Inona no finoatsika tao alohan'i Kristy?

21. Koditra ( 08/01/2009 17:09)
rahery08:

Raha ny filazan ilay olona nanao fikarohana izay; dia hoe Jiosy ny Malagasy. dia mazava hoa azy izany fa finoana Jiosy.

Ny antony hilazany izany aloha dia lavabe raha ho tantaraina. fa izao fotsiny ny azoko ambara:
ireo fombafomba ataon ny mpanompo sampy eto @tsika dia mitovy fanao ao @ Baiboly (Levitikosy), ny lehilahy Malagasy mifora...

Andriamanitry ny razana hono no tany ampiandohana, fa taty aoriana vao hoe Andriamanitra sy ny razana.
Nisy pasitera 1 zay nanazava an'io tao @ TV (MaTV sa TVPlus izy zay fa tsy tadidiko tsony fefa elabe). Fa ôtran'ny tsy naharesy lahatra anà ny fomba nanazavany azy.


22. fahamarinana ( 08/01/2009 17:14)
ika:
Raha atao hoe mino sy manaiky an I jesoa aho fa kosa tsy resy lahatry ny fombanareo @ finoana Azy.... de ahoana?

:arrow:azo hilazana azy koa izay,ny ahy manko ny mahazatra sy tiako dia hoe "mpanara-dia any Kristy " fa io moa no nosoratan'ny coopsal dia valiana arak'izay koa.
oupsss hoy niryna izay,kay i koditra koa nilaza fa zay vao voavakiko. (l)
23. arimana ( 08/01/2009 18:04)
Izay rehetra nahita ny fomba fivavahana ataon’ireo mivavaka amin’ny lazaina hoe fomban- drazana na faritra aiza eto amin’ny nosy io na aiza : na joro na any amin’ireo karazana doany na eto anivon’Imerina na ireo mivavaka eny amin’ny tendrombohitra isankarazany. Kanefa koa efa mahafantatra ny ao amin’ny baiboly, voalaza tany aloha koa hoe ao amin’ny levitikosy ohatra ao amin’ny levitikosy toko faha 3, ka manao ny fampitahana amin’ny fomba atao fotsiny izany dia toa misy fifandrifiana tokoa. Ary ny mahavariana dia hoe taiza no nahalalany ireo fomba ireo, tsy maintsy ho ny fitohizana nifandovana tamin’izany.
Ny ipetrahan’ny fisalasalana hoe avy amin’ny fivavahana Aronita marina ve izany ny fivavahan’ny gasy fahiny dia ity izy lasa nampitovy laharana an’ Andriamanitra amin’ny razana.
Aronita fa tsy Jodaisma.
Nisy tokoa izany ireo nisandoka ka nanova raha izay no marina.
Ny tena fototra izany no tsara tadiavina eto amin’ity nosy ity.
Misy toerana iray efa nalehako izay mahavariana fa tsy mba nanova ny fivavahana Aronita tokoa eto amintsika. Rehefa manonona ny vavaka ny mponina ao dia amin’Ilay Andriamanitry ny razany no ivavahany, tsy mivavaka amin’ny razana izy ireo. Ao amin’ity tanana ity dia mitana ny fady momba ny sakafo sy ny fomba rehetra voalaza ao amin’ny baiboly , ny testamenta taloha izany,ny mponina ao, tsy manambady olon kafa afa tsy izy mpihavana ihany izy ireo hany ka voatanany tsara ny maha izy azy ireo.
Tsy mahalala ny baiboly akory anefa izy ireo, ary tsy mba nety nandray ny filazan tsara raisintsika ankehitriny, tahaka ireo jiosy tsy mety manaiky an’i Jesoa .

24. Mirananirina ( 09/01/2009 11:56)
Tsy marina izany hoe nanompo sampy ny gasy taloha?Mivavaka sy mangataka fitahiana aminy razana.?Sarivongana?Manitikitika ny saiko mantsy,fa mampihetsika ny hambopo ilay vazaha niteniteny foana tamiko.Ianareo hoy izy taloha manambady 2,3 na + ny lhl taloha.Inona ny porofo hoy aho.Ny mpanjaka hoy izy manambady firy?Nefa izaho miseho hoe rarana ny manambady maro,nefa ny ra ny lhl nareo mandimby izany taloha izany
25. booboo ( 09/01/2009 11:59)
Ny tena tsara dia omeo bokina Histoire de Madagascar izy. Dia Mirananirina koa tsara mamaky raha tahaka io...
26. Mirananirina ( 09/01/2009 12:21)
Ny tena tsara dia omeo bokina Histoire de Madagascar izy. Dia Mirananirina koa tsara mamaky raha tahaka io...

