Inona no finoatsika tao alohan'i Kristy?

1. Mirananirina ( 06/01/2009 16:36)
Sao mba misy afaka mamaly io fanontaniako io azafady?Juif sahala aminy Israel,musulman,sa inona?
répondu par coopsal le 16/01/2009 12:23
2. ikaretsaka ( 06/01/2009 16:41)
Iza aloha no tianao faritana @ le hoe :"isika" ny Gasy ve?

ny tsotra indrindra angamba de hoe nino foana "isika" fa misy "nahary" !
dia nisy hery izay tsy haintsika ny mi maitriser azy, mamehy ny ataontsika ary eritreretintsika fa io hery io no tompon'antola sy sourcen'ny zavatra rehetra tsy haintsika manazava!
3. booboo ( 06/01/2009 16:46)
dia ilay hoe " tao alohan'i Kristy " ve ilay vanim-potoana nahatongavan'ny kristianisma tany M/kara sa ilay fotoana fandrefesana ara-tantara ?
4. Mirananirina ( 06/01/2009 16:46)
Isika Gasy no anontaniako ka,
5. Koditra ( 06/01/2009 18:48)
ikaretsaka:

Iza aloha no tianao faritana @ le hoe :"isika" ny Gasy ve?

ny tsotra indrindra angamba de hoe nino foana "isika" fa misy "nahary" !
dia nisy hery izay tsy haintsika ny mi maitriser azy, mamehy ny ataontsika ary eritreretintsika fa io hery io no tompon'antola sy sourcen'ny zavatra rehetra tsy haintsika manazava!
Avao tsara kosa alou fa sô dé afangaron'lah ny Hery avy any ambony sy ny Sefo Hery tompon'antoka sy sourcen'ny Serasera kléaza a :-D :-D

Marina io vôlazan'Ika io, nino zanahary isika. Matoa rizareo fahagola ireo nanonona hoe zanahary sy ny razana dia nino zanahary zany zareo.
Ra ny fitadidiavako azy dia rizareo Arabo sy ny Indônesiana no anisan'ny vahiny tafiditra vôloany teto amitsika, mety anisan'ny namolavola ny finoan'ny malagasy sasantsany t@ zany fotôna izany izay nifanerasera t@ reo. Zay ngamba no anisan'ny nahabetsaka ny musulman any @iny faritra avaratry ny nosy iny satri reo arabo ireo dia avy tany no nidirany vôloany.
Mety ho diso ireo fa zay no fahatadidiavako ny tantara.
6. ikaretsaka ( 06/01/2009 20:39)
Koditra: tsssss..... "fivavahana sy finoana" kosa eto fa tsy "momba ny serasera" e... raha tany de marina nen la
7. rahery08 ( 07/01/2009 05:50)
Raha ny filazan ilay olona nanao fikarohana izay; dia hoe Jiosy ny Malagasy. dia mazava hoa azy izany fa finoana Jiosy.

Ny antony hilazany izany aloha dia lavabe raha ho tantaraina. fa izao fotsiny ny azoko ambara:
ireo fombafomba ataon ny mpanompo sampy eto @tsika dia mitovy fanao ao @ Baiboly (Levitikosy), ny lehilahy Malagasy mifora...

Andriamanitry ny razana hono no tany ampiandohana, fa taty aoriana vao hoe Andriamanitra sy ny razana.
8. coopsal ( 07/01/2009 07:26)
Mirananirina:
Isika Gasy no anontaniako ka,

Soa fa nazavainao, noheveriko fa nanontany ny tsirairay (izay mino an'i Kristy) t@ fomba mihaja ianao hoe inona ny finoany nialoha ny ninoany an'i Kristy dia saika hamaly aho hoe nenah "kristiana/ protestanta/ FJKM" ...

Izaho koa mba liana mamantatra ny tena finoana Malagasy nentin-drazana. Dia io nolazain-dRahery io no hitako, fa ampiako kely ny fanazavana :

Fototry ny finoana :
Zanahary : Nino ny Ntaolo Malagasy fa nisy anakiray izay nahary izao rehetra izao, ary izay no niantsoany azy hoe Zanahary. Tsy hita maso izy io fa Fanahy, kanefa kosa mahita ny zavatra rehetra.
Andriamanitra : Fitambaran'ny teny hoe andriana sy hoe manitra. Namaritana ny toetran'ny Zanahary sy ireo fanahy hafa mifanerasera taminy akaiky, na dia ampiasaina indrindra iantsoana an'i Zanahary aza. Andriana dia manambara fiandrianana, ary ny manitra dia manambara fahamasinana sy fahatsarana.
Ny olombelona : Ny olombelona dia isan'ny zava-boahary, kanefa mampiavaka azy amin'ny voary hafa rehetra dia izy fanahy (ny fanahy no olona), na dia mitafy nofo aza. Tahaka ilay hoe "Andriamanitra dia namorona ny olona hitovy endrika taminy".

