloyale. Na adika @ teny tsotra manasira.
Manarak'izay kapitalista ange i Madagasikara eh.

Dia mbola mitovy @ ilay DEMOKRATIKA ihany koa ity hoe KAPITALISTA ity!!1 lasan-ko vavany fotsiny fa sady tsy demokratika no tsy kapitalista.
Ary farany fanimbana an'i Madagasikara mihitsy ny nanimbana ny TIKO sy MAGRO. Orin'asa mba nifandray mivantana tamin'ny tantsaha malagasy.


Misy fanimbana an'i M/car mihoatra ireny fanagadrana mpanao gazety sy mpanao politika ary ity fangoronan-karena sy fivarotana tanin-drazana ity ve???
5. zoulou ( 06/02/2009 04:11)
sitlo:

Tsy nisy TIKO sy MAGRO taloha eh. Fa nony nandroso ve ilay orinasa dia lazaina fa mitazona ny malagasy amin'ny tendany?

Manarak'izay kapitalista ange i Madagasikara eh.

Ary farany fanimbana an'i Madagasikara mihitsy ny nanimbana ny TIKO sy MAGRO. Orin'asa mba nifandray mivantana tamin'ny tantsaha malagasy.

esy e! mifandray mivantana aminn'ny tantsaha malagasy amin'ny vidin-dronono 200 ariary no andraisany azy, ha! aza de mirediredy e! sa tokoa moa nareo tsy mahita ny tena fiainan'ny tantsha marina fa zatra mahita ny vidin-dronono eto TAna ko!

6. ainaheri ( 06/02/2009 05:58)
sitlo:

Tsy nisy TIKO sy MAGRO taloha eh. Fa nony nandroso ve ilay orinasa dia lazaina fa mitazona ny malagasy amin'ny tendany?

Manarak'izay kapitalista ange i Madagasikara eh.

Ary farany fanimbana an'i Madagasikara mihitsy ny nanimbana ny TIKO sy MAGRO. Orin'asa mba nifandray mivantana tamin'ny tantsaha malagasy.


Marina io dinika io ry sitlo aa,mba tadidinao mou vao teo @ fitondrana ra8 d tsy nasina taxe ny doany nandritra ny 2 ans,ny vahoaka madinika mitrongy vao homana ery ve no ahazo tombotsoa @ zany?? Voahangon-dra8 izay nilainy taty ivelany d naverina nasaina nandoa haba @ zay.Ny zavamisy hitako kou,misy orinasa 4 ao dago mpanafatra farine,ireo orinasa 4 reo d nilaza daholo fa tsy nahazo farine intsony ,ary tsy manana stock ,nefa magro azo nifidianana izay ilaina tao aminy,aminao ve zany normaly??

7. xxx ( 06/02/2009 06:18)
Ka ny tsy takatry ireto olona jamban'i ra8 anie dia izao e:
-Marina fa misy produit laitier,menaka, la farine,PPN...vita malagasy eto M/car. Fa orinasa firy no mamokatra azy??? ary anao ahoana raha toa ka tonga ny fotoana hampifilafilain'ity orin'asa ity???
==> Tsy misy ny maha samihafa izany t@ andron'i Radidy. Fa ny an-dradidy mody natao fananam-bahoaka fotsiny(SIMPA,PROCOPS....) Fa ny an'i Ra8 dia nasehony mivatana fa i TIKO no hany tokana afaka mamatsy ny vahoaka malagasy.

8. tsiafoi1 ( 06/02/2009 09:56)
Ka tsy aleo orinasa gasy ve no mi-monopolisé azy de mba izao mahay mitsinjo ny gasy namany tsisy pénurie intsony teto an-toerana h@'izay nitondran-dRa8 izay...., Toy izay fahiny ny grossiste karana sy vahiny no nomena ny monopole de ze tiany anaovana azy, ny gasy kely sasatry ny milahatra PPN t@'ny fotoan'andron'i Deba....

Ny resaka tsy mandoa taxe de douane, ka ny importation des matières premières et matériels agricoles no tsy nandoavana taxes, mba hitsinjovana ny prix de vente ho an'ny consommateurs, izay malagasy 95%, ka tsy fitiavana ny malagasy ve izany!!! Mba manaova analyse tsara va miteniteny foana.

Rehefa vita ny détaxation des matières premières de raikitra indray ny collecte d'impôts avy ato anatiny... Ka iza avy moa ireo orinasa teren-dRa8 handoa impôts ireo, en récupération??? Moa tsy ireo orinasa ny vahiny goay be ve, mpivarotra électroménagers sy ny tariny ve!!!.... Ampahafirin'ny marge bénéficiare an'ireo nefa zany e!!!

Vive Ra8 ! Vive les MAGROS !
9. ainaheri ( 06/02/2009 19:58)
tsiafoi1:
Ny resaka tsy mandoa taxe de douane, ka ny importation des matières premières et matériels agricoles no tsy nandoavana taxes, mba hitsinjovana ny prix de vente ho an'ny consommateurs, izay malagasy 95%, ka tsy fitiavana ny malagasy ve izany!!! Mba manaova analyse tsara va miteniteny foana.


Mba taiza ary zany analyse nataoao zany? avereno vakina aloha ny voasoratra izay vao mamaly,IZA @ IREO 95% IREO NO NAHAZO TOMBOTSOA @ ZANY? VIDIANA @ VIDINY MIRARY VE NY VOKATRY NY TANTSAHA?IZA NO MIVELONA AMINY??? DINIHO TSARA IO D FAKAFAKAO SY MANKANESA ENY AMBANIVOHITRA FA TSY VARINA FAHANANDALITRA AO ANDRENIVOHITRA AO!!!!!!
10. ainaheri ( 06/02/2009 21:07)
tsiafoi1:

Ka tsy aleo orinasa gasy ve no mi-monopolisé azy de mba izao mahay mitsinjo ny gasy namany tsisy pénurie intsony teto an-toerana h@'izay nitondran-dRa8 izay...., Toy izay fahiny ny grossiste karana sy vahiny no nomena ny monopole de ze tiany anaovana azy, ny gasy kely sasatry ny milahatra PPN t@'ny fotoan'andron'i Deba....


Mba vakio tsara oa ny zavatra soratana f'aza asain'ny oul manoratra d manoratra,raha nitsinjo ny gasy ra8,naninona namidiny JIRAMA ,iza no tsy mijaly @ fiakaran'ny jiro sy rano?? Fitsonjovana an'iza izany?? Dia iza no mitantan'azy tsy ny vahiny????????????????????




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0453