Booboo:marina izany tokony hamaky boky aho,izay mihitsy no angatahiko fanazavana,hisy hamaliako azy tsara.
Izy anie miseho mahalala tsara e
27. coopsal ( 09/01/2009 13:16)
arimana:
Ny tena fototra izany no tsara tadiavina eto amin’ity nosy ity.

==> Ataoko fa miombona amin'io ny rehetra e? NA ny siantifika na ny filaozofa na iza na iza.
Fa en pratique fotsiny dia miodin-kodina ao anatin'ny fandalinan'ny saina sy miezaka manadihady amin'ny alalan'ny hita maso ny olona raha vao resaka Andriamanitra. Amin'ny zavatra maro toy ny chimie, ny nucléaire, ny électromagnétique anefa dia théorie daholo fa tsapa fotsiny amin'ny expérience ny fahamarinan'ny zavatra tsy hita maso mandehandeha sy miasa. Ary nialoha izany rehetra izany, ny rivotra dia tsapan'ny olona rehetra, tsy hita maso fa hita kosa ny fiantraikany ary mandre ny feony indraindray.

Iombonako mihitsy hoe any amin'ny fototra no tsara tadiavina, fa ilay fototra no mety tsy mampitovy ny maro. Ho ahy manokana dia iray no fototra : Andriamanitra namorona izao rehetra izao! Tsy nahafantatra Azy aho, ary iza moa no nahafantatra Azy? Fa izy no tonga tety an-tany nanambara ny tenaNy tamin'ny olona, ary nampiseho koa ny mazava tamin'ny olona momba ny tenan'izy ireo.
Tamin'ny okt~nov 2004 no nahenoako voalohany an'i KRISTY nahatonga ahy hino Azy sy izay ambaran'ny Baiboly ary ireo mpianany mikasika Azy. Tamin'izay aho no nanomboka nino ary nahatsapa tsikelikely fa kay Andriamanitra miresaka amin'ny olona tsirairay amin'ny alalan'ny Zanany ankehitriny [Heb. 1:1], ary taloha dia niresaka tamin'ny alalan'ny Mpaminany isan-karazany.
Koa mba soso-kevitra ho an'izay mitady ny marina, na momba ny inona io na momba ny inona, na momba an'iza sy iza koa ary : mandehana any amin'i KRISTY, izay tenin' Andriamanitra velona.
28. Mirananirina ( 09/01/2009 17:44)
mandehana any amin'i KRISTY, izay tenin' Andriamanitra velona.

Azonao azavaina kokoa ve io teninao io.
29. arimana ( 09/01/2009 18:37)
Ny fanontaniana mipetraka eto moa izany dia ny amin’ny hoe ny finoana nanan’ny gasy talohan’ny nahatongavan’ireo mpitory Filazantsara ka nahalalan’ny gasy an’i Kristy.
Izany hoe ny identiten’ny gasy avy any ampiandohana no tena tiana ho fantarina.

Ny fototra tiako ho savaina izany dia io identité io
Ho antsika efa Kristiana dia Kristy no fototra iorenan’ny finoantsika.
Fa eto dia mbola talohan’ny nahatongavan’ny filazantsara teto no tiana ho fantatra.

Ary mahasoa ny mpitory filazantsara mba hahitana ny lalana hitory no mahafantatra hoe iza moa ireto olona hitoriako ireto.

Efa voalaza tary aloha hoe toa fomba Aronita no fombampivavahana taloha fa nisy namily.

Ary ny fototra ambarako dia ny fitadiavana hoe nisy ve faritra nahatana izany fomba Aronita madio hatramin’izao taona hiainantsika izao ka tsy nivily mba hanaporofoana fa tsy nanompo sampy ny gasy taloha fa nanohy ny izay efa nataon’ny razany nanafaran’ilay Atra mpamorona izao tontolo izao azy.