Fitsipiky ny fiainana : Ny fampianarana sy ny fitaizana rehetra ary ny fiainana manontolo dia ho amin'ireto tanjona roa (izay iray ihany fa ny faharoa dia mise en pratique an'ilay voalohany)
- Fifandraisana amin'i Zanahary : "Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha" (mitovy tanteraka ara-kevitra amin'ilay Didy lehibe indrindra : "tiava an' Andriamanitrao @ fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra")
- Fifandraisana amin'ny olombelona : "Tsongoa fon-tena tsongoa fon'olona". (mitovy ara-kevitra amin'ilay Didy lehibe faharoa : "tiava ny namanao tahaka ny tenanao")

Pratique :
Fifandraisana amin'ny Zanahary :
Nisy olona voatokana isan-taranaka hifandray amin'ny Zanahary (tsy tadidiko na ny aivon-jaza na ny lahimatoa sy faralahy), ary io olona voatokana io dia nasaina nanamasin-tena : nifady hanina izay noheverina fa maloto (toy ny kisoa), ... sns. (mitovy amin'ny nifidianan' Andriamanitra ny Levita sy ny taranak'i Aarona ao @ TT)
Rehefa nisy ny marary dia ireny olom-boafidy ireny no nifandray tamin'ny Zanahary ary nomen'i Zanahary ny torohevitra mba hahasitrana (ohatra hoe zava-maniry na tahaka izany). Tsy ireo anefa no mikaroka sy mikarakara an'ilay zavatra, tahaka an'i Mosesy na ny mpaminany tsy nanao ny zavatra fa nampita ny avy tamin' Andriamanitra. Fa ireo lasa mpanao fanafody no nanatanteraka ny baiko avy amin'ny olom-boafidy.
Fifandraisana amin'ny olombelona : ny fitandroana ny fihavanana.

Fandikàna ny Didy sy ny fitsipika :
Ny tsiny dia mihatona eo amin'izay mandika ny Didy, ary na dia zavatra tsy concret aza io tsiny io, dia fototry ny olona concret maro mahatonga ozona sns ...
Ary izany no nahatonga ny mpikabary mametraka foana ny fialan-tsiny manaraka ny arahaba (eto aho dia lasa saina ny amin'ny litorjia any am-piangonana ireny).
Nisy karazana fombafomba (rites) natao mba hampitoniana ny fahatezeran'ny Zanahary (izany no mahatonga ny fanatitra ... sns) rehefa nanota (fady) ny olona.

Fampitàna ny finoana :
Ny taranaka dia nampianarina ny finoana ka ny fomba natao tamin'izany dia ny angano, ny ohabolana sy oha-pitenenana, na fananarana tsotra fotsiny ihany koa.
Ny angano moa no tena henoko hoe na teo amin'ny diavolana, na teo amoron'ny afo ary i dadabe no tena mpitantara angano. Tahatahaka ny synagogan'ny jiosy ary i dadabe eto no mpampianatra lalàna.

Mpisandoka :
Raha ireo voalaza ireo no ampitahaina amin'izay fomba sy ny finoana voalaza ankehitriny fa nentin-drazana Malagasy, dia ahitana fa nisy mpampianatra sandoka sy olona nametsifetsy tao ka niova. Ohatra :
- ny resaka fifandraisana amin' i Zanahary izay tsy raharahiana akory fa lasa ny razana no tena tompoina
- ny mpanao fanafody nametsifetsy fa tsy araka ilay fahiny hoe nisy olom-boafidy nifandray tamin'ny Zanahary ka nampita ny hafatra.
- ny famadihana satria hoe mangatsiaka ny nofon'ilay (sa ny vovoka?) maty dia mifanohitra tanteraka amin'ny finoana Malagasy hoe "ny fanahy no olona".

