ny fahafahana amin'ny maha -kristiana

1. ravakamalala ( 04/02/2009 22:30)
Inona no atao hoe fahafahana amin'ny maha kristianina?

Olona afaka ianao rehefa afaka manao izay tianao hatao, rehefa malalaka eo anatrehany safidy ?!?

noho ny maha kristianina ny olona iray anefa dia tokony hanaraka ny sitrapon' Andriamanitra izy, izany hoe tsy manana safidy izy fa lalana iray ihany no tokony alehany.

Misy ve ny atao hoe fahafahana "absolue " amin ny maha kristianina?
répondu par marindra le 06/02/2009 22:24
2. soanja ( 05/02/2009 05:20)
Mahafinaritra ahy ny fanontaniana fa misaotra.

Amiko ny fitazomana ny fahamarinana no fahafahana ho ahy amin'ny maha-Krsitianina ahy.

Raha mbola mahatsapa aho fa mikatsaka ny marina ny saiko ary manantanteraka izany dia olon'afaka aho izay. Ny fahamarinan'Andriamanitra dia misandrahaka amintsika rehetra zanany. Nomeny ny safidy ahafahantsika mijery ireo soa sy mahavelona ao aminy ary mba ahaizantsika mandanjalanja.

Ny teny nomeny no sakafo mahavelona ary torolalana ahatongavana amin'izany fahamarinana izany.


3. bor2lais ( 05/02/2009 09:41)
Mahaliana tokoa ilay lohateny.

Amiko manokana ny fahafahana amin\'ny maha-kristiana dia ny fahafahana vokatry ny fananana ilay fiadanana nomen\'ny Tompo : izay tsy hain\'izao tontolo izao omena.

- fiadanam-po : afa-tebiteby satria ankinina Aminy ny fiainana iray manontolo, izany hoe fahafahana amin\'ny tebiteby
- fifaliana : feno fifaliana satria efa navela Aminy ny zava-manahirana sy mavesatra rehetra, izany hoe fahafahana amin\'ny ady saina
- sns

Fehiny : fahafahana amin\'ny ahiahy mpahazo eto amin\'izao tontolo izao noho ny fahatokiana ny Tompo ho mpitantana sy mpiahy ny fiainana ...

Malalaka ilay lohateny : io voalazako io dia fomba fijery iray ihany fa ny tsi11 dia mety samy manana ny fahafahany mifanandrify aminy !
4. rijadolly ( 05/02/2009 13:03)
Tena mahafinaritra marina ilay lohateny an!
Isaorana antsika eo aloha fa fanampiny fotsiny ihany ny ahy fa tsy dia afa manakory.

Amiko ny fahafahana dia tsy misy maneritery anao ny lalàna.Izany hoe tsy voatazon'lalàna ianao(vofatotra) fa afaka tanteraka.Eo amin'maha Kristianina dia voalazan'Tompotsika fa tsy hanafoana ny lalàna ny hantongavany.Hoy ny lalàna oh:aza mangalatra,olon'afaka tsy voagejan'io lalana io(sazy) ianao ra tsy mangalatra,na voadion'ilay Ràn'Zankondryn'Andriamanitra ra manaiky azy fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao(Kristy).Amin'zay ianao dia olon'afaka tokoa satria tsy voateriterin'lalàna saétria tsy misy afaka manameloka anao.
5. ikaretsaka ( 05/02/2009 14:10)
Amiko ny fahafahana @ maha kristianina dia

Voalohany dia tsy noterena ianao...tsy novozonana...tsy noresena lahatra vao lasa nanao kristianina fa nantsoina sy naham-ponao sy Atra no nahatonga izany.

