MINOA FOTSINY IHANY

1. naritsimba ( 20/01/2009 07:32)
MINOA FOTSINY IHANY

Tsy mitsaha-mitombo ny vidin’ny vary
Ny miaina rehetra no tena marary
Ny vidin’ny menaka miakatra hatrany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.

Ny vidin’ny hena dia mampivanaka
Antsasa-pahefany sisa no zaka
Laroina anana hameno vilany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Ny saran-dalana aloa isan’andro
Vola mivoakae ! toa fofo-nahandro
Odiana tsy hita, fa zavatra lany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Ny hofan-trano tsy maintsy aloa,
Ny vidin’ny Gaz na arina koa
Manampy trotraka antsika eny ihany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Ny kojakoja rehetra ilaina,
Mahavalalanina, mahavery saina
Fahefa-mividy ambany dia ambany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Ary ny vidin’ny jiro sy rano ?
Loza manambana, tena angano
Toa tsy mampino, fa io re nolany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Ny fanafody raha sendra marary !
Ny maso no sisa akarikary
Lafo sy tena loza amin-tany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.

Ny ankizy ho avin’ity firenena…
Ny saram-pianarana, tsy maintsy jerena
Tsy takatr’intsony mahalasa vinany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany

Dia minoa eo fotsiny ihany
Fa ny tenanao no hivarina an-tany,
Ho fongana hatramin’ny tahirinao
‘Zay vao hanao ny tsy fanao…

Ny sasany anefa mivarotra tany,
Ho an’ny vahiny ka mampitomany
Mividy fiaramanidina raitra
F’isika izao no hitondra takaitra.

Ny ambasadaoro nalefa any am-pita,
Saribakoly fa tsy mahavita
Fa ny Filoham-pirenena ihany
No sahy milaza fa : « mahavita izany !!! »

16/01/09


répondu par andrywui le 21/01/2009 09:28
2. notron ( 20/01/2009 08:02)
Sôtséééééééééééééééééé!
De mapamangy any @ Radoda any lesy aaaaaaaa! :-*
3. lemenakely ( 20/01/2009 08:09)
Ary na lasa aza i Rado , hay assurée ny releves
4. andrywui ( 20/01/2009 09:05)
ary mahay lery an!! de manaova ian letsy fa zava baovao a!! de mba ataovy anle 6 rima reny ndray fa reny no mba tiako vakiana e!! mazotoa an!! de atov kozy politik fon kou !! merci an!
5. xxx ( 20/01/2009 09:09)
n'iza n'iza eo ra naritsimba tsy ampiova ny fiainanao a , zareo ao ambony ao iany no bolangina fa raha ny oe ny vahoaka de nofy zany . Ka mahaiza mihezaka fa aza mitoky amin'ny olona e , ianao foana no reraka itolona eo fa ny eo iany no eo , tsy aleo milamina de misesy ?? Hoy ny tenin'Andriamanitra hoe VOAOZONA IZAY MITOKY AMIN'NY OLONA
6. xxx ( 20/01/2009 09:09)
MINOA FOTSINY IHANY ??? afabarakanao ny tenin'Andriamanitra ry ngahy FILOHA fa de nataonao Fiafenana amin'ny hadalanao ny Tenin'iTompo !!
maty aho re razako!!
7. xxx ( 20/01/2009 09:16)
xxx5>>
xxx4:
VOAOZONA IZAY MITOKY AMIN'NY OLONA


