TSy haiko ny tena hevitry ny Vehivavy @ atao hoe Fitiavana!

1. melki ( 08/10/2008 10:32)
Izaho dia lehilahy 26taona, ary niaraka tamina vehivavy 21 taona. nandritry ny roa taona izahay izao no niaraka. Ny zavatra tsy azoko dia mandainga :cry: :( amiko foana izy, milaza hoe tary aho..nefatsy tany. Imbetsaka aho no anaovany an'izany foana. Ny mahagaga ahy dia raha vao misy tany alehany dia manao akanjo sexy B foana izy. Vao t@ herin'andro teo no nisaraka taminy aho, nefa tiako izy ah! Izany foana nefa no iainako. Nisaraka taminy aho, ny antony? Hay izy ity milaza amiko hoe miasa ity tsy miasa akory! Izy amin'io mampidi-bola ao an-trano ah! Dia gaga aho! tsy vitan'izay fa mbola zao koa: Izaho miala ao an-trano @6maraina, tonga @6ariva, izy kay ao anatin'izay mapiditra ireny namany maro be sexy, mijilanjilana ireny ao antrano. @zay mihidy ao izy mianakavy ah! tsy fantatra intsony izay ataony ao, tsy vitan'izay koa fa rehefa mamangy an'ny dadako aho ka tsy matory ao an-trano dia, hay izy ity tsy matory ao koa fa tsy fantatra izay alehany. Tsy nampoiziko fa tratrako ny fampirafesany ahy, nalaiko ny telphone-ny, nojereko koa ny repertoire, dia anaram-behivavy daholo ny ao, nefa isak'izay miantso dia lehilahy avokoa. Plus izy misandoka ny anaran'ny namako nefa tsy izy akory ilay numero. Ny mahagaga koa dia manova anarana izy any amin'ireo lehilahy ireo,satria isak'izay lehilahy miantso dia miantso ilay anarana entiny avokoa, antso iray no tratrako nefa nahafantarako ny marina rehetra. Ny mahavariana anefa dia endry izy ao an-trano ah! B safosafo, tambitamby, bisous moa tsy tenenina intsony! Dia gaga aho indraindray! Mariako fa tiako izy ary izy koa milaza fa tia ahy. Mbola tsy nitia olona ohatran'izany aho. lany taminy avokoa na ny fotoana, na ny herim-po, na ny vola...sns..eh Tena nanapa-kevitra aho fa isaraka aminy, fantatro fa tiako izy ary maharary ahy ny hisaraka aminy, saingy tsy te-hanimba ny ho aviko aho! Mariako fa nanaiky ireo adisoana nataony ireo izy, ary nifoana nilela-paladihy, ary nitomany t@ tany, saingy efa tsy zakako ny mieritreritra izay vitany! Inona no ataoko? Diso aho ve? Efa nisaraka izahay izao ary tsyavelako miantso ahy intsony izy, rehefa nanana ny porofo rehetra aho, ary nazava t@ ray aman-dreniny ny zava-bitany! Inona no tokony ataoko fa dessu B aho @ resaka fitiavana. Lehilahy aho nefa toa itako mavesatra amiko izao! Toroy hevitra aho satria tsy te-hilalao izany atao hoe fitiavana izany fa rhf tia aho dia tia. Nivadiany aho ho aho! gaga ah! Tsy ampijaliana, tsy ampaoriana, miadana...nefa izany no ataony ahy! Dia diso aho V?
répondu par xxx le 30/01/2009 14:44
2. Noue ( 08/10/2008 10:46)
raha izaho kosa aloha no teo @ toeranao dia nisarahako ko eeeeeeeee :^) :^) :^) :^)
marina ny anao fa izany ve no atao hoe fitiavana???? :^) :^) :^) une de perdu hono 10 de retouvées :^) :^) :^) :^) mahereza eeeee
3. ni81 ( 08/10/2008 10:50)
Ny fanontanianao dia hoe inona no tena hevitry ny vehivavy @ atao hoe fitiavana?
Ny olona rehetra dia tsy mitovy fisainana sy eritreritra, eny fa na dia mpiray tampo mifanapa-tsinay aza dia samy manana ny heviny @ lafiny maro... Fa raha amiko no mipetraka io fanontaniana io dia izao no valiny: ny fitiavana dia "tokony" hifameno, mifampatoky fa tsy mifamitaka.
Sao dia mba mivaro-tena kosa ity olona niarahanao ity? Miala tsiny fa ny olona maro dia roboka @ io sehatra iray io ankehitriny. Tsaroako mihitsy taloha tany dago, rehefa somary manomboka harivariva iny, dia misy tovovavy kely mpianatra maromaro mijoro mivaro-tena eny @ iny lalàna mankany Tsaralalàna iny. Rehefa nisy nanontany izy ireny dia izao no navaliny hoe: tsy ampy ny lamaodiny...
4. MMS ( 08/10/2008 11:08)
Sarotra ny hitsara hoe diso ianao na tsia fa izay tianao ihany ka mampilamina ny sainao dia mety e. Raha confirmé fa niodina izy dia mbola azo hohanina tsara raha mbola tsy masiso indrindra fa raha mbola delicieuse aminao. Sady mbola tsy mariés koa anie nareo e. Tsy misy blèm fa aza compliquer-na hoy i Melky. :* 8O
5. sytl ( 08/10/2008 12:01)
in mou no tokony ahadiso anao @ zany?,refa tsy mandry tsony ny sainao aminy de aleo miala,fa io tanana zatra mitsotra tsy afaka hivokona tsony!sady ef voany im-betsaka enao!,izy raha teo efa zatra mandainga sy b fikafika,tadidio fa raha hiverina aminy ary enao na de efa nifona sy nandohalika izy, enao iany de milaza fa tsy ho zakanao ny mieritreritra ny zava bitany,tsy aleo v miala madiodio ,mba miaritra kely fotsiny fa afaka foana ny alahelo aminy refa fotoana fohy é!! :wink: ,sady le oul mpiantso azy reo kou tsy hanaiky hiala maina zany é!!!,zay fa mahereza é!