Tsy misy hafa amin'izany amin'ny finoan'ny kristiana maro, nisy namitaka ka :
- tsy Andriamanitra intsony no ivavahana fa olona efa maty fa lazaina fotsiny hoe "olona masina".
- maro no nianatra teolojia na mitondra fiangonana fa tsy araka ilay voasoratra hoe "fanomezam-pahasoavana avy amin' ny FAnahy MAsina"
- ny fombam-pivavahana izay materialy be fa tsy zava-panahy intsony : ny latabatra na ny trano na ny labozia na gorodona (alitara) na boky (baiboly) na mofo sy divay na akanjo no lazaina fa masina, kanefa ny Soratra Masina no manambara fa Andriamanitra dia Fanahy ka izay mivavaka aminy dia mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana. Tsy fahamarinana fa endrika ivelany ilay fivavahana.
9. coopsal ( 07/01/2009 07:38)
Tsy fantatro na marina ireo zavatra ireo fa henoko tetsy sy teroa ary tsy ananako tena porofo hoe ahoana ny fahamarinany.

Fa raha marina ireo dia hoy aho hoe, tena ny vaovao mahafaly no tsy ampy tamin'ny Malagasy.
Fa misy ahitana izany ka, mato hatramin'izao mbola misy fanatitra atao (tsy miteny aho hoe marina na diso ireny), matoa mbola mahatsiaro mahatsapa ny atao hoe tsiny ary mamerina ny fialan-tsiny @ fitenenana, dia satria tsy ilay litorjia eo amin'ny fikabariana velively akory no nahafaka ny tsiny, ary tsy ny fanatitra natao ireny no nampadio ny olona.

Ny litorjia dia litterairement et théoriquement belle, fa pratiquement tsy voatery efficace amin'izay tadiavina.

Averiko indray hoe, tsy manana porofom-pahamarinan'ilay hafatra nalefako teo aloha aho fa nampita fotsiny izay henoko. Ary tsy anjarako ny hijery na jiosy ny gasy na silamo na inona!
Zavatra iray no inoako ary ananako porofo ny fahamarinany : Kristy dia nisy, misy ary velona araka ny anoratana Azy ao amin'ny Baiboly. Ary raha considéreko fa marina io zavatra nampitaiko teo io, dia mampiseho mazava fa i Kristy no tsy ampy tamin'ny finoana Malagasy.
Satria ireo ohabolana maneho ny Didy sy fitsipi-piainana ireo dia tena tsara, saingy mi-condamner antsika izy ireny satria tsy misy na dia iray aza amintsika Malagasy mahatanteraka 100%, ary rehefa tsy mahatanteraka à 100% dia misy tsiny (condamnation), izay tsy henontsika loatra fa lazain'ny baiboly hoe "afobe mandrakizay".
Nino koa mantsy ny Malagasy fa ny fanahin'ny maty dia tonga any amin'ny Zanahary. Koa inona ary no hiainan'ireny maty ireny rehefa asehon'i Zanahary azy amin'izay ilay tsiny nanaovana kabary kanto tety an-tany?
10. bor2lais ( 07/01/2009 10:15)
coopsal > misaotra amin\'ny fizarana ... Amiko manokana dia tena mahafinaritra (sy mety mahasoa koa) ...
11. fahamarinana ( 07/01/2009 12:03)
:arrow: zà manokana aloha tsy mahay na mahalala akory hoe inona ny finoana taloha fa ny ankehitriny no haiko sy lalaiko dia Izy telo no iray no inoako...misaotra anareo manazava hatrany. (l)
12. Mirananirina ( 07/01/2009 12:03)
Misaotra aminy fanazavanareo rehetra.
Manontany aho manko fa niady hevitra tamin'ilay vazaha mpiaramiasa amiko aho,ka izy indray no miseho mahalala sy manazava ahy ny Malagasy.
Nolazainy fa ny tena Kristianina dia tsy manao DIDIPOITRA sy MAMADIKA,ny razana.Nolazainy koa fa tsy tena Kristianina isika fa manaraka fotsiny ny vazaha.
Raha nanontany azy aho hoe inona no finoanao?dia nolazainy hoe:Kristianina aho taloha,fa izao aho tsy mino,jereo ireo ataony Israel izay niaviany i Kristy hoy izy,mamono olona,mijery vaovao ve ianao hoy izy?Novaliako hoe tsy misy hidirany vaovao ny fiainany Gasy,dia nangina izy.
13. niryna ( 07/01/2009 16:47)
fahamarinana:

:arrow: zà manokana aloha tsy mahay na mahalala akory hoe inona ny finoana taloha fa ny ankehitriny no haiko sy lalaiko dia Izy telo no iray no inoako...misaotra anareo manazava hatrany. (l)

mitovy hevitra amin'ny faha koa aho ka isaorako ireo izay nizara .
--------------------------------------------------------------
Tsara tokoa ny mahalala zavatra sy mizara izany ary tsara koa ny mampahafantatra ny mpino rehetra fa Atra dia tia natsika rehetra ary nomeny antsika ny Zanany mba amonjy izay rehetra mino io Zanany io .Koa ny famonjena izany dia efa nomeny antsika tsy misy vola ka anjrantsika no mandray ny Zanany izay mbola tsy nandray Azy

14. fahamarinana ( 07/01/2009 16:51)
:arrow: niryna : ary naika tsy sahy hiteny aho fa noheveriko fa zà irery (tahaka ny mahazatra tara train iny e) no tsy mahalala...nanana namana aho zany . :wink: (l)
15. bor2lais ( 07/01/2009 17:11)
fahamarinana:

:arrow: niryna : ary naika tsy sahy hiteny aho fa noheveriko fa zà irery (tahaka ny mahazatra tara train iny e) no tsy mahalala...nanana namana aho zany . :wink: (l)


-> Zà kounikou kà !
:lol:
16. fahamarinana ( 07/01/2009 17:32)
:arrow: :) na tsy tokony hihomehy aza dia lasana ihany...mbola betsaka tokoa ny zvtr tsy fantatra sy tsy hay,izay no mahafinaritra ahy eto fa misy saintsainina foana isan'andro vaky izao na amin'ny fizarana na ny tsikera ihany koa aza satria mampianatra ahy sy mapieritreritra ahy ihany koa ,asa nareo ! (l)
17. Noue ( 07/01/2009 18:19)
Koditra:

Avao tsara kosa alou fa sô dé afangaron'lah ny Hery avy any ambony sy ny Sefo Hery tompon'antoka sy sourcen'ny Serasera kléaza a :-D :-D



:-D :-D :-D :-D :-D
18. coopsal ( 08/01/2009 15:36)
fahamarinana:
zà manokana aloha tsy mahay na mahalala akory hoe inona ny finoana taloha fa ny ankehitriny no haiko sy lalaiko dia Izy telo no iray no inoako...misaotra anareo manazava hatrany.

==> Izaho resy lahatra, ary voalazan'ny Soratra Masina rehetra rahateo, fa ampy dia ampy hamonjena ny finoana an'i Kristy. Ary mamporisika antsika mino aho hitahiry ny finoana an'i Kristy, izay fomba tokana hamonjena antsika.
Raha ndeha hatao batisa Kristy dia nandà i Jaona, fa hoy ny TOMPO hoe "ekeo ihany aloha fa izao no hahatanteraka ny fahamarinana rehetra". Nila nanatona ny olona Kristy mba hamonjy ny olona.
Koa raha hamonjy ny gasy mitana ny finoan-drazana, moa ve Kristy tsy hanatona azy ireo?
Teo amin'ny Jiosy KRISTY dia niaina ny fomban'ny Jiosy, niteny sy nihinana ary nitafy tahaka ny Jiosy, ary tamin'ireny ihany no nentiny nampianarana ny fanjakàn' Andriamanitra.
Dia inoako fa KRISTY tonga eto Madagasikara amin'ny alalan'ny mpianatra dia mbola hanao fomba amam-panaon'ny malagasy (raha ilaina), hihinana sy hitafy tahaka ny malagasy, hiteny amin'ny fitenin'ny Malagasy kanefa tsy manao izany mba ho tonga tahaka azy ireo, fa ny mba hahatonga azy ireo ho tahaka AZY: tena Zanak' Andriamanitra, mpandova ny fiainana mandrakizay.
19. fahamarinana ( 08/01/2009 16:28)
:arrow: zà ngaha nilaza fa tsy resy lahatra.Amiko tsy hitako ny antony hatahorana hihenona ny tantara taloha raha tsy sanatria tsy mitombina tsara ny finoana ka sao hirona any.Ity dinika ity no tena resahako. (l)
20. ikaretsaka ( 08/01/2009 16:52)
Fa lasa miverina foana hoa tato hoa ato ity "resy lahatra" ity e. Misy teny ve hoe izay resy lahatra ihany no havotana?

Raha atao hoe mino sy manaiky an I jesoa aho fa kosa tsy resy lahatry ny fombanareo @ finoana Azy.... de ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.079