ka mba mahaiza mandinika fa aza manao ny fanaon'ny jentilisa e
8. naritsimba ( 20/01/2009 09:41)
Tsy nitoky t@ olona aho, fa matoky kosa fa Andriamanitra tsy mba tsy marina.
9. xxx ( 20/01/2009 10:17)
oadray aona kou ary naritsimba zany e , k'efa hita fa nitoky tamin'olona dia zao mbola hitoky amin'olona iany kou , lazaivo fa amin'io ataonao io dia i Andriamanitra no hidina hitondra ny firenenao . kou raha tsy pondry dory reo mpiady seza ametrahanareo ny fitokisanareo reo kou
10. andrywui ( 20/01/2009 10:18)
misehoa klou
11. mitia04 ( 20/01/2009 11:03)
Sambatra izay mino nefa tsy mahita vary, loka, siramamy, fanafody, sarbô, katsaka, tsaramaso, voanjobory,.................. :-D :-D
12. tsiafoi1 ( 20/01/2009 11:26)
Eny, "Minoa fotsiny ihany"
'Zay lay Teny Fikasana
Ho an'ny rehetra
'Zay Mino tsisy FETRA

Tsy FERAn'ny Mpitondra
Fa Herin'ny Tsitoha,
Herin'Andriamanitra
No hany itokiana
Hahato ny faniriana

Eny "Minoa fotsiny ihany"
Fa Raha sitrak'Andriamanitra
Ny handrodana ny manda
De ho tanteraka izany
Hahato ny fikasany

Eny "Minoa fotsiny ihany"
Fa tsy ny fitondrana hifandimby
No hitondra fahasambarana...
Fa ny fikirizana hatrany
Omban'ny fitahiana

Eny "Minoa fotsiny ihany"
Fa Andriamanitra Mahery
Izy Irery ihany, Izy Irery Itokiana
De ho TO IZAY IRIANA
13. naritsimba ( 20/01/2009 11:32)
Tadidio fa tsy na iza na iza ho tonga eo dia olona foana izy na iza na iza, fa ny fandemen-tsaina tsy handaitra fa ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana tsy maintsy toherina, ka na iza mpitondra eo dia aleo ahongana foana raha mbola mangalatra sy mandainga, izaho manaiky ho fitaovana fa tsy maninona.
14. andrywui ( 20/01/2009 11:32)
O ry tsimetyfoi a! de mbola asainao mino fotsiny iany ve ny malagasy efa sozanina tsy ampy kaly ny 80% ? so de mba mandatsa ary ty ianao ry tsymetyfoi ka ny Tenin'Andriamanitra koa no vingavingaina ,nefa ny mpiray Tanindrazana aminao zara ra mahita arapaka kely ambany foitra isanansro !! mba matahora an'A/tra ary aza miteniteny foana!!
15. penguin ( 20/01/2009 13:17)
Mino ny tenany sy hampiakatra ny moraliny ahafahany miasa tsaratsara no atao fa tsy hino anao fozaorana akory ry andrywui aa
16. bozyboleta ( 20/01/2009 13:38)
Eo mantsy no nandiso ny maro.
Ny hoe mino fotsiny tsy hoe hanonofy eo de zay! De avy eo hitarina zavatra hafa ny tenin'Andriamanitra.
De tsy vitan'izay fa hanao toy ny nataon'ny Fariseho mpanamaritena ndray ny sasany! De refa te-hanongana de lazaina ndray fa Andriamanitra no zao sy zao...
Avelao Andriamanitra hipetraka tsara any @ seza fiandrianany !
17. penguin ( 20/01/2009 13:44)
Andriamanitra tsy miova ary tsy misy sahala azy fa ny mpampiresaka no betsaka. Ny tenin'Andriamanitra tsy hain'olombelona disoana fa ny tsy fahaizany manakatra ny voambara no mahadiso ny fiheverany. Rehefa heverina ho ratsy sy tsy mamokatra dia lazaina ho ratsy nefa na ry zalahy aza vé raha tsy mino andeha ho eny Ambohijatovo hanangana Kianjan'ny Demokrasia ??? Aza mandainga fa mila mino amin'ny zavatra atao na iza na iza. Ka izay tsy ampy finoana no ho hitan'ny havany eo. Vonoy ny baolina raha mino fotsiny ihany f'aza be resaka ary!!!
18. xxx ( 20/01/2009 18:41)
Ny fiangonana moa dia vola no tadiaviny, ka na iza na iza ahitany tombontsoa dia zanany foana
Tsy mahagaga raha ny zanaky ny fiangonana kristianina mahantra lava fa ny mpitantanana bolangina foana, Ka moa tsy izany va Ra8?