6. jemimah ( 08/10/2008 13:00)
izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy hoy ny soratra masina e
7. ni81 ( 08/10/2008 13:03)
izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy hoy ny soratra masina e
tsy misy izay tsy nanota fa izay mivari-lavo no adala indrindra hoy ny ohabolana
8. sytl ( 08/10/2008 13:28)
jemimah!tsy misy mitora-bato an'iza eto,fa toro hvtr no angatahin'ny namana melki ka atsipy ny tady an-tandroky ny omby,de atsipy ny teny @ manam-panahy!!
9. caprio ( 08/10/2008 20:34)
Anjaranao aloha ny mahafantatra we nety ny nisarahanao taminy sa tsia,ary anjaranao koa ny mahafantatra we amela ny helony enao sa tsia,zany we raha tena mbola tia mafy azy enao dia ataoko fa tsisy ny olana ny @ hiverenanao aminy, satria hijaly enao raha toa ka mbola tena tia azy nefa mangatak'andro lava sy mbola mieritseritra ela.Ny antony dia raha tapa-kevitra ny hiverina @ny enao indray andro any satria tsy vitanao ny manadino azy, ka izy indray no hilaza @nao we tsy tiko intsony enao fa enao tsy nandray ny fifonako dia zay vao tena ho sahirana enao.Raha toa moa enao ka mihevitra ny hitady vhv afa dia mba mailo @izay fa ny vhv anie ka tena fetsy,eny fa na dia ny mpandinika iray ao anaty ny baiboly aza nilaza we:nalefako ny fandinihiko ary hitako fa tao anatin'ny lehilahy arivo dia iray no marina,fa tao anatin'ny vehivavy arivo kosa dia tsy nisy na dia iray aza!tsy tadidiko fa i salomon angaba no nilaza anio raha tsy diso aho,koa dia hoy aho we mba mailo @ sisa fa aza tonga dia manao raikim-pitia be loatra,de mahereza fa na dia izany aza dia isika anie tao anatin'ny kibom-behivavy doly e :lol: :lol: :lol:
10. endrika01 ( 09/10/2008 03:29)
Anjaranao aloha ny mahafantatra we nety ny nisarahanao taminy sa tsia,ary anjaranao koa ny mahafantatra we amela ny helony enao sa tsia,zany we raha tena mbola tia mafy azy enao dia ataoko fa tsisy ny olana ny @ hiverenanao aminy, satria hijaly enao raha toa ka mbola tena tia azy nefa mangatak\'andro lava sy mbola mieritseritra ela.Ny antony dia raha tapa-kevitra ny hiverina @ny enao indray andro any satria tsy vitanao ny manadino azy, ka izy indray no hilaza @nao we tsy tiko intsony enao fa enao tsy nandray ny fifonako dia zay vao tena ho sahirana enao.Raha toa moa enao ka mihevitra ny hitady vhv afa dia mba mailo @izay fa ny vhv anie ka tena fetsy,eny fa na dia ny mpandinika iray ao anaty ny baiboly aza nilaza we:nalefako ny fandinihiko ary hitako fa tao anatin\'ny lehilahy arivo dia iray no marina,fa tao anatin\'ny vehivavy arivo kosa dia tsy nisy na dia iray aza!tsy tadidiko fa i salomon angaba no nilaza anio raha tsy diso aho,koa dia hoy aho we mba mailo @ sisa fa aza tonga dia manao raikim-pitia be loatra,de mahereza fa na dia izany aza dia isika anie tao anatin\'ny kibom-behivavy doly e :lol: :lol: :lol:
Ny voalaza talou tsy mitovy @zao.Ny lhl @zao vhv 5 ndray iterahany aby.Avy eo ny zaza kamboty ray mbola velona.Mandratra fom-behivavy!
11. melki ( 09/10/2008 05:41)
[Misaotra betsaka manoro hevitra. Marina fa mafy, ary mbola tsy nahita hoe vehivavy mahay manafina ohatran'izany aho. Hiezaka aho hanadino azy na dia mafy amiko aza. Tsy nampoiziko mantsy hoe izaho izao no sendra izany, ary ity vehivavy ity dia tsy ampoizina hoe mahavita an'izany ah! Saingy ny porofo rehetra dia hitako avokoa, ary nanaiky izy fa nanao ireo. teo aho no kepoka, ka nilaza taminy hoe"dia vitanao ve?" Za amin'io nanaja azy tanteraka ah! Izay no tena nahakivy ahy! Fa dia misaotranareo namana manoro hevitra fa dia misy isainana tsara! Mirary soa eh!
12. melki ( 09/10/2008 05:46)
[[/quote]Misaotra t@ hevitra! Hitanao ny tena naha-dessu ahy dia izaho izay tsy mba nampirafy azy akory fa dia nanaja azy satri hoe izy no efa ho tonkan-tranoko! Izay anefa no nitranga, ary efa nahazatra azy nandritra izay fotoana lava B niarahanay izay fa izaho mihitsy no diso nahatoky azy. Kivy aho. Mariako fa tsy itora-bato azy aho fa mamela ny fahadisoany saingy tsy sahy iaraka aminy intsony, ary mahataotra azy aza aho satria raha nitohy izao dia mety ny aiko no nanefa mba hangalàny ny fananako. Izay fa misaotranao nanome hevitra araka ny soratra masina!

