Ravalomanana alefaso any GUANTANAMO

1. ForceA ( 19/12/2008 13:21)
ny resaka afera DAEWOO, dia tsy mbola nisy hoatran'ity teto an-tany, tokony efa teny andalambe daholo ny rehetra, Fa ahoana no gravy?

A) Ny hangezan'ny contrat:
1 300 000 ha tompoko; na 13000km²;

region analamanga (17000 km²) manontolo, ialan'ny Anjozorobe(3600km²):
-Antanarivo renivohitra lasany;-Ambohidratrimo lasany;Andramasina lasany;Ankazobe lasany;Antananarivo Atsimondrano lasany ;Antananarivo Avaradrano lasany ; Manjakandriana lasany

Inona no lazain'ny gasy? hatao ahoana fa lahatra e!

B)Ny fotoanan'ny contrat

raha colonisation dia: nanomboka t@ 1894; dia 1994 izany isika mahaleo tena fa tsy 1960 intsony.
99 ans na 100ans tompoko; raha 25 ans ianao izao, ka manomboka miteraka dia izao ny fizotrany:
1)ianao, 2)ny zanakao, 3)ny zanaki'ny zanakao, 4)ary ny zafiafinao, Tsy hahita ilay tany nampanantenaina.
plus precisement: I rakotobe(i dadabe), i rainikoto(i dada), i koto(ianao), ary i rakotozafy(ny zafy faha efatra), very, tsy mahazo mikasika ny tany daholo, tsy azo kasihina, fananan'ny DAEWOO.
Inona no ataon'ny gasy: tsy misy, aty @ tanin'ny MORAMORA isika tsinona.

C) NY tena loza, ny fomba nanaovana ny contrat:
Isika indray no tompontrano mihono ; ISIKA GASY NEFA DIA NY FINANCIAL TIME (ANGLETERRE); NY COURRIER INTERNATIONAL(International);NY RFI(france); LE MONDE(france), ETC... no NANDRENESANA NY VAOVAO,
nitondra porofo ireo gazety ireo.
Raha izao no fiasan-dravalomanana, dia azo lazaina marina daholo izany izay efa tsaho azo lazaina momba azy manomboka eto.; ny vente ny ambassade any new york DC; ny varotra ny rano malagasy @ arabie saoudite, etc...

Ssady tadidio fa prezida namoaka ireto teny ireto no mitondra an'ni madagasikara:
1)TSY RAHARAHAKO IZAY 29 MARS 1947, TSY MBOLA TERAKA AHO T@ IZANY (2005).
2)TSY IZAY TIAN'NY VAHOAKA NO HATAO, SATRIA TSY FANTANY NY HAHASOA AZY (2008)

note: Any melaky fa tsy ao antananarivo ny tany hofaina , saingy exemple no nalaina

Maty hozatra ve ny gasy no tsy mihetsika intsony, satria 60 ans ny fanjanahantany (1894-1960) nihetsika ny vahoka SADIAVAHY, VVS,MDRM; 100 ans taona ny fanofan'ny DAEWOO, maty hozatra le gasy tsy misy mihetsika.
répondu par ainaheri le 24/12/2008 11:22
2. ainaheri ( 19/12/2008 14:28)
Mankaleo kou anie ny tena marina ilay milahatra lava ee,marina fa maro @ ireo nigrevy t@ fotoan'androny no nanenina,ka raha amerina izany ndray zao ,d iza no apetraka eo? Ny fiainana mihasarotra ny ankamaroan'ireo mpilahatra ,ilay mitady ny androany hoanina androany,raha milahatra migrevy eny izy d iza no amhana ny fianakaviany? Ilay napetraka aza ity ,nitsipa-doha ny laka-nitana,k'aleo ny vahoaka miandry ny fifidianana fa ra ny grevy angamba mety tsy ho hisy tsony(raha ny eritreritro)
3. rakapy ( 20/12/2008 02:32)
Fa angah ho raikitra ihany le contra @ DEAWOO? to henoko we tsy mbola nisy fanarahana na fanaovana sonia?
Io alou de tsy tokony ho soniavin'ny mpitondra mintsy e! ra io no raikitra de hiisy raha eto mada.
Ataon'i ra8 fa ahantra foana angah ny taranaky ny gasy ka tsy misy ihila ilay tany! i lery no main'ny endim-boanjo t@ lainga sy fampana-tenana pokaty be t@ 2002 de Madagasikara no amidy!!! hiisy raha eto :twisted:
4. DJ ( 20/12/2008 07:23)
Mba manaitra ahy ry zareo ity zava manjo ny tanindrazantsika ity noho ity filoha napetrakantsika nefa tsy haintsika ny manintsy azy sy ny manala azy mintsy na dia efa hita izao aza fa mampitondra faisana ny gasy. Tena amidiny anie zany ny tanindrazana raha io resaka fanomezana tany io no resahana e!

