Samosa efatra $ 204 no vidiny

1. niryna ( 18/11/2008 16:34)
Asa hianareo raha efa nandeha toerana ka raha vao mahita ilay olona fa vahiny dia hambakainy ny tena.Efa nandalovanay izany rehefa tonga any an-tanana izahay ary tsy indray mandeha ihany fa imbetsaka .Ny ataonay farany dia ny ankizy no asiana mividy zavatra na miady varotra fa ny tena tsy miteny .

Sendra nandeha nivoaka izahay ary izay dia nanafatra sakafo,vany maraina io an,marobe moa izahay ary tsy nanontany ny vidin-javatra intsony fa noheverinay fa ireny soratany ireny no izy .Dia mbola nitady sakafo ireto ankizy dia raikitra aza ny fitenanana hoe anendasana atody .Ny sasany nisotro kafe dia rehefa lany ny sakafo dia tonga amin'izay ny vidin-javatra.Inona no nitranga hoy hianareo.Atody hono dia 12.000 fmg,kafe hono 5.000 fmg ny kopy iray. Tsss ,efa lany moa ny sakafo ary ny ankizy aza dia nitanaka nahita ilay izy .

:cry: :cry: mangalatra ,mangalatra fotsiny fa tsy afa-nanoatra.

Jereo anie ity tantara ity e,nandeha nitsangatsangana tany Inde izy mivady dia nividy samosa efatra natao tsakitsaky izy roa ary nandoha $204 na (10.000 rupees) .
Tsy maintsy naloha ilay samosa satria efa nohaniny ary hoe special hono ilay izy hoy ilay mpivarotra dia izany no nahalafo azy
Niantso polisy kosa izy mivady dia naverina ny ambim-bolany 9.900 rupees .

http://news.yahoo.com/s/nm/20081117/od_nm/us_samosa;_ylt=AtlQgk5emv7kB5UxbX3Loz.s0NUE

Efa mba nahita tantara mitovitovy amin'izany ka ve hianareo na ?
(l) niryna
répondu par niryna le 23/12/2008 16:30
2. ainaheri ( 18/11/2008 17:17)
Ngah tsy nisoratra teo @ menu ny vidiny ry niryna?? Sa nanao otran'ilay indianina kou,Sakafo maraina spesialy :-D :-D :-D :-D ..... Mety nareo kosa angamba tsy miteny gasy d nararaotiny hihi Raha resto mihajahaja reny tsy afaka anao an'zany satria efa misoratra eo doli,raha tsy oe angamba eny @ vary mitsangana lol
3. ikaretsaka ( 18/11/2008 17:35)
rehefa le kaly @ fundraising ana club matanjaka ireny aza kaly kely tsisy fotony dia 4000$ hono ny menu!
ny lioana sy ny engrenages sy ny mpitaingin-tsoavalin'i colombus
na ireny misy atoko politika ireny ohatra!
4. niryna ( 18/11/2008 18:00)
ainaheri:

Ngah tsy nisoratra teo @ menu ny vidiny ry niryna?? Sa nanao otran'ilay indianina kou,Sakafo maraina spesialy :-D :-D :-D :-D ..... Mety nareo kosa angamba tsy miteny gasy d nararaotiny hihi Raha resto mihajahaja reny tsy afaka anao an'zany satria efa misoratra eo doli,raha tsy oe angamba eny @ vary mitsangana lol
na dia miteny gasy aza dia misy fomba ahafantaran'ny olona foana hoe vahiny .Hianareo ve tsy mahita izany,na manao akanjo kimosimosy aza dia fantany foana hono ny volon-koditra e,asa aloha
fa na dia izany aza .Ilay fanararaotina no tena tsy mety amiko na firenena aiza io e.
ilay misoratra dia misy tokoa fa ilay hoe mbola te ihinan-kanina ny ankizy dia noresahina izy raha afaka manao atody dia izay ,tsy mba nieritreritra hoe ohatraninona anefa ilay atody aloha .
Hotely lehibe teo amin'ilay tanana ilay izy fa tsy dia hoe tena lux be akory fa ny variamin'anana miaraka ny kitoza sy saosisy no nisy vidiny fa ilay hoe manao eouf sur plat tsy misy soratra izany teo kosa aloha e .Ilay kafe indray dia tsy nisy prix koa teo .Eny rehefa mitranga ny zavatra vao mahatsiaro hoe tokony ho toy izao na izao
5. niryna ( 18/11/2008 18:02)
ikaretsaka:

rehefa le kaly @ fundraising ana club matanjaka ireny aza kaly kely tsisy fotony dia 4000$ hono ny menu!
ny lioana sy ny engrenages sy ny mpitaingin-tsoavalin'i colombus
na ireny misy atoko politika ireny ohatra!

