fanjavonana

1. xxx ( 11/11/2008 12:10)
Efa napetraka teto ity dinika ity fa somary tamin'ny fomba fananihanina no nametrahako azy tamin'izay, tsy inona izany fa ny fanjavonan'i TSIMATI. Tsy resaka fitorahana atody sy fitombe... ity fa tena matahotra mihitsy aho hoe sao dia ma.. i tsimati. Marina fa mifanipaka mihitsy ny hevitray mirahalahy tamin'izy mbola teto fa na dia izany aza dia manaja azy tanteraka ny tenako. Ka manao antso avo aho an'izay mahita, na mahalala an'azy mba hamaly eto raha manana vaovao. :(
répondu par penguin le 13/11/2008 14:54
2. tsimati ( 11/11/2008 15:35)
Tsy very ary tsimati fa mandalina. hahaha
3. ravatorano ( 12/11/2008 04:48)
velona soa mantsara io ra tsimati e :wink:
aza miala tsony hono ianao fa manaelo ny akama e
4. tsimati ( 12/11/2008 06:59)
Aza matahotra razoky fa nohon'ny fananan-tsiaka Malagasy rehetra mokondoha avo indrindra no maha avo indrindra antsiaka amin'ny lafiny rehetra araka ny filazanareo sy ny akamanareo azy e. Na an-toerana na an-dafy samy fatratra ary mendrika ho deraina araka ny nofinofiny ao ampandriana. Dia arabaina ary ooo
5. xxx ( 12/11/2008 08:27)
Aza matahotra razoky fa nohon'ny fananan-tsiaka Malagasy rehetra mokondoha avo indrindra no maha avo indrindra antsiaka amin'ny lafiny rehetra araka ny filazanareo sy ny akamanareo azy e. Na an-toerana na an-dafy samy fatratra ary mendrika ho deraina araka ny nofinofiny ao ampandriana. Dia arabaina ary ooo

Izao kritika konstruktiva izao mihitsy no tsy ahafozako an'i tsimati. Eny fa na dia tsy miombi-kevitra amin'ny aza aho.
6. tsimati ( 12/11/2008 10:41)
kritika konstruktiva ahoana indray aza ty hoe tsy miombon-kevitra ity eee ?
7. bista ( 12/11/2008 13:37)
kritika konstruktiva ahoana indray aza ty hoe tsy miombon-kevitra ity eee ?


:)
Dia inona aloha ny vaovao elaela izay e! ny fianakiavina rehetra any (enga anie mba ho salama tsara na dia eo aza ny krisy isan-karazany). Rehefa mbola velon'aina tokoa mantsy dia izay no zava-dehibe. Ny tenanao koa avy dia hitako amin'ilay fanoratana fa tena mbola tsy niova mihitsy na kely aza. Aleo amin'ny dinika manaraka isika vao mifampi-taim-bava e! dia mamerina ny fifaliana mahita anao eto indray. Betsaka ny loha-hevitra nisokatra teto mantsy dia tsy nisy ilay fijerinao mifanohitra amin'ny ny ahy iny mihitsy fa na: mitovy amiko na ilay misolelaka manara-dreny rano sy miatsara velatsy ary koa manaraka ny be sy ny maro iny fotsiny no miainga teto.
8. penguin ( 13/11/2008 14:54)
Edrey f'angaha moa ranamana tsy ny fihatsarambelan-tsihy sy ny fisolelahana ary fijapiana "train" no tena lesona hain'izay tia miresaka eto? Ny sasany aza resaka andriana sy andevo no ao antsaina nefa ao ambadika indray milaza fa mitehaka an'ilay Obama. Mahagaga ka tandremo sao any koa no misy anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0503