Sa dia tonkony efa tonga re ny fotoana andao amizay hatambatra ny hery fa dia hiandry fifidianana izay efa voalaminy daholo ny paik'ady ka tsy maintsy izy ihany ndray no ho lany eo ve?

Ankoatra ny fanariana ny tany Analamanga manontolo amin'io, jereo anie fa efa alika koa ny vahoaka Antananarivo ka lasa eny IVATO ndray ny urbaine e! tsy Andry Rajoelina intsony ity no potehin'io filoha io fa isika vahoaka Antananarivo renivohitra mintsy. Sao efa tafahoatra loatra e! Sa isika vahoaka rehetra matahotra sao ampidiriny amponja daholo fa zany moa no tena capacitén'io filoha io. Raha fampitahorana sy ny fanagadrana ary ny fandrahoanana ny esorina @ asa na affectation dia tena hainy, ary raha izay no nampandroso ny gasy hatrizay nitondrany izay efa tsy toy izao isika.

Ny mampalahelo anefa dia manahy ny toerana kely zay mba omeny azy ny namana tonga eo amin'io fitondrana tsy refesimandidy io! asa satria sahirana isika sy ny sisa dia manaiky izay mahazo ny toerana manaraka izay lazainy sy ny ataony. Hotsarain'ny tantara daholo izany na ho ela na ho haingana!
5. Fanjaibe ( 20/12/2008 22:39)
Efa no-confirmer-ny gazety La Verite fa 170000 ha indray anie no efa nahazo numero d'affaire ao @ Domaines sy topo Toamasina e ?

Io voalzan'ny Gazety La verite io aloha raha ohatra ka tsy marina dia tokony censure ny gazety nefa nanome reference mazava tsara ilay izy ao.

Misy Ambasady malagasy milaza fa lainga izany nefa tsy misy sahy milaza ny ao an-toerana fa tsy marina io.

Nisy mpanao gazety namana izay nomeko texte t@ volana avril fa nahare aho fa nanao referencement @ loi internationale i madagasikara @ fivarotana tany.

Dia tsy sahy namoaka io texte io ilay namako sady tsy mety mamaly ahy H2 izao.

Fa lozan'izay sahy mivarotra tanindrazana !!!!
6. tsamisara ( 21/12/2008 14:02)
Ny loza ange dia ity e :
Satria ny filazambaovaovao iraisampirenena sady matanjaka be no nilaza ilay vaovao dia izay isika vao taitra.
Fa tsy vao izao tompoko izy no nivarotra ary koa nangorona. Fa efa elabe, izany hoe raha vao tonga teo amin'ny fitondrana.
Ny tena fahakingany dia ny nahaizany nihatsaravelatsihy sy ny nahaizany namitaka ny MALAGASY TSY VAKIVOLO.
Nalefany fotsiny ny hoe MINOA FOTSINY IHANY sy ny hoe FAHAMASINANA sy FAHAMARINANA, 4L iray isaky ny fianakaviana dia niesona ny rehetra.
Efa betsaka ny zavatra lafo vao samy taitra isika.
Fa izany rehetra izany ve azo entina eo amin'ny TRIBUNAL PÉNAL INTERNATIONAL ?
Izao dia karakaraina ny dossier raha vonona isika. Izany GUANTANAMO izany mety hikatona raha tonga eo i Ra-BARAK.
7. penguin ( 22/12/2008 09:43)
Le fitondrana mihintsy alao ry tonaka f'aza mandany andro olona amin'ty resaka mihodikodina ity é.
8. Simpona ( 22/12/2008 10:48)
Fanitsiana kely,
Tsy amidy akory i Madagasikara fa zaraim-potsiny ho tombotsoan'ny ... Raha nanaraka ny vaovao nareo dia voalaza fa tsy mandoa vola hofan-tany ny daewoo fa symbolique fotsiny fa "famoronan'asa sy lalana no tombo-tsoan'ny gasy". Mba mahaleo ny sarany toka ve zany?
Mbo jereo ihany reto ny taninareo dia karakarao ny taratasy fa miharatsy ty an.
9. ForceA ( 22/12/2008 16:08)
alao ho lazaina ny tena izy:
-Namidy i madagasikara, saingy tsy ny gasy no nahazo ny vola, fa ny fianakaviana Ravalomanana , ary any @ banky soisa no napetraka ny recette.
-Ny rehetra manohana an-dravalo (ambassade, ministere,deputé...journaliste MBS, RNM, dia miray tsikombakomba daaholo, satria notsipazan-dravalo

Na isika eto @ serasera koa , izay ambigue @ valinteny hoe:
-Leo milahatra ny vahoaka e!
-Iza no hasolo azy e!
-wawawa e!