ka jereo izy izany hoe manao fundraising na manao politika kou.
Sakafo eny amin'ny mpivarotra no resahiko eto

6. haritianah ( 19/11/2008 07:51)
Za indray alou dia ts vahiny amin'izany é, fombajavatra io na tany aiza ianao no mandeha.
Ts lavitra ny ohatra omeko anao fa na samy isika eto madagasikara aza.
Raha ny avy ao Tanà no midina ny @ Province ka raha vao fantany mpivarotra fa avy ao Tanà dia ampiakariny ny vidina sakafo amidiny.
Raha olona avy @ Province koa miakatra Tanà dia mitovy sahalan'izany kou. Ka io ohatrany lalanany mpivarotra mits io ary tany rehetra manao an'io dolo.
7. niryna ( 19/11/2008 18:01)
haritianah:

:D
marina aky izany a,nandalo province izahay dia mba te hividy ravaka,tsy takatra ilay izy fa na dia ny volafotsy aza dia nitovy vidy tamin'ilay volamena .Tss :x
8. fahamarinana ( 20/11/2008 06:55)
:arrow: sao kosa dia ny vidin-javatra no efa miakatra fa tsy voatery mamitaka foana ny olona.Na misy koa aza izay...
Dia mba jerena koa hoe manao asa soa fa tsy famitahana hatrany e.. :wink: .
tsy voatery tahaka izay hatrany...mila fantatra koa anie ny vidiny ary manana choix koa isika hividy na tsia fa tsy voatery ilay olona no fetsy sy mpanambaka foana.Zà isan'ny mpivezivezy rehefa ao dago fa fantatro kosa nefa hoe ohatrinona ny vidin-javatra ary azo atao ny miady varotra raha mbola any an-tsena aloha ary efa fanao rahateo sy naha-botrabotra koa.Fa raha amin'ny magasins kosa rehefa affichés ny vidiny dia iny izany : na ianao mividy na mandeha any an-kafa mampitaha vidiny hafa ....
niryna : tsy haiko na aiza njy mividy volamena sy volafotsy fa raha eny amin'ny mpivarotra karana ohatra dia mitovitovy daholo ihany ny anjareo na hivezy atsy sy aroa.Eny amin'ny sisiny misy koa fa mbola tsy hay na tena izy na be fangaro,mazava ho azy fa morakokoa noho ny eny am bijouteries mahay azy...au moins eny misy garantie ary na hijery akaiky raha tena volamena aza dia izy tokoa (zà manko mpanao izany mi-verifier zany taloha..:-D )
ainaheri : tena fantany foana tokoa hoe vahiny na miteny gasy aza...mahavariana tokoa fa sahala ny tsy mitovy izany ny fomba fanehoantsika azy na samy teny malagasy izao aza,asa ny accent sa ny inona loatra! na hiroky aza mbola tratra foana e!!(l)
9. rabilabila ( 20/11/2008 07:50)
Samihafa kosa angamba ny mangalatra sy ny manararaotra ary ny mamitaka .
10. fahamarinana ( 20/11/2008 10:13)
:arrow: rabilabila :hitsiko ilay teniko hoe mpamitaka raha tsy izay no mifanaraka aminy.
Nefa koa araka ny fijeriko manokana,raha resaka varotra dia sahala ihany ny mpamitaka sy mpanararaotra ary mpanambaka satria resaka hafetsifetsena daholo :ratsy ..fa amin'ny resaka hafa indray mety misy dikany hafa ihany koa tsy hitovizany.Fa amiko zay an ! :) (l)
11. ni81 ( 20/11/2008 10:53)
rabilabila :hitsiko ilay teniko hoe mpamitaka raha tsy izay no mifanaraka aminy.
Nefa koa araka ny fijeriko manokana,raha resaka varotra dia sahala ihany ny mpamitaka sy mpanararaotra ary mpanambaka satria resaka hafetsifetsena daholo :ratsy ..fa amin'ny resaka hafa indray mety misy dikany hafa ihany koa tsy hitovizany.Fa amiko zay an !
rehefa mifanohitra @ rariny sy hitsiny dia ratsy
12. fahamarinana ( 20/11/2008 10:56)
:arrow: eka ozy..iraisako hvtr tanteraka :wink: (l)
13. niryna ( 21/11/2008 20:17)
fahamarinana:

:arrow: sao kosa dia ny vidin-javatra no efa miakatra fa tsy voatery mamitaka foana ny olona.Na misy koa aza izay...
Dia mba jerena koa hoe manao asa soa fa tsy famitahana hatrany e.. :wink: .
marina izany fa tena miakatra ny vidin-javatra ary tsy mampino hoe mitovy ny vidiny aty ivelany ny vidin-javatra sasany any.

tsy voatery tahaka izay hatrany...mila fantatra koa anie ny vidiny ary manana choix koa isika hividy na tsia fa tsy voatery ilay olona no fetsy sy mpanambaka foana.Zà isan'ny mpivezivezy rehefa ao dago fa fantatro kosa nefa hoe ohatrinona ny vidin-javatra ary azo atao ny miady varotra raha mbola any an-tsena aloha ary efa fanao rahateo sy naha-botrabotra koa.
eny mila miady varotra fa nisy anatra ihany koa fa dia tsotra be teo kanefa dia voa aloha e,tsy nampaninona anie ilay izy fa ny ankizy mahalala vidin-javatra sy maheno azy ireo manao hoe kay ...tena mangalatra be ilay mpivarotra .

