tononkira tranainy

1. rafangotsohana ( 12/09/2008 08:02)
Sao dia mba misy mahay an'ilay hira hoe : "ANDAO ITY TANA-NAHAZATRA, HANJENY FA OLO-MAHANTRA, LAHY E! LAHY E ! Dia mba iza no mihira azy?
Misaotra, Tompoko!
2. ni81 ( 12/09/2008 08:03)
Toa i Naka RABEMANANTSOA angamba no mihira an'izy io raha tsy diso aho. Omeko rehefa avy eo ny tonony.
3. ni81 ( 12/09/2008 08:14)
(Miala tsiny raha toa ka misy diso fa tsy dia tadidy loatra o)

Handao ‘ty tana-mahazatra
Hanjeny toa olo-mahantra
Lay e, lay e, lay e, lay
Veloma ry ilay Anjoany
Tsarovana tsara hatrany
Lay e, lay , lay e
Eny ry lay

Voizo malaky ny botry
Hijanona tsy hisy tsotry e
Lahy e, eny ry lahy
Hanjeny toa naman’ny very e
Hisento tsy hisy mpijery e
Lay e, eny ry lay

Veloma, veloma ….
4. tsiambaratelo ( 15/09/2008 08:59)
Tena mbo tsy haiko lay tononkira,mbo alefaso eto de henoina.Zah anisany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1297