Noteren'ireo mpamatsy vola ny filoha

1. Annie2006 ( 29/11/2008 14:13)
Hitantsika angamba ny lahatsoratra izay misy ato: http://www.madagasikara-soa.com/index.php/Chroniques-politiques/Dialogue-presidentiel-Une-operation-marketing-sans-lendemain.html

Io porofo iray manambara fa ny mpamatsy vola no manery ny filoha Ravalomanana hanaraka an'io soritr'asa novolavolain'ny mpanohitra io (pejy 43-45): http://www.madagasikara-soa.com/index.php/Tribunes-politiques/Soritr-Asa-Hoan-i-Madagasikara-Madagascar-Societe-d-Avenir.html
Tsapan'ny mpamatsy vola fa mila miova famindra ny filoha raha te ahazo famatsiana. Tsy misy vola ny fitondrana hanaovana ny sommet UA @ 2009 ka voatery ny filoha manaraka ambokony (na dia am-bava sy sarintsarina lalàna aza izy io fa mila manao sinema dia mba handresy lahatra ny mpamatsy vola).

Tadidio ary avadibadio ny pejin'ny MAP fa tsy nisy an'izany "projet hoan'ny mpanao politika izany ao". I Filoha mihitsy no vaky vava fa tsy mila ny mpanaohitra ary "tsy hanao politika fa ekonomika" sy ny sisa. Iray andro alohan'ny dialogue presidentiel dia nilaza ny filoha avy any indonezia fa tsy ilaina ny "reconciliation nationale" sy ny mpanohitra satria cancer hoy izy. Ny ampiston'iny kosa raha vao avy niresaka t@ mpamatsy vola dia niova tampoka ny ordre du jour.
Io ary fa ny soritr'asa novolavolain'ny mpanohitra http://www.madagasikara-soa.com/
farafaharatsiny mikasika ny antoko politika no tsy maintsy ataon'ny Ravalomanana sy ny ekipany satria raha tsy izany dia tsy misy ny "famatsiam-bola".

Miomana @ 2012.
répondu par penguin le 07/01/2009 14:57
2. kidoropamba ( 30/11/2008 18:04)
Heveriko fa hidi-kizo ny filohantsika @ ity fanakambanana ny herin'ny mpanao politika sy ny famatsiana vola ny antoko politika ity.
Miseho izy ho dadany aloha ny filoha fa raha vao taraiky kely izy indray mitoraka ity dia vitan-dry zalahy izy e.

Sa misy manipy akondro azy ireto kaosaiE maro be ireo sy ireo mpamatsy vola sa tetika, hoy ramatoa annie hoe, hitadiavana vola @ fahatongavan'ny mpanao jadona avy ao afirika eto madagasikara ihany io zesta rehetra ireo? 8O 8O 8O 8O
3. saranga ( 04/12/2008 09:55)
Zao nama no marina, henjehin'ny eritreriny Ravalo tamin'ny nanagadrana ireo adversaire politique dia io no hany sisa handaminany ny sainy
4. penguin ( 04/12/2008 15:21)
Adin-tSARANGA diso toerana ny anao. Mbola tsy voadonanareo ny olona aloha hatramin'izao. Mba miakara raha favy fa tsy mivoavoa sahalan'ny amboa fotsiny. Lazao koa fa voabaikonao ny Mpamatsy vola ?
5. kidoropamba ( 04/12/2008 15:45)
Ny filohantsika aloha voabaikon'ny mpamatsy vola e. Jerevo fa vita tao anatin'ny 4 andro monja ny taratasy dia miandry vola sahala @ fonksionera ny filoha.
Henoheno fa nitsefotra kely indray hono ny raopilanina satria tratra ilay fika ratsy t@ Daewoo. Any @ volana febroary any angamba vao mitontona ny raopilany vaovao.
6. bazylou ( 04/12/2008 23:50)
tsssss, rehefa tsy namely nytany atakalo roplana dia inona indray ary no atakalony hoy ianao ???
jereo anie fa ny japonay na ny usa and co no hahazo trondro vrala be dia matakalo roplana e!! :-P :-P
7. penguin ( 05/12/2008 14:34)
Ka mbola nahazo ihany ary ve izy sa lazaina fa tsy mahazo ihany mba ahafahany manatanteraka izay asa tiany hatao é?

Owaowaowa tsy mahazo é. Avy eo indray nahazo fa mivarotra é. Aiza no tena izy ry meireto ééé ?
Voamafy ny mpanohatra miantehitra amin'ireto bazylou sy ny namany FOZA ORANA ireto.
8. xxx ( 06/01/2009 15:14)
misy zavatra tsikaritro amin'ity Annie2006 ty !! enao mangarom-bava sy manao sondage ny pokona ato fotsiny de mijery ny degré n'ny fahatezeran'ny olona fa cadre TIM no fahitako anao(enga ane ka ho diso zany eritreritro zany)
9. penguin ( 07/01/2009 14:57)
Aza afangaro ny foza orana sy ny hafa ry xxx aaaa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0496