Ny fikarohana dia marina izay efa nomarihin’ny namana teo aloha hoe mamakia boky tantaran’ny Madagasikara. Tadiavo ny nosoratan’i Grand Fond Didier, efa nanambara maro izy.

Raha eto Madagasikara ianao karohy fa misy tanana mbola nahatana io fivavahana Aronita madio io na eto Tana, na any Mahajanga… Ambarako tsara fa tsy mampitovy laharana an’Atra amin’ny razana izy ireo ary tena gasy fa tsy arabo.
30. Mirananirina ( 10/01/2009 12:15)
Mazava tsara fa misaotra.Izao isika efa Kristianina araka ny teninao dia tsy tehahalala ny taloha intsony izany isika,no sady efa taloha be.
31. booboo ( 11/01/2009 15:57)
8O 8O 8O
hitako no vitsy dia vitsy ny malagasy no mahafantatra ny tantaran'ny firenena nihaviany, zara raha mahafantatra ny dikan'ny fomba sy ny riba misy @ taniny sns...." satria tsy te hahalala " tokoa....
32. Mirananirina ( 12/01/2009 16:34)
Tsy hita fa variana aminy adi-piaianana akehitriny e
33. coopsal ( 13/01/2009 13:41)
Mirananirina:

mandehana any amin'i KRISTY, izay tenin' Andriamanitra velona.

Azonao azavaina kokoa ve io teninao io.

==>
Hoy neninay taloha rehefa nanontaniana dikan'ny teny frantsay iray hoe : "va consulter Monsieur le Dictionnaire". Tsy nisy an'iazny Monsieur le Dictionnaire izany fa mba te hiteny izy hoe "sokafy ny diksionera ka vakio".
Rehefa nangetaheta mafy tamin'ny foko aho hahafantatra ny marina dia hoy ny vavaka tonga tao anatiko hoe "Raha misy ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao". Dia nolazaiNy tamiko ny antony, ary hoy IZY : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
34. coopsal ( 13/01/2009 14:09)
Mirananirina:

mandehana any amin'i KRISTY, izay tenin' Andriamanitra velona.

Azonao azavaina kokoa ve io teninao io.

==>
Hoy neninay taloha rehefa nanontaniana dikan'ny teny frantsay iray hoe : "va consulter Monsieur le Dictionnaire". Tsy nisy an'iazny Monsieur le Dictionnaire izany fa mba te hiteny izy hoe "sokafy ny diksionera ka vakio".
Rehefa nangetaheta mafy tamin'ny foko aho hahafantatra ny marina dia hoy ny vavaka tonga tao anatiko hoe "Raha misy ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao". Dia nolazaiNy tamiko ny antony, ary hoy IZY : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
35. coopsal ( 13/01/2009 15:52)
[center]MANAN-JANDRY AFAKA OLAN\' ENTANA, MANAN-JOKY AFAKA OLAN-TENY[/center]
==> Inona moa no tena entana izay olana teo amin\'ny Malagasy ka nitadiavany zandry mba hilanja azy? Ny TSINY, izay, rehefa nitondra teny ireo Zoky dia ny hanala izany no voalohany, satria hono
\"ny tsiny dia maiva-mavesatra ka raha trotroina mahavaky tratra,
raha babena mahafola-damosina,
raha dakana mahatoro tongotra,
raha lolohavina maha sola loha.
Ka halefa aiza ary ny tsiny? (Iza no hitondra ny tsiny?) ...\"
Ka inoako fa tahaka ny jiosy, ny Malagasy dia niandry an\'ilay Mesia izay sady zandry hilanja ny tsiny rehetra no zoky hitondra teny eo anatrehan\' Andriamanitra hanala tsiny ny mpanota.

Ary araka ny ambaran\'ny Baiboly dia :
1. KRISTY no Davida mpiandry ondry tsara ka manolotra ny aiNy hamonjy ny ondriNy, i Davida ilay faralahy (zandry) tao amin\'ny ankohonan\'ny rainy. Ary izany tokoa no nanoloraNy ny aiNY, dia ny hilanja ny tsiny rehetra amin\'ny Malagasy rehetra (tahaka ny amin\'ny olombelona rehetra), mba tsy hanan-tsiny intsony eo anatrehan\' Andriamanitra izay mino Azy : IZY no ilay zandry mahafaka olana entana antsika
2. KRISTY no \"Lahimatoa amin\'ny maty, voaloham-bokatry ny Fanahy\". Ary IZY rahateo no \"Misolo vava antsika eo anatrehan\'ny Ray\", raha mino Azy isika.
Satria isika (olombelona) rehetra dia samy hampamoahina eo anatrehan\' Andriamanitra amin\'ny fahadisoantsika rehetra, ary hita fa diso isika ka nanan-tsiny! Kanefa i KRISTY no tonga hanala tsiny antsika eo anatrehan\'ny RAY.

