Mbola tsy teraka ny TENA contre'Amiral

1. tsiafoi1 ( 22/12/2008 13:33)
Fomba fijery hafa de hafa ihany izy ity ary hevitra ampiadiana, ka raha diso de aleo hijanona ho ahy samirery :

Ratsiraka = Zafy Albert = Ravalomanana = Andry Rajoelina

Mahavalalanina ny politika kanefa mazava ihany raha matsilo fijery, sy mahay mamakafaka ny saina :

1991 : Niditra tao anaty Hery Velona = anti-régime Ratsiraka ny Profesora Zafy Albert, ...Mody niraikiraiky sns...Raikitra ny censure sns..Taty aoriana kely ... tafaverina teo @ny fitondrana ny Amiraly. Ary miharihary ankehitriny fa kay moa ingahirainy io tena pro-Ratsiraka iringiriny.

2002 : Niakatra teo @'ny fitondrana ny Filoha Ra8... Raha jerena ny 80% ny staff manodidina azy de ekipan'ny Amiraly daolo... Lasa nitsoaka ny Amiral sy ny tariny, tsisy ny arakaraka...Mampieritreritra...Toa otran'ny vazaha mody miady.

2007 : Nanomboka niseho laka i Andry TGV, izay hanoy ny tantara...Tsy tapo-afenina anefa fa indreo manotrona akaiky ireo dinosore politikan'ny Amiraly..., de mitohy ny sarin'ady satria sarotra ny maka ny vaton'Antananarivo e... Hilana tetik'ady 10taona mialoha zany rehetra zany, ilana fiomanana...

Avondrona ho antoko 3 ihany ny politika eto Madagasikara, de omena famantsiam-bola... Koa inon tokoa moa ny olana, mpiara-mitolona sy mpiara-manao sarin'ady, tsy aleo tokoa ve mifanohana...
répondu par penguin le 24/12/2008 09:48
2. xxx ( 22/12/2008 15:27)
midika zany fa misy olona na firenena ray matanjaka be ao ambadik'ireo olona retra notononinao reo!
ohatra:mpanjanatany taloha!!

ohatra fotsiny io fa mety tsy marina
3. kidoropamba ( 22/12/2008 15:45)
hin!hin!hin! analizy, analizy.
Raha tsy nanao jadona ity 'ngahy rainy ity, dia tsy nisy izany amiraly sy mpanjanaka taloha izany.
Raha tsy nanao antsonjay ity levalo dia tsy nisy izany amiraly izany.

Aoka kosa jerena tsara ny zavatra misy alohan'ny hanaovana analizy ambony latabatra e: rariny ve izao jadona misy izao? rariny ve izao fivarotana tanindrazana izao? Rariny va izao raopilanina 65 miliona dolara kanefa ny pokona tsy ampy sakafo? rariny va izao fividianana lehiben'antoko politika sadasada izao? rariny ve ny fanapotehana ben'ny tanAna izao? rariny ve ny fanapotehana ny renivohitra izao? .......omeo valiny mazava aloha ireo alohany ny hanadiovana an'i levalo ka handotoana ny mpanjanaka teo aloha na ry zareo be galona sahala amin-dry amiraly.

Raha ahilika @ hafa foana ny fahadisoana kanefa aminao ny hipoiran'ny loharanon'izany olana izany dia ataoka fa efa mahazatra antsika izy io: HAKANOSANA io.

Ka raha tsy tiana hiverina ry amiraly, tsy tiana hiverina ny mpanjanaka taloha, dia hoy aho hoe: MAHAIZA MITONDRA FIRENENA, hajanony ny antsonjay sy ny jadona. Tsinjovy ny pokona. HAJANONY ITY TENDAN-KANINA BE mifaoka fanan'olona ity, HAJANONY NY VAROTRA TANINDRAZANA......

Aza avilivily ny resaka saofera o. Tsy azo vonoina @ izany resaka mpanjana-tany taloha sy amiraly izany ity jadona sy varotra tanindrazana ity.

May ny tanAna fa tandremo an. Ho tonga hoa ny "foulpointe" (nuremberg gasy) ka ireto taratasy vazaha aza mety tsy ahatohitra azy raha migadona ny mandat d'arrêt internasionaly. 8O 8O 8O
4. tsiafoi1 ( 23/12/2008 05:45)
Ny fomba fahitako azy de ekipa iray ihany ireo, ary misy firenena matanjaka iray ao ambadik'izao. Nidradradra fiovana ny malagasy t@'ny 2002, de tsy maintsy novaliana ireny hetahetam-bahoaka ireny... Fa ny renimalala eo anila eo ihany.... Tsy tongatonga ho azy eto Dago akory ny filoha Chirac t@'izany fotoan'androny fa ao raha... Ary mbola ho avy tsy ho ela koa ny solony...

Ekipa iray ireo fa ny style de politique et management no samy manana ny hanitra ho azy... Raha ny iray socialiste, ny iray capitaliste pure et dure, fa ny source iray ihany... Raha ny iray tonga de nanitsy, ny iray somary niodina... Fa tous chemins mènent à Rome...Ny objectif iray ihany...De aleo za mba indrany kely ny ny tenin'ny AKFM KDRSM hamaranako azy : HO TONGA ANIE NY FAHAFAHANA...

Kidoropamba : izao no ataovy an-tsaina, iarahan'ny rehetra manaiky anie fa ireo projet rehetra tanterahan-dRa8 ireo ka contrat efa vita sonia t@'ny andron'i Deba avokoa e, fa niravaka ny vanginy fotsiny ny filoha Ra8. Mba alefaso lavitra ny fomba fijery fa aza difotry ny fankahalana fotsiny ihany...

Raha ho ahy manokana de tsy mbola afa-bela isika..., fa de aleo izay mahasoasoa sy ahitana tombotsoa bebekoa no ifikirana. Tsy aleo ve toy izao fiainana izao, toy izay le manoko-vato milaha-bary 1kg eny @'ny fokontany, na milahatra menaka eny @'ny Magasin M...Raha taloha ny karana sy ny mpiara-misaosy ihany no mahazo crédit bancaire, zao kosa efa mahazo hatramin'ny mpiasan'ny zone franche...

Ambava omana am-po mieritreritra
5. benasy ( 23/12/2008 08:03)
Ssssss diso calcul bé nareo 'zany, raha mbola tsy teraka ny contre amiral. Midika izany fa mbola hitondra, na farafaharatsiny hifandimby hitondra eo foana izany ireto Mamba noana tariky ny "fahiny" ? afaka efapolo taona izany vao hisy hisolo ireo ? raha atao hoe teraka androany i Mandimby ?
Aza manozon-tena mialoha, f'izao ihany : Voany isika tamin'iny. Fa mbola hoavy tsy ho ela ny tena .............. ie .............. iny noeritreretinao iny............!
6. penguin ( 24/12/2008 09:48)
Na Amiraly na contre'Amiral na Jeneraly na inona AZA ADINO FA SAMY TSISY NAHITA GEEERRRAAA. Hany ka motraka ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1042