Ny mpananararaotra no tsy voafehy fa tsy ny TGV

1. andrywui ( 29/01/2009 11:03)
Aleo mba hamaly fa toa diso lalana isika rehetra ka miteniteny foana !!!
iza no milaza fa ny TGV no nibaiko hoe : ROBAO!! DOROY!! Iza no sahy hilaza fa nisy baiko anzany teny ankiaja na teny anaty olona teny na teny andalana ???? fa tetika mangina niniana nalefa ireny mba hampidoboka ny hetsika !!
fanatra mazava koa le tetik'i Prezida oe za tsy hitory !! amzay malaelo azy ny vahoaka hoe tena gentil be izy !! nefa mody izany fa tsy izany !!! ny fon'ny Malagasy mora mitsetsetra no ilainy hiandany aminy satria izy ary tsy niteny !!
fa ra mba otrizany hatramin voalohany ny toetran'ny Prezida ,lasa mora raisina izy izao ,mora resahana , gentil, mandefitrabe, mitady fifampiresahana sy fifanatonana, ... tsy nisy izao zavatra izao fa voavah tam fifampiresahana taminy daholo !!!! alefaso alavitra kely anie ny fandinihanareo e!!

Nahitsin'i hery
répondu par andrywui le 30/01/2009 09:25
2. Mandefitra ( 29/01/2009 11:10)
Oviana moa tgv no mba nahay nifehy?
- ny fako tsy voaroaka
- ny mpivarotra amoron-dalana niverina indray
- ny tananan'Antananarivo natao hiadidiany potika ...

Mbola inona koa no tadiavina?
Miala ny fahendrena fa tsy vitanao ny asa mahaben' ny tanana anao.

Zavatra tsy hay aza ibitabitahana ... tsy anao irery Antananarivo.

Raha mba misaina zao ny vahoaka, dia ny fitakiana ny fialan'i tgv no atao @ sabotsy ...
3. xxx ( 29/01/2009 11:10)
tsy nisy baiko hoe andao HANDROBA ,HANDORO teny ankianja , nalefa ny milisy voakarama handroba sy hanakorotana, tsy nohetsehina ny tafika , tsy nitory ra8 fa mody nanao mampalaelo be, POLITIKA avolenta daholo izany
4. mion ( 29/01/2009 11:28)
zany baiko zany koa ve moa de atao ho fantam-poko fanta-mpirenena e, tsy mila mandefa lavitra ny fandinihina akory oe tsy ilaina aharihary izany baiko izany.
fa nokaramain'ny TGV t@ vola azo tany andafy ireo milisy ireo: 75 000fmg isan'andro ny karama farany ambany mba hanakorontana tao hoy ny renin'ny olona iray namoy ny ainy tao anatin'ireny korontana ireny.

Ary marina fa ny moindre des choses teto an-drenivohitra aza tsy vitan'i TGV : dia ny fahadiovana.
Tsy vao izao ihany i TGV no tsy nahafehy vahoaka fa na ireo mpivarotra amoron-dalana mapitohana ny circulation sy mandoto tanàna aza efa hatram zay no tsy voafehiny

Tsy ny fanana tetika no maha ratsy ny ol iray fa ny objectifn'ilay tetika: tsara sa ratsy. ka le tetika oe tsy hitory ve no ratsy sa le tetika mangingina nokobonina mba handrobana ny fananam-bahoaka. Arovy ny tetikao ary
5. nyavo2000 ( 29/01/2009 11:35)

Milaza ny TGV sy Andry fa mahantra ny vahoaka , tsy manam-bola, dia inona mba nataon-dry zalahy:

* Nopotehina ny toeram-piasan'ny olona ka an'arivony amin'izao no ho very asa satria may ny toeram-piasana, tsy misy entana amidy intsony.

* Tsy avela miasa ny olona fa helingelenina amin'ny fivoriam-pandrobana isan'andro ary ny tena loza dia tsy avelan'ilery hiasa sy hianatra ny vahoaka, dikan'izany ho very asa fa Patron iza no hanome vola anao tsy miasa ? ( I R8 angaha no mbola manapitserana ka manome ny mpiasam-panjakana kely saina migrevy fa ny hafa tsy izany). Ny tsenan'ny Mahamasina tsy nisokatra androany noho ny tahotra ny mpandroba sy ny korontana .