Iray no fanontaniana mipetraka ho an\'ny Malagasy : hino ka hanaiky Azy ve isika Malagasy sa mbola hitoetra amin\'ny kabary izay \"tompoko, tompoko\" fotsiny ihany? Sa hiantehatra amin\'izay mba asa tsara vitantsika? Nefa isika ihany no manaiky fa ny fandio iray siny (raha nanao asa madio isika) dia tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka! Ary KRISTY nilaza hoe \"any am-parany any dia hisy hiteny amiko hoe : `izahay efa nanao asa maro tamin\'ny anaranao`! Fa Izaho hanao aminy hoe `tsy fantatro ianareo mpanao meloka`\".
Ary ny ràn\'i KRISTY dia tena manadio ny loto rehetra, mba tsy ho mpanota intsony izay rehetra nanota fa ho tonga tena zanak\' Andriamanitra.

Mba hampitao amin\'ilay vazaha fa tsy mahafantatra ny tena finoan\'ny Malagasy izy, ary izy tenany koa dia afaka mianatra ny finoan\'ny razany; na izay finoana mety hinoany, fa izaho mino fa mitarika azy hitady an\'i KRISTY ny zavatra rehetra!
36. ikaretsaka ( 13/01/2009 17:42)
Saika tsy hiteny aho, nefa moa ny adalan\'ny tena no tafian~damba ka de hitondra fanamarihana vitsivitsy ho an\'i coopsal:
Voalohany aloha dia amafisiko ny voalazan\'ny namana hoe mba mandiniha sy manovoza ihany alohan\'ny hitenitenenana foana fa manjary ovainao tanteraka mihitsy izy izany.
Araka ny voalazan ny baiboly dia tsy I Kristy ihany velively no davida araka ny nambaranao : mba mamakia tsara ry namana fa tsy voalaza ao izany... fa ny hoe ZANAK\'I DAVIDA (toy ny niantsoan\'i Bartimeo azy) sy ny hoe solofon\'ny hazon\'i jessee no filaza azy
-> aza ampianarina zavatra diso ny olona dia aza ovaina ny voalaza...

NB: tsy raharahako ianao na hitory teny any fa aoka mba
1)mba tsy zavatta diso no hatoro olona,mainka fa tenin. ATRA diso (voasamatsamakao de novakivakianao de avy eo aravona sy niova ho @ fihevitrao) no hentinao nanjono olona fa mainka aza heloka ho anao izany...raha sanatria tsy nisy ireo nanao fanamarihana izany dia fampianarana diso no nasesikao ny olona sy ninoany..... loza ho an\'iza hoy I Jesoa izay?

2) Ny olona rehetra dia nomena fahafahana aby ka zony ny TSY hihaino sy hanaraka anao . Tsy midika akory izany fa voaozona sy mendrika hozonana izy rehefa tsy manaraka anao. Raha te hahazo kil dia toroy zavatra tsotra sy mazava sy hainao aloha ny olona de atombohy aminao le izy. Raha za manokana izao de ny ohatra ara piaraha monina hasehonao no hijereko anao sy \"mety\" hanarahako anao.. fa tsy ny toriteninao izay hitako fa movoana tanteraka... fa soa ihany aho fa mba namaky baiboly sy nino talohanao, ary mbola eo am pandalinana izany hatrany ka afaka Nanampy sy manitsy ireo Ireo nivoana nafafinao... fa ireto voajononao no mampalahelo..
Mivavaka ho azy ireny sy ho anao aho e
37. Mirananirina ( 14/01/2009 13:19)
Mivavaka ho azy ireny sy ho anao aho e
Misaotra anao.
KRISTY no Davida mpiandry ondry tsara ka manolotra ny aiNy hamonjy ny ondriNy, i Davida ilay faralahy (zandry) tao amin'ny ankohonan'ny rainy. Ary izany tokoa no nanoloraNy ny aiNY, dia ny hilanja ny tsiny rehetra amin'ny Malagasy rehetra (tahaka ny amin'ny olombelona rehetra), mba tsy hanan-tsiny intsony eo anatrehan' Andriamanitra izay mino Azy : IZY no ilay zandry mahafaka olana entana antsika

