faly miarahaba anao Volazara
Raha ny fijeriko izany @ tarehinao izany dia tsy eo @ ilay tarehy no tokony hokitihina. Toy ny réaction allergique mantsy izany ka endrika ivelany fotsiny fa tsy ilay hoditra akory no mila fikarakarana.
Mety hampisy mony madinika ohatra ny aretin'aty noho ny sakafo tsy zaka. Noho izany dia ilay aty tsaboina : misotroa rano betsaka (ranon'ampango, rano tsotra). mihinana sakafo maivana fa aza tia sôsisôsy sy épices na boisson gazeuse. Aza miboboka café,dité, ets.
Mahereza mihinana crudités. Raha tena tianao hamboarina ilay tarehy dia manaova carottes rapées. Aza asiana saosy avy eo fa apetaho avy hatrany eo @ ilay tarehy, mandehàna mitsotra 10-15mn eo, izay vao esorina ary sasana @ ranon'ampango manitra tsara (mangatsiaka). Ataovy isan'andro mandritry ny 1 volana eo.
Raha azo atao, aza dia mijanona @ masoandro aorian'io fa mampamainty hodi-tava io.
Dia mahereza eh
hana
Bjr! asio ranona voatabia fa ho afaka vetivety ihany koa, ny ahy isaky ny misy mony dia io foana, anefa efa nandramako dol ny px vazaha marobeee fa tsy nahomby haingana dia haingana tahaka an'io ranona voatabia io.