Aiza ary ny vola hohanin'izy ireny, tokony hozarain'ny TGV ange izany tombom-barotra =n'ny orin'asan'i Andry na raisiny hiasa any @ daholo izay very asa sy tsy manan'asa, na zaraina ho azy ireo ny volan'ny commune rehefa tsy hikarakarana ny tanana izay lasa voretra mahatsiravina.

Dia mbola tsy tonga saina ny vendran'isany amin'izany rehetra izany, asaina tonga indray amin'ny Asabotsy dia tonga eny...amboarina eny tsara ny saina mba ho vonona atao sorona fa tsy mbola tsy ampy an'ileiry ny maty hatramin'izao

6. Zokibenareo ( 29/01/2009 11:51)
Any Andrywui

Tsy misy tsy naheno sy nahita an'i Andry TGV tao amin'ny Radio sy ny TV rehefa avy may ny RNM sy ny TVM fa niteny an'izo i Andry hoe " Tsofiko rano ianareo raha ho any amin'ny MBS"
Izaho izany sahy milaza fa Baiko nataon'i Andry ny olona tsodrano io.
Olony daholo no mpandroba , sy mpandoro ny Alatsinainy fa avy eo vao nanohy ny an'i Roland Ratsiraka.
Tsy afa miala i Andry na hiodin-kavia na hidin-kavanana.
Tokony apetraka ny fitoriana azy.

andrywui:

Aleo mba hamaly fa toa diso lalana isika rehetra ka miteniteny foana !!!
iza no milaza fa ny TGV no nibaiko hoe : ROBAO!! DOROY!! Iza no sahy hilaza fa nisy baiko anzany teny ankiaja na teny anaty olona teny na teny andalana ???? fa tetika mangina niniana nalefa ireny mba hampidoboka ny hetsika !!
fanatra mazava koa le tetik'i Prezida oe za tsy hitory !! amzay malaelo azy ny vahoaka hoe tena gentil be izy !! nefa mody izany fa tsy izany !!! ny fon'ny Malagasy mora mitsetsetra no ilainy hiandany aminy satria izy ary tsy niteny !!
fa ra mba otrizany hatramin voalohany ny toetran'ny Prezida ,lasa mora raisina izy izao ,mora resahana , gentil, mandefitrabe, mitady fifampiresahana sy fifanatonana, ... tsy nisy izao zavatra izao fa voavah tam fifampiresahana taminy daholo !!!! alefaso alavitra kely anie ny fandinihanareo e!!

7. mion ( 29/01/2009 12:10)
Ny tena loza ané de zao rey ol ô,
mahantra ny gasy hoy leri nefa tsy tetikasa ialana @ fahantrana no naroson'leri talouan'ny maha maire azy (propagande) fa tetik'asa hananganana toerana firevena : andohalo, Antsonjombe , night club etsy sy eroe... izao trano filanoanana rehetra izao,
Ireo ve prioritaire noho ny manome asa maharitra ny tanora sy manasoa ny bas quartier? jerevo refa avy be ny orana eo @ solimotel eo dobo ranobe nefa ny hopitaly etsy akaiky ka ny aretina sy fery rehetra avy ao @ hopitaly no mameno ny arabe.
zany ohatra tokony hampiasana ny vola fa tsy nde hampirevena ny tanora sy hamporisihina ny tanora hisôty any an-kady
Mbola tsy matotra nefa hitondra vahoaka? NON hoe
8. xxx ( 29/01/2009 12:15)

aiza indray e? Efa haingo diso an'Iarivo ny anareo. Medecin après la mort hoy ilay oul iray izay :( Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa e! Main'ny afo natsangany daholo ianareo be loha @ zao fotoana izao
9. mion ( 29/01/2009 12:26)
iza alou no tena main'ny afo natsangany zao e ; aza mampihomehy fa mahatsikaiky
10. yuka ( 29/01/2009 12:32)
iza no nilaza hoe manangona olona eny ambohijatovo?
aza manadio tena fa refa diso ry TGVendrana dia diso a!
mba andrasonareo eo amin'ny 13 mai koa ireo faty 46 isa ireo fa namanareo
niara nitolona ihany reo ry TGV sy ny tariny aaaa!
11. xxx ( 29/01/2009 13:34)

Akaman-dravalomanana ny mpandroba sy mpanimba fananam-bahoaka e!!!

