fialan-tsiny faobe

1. sitlo ( 21/10/2008 20:14)
Ny teny hono toy ny salaka ka ny tena ihany no afatony.
Ary tsy misy tsy tezitra hono fa izay toro fo mpamosavy.

Izaho dia kofa tsy manenina izany mihitsy. Ny antony dia mandinika foana aho alohan'ny manao zavatra iray ka zakaiko izay vokany eo.
Raha adika dia prémédité iny fa tsy fo misafoaka ka rano mafana izany.

Ny antony dia tsy reveko mihitsy ny nilazan'i xxx mihizingizina fa izaho no namorona ny felaka sy tehaka. Izaho raha hanenjika ny serasera dia hampiasa ny relation internationale-ko fa tsy hi-soumettre amin'ny frantsay izany. Sady tsy hitako koa izay hanenjehana ny serasera. Ny hanasoa aza atao.

Anti-frantsay ve aho? eny
Raha ny barbarisme nataon'ny frantsay tamin'ny tanànay, tamin'ny rahalahin'ny dadabeanay sy ny mahery fo no lazaina dia sanatria aho ny hiditra mpikambana skyrock izany. Ahy manokana izany ary na ny iray tampo amiko aza tsy mitovy hevitra amiko. Ny fankana ankeriny ny volamena tamin'izany, ny fanandevozana sy ny sisa, ny neocolonialisme ... Manohana ny sinoa ihany aho hoe ny Japs sy ny Eoropeanina mirehareha fa manankarena, plan Marshall, sns... fa ny marina dia fakana ankeriny ny haren'ny firenena hafa tamin'ny fanjanahatany no tena ao ambadika.

Amiko dia hakelezan'ny saina tsotra izao ny manenjika site gasy, izay azo atao hoe reharehan'ny gasy ihany, amin'ny alalan'ny bilaogy frantsay.

Mino aho fa ry zareo mpikitikitika skyrock ihany no nanao an'iny, fa nony tsy nety ny natao, dia mody aty amiko no ailika ny rano maloto. Satria aho tsy tia sipa "bossy", sy "show all", ary nolazaiko mivantana dia tena tsy tantin'ny saina. Satria aho tia miresaka amin'i Fiffi sy rush ary vale dia izaho koa cible. Satria aho niaraka tamin'ny sipa teto dia anaovana chantage hanova toetra hanaraka azy. Tsia

Ka noho izany, tsy miala tsiny amin'i xxx sy izay xxx aho. Fa miala tsiny amin'ny rehetra izay tofoka tamin'iny. Fanindroany tamin'iny aho no nanopa olona tamin'ny androm-piainako ary tsy misy anenenako izany.

Tsy tiako ny alaina am-bavany, mbola bossy koa izany, ka miala tsiny aho raha tsy namaly hafatra tamin'ireny. Naleoko izy himenimenina izay lazainy any. Tsy hanova ahy izany fa ianareo no ifonako raha nahatezitra aho :wink:

Izay toro fo hono mpamosavy. Raha mamakafaka io nolazaiko io anefa ianareo dia toro fo aho. Mpamosavy izany. Raha mandray ny fialan-tsiniko ianareo dia faly aho fa afa-tsiny. Raha tsia dia toro fo koa izany ianareo dia manana akama aho. Sabatra roa lela. :°)



Nahitsin'i hery
répondu par Papoose le 03/12/2008 21:41
2. ikaretsaka ( 21/10/2008 20:26)
ze bizna any bizna fa ny tsy aritro kely de le hoe
Fanindroany tamin'iny aho no nanopa olona tamin'ny androm-piainako ary tsy misy anenenako izany

tsy azoko io?.

3. sitlo ( 21/10/2008 20:32)
Tamin'izaho 14 taona nanompa izay kofa niseho nanimba ny vam kapoaka milay be izay. Tonga dia nompaiko lery dia gaga daholo ny ankizy rehetra. Avy eo raikitra ny totohondry.

Dia 13 taona taty aoriana indray dia nanompa olona indray aho. Tena tokony niandry amin'ny eritaona. lol
4. Papoose ( 21/10/2008 20:40)
Mino kosa angamba fa miantefa any @ zay tokony hiantefany ny fialatsininao!!
sady le felaka sy tehaka tsy efa maty ve?