Tsy nohon'ny tahotra: raha anontaniana ianao dia tsy nohon'ny hoe sao lasa any @afobe na sao kapohan'i jesoa raha zao sy zao... fa nohon'ny fitiavana: tinao loatra ilay €omponao dia tsy manao izay mahasosotra azy ianao

Tsy nohon'ny henatra sy ny henamaso sy ny fanafenana ny rariny no anaovana ilay kristianina ho bouclier..ohatra hoe lasa kristianina zao I soa de handea koa I velo fa tsy hanaiky gisitra,na nanao izao rakoto saingy izy ktianina toy ny tenade tsy afaka lazaina sy kritikena ny ataony na tsy rariny sy mivoana aza

Farany dia...pour servir...fa tsy pour se servir

Izay amiiko ny xtiana afaka... marina fa misy ny lalana sy ny didy fa raha tsy azoonao sy nohon'ny fitiavana koa no anarahanao izany dia gejain ilay didy sy lalana ianao fa tsyy arovany sy mampiasa azy.
6. ravakamalala ( 05/02/2009 14:37)
mahafinaritra ny fomba fandraisanareo ny ata hoe fahafahana amin ny maha kristianina.
Io resaka fahafahana io mantsy no tena hitako hoe fototry ny olona eo amin ny tsy mpino, mieritreritra izy fa olona afaka tanteraka, tsy te ho gejaina lalàna inona na lalàna inona, hany ka aleo fotsiny izao tsy mino, dia main izay olna afaka , toy izay hino an Andriamanitra dia ho teriteren ny didin Andriamanitra ao
7. ikaretsaka ( 05/02/2009 14:42)
le fomba "nampinoana" ny ankamaroan'ireo Xtianiana anefa de t@ io fampitahorana sy fandresen-dahatra io
dia amiko sy ny tsapako dia matetika ireny no mivoana lasa manao io fomba lazain'i Ravakamalala io ambony io hoe raha mitadyfahafahana ry zareo dy lasa tsy mino intsony...

lasa obliges izy @ izay fa tsy contraints
8. xxx ( 05/02/2009 17:11)
Ho anay Katolika dia afaka amin'ny rehetra tianao ianao, fa raha mahatsiaro tena ho diso ianao dia manao konfesy dia afaka ny fahotanao.
9. ikaretsaka ( 05/02/2009 19:19)
Inona kay aloha no atao hoe mikonfesy?zany? :twisted: :P :P
10. ikaretsaka ( 05/02/2009 19:23)
Le izy ra xxx fantaro aloha vao kritikena... za raha mi kritika vanjo alika de mba manana elements aloha za hijereko ny arguments ko ..ary jereko ny ataon dravanjo alika ary manana hevitra aroso aho hanohanana ny tsy mampety azy...fa tsy fahatany fotsiny ohatran'ny anao
11. xxx ( 05/02/2009 20:37)
Za tsy mikiritika, fa izay no fahitako azy fa anjaranao no milaza hoe izao no atao ao, fa raha tsy azavainao ny ol le izy

dia ny Mopera sy ny Masera tsy manambady amin'izay izy tena malalaka amin'ny izay tiany iarahana.
12. ikaretsaka ( 05/02/2009 20:54)
ka ianaro sy anontanio ary hadihadio misimisy kokoa aloha vao milaza fa tsy manao affirmation gratis
13. xxx ( 05/02/2009 23:17)
Ka gratis ilay izy satria tsy misy mandoa vola koa, tapaka be daholo fa efa natao rakitra mantsy le madinika eh
14. ari.malala ( 06/02/2009 08:08)
hay le xxx "miangona" atsy iany ity mitondra fanehoan-kevitra tsy milamina ity... :roll:

hono hoa ry xxx7,10,12 (satria itako @ hevitra entinao fa olona 1iany enao) angaha ianao noterena nanao rakitra? sitrapo anie ny manao rakitra na tsia e! tafiditra ao anatin'ny fahafahana resahina mintsy izany manao rakitra izany! tsy ny rakitra no tena alehanao any ampiangonana fa ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fandraisanao ny Tenan'ny Zanak'Andriamanitra!
15. xxx ( 06/02/2009 08:57)
Ka izay mihintsy! tsy rakitra no nalehako any nefa dia takian'ilay paistera sy ny diakona vola aho! ary raha vao tsy mandrotsaka na mandrotsaka vola vy dia mivandravandra aty amiko avokoa ny mpiangona iray dabilio.
16. bor2lais ( 06/02/2009 10:53)
xxx > ka manana fahafahana ianao sa tsia ?
17. ari.malala ( 06/02/2009 11:39)
xxx:

Ka izay mihintsy! tsy rakitra no nalehako any nefa dia takian'ilay paistera sy ny diakona vola aho! ary raha vao tsy mandrotsaka na mandrotsaka vola vy dia mivandravandra aty amiko avokoa ny mpiangona iray dabilio.



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D kloun b le hoe "takian'ilay pasitera sy diakona vola aho!" :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ten aniteny mitsn v zareo hoe o ry xxx a! aiza ny vola? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ny eritreritrao no manenjika anao fa tsy misy mivandravandra izany eo! izya ilay fahafahana! raha tsy mahatsiaro tena ho voatery manao rakitra ianao tsy mahita olona mivandravandra izany! izaho teneniko anao fa misy fotoana tsy manambola mitnsy fa tonga any ampiangonana hivavaka dia rehefa tonga ny fotoanan'ny rakitra dia tsy mitsangana aho rehefa rakitra mitsangana no atao, moa raha tatazana dia atolotro izay eo anilako ftsn ny fitatazan-drakitra rehefa tsy manana aho! tsy ny volako no ilain'ny Tompo, fa izaho vonona hihaino Azy, vonona hanao ny sitra-pony :) afaka tanteraka hanao izay anirahany ahy :)
18. klitika ( 06/02/2009 14:48)
Maninona tokoa moa raha atao ohatr'ireny toerana fikofesena ireny ny toerana fandatsahana rakitra eh? Amin'izay tena malalaka mihintsy ny olona manome izay foiny
19. ikaretsaka ( 06/02/2009 15:53)
ny any @ laisany no 8O aby rehefa misy miray tabilio ka tsy nitsangana na nandatsaka vola ny 1

fa efa ohatran'izany ka..

misy manao ilay izy sobika na taty kely dia asiany sarony lamba misy lavaka kely omby vola fa tsy vy .. misy aza ny sasany asiany antichoc eponge mihitsy de misy mitsangana na mandray ilay taty na harona dia tanana foana no mody ataony eo ambonin'ilay lavaka... tsy maninona.. matetika raha any M/kara dia ilay harona no mipasipasy

ny any @ pro izany fitatazana vy sy talesaka be izany!
20. bor2lais ( 06/02/2009 16:36)
ikaretsaka:

Amiko ny fahafahana @ maha kristianina dia

Voalohany dia tsy noterena ianao...tsy novozonana...tsy noresena lahatra vao lasa nanao kristianina fa nantsoina sy naham-ponao sy Atra no nahatonga izany.

Tsy nohon\'ny tahotra: raha anontaniana ianao dia tsy nohon\'ny hoe sao lasa any @afobe na sao kapohan\'i jesoa raha zao sy zao... fa nohon\'ny fitiavana: tinao loatra ilay €omponao dia tsy manao izay mahasosotra azy ianao

Tsy nohon\'ny henatra sy ny henamaso sy ny fanafenana ny rariny no anaovana ilay kristianina ho bouclier..ohatra hoe lasa kristianina zao I soa de handea koa I velo fa tsy hanaiky gisitra,na nanao izao rakoto saingy izy ktianina toy ny tenade tsy afaka lazaina sy kritikena ny ataony na tsy rariny sy mivoana aza

Farany dia...pour servir...fa tsy pour se servir

Izay amiiko ny xtiana afaka... marina fa misy ny lalana sy ny didy fa raha tsy azoonao sy nohon\'ny fitiavana koa no anarahanao izany dia gejain ilay didy sy lalana ianao fa tsyy arovany sy mampiasa azy.


-> \"Ikaretsaka 2009\" angamba no tsara atao anaranao indray !
:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0725