13. ni81 ( 09/10/2008 06:44)
Ny mitranga sy miseho rehetra eo @ fiainana ange tsy ampoizina e! Izay ilay maha fiainana azy. Aza mba hanenenana ny zavatra tsara natao sy mbola hatao satria ny ratsy atao loza mihantona, ary misy farany daholo ny zavatra rehetra...
Efa zavatra tena lehibe ny tsy famelanao azy fa dia mahereza!
14. sytl ( 09/10/2008 08:12)
Hitanao ny tena naha-dessu ahy dia izaho izay tsy mba nampirafy azy akory fa dia nanaja azy satri hoe izy no efa ho tonkan-tranoko
tsy tokony ho "deçu" enao,refa tsy nanao ratsy enao de tsy tokony hanenina!!
15. ni81 ( 09/10/2008 08:37)
tsy tokony ho "deçu" enao,refa tsy nanao ratsy enao de tsy tokony hanenina!!
Izany tokoa e
16. sakaizakely ( 09/10/2008 08:52)
melki>

raha azoko zany de ilay ianao tsy nampirafy azy no tena maha "déçu" be anao fa raha mba nampirafy ianao dia mety ho kelikely kokoa ilay déception :lol: :lol: :lol:

am sisa zany de mampirafesa am zay tsy maneninn
17. ni81 ( 09/10/2008 08:55)
Ny mitranga sy miseho rehetra eo @ fiainana ange tsy ampoizina e! Izay ilay maha fiainana azy. Aza mba hanenenana ny zavatra tsara natao sy mbola hatao satria ny ratsy atao loza mihantona, ary misy farany daholo ny zavatra rehetra...
Efa zavatra tena lehibe ny tsy famelanao azy fa dia mahereza!
fanitsina kely: efa zavatra tena lehibe ny famelanao azy fa dia mahereza!
18. zary ( 09/10/2008 09:00)
ny fitiavana @ nay dia fitiavana mitovy amin 'ny anareo lhl koa ka fa ny anao angamba hafa mihitsy
19. fahamarinana ( 09/10/2008 09:05)
sakaiza:
am sisa zany de mampirafesa am zay tsy maneninn

:arrow:mbola anatin'ny alahelo sy hatezerana angamba izy .
Fa na izany aza ry melki tsy ny vehivavy rehetra no manao toy izany fa dia maniry anao ahita ilay lafatra.Asa raha misy izany aloha fa toa samy manana ny toetrany daholo koa ny olon-drehetra na lahy na vavy io.
melki:
ary ity vehivavy ity dia tsy ampoizina hoe mahavita an'izany ah

:arrow: iny indray tsy azo amaritana olona kah,betsaka no mahavita zvtr nefa olona tsy ampoizina tahaka izay,be koa no hendry nefa jerenao ohatrizao dia toa hoe manidina...arakaraky ny olona io.
Ny nahatsara azy dia soa mbola tsy mpivady nareo ka azo lazaina hoe mora kokoa ny fisarahana ,eny na mafy sy marary be aza e (l)
20. xxx ( 09/10/2008 10:08)
Za ndray vehivavy fa efa sendra ny mitovitovy amin'izany, 3taona zahay no niaraka, fa tena nisarahako. Ny nataoko an-doha tamin'izany dia hoe "aleoko marary kely 1, 2volana toy izay hanenina mandra-maty raha hiaraka aminy"
sy ny hoe "aleo izay tia anao no tiavina"

Amiko, ny fitiavana dia zavatra mahafinaritra amin'ny ankapobeny ary mipetraka amin'ny fifampitokisana voalohany indrindra ; ka raha zao ianao dia efa mahatsiaro mijaly ...toa hanahirana ihany !
Fa ianao ihany no erany kah! mbola mafana ny fonao zao, mahereza

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1278