Ary sambatra enao raha mbola indroa fotsiny no nanompa olona t@ fiainanao! za mbola zaza ity aza no efa impiry! :oops: :D
5. ni81 ( 21/10/2008 20:41)
Anti-frantsay ve aho? eny
Raha ny barbarisme nataon'ny frantsay tamin'ny tanànay, tamin'ny rahalahin'ny dadabeanay sy ny mahery fo no lazaina dia sanatria aho ny hiditra mpikambana skyrock izany. Ahy manokana izany ary na ny iray tampo amiko aza tsy mitovy hevitra amiko. Ny fankana ankeriny ny volamena tamin'izany, ny fanandevozana sy ny sisa, ny neocolonialisme ... Manohana ny sinoa ihany aho hoe ny Japs sy ny Eoropeanina mirehareha fa manankarena, plan Marshall, sns... fa ny marina dia fakana ankeriny ny haren'ny firenena hafa tamin'ny fanjanahatany no tena ao ambadika.
ka ianao izany aloha eto ilay maka ilay ohatra toy ilay tao Alasora an! Fa angaha ny frantsay rehetra dia ratsy saina toy izany nahazo anareo izany daholo? Toy ny olombelona rehetra ihany io, misy tsara, ary misy ratsy...
Hoy ianao hoe tsy manenina aho! :roll: koa maninona no miala tsiny @ olona rehetra (mba hazavao)
6. sakaizakely ( 21/10/2008 20:48)
tongasoa ny akama :P :P

mbola tsy lany foana ny ranomaintin'i sitlo nefa efa nokaikeriko hatramin'ny tsinainy :-D :-D :-D :-D

ny Japs sy ny Eoropeanina mirehareha fa manankarena, plan Marshall, sns... fa ny marina dia fakana ankeriny ny haren'ny firenena hafa tamin'ny fanjanahatany no tena ao ambadika.
=D> =D> =D> =D> =D>

Io aloha dia marina
dia nalefa mialoha lalana ny missionera anaovana lavazy de servô @ resaka finoana sy fivavahana mora angalana azy
de faly ery Ragasy kely fa tsara hono ny Andriamanitra nentin'ny vazaha
de mitanisa verba antoko sy andinin'ny baiboly miseho dadany fa mahay mivavaka vazaha
fa resaka hafa lavabe angamba tsy eto no azo amelabelarana hevitra mikasika an'io

() am zao krizy be zao ve de mbola sahy hirehareha ihany ry zalahy ? :-D :-D :-D :-D :-D :-D


7. sitlo ( 21/10/2008 20:56)
Tsy ny frantsay araka ny maha-olona no tsy tiako fa ny politika frantsay miseho manohana an'i Afrika nefa mitady toeram-pivarotana.

Nisy matematisianina frantsay izay nifamaly tamin'ny prof. math teny Ankatso. Tsy henonay ny antony fa niakatra teny an-davaranga ny feo izay vao henonay. Dia hoy izy, izao rehetra hitanareo izao (mantsy an'Ankatso), inona raha tsy ny frantsay no nanohana.

Midika izany fa mbola miseho ho reny malala sy Oui vazaha no ao an'eritreriny. Tsy taloha izany fa tamin'ity taona arivo fahatelo ity.

Hoy ianao hoe tsy manenina aho! :roll: koa maninona no miala tsiny @ olona rehetra (mba hazavao)

tsy manenina aho tamin'ny nanompako an'i tess
fa miala tsiny aho amin'ny hafa satria samy nahita teo aby, kelly13, sakaizakely, ari.malala, andrea, stretch, hery, ikaretsaka, sy ny sisa
ni81> tsy haiko akory hoe iza ianao? asivo sary ny fisy izay vao miady hevitra :-D
8. ni81 ( 21/10/2008 20:59)
ni81> tsy haiko akory hoe iza ianao? asivo sary ny fisy izay vao miady hevitra
zahay tsy mahatakatra fakan-tsary dia izay no tsy mampisy sary ao, ary mamaly zà na dia tsy misy hidirako aza satria tsy nalefanao tany @ hafatra manokana ho an'ireo oul voalazanao ireo :)
9. sakaizakely ( 21/10/2008 21:07)
sitlo> za tsy nahita ka :°)
ms bon

10. sitlo ( 21/10/2008 21:07)
ni81> kay tokotrany moa ianao teo koa, miala tsiny ary eh!

[size=9px]Fa asivo sary ihany ny fisy mba misy imemezana.[/size] :-D
11. ni81 ( 21/10/2008 21:12)
Fa asivo sary ihany ny fisy mba misy imemezana.
io ilay himemezana io mihitsy no tsy hametrahako azy ao koa :-D :-D
12. sitlo ( 21/10/2008 21:14)
saka:
am zao krizy be zao ve de mbola sahy hirehareha ihany ry zalahy