Hitanao fa tsy dia mazava tsara a
38. coopsal ( 15/01/2009 12:40)
Ikaretsaka:
Raha te hahazo kil dia toroy zavatra tsotra sy mazava

==> Izao teninao izao dia midika fa tsy mahazo kil aho : tsy ny haka kil no tanjoko! Raha te haka kil aho dia manindraindra no mety ho nataoko.
Hoy ny Apostoly Paoly : "fa raha miafina ny filazantsaranay dia miafina ho an'izay very, fa famonjena kosa ho an'ny mino". Ka miafina (tsy mazava) aminao izany ilay filazantsarako eto, ary izaho dia miombona amin'ny Olona masina, ny filazantsara nambaran'i Md. Paoly ihany no filazantsara ambarako sy izay hafa rehetra mpianatr'i KRISTY koa.

Ikaretsaka:
Araka ny voalazan ny baiboly dia tsy I Kristy ihany velively no davida araka ny nambaranao : mba mamakia tsara ry namana fa tsy voalaza ao izany... fa ny hoe ZANAK'I DAVIDA

==> "Pendant qu'il enseignait dans la cour du Temple, Jésus demanda :
- Comment les spécialistes de la Loi peuvent-ils dire que le Messie doit être un descendant de David ?
David lui-même, inspiré par le Saint-Esprit, a déclaré :
Le Seigneur a dit à mon Seigneur : Viens siéger à ma droite
jusqu'à ce que j'aie mis tes ennemis sous tes pieds.
Si donc David lui-même appelle le Messie « Seigneur », comment celui-ci peut-il être son descendant ?
"
Valio io fanontanian'i KRISTY io, fa ny jiosy tamin'ny androny tsy nahavaly.
39. coopsal ( 15/01/2009 12:56)
Mirananirina:
Hitanao fa tsy dia mazava tsara a

==> Hiezaka aho hanazava :
Fantatsika satria voasoratra fa i Davida dia faralahy tamin'ny zanak'i Jesse (Izaï)!
Ary io Davida io no niandry ny ondrin'ny rainy, voasoratra fa imbetsaka izy no niady tamin'ny liona sy ny ours izay nanafika ireo ondriny, tsy nanana carabine tamin'izany fa tehina no fitaovany. Sahy nahafoy ny ainy izy izany hamonjy ny ondriny.
Voasoratra mikasika an'i Davida koa fa izy no nirahin'ny rainy nanatitra sakafo ho an'ireo zokiny izay miaramila tany an' ady.

Préfiguration ny fiainan'i KRISTY izany fiainan'i Davida izany.
Izy no mpiandry tsara mahafoy ny ainy hamonjy ny ondriny [Jaona 10:1-27]
Izy no nirahin'ny Rainy tety an-tany, izay itoeran'ny olombelona miady amin'ny faharatsiana hitondra ny sakafo mahavelona [Jaona 6:25]

Ary na dia nantsoina aza hoe Zanak'i Davida Izy, izay tsy zanaNy directe koa raha ny ara-nofo no jerena fa taranaka faha ... firy moa?
Andriamanitra dia nampahafantatra tamin'ny alalan'ny Mpaminany Ezekiela hoe
"J'établirai à leur tête un seul berger qui les fera paître : mon serviteur David ; il prendra soin d'elles et sera leur berger"[Ezechiel 34:23]
I Ezekiela anefa dia mpaminany taorian'i Davida lavitra be, donc tsy i davida ilay mpanjaka 1000 taona talohan'i JK no resahin' Andriamanitra eo ary tsy ondry rahateo no resahin' Andriamanitra eto fa ny vahoakany. Dia i KRISTY izany.

Izay no nilazako hoe, i Kristy no ilay Davida (faralahy =>zandry) Mpiandry tsara, nahafoy ny ainy hamonjy ny ondriny.
40. Mirananirina ( 16/01/2009 11:59)
Misaotra anao fa mazava tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137