Izahay mpitantana, mivaro-baiboly
Fa ianareo... miasa, mazotoa mamboly
Ny rakitra aza adino raha miangona
Ny vokatra ihany koa ataovy misongadina
Dia zanakay nareo, fa mpanompo lehibe
Ka tsofinay rano ho any an-danitra any anie
Fa ny eto fandalovana eh

Tsy ny mpanao politika ihany no mampiasa ny fahantrana mba hakana ny fon'ny vahoaka, mba ahafana mifehy azy sy mampiasa azy ho fitaovana hangoronan-karena, fa ny fiangonana ihany koa dia tena lehibe amin'io fanambakana io ary dia ry Ra-Didy sy ry Ra-8 no santionan'ny olona novolavolain'ny fiangonana rehetra nandalo teto Madagasikara. Tsy misy tsy mampiasa ny baiboly ho fangoronan-karena ny fiangonana rehetra misy. Ka ny vahoaka no fendrofendroiny amin'ny hoe: "Mpanota ianao... Diso eo anatrehan'Atra isika..."
Sy ilay fampiononana ny vahoaka mahantra amin'ny Fahasambarana 8: "Sambatra izay mahatra...., fa izy ireo no handova ny fanjakan'ny lanitra...."
Miampy ny fanozonana ny manankarena lava izao amin'ny hoe :"Sarotra ho an'ny mpanankarena ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra"
Nefa izy miha-manankarena ihany amin'io
19. xxx ( 20/01/2009 20:51)
Mba misy ho lazaina ko ny aty , momba ny fahefa-mividy , ny trosan'i Mada @ireo mpamatsy vola nandritry ny 50 taona lasa izay , ny toe-karena mitotongana farany izay ambany indrindra eran'izao tontolo izao , ka hoy aho hoe :mbola misy ihany ve ny malagasy @ izao fotoana izao sa dia efa tena voavarotra tanteraka ny tanindrazana malala nikolokolo sy nanabe hatr@ fahazazana ? efa voandevo tanteraka ve ny malagasy miparitaka eran'izao tontolo izao ? Amiko dia tsotra ny valiny : Mbola mitohy ny fanjanahan-tany mandrak'izao fotoana izao , @ endriny vaovao ary n' iza n 'iza hiakatra eo ka tsy handray andraikitra ny tsi 11 amintsika malagasy , eran'ny vazantany efatra dia tsy hahatohitra izany na oviana na oviana , betsaka ny olona be resaka be eto @ serasera ,nefa dia mampalahelo fa toa misikotra ny kankan'oron'ny mpiray tanindrazana aminy fotsiny izany .Tsy hanonona anaran'olona aho , fa ireto ny tena venti-kevitro : VY VATO SAKELIKA =MDRM=MENALAMBA=KDRSM=AREMA=MONIMA=UDECMA=TIM=VONJY IRAY TSY MIVAKY = .... = ETSETRETSETRA ...=N'IMPORTE QUOI= ....??? =mapalahelo é ! :cry: :cry:
20. andrywui ( 21/01/2009 09:28)
penguin krevety a! raha ny fijerinla azy zany ry lety de tena miadana be voky isanandro otrnla ,sy manana trano tsara tarehy isitrihana otrnla ,sy ampy sakafo ara dalana ny Malagasy, ary manankarena daoul ny ankabetsahan'ny malagasy ???? zay zany no fijerevanlah azy amin'iny solomasonla iny azy??? misaotra anla zany ny vahoaka rehetra eto Madagascar ! bravo penguin krevety
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0642