Na leo ianao na tsy leo, ny tany hitoeran'ny zanakao sy ny taranakao, sy hilevenanao sy ny taranakao, no namidy pour 4 generation (miohatra @ duréé ny fanjanahantany izay 70 ans fotsiny
10. tsiafoi1 ( 23/12/2008 06:22)
Mandreraka aloa le maheno an'ilay we AMIDY, Kanefa tsy aleo ve hamidy any rehefa tsy vita ny exploitation-ny fa tsisy rentabilité mihitsy raha mipetra-potsiny lavavolo eo. Ny gasy ze mba manam-pahaizana faly manao taim-bazaha aty ivelany daolo. Midedaka ery manana nationalité frantsay, amerikana ee.... de mifikitra ery any an-tanin'olona, ny fiainana koa mandalo 70taona de vita, ka tsy izay mampiadana ve no katsahana eto @'ity tany fandalovana ty... Tsy ifanomezan-tsiny io!

Raha ho ahy manokana de aleo exploité le tany mba sitrany misy fivoarana eo amboniny sy ho an'izay mipetraka manodidina eo, toy izay be nahoana sy be famangitra fotsiny eo tsisy rendement mihitsy. Raha isika malagasy aloa de mbola tsy fantatro we génération firy vao afaka hahavita exploitation ngeza de ngeza toy zany e, raha tsy we angaha hianatra ny ataon'ny kelimaso... Io koa anie tsy azo bataina fa mijanona eto ihany e...
11. ForceA ( 23/12/2008 12:24)
Mandreraka aloa le maheno an'ilay we AMIDY, Kanefa tsy aleo ve hamidy any rehefa tsy vita ny exploitation-ny fa tsisy rentabilité mihitsy raha mipetra-potsiny lavavolo eo. Ny gasy ze mba manam-pahaizana faly manao taim-bazaha aty ivelany daolo. Midedaka ery manana nationalité frantsay, amerikana ee....


bon Ratsiafoi1, ankatran'ny fanompanaofa hoe manasa taim-bazaha , dia izao:

-entre ny 0(tsy ampanofana) sy 100ans (fotoana nampanofana azy) ; misy isa maromaro : 10, 20 ans , 30 ans..., raha kamo isika generation @ izao, tsy voatery ho kamo ny taranantsika, izay hitombo rahateo ny isany, maninona tsy nampanofaina 20 taona na 10 taona renouvelable ohatra.

-Betsaka ny afaka miasa ny tany, saingy ny debouché (na lalambarotra no tsy misy); anjaran'ny fanjakana ny mitady lalambarotra, raha misy izany hazoto hamboly ny olona. raha mahita lalambarotra ny koreana, ny mpitondra gasy no kamo tsy mahita izany, solution de facvilité: ampanofaina.

-Raha tsy mahita mpamboly izy dia ireto azo force-na hamboly ny tany:

Ny miaramila
ny gadralava
ny makorelina
ny mamolava
ny mpamono vady
ny Barea (club de foot tsy ahitambokatra)
ny athlete tany pekin (tsy nahazo medaille)
ny namana serasera rehetra (lany andro manao forum), sy manao fihaonana
etc...
12. ainaheri ( 24/12/2008 11:22)
ForceA:
Na isika eto @ serasera koa , izay ambigue @ valinteny hoe:
-Leo milahatra ny vahoaka e!
-Iza no hasolo azy e!
-wawawa e!


Za anie tsy manda ilay resaka voalaza fa ny tiako tenenina d hoe,nilahatra ireny satria leo andRatsiraka nisy ny maty ,tao aza ny sasany ninia nanadino ny asa nataony mba nitady fiovana nefa indrisy,averiko hazavaina ny nolazaiko satria ny teninao ery ambony milaza:tokony efa teny andalambe daholo ny rehetra..........Maty hozatra ve ny gasy no tsy mihetsika intsony!!!!
Iza mou ilay gasy ho eny andalambe?? Tsy ny vahoaka ihany no atao tohatra??
Mbola averiko ihany ;leo izy satria ampy azy ny nataondravalo azy,en+ ny fiainana kou efa sarotra tsy hivaky loha @ zany ny olona,raha tsy hoe angamba misy olombaovao mipoitra tampoka any ho any,fa raha ireo goaika antitra reo tsy azo omena voandro tsony lol

Marina fa mahonena pur noho ilay raikalahy talou,kanefa raha ahitana porofo mazava ve,maninona raha entina eny tribonaly iraisampirenena ee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0547