Efa firifiry moa izay ny tanin'olona norobainy??? Efa volam-panjakana ohatrinona no efa lasany???

Ary iza no mitetika hivarotra an'i Madagasikara amin'ny vahiny, tsy Ravalomana ve???
12. akamatiana ( 29/01/2009 13:43)
porofo iray no lazaiko eto

Ny olona tena akaiky ahy dia mpitolona mafana fo miaraka am andry . Tam lundi iny dia niantso ahy izy hoy izy ande ho any am MBS ndray zahay zao fa efa vitanay ny RNM , hoy za fa nareo ve adala e, ka tsy maintsy vitainay sy ravanay e , fotoana fohy taorian'izay nizara indray zahay de za an'isany makeny am MAGRO tanjombato anapotika ny fananany ndray , tsy maintsy vitainay io androany e, ny fanontaniako : i Andry zany miaraka aminareo eny ?? ny navaliny izy nasainay maka aina eny am 13 mei . Nalahelo aho oe zao ve no atao oe tolona . Gaga nefa aho noho ny filazan'i andry fa tsy olony ireo , tena mahay mandainga sy mandaha-teny ary manadio tena izy a, ary tounde babo aby le andian'oul mpanaraka azy irreo
13. Ryhana ( 29/01/2009 13:59)

andrywui:

Aleo mba hamaly fa toa diso lalana isika rehetra ka miteniteny foana !!!
iza no milaza fa ny TGV no nibaiko hoe : ROBAO!! DOROY!! Iza no sahy hilaza fa nisy baiko anzany teny ankiaja na teny anaty olona teny na teny andalana ???? fa tetika mangina niniana nalefa ireny mba hampidoboka ny hetsika !!
fanatra mazava koa le tetik'i Prezida oe za tsy hitory !! amzay malaelo azy ny vahoaka hoe tena gentil be izy !! nefa mody izany fa tsy izany !!! ny fon'ny Malagasy mora mitsetsetra no ilainy hiandany aminy satria izy ary tsy niteny !!
fa ra mba otrizany hatramin voalohany ny toetran'ny Prezida ,lasa mora raisina izy izao ,mora resahana , gentil, mandefitrabe, mitady fifampiresahana sy fifanatonana, ... tsy nisy izao zavatra izao fa voavah tam fifampiresahana taminy daholo !!!! alefaso alavitra kely anie ny fandinihanareo e!!

Iee! tena diso mihitsy enao satria raha tsy nisy ko i TGV dia tsy nisy izao korontana izao. sady mazava be fa nanome tso-drano handoro sy handroba ny fananam-panjakana sy fananan'olona izy, ny dikan'izany de maniraka sy manome baiko ambadika

14. jiimm ( 29/01/2009 14:34)
TGV io e!! iza no mibaiko sy manakarama ireo mpanao gazety Antsiva sy VIVA ka manao izay handrangitana ny vahoaka?? teny ratsy, ompa, fanambaniana, fanivaivana. Demokrasia ve izany?? Hevitra no hampiadina fa tsy ny olona.
Fa naninona no nentina nivezivezy ny olona nefa enao milaza fa takiana eo @ kianjan'ny demokrasia ny fanovana izay eo Ambohijatovo? Toy ny fahita any amin'ny firenena maro hoy nyTGV dia ny kianjan'ny demokrasia no ilazana ny tsy mety ataon'ny mpitondra. Naninona ny vahoaka no nentin'TGV eny Anosy hanimba ny fananany. Tsy mampalahelo ny TGV ve ireo archive m-pirenena may tao anosy izay tokon ho fantatry ny taranaka. Hadisoana goavana no nataon'TGV.
15. hery ( 29/01/2009 15:23)
Tsy haiko na tena mody fanina i andrywui na tena tia tanteraka an'i AndryTGV ka dia mety daholo ny ataony.