Fa raha amin'ny magasins kosa rehefa affichés ny vidiny dia iny izany : na ianao mividy na mandeha any an-kafa mampitaha vidiny hafa ....
ie

niryna : tsy haiko na aiza njy mividy volamena sy volafotsy fa raha eny amin'ny mpivarotra karana ohatra dia mitovitovy daholo ihany ny anjareo na hivezy atsy sy aroa.Eny amin'ny sisiny misy koa fa mbola tsy hay na tena izy na be fangaro,mazava ho azy fa morakokoa noho ny eny am bijouteries mahay azy...au moins eny misy garantie ary na hijery akaiky raha tena volamena aza dia izy tokoa (zà manko mpanao izany mi-verifier zany taloha..:-D )
rehefa miakatra ao Tana dia eo amin'ny karana ka ,fa rehefa sendra nandeha province dia nasehony ity volamena re izahay dia hoe 2 Millions hono ... tsy nividy aloha fa dia variana e.
misaotra aky a

ainaheri : tena fantany foana tokoa hoe vahiny na miteny gasy aza...mahavariana tokoa fa sahala ny tsy mitovy izany ny fomba fanehoantsika azy na samy teny malagasy izao aza,asa ny accent sa ny inona loatra! na hiroky aza mbola tratra foana e!!(l)
zany tokoa aky a,ny tena izao mba miezaka miteny kanefa toa hafahafa ny fijerin'ny olona sy fahenoin'ny olona azy .Efa mba zatra kely ihany aza satria niezaka mafy nanoratra teto foana .Na izany aza rehefa verenana ilay teny dia toa hafahafa izany ...tsy fantatra hoe asiana h sa tsia ,asiana m na n sa tsia =))

:-* :roll: 8O :D
14. niryna ( 21/11/2008 20:19)
rabilabila:

Samihafa kosa angamba ny mangalatra sy ny manararaotra ary ny mamitaka .

samy ratsy daholo
15. niryna ( 21/11/2008 20:24)

rabilabila :hitsiko ilay teniko hoe mpamitaka raha tsy izay no mifanaraka aminy.
Nefa koa araka ny fijeriko manokana,raha resaka varotra dia sahala ihany ny mpamitaka sy mpanararaotra ary mpanambaka satria resaka hafetsifetsena daholo :ratsy ..fa amin'ny resaka hafa indray mety misy dikany hafa ihany koa tsy hitovizany.Fa amiko zay an !
ni81:
rehefa mifanohitra @ rariny sy hitsiny dia ratsy

tanteraka

16. fijo ( 28/11/2008 21:02)
ny ahy tao paris tamin'ny 91.vao tonga moa ny tena dia naka taxi fa le mpitsena tsy hafaka,de naverimberin'ilay taxi tamina lalana iray aho,ny tsy fantany dia olona vao tonga ka tia jerijery.de tsaroako le anarana lalana fa niverina in'4.nony nijanona dia 250ff hozy,nidina aho dia tsy nomeko ny volany.
mbola tovolahy koa tamin'izany ka tsy nivaky loha fa raha avy eto ity wa dia mifandray tanana eto isika.ompa be no nataon'i lery fa tsy sahy nanatona ahy.ny volonkoditra no nahazo tsiny fa tsy noraharahiako.
17. dailynews ( 13/12/2008 17:23)
henamboay angamba ny tao anatiny ry nyrina fa aiza dia lafo be tahaka izany ny sambosa efatra, trop be izany fa na miditra restaurant tsara be tahakany inona aza ny appetizer tsy mbola tahaka izany ny vidiny.

18. niryna ( 23/12/2008 16:30)
dailynews:

henamboay angamba ny tao anatiny ry nyrina fa aiza dia lafo be tahaka izany ny sambosa efatra, trop be izany fa na miditra restaurant tsara be tahakany inona aza ny appetizer tsy mbola tahaka izany ny vidiny.

=)) =)) tsy henamboay ka dia sahy ihinana an'izany ve dailynews raha mahafantatra ny tao anatiny ? ilay olona vahiny araraotin'ny olona no olana mipetra hatraizatraiza ka ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5786