Hain-trano tany Avignon

1. ni81 ( 26/11/2008 19:38)
Fianakaviana malagasy any Avignon may izy efa-mianaka, maty ny iray

Zazalahy kely iray 11 taona no fantatra fa maty tamin’ny hain-trano niseho tany amin’ny tanàna atao hoe Avignon any Frantsa ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. May toa azy koa ny rahalahiny, ny reniny ary ny rainy ary mbola samy tsaboina any amin’ny hopitaly any Marseille. Manambady Renioney ny renin’ity maty ity. Esméralda Rahanivelo no anarany, araka ny vaovao hita tao amin’ny gazety JIR mpiseho isan’andro atsy La Réunion.
Fiandohan’ny afo. Araka ny vaovao tao amin’ny gazety ihany, môtô roa napetraka tao ambany tohatra no nirehitra voalohany. Vetivety foana dia nifindra ka nandoro taratasy sy baoritra isan-karazany nitoby tamin’ny zoron-trano ny afo ary dia tsy hay nofehezina intsony. Tao amin’ny rihina fahatelo no nipetraka ireto fianakaviana malagasy ireto, izy mivady sy ny zanany roa lahy. Nanandrana nivoaka hanavo-tena tany amin’ny tohatra ry zareo nefa efa tena mahery be ny afo ary niparitaka be ny setroka koa dia niverina tao amin’ny efitrano. Nisokatra ny varavarankely iray ka raha vao novahana ny varavarana dia nibosesika ny setroka. Tsy afa-nihetsika vokatr’izany izy roa lahy kely fa tavela teo an-dalantsara teo. Ramatoa reniny kosa, nianjera teo am-baravarana ka tsy azo nidina intsony izany. Ny rain’ireto ankizy no tao an’efitra. Be loatra koa ny setroka tafiditra tamin’ny tenany.
Vetivety ihany ny mpamono afo dia tonga teo amin’ilay toerana. Ny afo tany ambany rihana no voafehy voalohany. Rehefa niakatra tany ambony izy ireo dia nahita ireto ankizy roa nivalampatra teo an-dalan-tsara. Ilay zokiny, Jason, dia efa tsy nisy aina intsony. Ny zandriny antsoina hoe Jon Ely kosa dia may hatrany amin’ny 30%. Nentina tamin’ny hélicoptère tany amin’ny hopitaly haingana izy sy ny ray aman-dreniny izay samy may avokoa.
Ilay loza niseho tamin’ny taona 2006 dia tsy lavitra loatra an’io hain-trano io. Olona sivy, Malagasy avokoa no niharan-doza tamin’izay ka maty ny efatra. Zaza 11 taona koa ny iray namoy ny ainy tamin’izay ary mpitondra fivavahana ny faharoa. Araka ny vaovao, dia efa nampilazana ihany ny tomponandraikitra ny amin’ny mety hisian’ny loza noho ny fahanteran’ilay trano. Toa tsy nisy fanamboarana natao mihitsy anefa taorian’izany.

Nangonin’i r.s.
répondu par niryna le 06/12/2008 02:20
2. kotobekibo ( 26/11/2008 22:10)
tena danz izany leliké ! dia miara-ory @ fianakans e, izay no lahatra angamba . :{
3. Papoose ( 26/11/2008 22:23)
tena mampalahelo, tsy nisy issu mihitsy zany le trano?
4. ikaretsaka ( 26/11/2008 22:43)
Miara ory

Tokony mba jeren' my fanja akaiky ny aro fenitra momba ny trano sy haintrano any avignon raha efa in 2 zay no nitranga
5. sakaizakely ( 27/11/2008 09:54)
hay ve malagasy ireo traboina e
io resaka marchands de sommeil io klou de tena olana lehibe e. Betsaka mitr ireo tompontrano manofa trano vetustes tsy aradalana, misy hamandoana, tsisy sécurité fa efa tranainy daholo ny installations, tsisy issue de sécurité sns...
saingy ny demande betsaka noho ny offre de en position de force ry zareo tsy mirarà ze mise en demeure hanovana ny installation aux normes ny trano hampanofainy,
de plus, fantany fa maivana ny sazy ho azony, lamandy kely, figadrana en sursis pffffffffff
de ny sahirana ihany no lasibatra
mampalahelo :cry: :cry: :cry:
6. ikaretsaka ( 27/11/2008 15:15)

io resaka marchands de sommeil io klou de tena olana lehibe e. Betsaka mitr ireo tompontrano manofa trano vetustes tsy aradalana, misy hamandoana, tsisy sécurité fa efa tranainy daholo ny installations, tsisy issue de sécurité sns...
saingy ny demande betsaka noho ny offre de en position de force ry zareo tsy mirarà ze mise en demeure hanovana ny installation aux normes ny trano hampanofainy,
de plus, fantany fa maivana ny sazy ho azony, lamandy kely, figadrana en sursis pffffffffff
de ny sahirana ihany no lasibatra

tssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssss ^^ grrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrr
7. ni81 ( 27/11/2008 16:56)
http://www.lexpress.fr/actualites/2/l-incendie-qui-a-tue-un-enfant-a-avignon-serait-volontaire_82179.html
8. kotobekibo ( 27/11/2008 19:17)
Ny an'ny sasany anie d ity mandorondoro ity no hataony fandaniana andro fotsiny e!
@ izay hono mijery ny pompiers en action .
Tsy misy saina mihitsy ouah! GRRRR :evil: :evil:
9. tywa68 ( 28/11/2008 05:57)
Loza zany marina ! :cry:
10. xxx ( 28/11/2008 06:28)
sakaizakely:

hay ve malagasy ireo traboina e
io resaka marchands de sommeil io klou de tena olana lehibe e. Betsaka mitr ireo tompontrano manofa trano vetustes tsy aradalana, misy hamandoana, tsisy sécurité fa efa tranainy daholo ny installations, tsisy issue de sécurité sns...
saingy ny demande betsaka noho ny offre de en position de force ry zareo tsy mirarà ze mise en demeure hanovana ny installation aux normes ny trano hampanofainy,
de plus, fantany fa maivana ny sazy ho azony, lamandy kely, figadrana en sursis pffffffffff
de ny sahirana ihany no lasibatra
mampalahelo :cry: :cry: :cry:
ity loza nanjo ity tsy misy hidiran'ny voalazanao eto fa hafa io.
ity no trano tranainy
Cette maison ancienne située allée des Temps Perdus, à l'entrée de Cavaillon, était en cours de rénovation."
http://www.lepost.fr/article/2008/11/27/1339070_vaucluse-3-morts-dans-un-incendie-a-cavaillon.html
fa ity kosa hafa Le feu est parti d'un local réservé aux deux roues.

http://www.lepost.fr/article/2008/11/24/1335436_avignon-un-mort-et-trois-blesses-graves-dans-un-incendie.html



:( :( :( :(
resaka Le feu est parti d'un local réservé aux deux roues.
11. sakaizakely ( 28/11/2008 09:11)
xxx> ary maninn oa njy miafina e ? matahotsa ny ho kaikeriko nga ? :-D :-D :-D :-D

misy ifandraisany zany ka

ny trano rehetra dia tsy maintsy tokony misy issue sy escaliers de secours daholo, raha vao tsy misy dia efa tsy en normes izay

ny reko tam vaovao dia oul nipetraka tao @ rihana faha 3 ry zareo ary volontaire ilay fandoroana tao @ box

raha misy tantara hafa de tsy haiko ndray iny fa ny etsy ambony no fantako

:-D
12. kelly13 ( 28/11/2008 10:38)
tao akaikin'ny leclerc cavaillon zany io incendie io? ndryyy, mampalahelo!

d mirary fihononana ho an'ireo namoy ny fianakaviany noho ny hai-trano
13. fijo ( 28/11/2008 20:55)
io ry kelly le trano efa vizaka be ao avignon ireo an,efa nisy koa tao marseille tao tamin'ny taona 94,de tsaroako tsara ny navalin'ny conseille generaly raha mba nitokona ireo olona mipetraka tao.
navoakan'ny gazety "la provence" tamin'izany le resaka.
hoy le mpanolotsaina momba ny tanana momba ireo olona mijaly tao "panier"
"il n'y a que des MALGACHES et des COMMORIENS ils ont l'habitude...."momba le trano efa tsy misy jiro sy rano io
14. kelly13 ( 28/11/2008 21:15)
satria tsika tsy mba mitaraina d zany no vavany, pffff! tsy arak'io nefa refa ataon'ny tavany
15. ikaretsaka ( 28/11/2008 21:20)
Ary misy menasofina mahay vava an nefa tsy arak'io rehefa tratra
16. fijo ( 28/11/2008 21:38)
tena naika nampisy korontana tao marseille io resaka io,satria toa niditra ny vondrona mpiaro ny vahiny sy ny karazany.
17. niryna ( 06/12/2008 02:20)
Mampalahelo izany fianakaviana izany :cry:
Tsy fantatro aloha fa tokony hisy tohatra fandehanana mivoaka daholo ny trano e,ary voasazy ny tompontrano raha tsy misy an'io na trano ngeza izany na kely .Dia misy alarm detector ihany koa ka rehefa maheno fofona ilay izy dia mikiakika ,tsy maintsy manana an'io daholo koa ny trano ,dia mbola misy koa ilay iray hoe carbone detector ,izay tsy hita maso na ren'ny sofina fa ny orona no mety maheno kanefa rehefa matory dia tsy maheno ka io alarme io no mikiakiaka manampy ny olona raha sendra misy carbone na gaz na jiro mifampikasoka ka mamoaka fofona ohatra ary misy fisavana ihany koa ka mety ho voasazy ny tompon-trano raha tsy mametraka an'io amin'ireny olona manofa trano ireny .. Dia ny any Avignon indray no tsy fantatro raha mba mitovy izany .Mangatsiaka izao ny andro ,misy famanana trano avokoa ny rehetra ka rehefa tsy mandeha ny chauffage dia misy telefonina antsoina mivantana ka io foibe io no manasazy ilay tompontrano raha tsy mandeha hafanana koa izy . Be lalana kanefa mahatsara ny ain'olona ihany koa ilay izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2234