Ny tombotso azo avy amin'ny betterave ?

1. niryna ( 08/12/2008 17:55)
Ovaiko kely indray ny resaka eto dia ny karazana tombotsoa mety ho azo amin'ny sakafo hohanintsika.
Ny betterave no asiako resaka aloha.Inona ny tombotsoa mety ho azontsika amin'ny fihinanana betterave? dia inona no aretina mety hanampy ny hafa amin'ny fihinana ny betterave ?
Lazao izay fantatrareo dia izay mba fantatro koa no zaraiko any amin'ny farany

Inona aloha izany betterave izany? Beet no fahalalako azy



Dia ity koa misy karazany iray hafa



Dia aza ariana ny tahony fa azo atao jus ihany koa miaraka ny karoty sy celery ary paoma maintso


(l) niryna
répondu par niryna le 30/12/2008 14:59
2. ainaheri ( 08/12/2008 18:47)
Tsy dia tsara hoanina matetika lotra fa mampitombo ny tô d sucre
3. niryna ( 13/12/2008 00:11)
ainaheri:

Tsy dia tsara hoanina matetika lotra fa mampitombo ny tô d sucre

marina izany fa mety mampitombo ny tosi-dra ilay izy fa tsara kosa indray ho an'ny tsy ampy ra indrindra ny vhvvy .


4. niryna ( 13/12/2008 00:19)
Aleo ary zaraiko kely ity e.Manadio ny ra ny betterave ary ny raviny maintso iny dia misy chlorophyll,vitamin A,C ary alkaline minerals toy ny calcium sy ny potassium.
Ilay izy atao jus iny indray indrindra miaraka ny raviny dia manome vitamin B-6 ,iron na fer ,ary potassium sy siramamy natioraly. ary tena manampy ny olona efa akaiky ho tonga ny menopause ny fihinana azy io sy ireo vhvvy tonga fotoana ka misy olona amin'izany (mandeha be ny fotoana )
Tsara ihany koa ny manambatra azy io amin'ny jus hafa toy ny paoma,carrot, ary cocombre
5. niryna ( 13/12/2008 00:26)
Raha misotro eraky ny kaopy ( toy ny boite-na yaourt ) iray dia ireto avy ny aretina mety hanampy amin'izany:
ny anemia, cancer, olona tsy mandeha tsara ny tosi-drany na ny circulation-ny rany , maso rera-dava , olona reraka lava, olona manana aretim-po,voan'ny fievre jaune na (jaundice), manana aretin'aty ,tsy ampy ra(low blood pressure) olona ambony ra( high blood pressure) , menopause, menstrual problems( na fotoana ilay mandeha be ireny ohatra),ireny olona matavy ireny koa dia mampiheny azy ny fihinanany ny jus an'io betterave io.
Ireo no mba zaraiko sao dia mahasoa anareo.:D
(l)niryna
6. fafahfy ( 15/12/2008 16:00)
mba azonao lazaina ve hoe ahona le fanaovana jus ilay betrave de isaky ny inona no sotrona ilay 1 kopy azafady
7. Tazana ( 16/12/2008 04:29)
Misaotra Nyrina! Azoko tsara ve hoe manampy na ambony na ambany ny tosi dra?
Ary inona kay ilay ohatra ny betterave mihitsy izy fa saingy fotsy ny atiny? Toa mahatsara tenda sy kohoka. Ary sao dia mahay zavatra manampy @ albumine Nyrina?
8. fahamarinana ( 16/12/2008 06:46)
:arrow: tsy radis ve izay fotsy anatiny zay sa diso tanteraka koa aho eto ! :?: (l)
9. ikaretsaka ( 16/12/2008 06:53)
radis koa no fahalalako izany... indrindra hoe fanafody tenda sy kohaka izany...

fa momba le betterave raha mihinana ka tsy nahatadidy hoe nihinana dia ta dremo mangovitra rehefa any @ wc ka manompy menamena no nivoaka sy nalatsaka tao..betterave nohanima omaly io fa tsy ra sanatria
10. fahamarinana ( 16/12/2008 06:57)
(l) :-D :-D (l)
11. Tazana ( 17/12/2008 01:52)
Radis tokoa!!! Misaotra!
12. nikah ( 18/12/2008 09:53)
Nyrina,ahoana kay no fanaovana ilay jus de betterave azafady oooo?????
Sao mba mis mahalala eee
13. niryna ( 23/12/2008 16:56)
fafahfy:

mba azonao lazaina ve hoe ahona le fanaovana jus ilay betrave de isaky ny inona no sotrona ilay 1 kopy azafady

tsy fantatro aloha hianao raha manana ireny fitaovana fanaovana jus ireny e.Raha misy dia maka karotty telo ,celery iray lavabe ,miampy ny paoma maitso,tsy asorina ny odiny fa alefa daholo. Ireo no tena fanaoko matetika.
Nampihomehy ahy fa nandeha tany amin'ny dokotera aho dia nolazainy fa madio be hono ny masoko dia notantaraiko azy ny jus fanaoko ao an-trano dia nihomehy izy no sady niteny hoe izay jus ataonao dia tohizo hatrany,hi,hi

Ny ahy rehefa manao jus aho dia ataoko betsaka ny karoty (ny vodiny ihany no tapahina dia sasana tsara ny karoty,tsy voasana dia alaiko iny faikany iny dia mbola azo ampiasaina amin'ny la soupe na anaovana mofo karoty raha manao lasopy moa dia ny karoty no ataoko aloha dia manaraka ny celery dia ny betterave
Matetika isika dia toa mihazakaza-dava ka ny ahy indray dia tsy misy fotoana fa fantatro fotsiny fa rehefa mahatsiaro aho dia manao ( 2-4 /semaine )
Raha toa ka tsy manana fanaovana jus koa dia afaka manao lasary karoty manta dia asiana celery tetehina madinika kely, dia asiana paoma maitso ary asiana citron miaraka ny menaka sy sira raha manana menaka olive dia tena tsara satria ny menaka olive manampy ny hoditra sy ny fo koa


14. niryna ( 23/12/2008 16:58)
ikaretsaka:

radis koa no fahalalako izany... indrindra hoe fanafody tenda sy kohaka izany...

fa momba le betterave raha mihinana ka tsy nahatadidy hoe nihinana dia ta dremo mangovitra rehefa any @ wc ka manompy menamena no nivoaka sy nalatsaka tao..betterave nohanima omaly io fa tsy ra sanatria



:D
15. niryna ( 23/12/2008 17:00)
Raha toa ka tsy manana fanaovana jus isika dia afaka andrahoina manokana koa ny betterave ,io ve aloha ny fanoratra azy e ? dia asiana jus de citron sy menaka kely ary sira .
Raha toa ka maimboa vava indray ka manana fanaovana jus dia atao ihany ny karoty,ny celery ary asiana paoma sy persil ary asiana ovy fa sady sitrana ny vavony no afaka ilay fofombava mivoaka ao anaty iny ,andramo anie e ,natoriko olona io dia nandaitra koa
16. niryna ( 30/12/2008 14:59)
Tazana:

Misaotra Nyrina! Azoko tsara ve hoe manampy na ambony na ambany ny tosi dra?
Ary inona kay ilay ohatra ny betterave mihitsy izy fa saingy fotsy ny atiny? Toa mahatsara tenda sy kohoka. Ary sao dia mahay zavatra manampy @ albumine Nyrina?

inona no dikan'ny albumine amin'ny teny anglisy ry ireto ?

:oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3196