Raha tia an'i TGV dia hoy aho hoe ny tiana ihany no anarina. Anaro izy, teneno azy fa tsy nety iny nataony iny, aza arahana amin'ny adalàny izy. Ny adalan'ny hafa hono ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba. Aza itsitsiana rotsan-kazo... fa aza amporisihana kosa mbola hanao izay tsy mety nataony. Aza avela hamerina ny adalàny. Aza arovana amin'ny ratsy nataony. Izany no fitiavana.

Raha ohatra moa ka tsy hoe fitiavana an'i AndryTGV fa tena mody fanina dia tena mampalahelo. Angamba tsy anao tokoa ny lelo ka mora ny miteny hoe ahisino. (beurk)
16. bezoky ( 29/01/2009 15:41)

Tsy misy diso lalana zany, ary tsy misy miteny2 foana fa ny plan ny TGV hatr@ voalohany dia tena izao fanjakan'ny baroa izao, plan efa matipaika daholo izao, dia refa veo vao mody hoe mpanararaotra no tsy voafehy, mba madinihakely e! Mazava hatrany moa eto fa refa miresaka TGV dia tafiditra ao avokoa ireo dinauzore politique manampy @ torohevitra ratsy sy andetehana ny firenena. Tena hita koa fa fangalana fahefana noho ny fankahalana no tiana atao fa tsy fanamporofoana fitiavan-tanindrazana

17. andrywui ( 30/01/2009 09:25)
heri====ra fananarana no atao hoy i heri fa tsy famporisihina!!! maninona no tsy nisy niteny sy nananatra an'i Prezida ary hatramzay amity avombava sy fanavakavahana arapoko sy taimbava azon'ny mpanao politika na olotsotra isaky ny maha zo mpanao gazety ity ,ny fibodoana tanin'olona amanapitrisany hekitara( Antonibe,plage d' Analalava,alaotra,Antananarivo,Antsirabe...)maninona no tsy nanarina mialoha ary izy mba tsy hampahory olona amin fananana keliny ?
====tolona nifampierana tamitsika vahoaka rehetra io ary lanitsika rehetra fa rehefa tonga ny mangidy de nivadika daholo ka lasa oe anareo ndray io!! NY POROFO???====tam fifidianana maire tompoko raha tsy nangala-bato ny TIM dia 80% no azon'ny TGV teto Antananarivo!!! ary isika vahoaka mihitsy aza no tena namporisika mafy ny TGV hatramin'ny voalohany!! fa mahay miova palitao rehefa avy eo ! satria isika Malagasy olon'ny FO de vao nahita ireo magazay vaky sy voaroba ary ireo namoy ny ainy de mora mivadika sy ontsa daholo indray indrindra moa ka oe tsy nitory hono i Prezida de vao maika tafita ny hafatra !! satria na tato amin forum aza de betsaka no TGV lasa niova phrases ! nanao oe Homboy !ilay nanao Hosanna ! teo ! ka entina amin fisainana ze atao fa tsy amin FO fa ra mbola nitohy tam didy jadona teto koa mo isika nisy zavatra vanona ve fa tsy nifampiandry kendry tohana teto fotsiny ?? ary mety ho fankahalana amin fifamonoana aza no nisy teto,fa tsy fandrobana !! satria leo taim-bava misesisesy loatra sy avonavona ary fanambaniana tsisy farany ny vahoaka(ohatra:""inona koa no hiraharahiako zay vahoakan'Antananarivo...,misia manao eo moa nareo ahitanareo azy ...!,mandehana mody nareo vahiny zay tsy faly ,fa tsy mitamby aminareo zahay...)betsaka ny avombava sy teny mandratra efa azon'ny olona na gasy na vahiny ka miotrika lava ao anaty ao mitady hibosesehana fotsiny de mipoaka!! rehefa tena miverina ao antsaina daholo izany de toa tsy i Prezida mihitsy amizao fotoana no ahatafavoaka anzany satri ::Teny malefaka , tambitamby, fifanatonana ,....izany no mivoaka aminy isky ny manatrika olona !! de rendrika daholo koa ry olon'ny FO rehetra !! tsy ampy lalaovina !! fa rehefa miverina amin'ny heriny eo anefa izy de mihomana ry vahoakan'Antananarivo rehetra tsy ankanavaka !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706