Tena efa tataka be ny score sady mazoto mianatra be ry zalahy, tena sarotra ny rasa. Ny hevitro dia aleo alaina miadana. Manao petit a petit, l'oiseau fait son nid

eo indray izao ni81 fa hanao zafy albert an :°)

saka:
sitlo> za tsy nahita ka :°)


hahaha, kay hitako no tsy maharaka mihintsiny, tara train :-D

radem aloha dia tonga dia apetrao eo daholo izay ao am-po fa hovaliako ankintsim-po, raha tsy xxx
13. caprio ( 22/10/2008 04:01)
stylo:ary nareo zany anie milaza fa tsy manenina @zavatra atao sady mandinika vao manao zavatra,kanefa amiko ny fiala-tsiny dia midika fa manenina enao sady mahatsapa ny fahadisoana matoa miala-tsiny,ka mba azavao marina fa tsy mazava :}
14. ni81 ( 22/10/2008 05:57)
hoy caprio
stylo:ary nareo zany anie milaza fa tsy manenina @zavatra atao sady mandinika vao manao zavatra,kanefa amiko ny fiala-tsiny dia midika fa manenina enao sady mahatsapa ny fahadisoana matoa miala-tsiny,ka mba azavao marina fa tsy mazava
io koa no mba tiako nazavainy fa tsy mbola ... :)
15. karinah ( 22/10/2008 10:47)
Ianareo tsy mahazo resaka, caprio sy Ni, efa hoe miala tsiny amin'ny rehetra izay nahita azy nanao fihetsika hafahafa, fa tsy hoe manenina ilay ompa, satria raha misy fanajàna ny hafa de tsy eo miasony no manao izany, amiko aloha a, , ny antony faharoaAmiko de tsotra ftsn de ny atao hoe: fahalalam-pomba, sy fanajàna ny hafa izay tsy misy hidiran'ilay resaka anefa nahita ilay scène....de ampy izay fa tsy iny no hitarina be eo indray de hihitatra zavatr'hafa indray ty adinika ity ny niafarany, de tsy mba leo saritaka ve ianareo e???:roll:, rehefa tsy te hamela azy ianareo ohatra de anareo izay safidinareo, fa tsy manitatra zavatra hafa kosa.
sitlo: izahay mamela eee, de misaotra t@ fanajànao ny rehetra ee!!:) Tsiky de ampy ô!!!
16. ni81 ( 22/10/2008 10:50)
Ianareo tsy mahazo resaka, caprio sy Ni, efa hoe miala tsiny amin'ny rehetra izay nahita azy nanao fihetsika hafahafa, fa tsy hoe manenina ilay ompa, satria raha misy fanajàna ny hafa de tsy eo miasony no manao izany, amiko aloha a, , ny antony faharoaAmiko de tsotra ftsn de ny atao hoe: fahalalam-pomba, sy fanajàna ny hafa izay tsy misy hidiran'ilay resaka anefa nahita ilay scène....de ampy izay fa tsy iny no hitarina be eo indray de hihitatra zavatr'hafa indray ty adinika ity ny niafarany, de tsy mba leo saritaka ve ianareo e???, rehefa tsy te hamela azy ianareo ohatra de anareo izay safidinareo, fa tsy manitatra zavatra hafa kosa.
sitlo: izahay mamela eee, de misaotra t@ fanajànao ny rehetra ee!! Tsiky de ampy ô!!!
Hay ve e! ka izahay sy caprio angamba tara train fa mbola nandeha nandamina resaka t@ endrika01 e! :-D :-D
17. karinah ( 22/10/2008 10:58)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :lol: :°) :P
18. ratonga ( 22/10/2008 12:31)
tena tsy hitako alou zé anaovan'i sitlo sinéma eto wé miala-tsiny fa nanompa oul é! refa tsy bani alou dé efa mifalia fa ny sasany aza tsy nanompa akory amiko alou é, fa niteny fotsiny wé débile an'i orona dé zay no izy fa nésorina, aryiza koa moa no tsy mahalala fa i orona ihany no sitlo
fiatsarambélatsia nen'lah no betsaka izany, ary marina ny tenin'i caprio
stylo:ary nareo zany anie milaza fa tsy manenina @zavatra atao sady mandinika vao manao zavatra,kanefa amiko ny fiala-tsiny dia midika fa manenina enao sady mahatsapa ny fahadisoana matoa miala-tsiny,ka mba azavao marina fa tsy mazava
19. xxx ( 22/10/2008 15:10)
ko efa miala tsiny kosa izy izany ka inona ary no tadiavina ankotr'izay?? :roll:
20. ni81 ( 22/10/2008 15:15)
ko efa miala tsiny kosa izy izany ka inona ary no tadiavina ankotr'izay??
t@ olona sasany, fa nisy resaka hafa teo @ io voalohany io fa angamba tsy naharaka i xxx(fa efa nahitsy) fa aleo angaha atao hoe niala tsiny izy izany e! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2987