TENY

1. Fody ( 18/01/2009 22:55)
coopsal rehefa avy notanisaina ny zavatra diso maromaro nolazainy:
==> Miady hevitra ny amin'ny teny ianao! Tsy teny gasy ny tenin' Andriamanitra ary tsy teny Hebreo sy Grika, fa ny tenin'i KRISTY dia Fanahy sy Fiainana. IZY no tenin' Andriamanitra izay iveloman'ny olona. IZY no tenin' Andriamanitra tsy niverina raha tsy efa nahavita izay nanirahana Azy.

Fa amin'ny alalan'ny inona kay no ampitan'Andriamanitra ny teniny ?
Ataoko fa amin'ny teny grika raha tokony hisy "iota" (teboka kely izay izy io ho an'izay tsy mahalala) no tsy asina dia efa miova ny hevitra tiana hambara.
Ny an'i coopsal tsy "iota" ihany no banga amin'izay nolazainy, nefa dia ambarany fa fanahy sy fiainana izany, ary avy amin'i Kristy.

Am-pitiavana be.
répondu par fijo le 06/02/2009 22:21
2. xxx ( 19/01/2009 01:16)
Resaka SEKTA indray ity
3. ikaretsaka ( 19/01/2009 13:51)
Sao kosa lery mihevitra fa izy no kristy ka afaka amboarimboariny araka izay mampety azy aminy ny teny
4. princesseN ( 19/01/2009 15:44)
zany koa v d iadina hevtra eh!
5. ikaretsaka ( 19/01/2009 16:04)
Porofoy sy omeo ny antony tsy azo hiadiana hevitraq @ zany aloha ary hojerena
6. xxx ( 19/01/2009 16:17)
==> Miady hevitra ny amin'ny teny ianao! Tsy teny gasy ny tenin' Andriamanitra ary tsy teny Hebreo sy Grika, fa ny tenin'i KRISTY dia Fanahy sy Fiainana

Tsy efa maty ve i Kristy vao nisy nanoratra ny baiboly e?Nahoana no lazaina fa teniny Kristy fa tsy tenin'olona.Nadika taminy teny gasy dia samy manana ny filazany ny mpandika teny,ny anaran'olona ohatra
7. rijadolly ( 19/01/2009 16:44)
Za ndray tsy mahita lazaina satria tsy azoko ilay tian'coopsal lazaina fa mila fanazvana kely avy any amina aloha. :-*
8. xxx ( 20/01/2009 07:21)
Tsy niteny jiosy hono i jesosy fony fahavelony fa niboredika foana nandritra ny 33 taona e! Raha izany no marina dia tsy nahagaga raha nofantsiahin'ny olona i lery!
9. Mirananirina ( 20/01/2009 16:51)
fa niboredika

tena marina ve izany?
10. coopsal ( 21/01/2009 14:01)
rijadolly>>> Aleo ny Apostoly Paoly no hilaza azy ka ho an'izay Timoty dia aoka izy hihaino ary hankato.
"Si quelqu'un enseigne autre chose, et s'écarte des paroles de vérité de notre Seigneur Jésus-Christ et de l'enseignement conforme à la foi, c'est un homme enflé d'orgueil, un ignorant qui a une passion maladive pour les spéculations et les controverses sur des mots. Qu'est-ce qui en résulte ? Des jalousies, des disputes, des dénigrements réciproques, des soupçons malveillants, et des discussions interminables entre gens à l'esprit faussé. Ils ne connaissent plus la vérité, et considèrent la foi en Dieu comme un moyen de s'enrichir. "[1Timothé 6:3-5]
11. ikaretsaka ( 21/01/2009 14:34)
Misy noteneniny @ timote koa hoe na ny voasoratra na ny naqmpianarinay ambava
12. Fody ( 21/01/2009 14:59)
Atolotra manokana an'i coopsal ity zavatra ity:


rakapy:
Ka ity no mba tiako ho lazaina momba ny devoly izay inonareo io:

Ny devoly dia tsy hiseho @ endrika mampatahotra na manahirana na endrika ratsy. Matetika izy dia miseho @ endrika mahafinaritra,mahavariana, mahaliana eny fa @ endrika MASINA koa aza matetika.

Ny devoly dia tsy mahafantatra ny tenany fa devoly na mpanao ratsy izy.

Ny devoly dia mampiasa ny tenin' A/tra sy ny baiboly mba hanjonoany anao. Tena mahay baiboly be izy. Ary mitory tahaka ny mpitory koa. Manao vavolombelona koa izy.

Ny devoly dia tsy hilaza aminao fa tsy mino an'A/tra naoviana naoviana izy.


Am-pitiavana be.
13. rijadolly ( 21/01/2009 16:21)
coopsal:

rijadolly>>> Aleo ny Apostoly Paoly no hilaza azy ka ho an'izay Timoty dia aoka izy hihaino ary hankato.
"Si quelqu'un enseigne autre chose, et s'écarte des paroles de vérité de notre Seigneur Jésus-Christ et de l'enseignement conforme à la foi, c'est un homme enflé d'orgueil, un ignorant qui a une passion maladive pour les spéculations et les controverses sur des mots. Qu'est-ce qui en résulte ? Des jalousies, des disputes, des dénigrements réciproques, des soupçons malveillants, et des discussions interminables entre gens à l'esprit faussé. Ils ne connaissent plus la vérité, et considèrent la foi en Dieu comme un moyen de s'enrichir. "[1Timothé 6:3-5]
Misaotra fa efa azoko ilay izy rehefa novakiko in-3 porofon'zany JAONA 1 : 1 - 18
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. 2[Na: tsy nahasakana azy].6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.9 Tao ny tena Mazava3[Izy no tena Mazava.] Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, stria talohako Izy.16 Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.
Sa mbola tsy azoko :oops:




14. ikaretsaka ( 21/01/2009 16:38)
efa nazava be ngamba ny nambaran'i Joany hoe "ny teny TONGA NOFO"
ka aza ajanona @ teny fotriny e
15. rijadolly ( 21/01/2009 18:07)
coopsal:
IZY no tenin' Andriamanitra tsy niverina raha tsy efa nahavita izay nanirahana Azy.
Marina
ISAIA 55:10 - 11
10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy,raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
16. ikaretsaka ( 21/01/2009 18:18)
Ka efa IZY. Izany fa aza tsimponina anaty soratra loatra intsony e..nareo ne io misambodika io foana e
17. rijadolly ( 21/01/2009 18:48)
xxx:
Resaka SEKTA indray ity
ikaretsaka:
Sao kosa lery mihevitra fa izy no kristy ka afaka amboarimboariny araka izay mampety azy aminy ny teny
Mba azonareo azavaina amiko ve ny antony nahatonga anareo nilaza an'ireo fa tsy azoko.
18. Fody ( 21/01/2009 22:04)
rijadolly:
Za ndray tsy mahita lazaina satria tsy azoko ilay tian'coopsal lazaina fa mila fanazvana kely avy any amina aloha.

Mandehana jereo any ambadika any dia ho hitanao hoe: inona aby ny zavatra nolazainy ka nahatonga ny tenako sy ny hafa nanitsy azy. Ary nahatonga azy niteny an'io zavatra eo ambony io. Izay marihako fa fomba fiady nentina nanamarinan-tena satria tsy misy hevitra hafa intsony azo naroso hanakonana ny hadisoana, nefa sarotra ny miaiky fa diso.

Marihako fa raha izaho irery no nahita hadisoana tamin'izay nolazainy dia nekeko hoe: tena diso fijery sy diso fandinika aho, saingy tsy izaho irery fa misy hafa koa nahita...

Ohatra iray :
coopsal:
Ny lanitra dia tontolo itoeran'ny fanahy, mizara roa io tontolo io : maizina sy mazava, tahaka ilay voasoratra hoe "Ary andriamanitra nampisaraka ny maizina sy ny mazava" [Genesisy 1:4].

Nefa mandehana jereo ny voasoratra ao amin'ny Jeenezy fa tsy misy milaza mihitsy hoe: ny lanitra dia mizara roa. Ny hitanao ao dia hoe: ny habakabaka no nataon'Andriamanitra hoe lanitra.

Ohatra iray ihany io fa mbola maro any ambadika any...

Am-pitiavana be.
19. ikaretsaka ( 21/01/2009 22:33)
Io ohatra lazain'i Fody io no ilazako ilay hoe fa iza loatra izy no samasamahany sy sisitsisifany ary atambatambany arakla izay itiavany azy ny. Soratra masina
20. rijadolly ( 22/01/2009 14:50)
Ao amin'lohahevitra inona kay zny mba njeroko fa efa tena tsy araka tsony noho ny habetsakin'lohahevitra ankisesy ato
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0702